"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 29 septembre 2010

FANJAKAN’ I MADAGASIKARA : HITONDRA FITAHIANA HO AN' NY FIRENENA


FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA:
HITONDRA FITAHIANA HO AN’ NY FIRENENA

Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia ho hajorony eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina (Ekosodosy 19:6), manaja an’ i Zanahary sy ny Soatoavina ary ny Kolotsainam-pirenena, ary Ny Baiboly Tenin' Ilay Mpahary (Salamo 119:105), ho hitan' ny firenena rehetra, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena malagasy. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany.


Tany Masina i Madagasikara, ilay silaky ny Tany Edena. Ary Madagasikara efa nohamasin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, Zanak'Ilay Mpahary, IHWH, Ilay Avo Indrindra, avy any an-danitra, efa 2000 taona lasa izay, ho an’Ilay Mpahary. Ary miposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany (Isaiah 60:1-2).


1. ZANAHARY, IHWH, IRAY MASIN'ISRAELY, ILAY AVO INDRINDRA, NO FOTOTRY NY FANJAKANA:

Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, no fototry ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina (Eksodosy 19:6). Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, efa nolazainy am-polo taona maro: Izy no efa nifidy an’ i Madagasikara toa ny Lahimatoan’ ny Tany! Lahimatoa amin’ ny Finoana sy ny Fankatoavana an’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra!

Ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina, dia avy amin’i Zanahary, manaja sy manaraka ny Teniny, amin’ ny alàlany, ary ho Voninahiny irery ihany (Romana 11:36). Ny fototry ny teny hoe Fanjakana dia ny teny hoe Aka, izay manome ny anarana samihafa hoe: faka, jaka, laka, paka, zaka. Ny dikan’ ny teny hoe Aka dia Ain-dehibe avy amin’i Zanahary, izay mamelona sy miori-paka ao aminy. Ny Fanjakana izany dia ilay fahefana sy rafitra avy amin’i Zanahary, nampindramina ny Mpanjaka sy ny tompon’andraikitra rehetra, manaraka ny Tenin’Ilay Mpahary, IHWH, Ilay Avo Indrindra, mba hanasoavana ny firenena sy hiadanan’ny vahoaka ary hiarovana ny tanindrazana.


2. TENIN’I ZANAHARY, IHWH, IRAY MASIN' ISRAELY, ILAY AVO INDRINDRA, FA TSY FEON’ NY MPANAO POLITIKA:

Araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary, IHWH, Ilay Avo Indrindra, hotahiana izay olona mahatoky an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany (Jeremia 17:7). Fa voaozona kosa izay olona mahatoky olona (Jeremiah 17:5).  Ary ny Fahefan’Ilay Mpahary, IHWH, Ilay Avo Indrindra, irery ihany no azo ekena, fa tsy ny didy jadona na ny fahefam-bahoaka. Ary ny Tenin’Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, irery ihany no Fanilo sy Fahazavàna, izay marina mandrakizay ary azo itokisana (Salamo 119-105), fa tsy ny tenin’ny mpanao politika izay mandalo, ary mety mamitaka sy mivadibadika isan’andro.


3. FANJAKANA FA TSY REPOBLIKA :

Araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina (I Petera 2: 9-10), no làlana tokana, avy amin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, Ilay Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo (I Timoty 6:15), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena.

Ny rafitra repoblikana, demokratika, laika, masonika, dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena, hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana,hangalàrana ny harem-pirenena ho an' ny tombontsoan' ny vahiny ary hampahantrana ny vahoaka malagasy.


4. FIRENENA MASINA FA TSY ANTOKO POLITIKA:

Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, ny fototra iorenan’ ny fampandrosoana dia ny fianakaviana (Genesisy 2:7-24), ny fianakaviambe, ny zana-poko, ny foko, ny fokom-pirenena, ary ny firenena masina, sahala amin’ ny Zanak’Israely Roambinifolo (I Mpanjaka 18:31) fa tsy ny antoko politika velively. 


FEHINY: Miposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany (Isaiah 60)! Tenin'Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny didy jadona na ny demokrasia.

Ho an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, faha-21 Septambra 2010.

Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA
Ph.D in Theology,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.



 (c) copyright.




(c) Copyright.