"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

samedi 20 novembre 2010

FANJAKAN'I MADAGASIKARA, FANJAKAN' NY FAHAMARINANA



 Ny FANJAKAN'I MADAGASIKARA, dia miorina amin' ny BAIBOLY, TENIN'ANDRIAMANITRA (Salamo 119:105), miori-paka amin' ny DIDY FOLO (Eksodosy 20), ary manaiky fa Ilay Zanakandriamanitra avy any an-danitra, JESOA KRISTY, no MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO (1 Timoty 6:15), any an-danitra sy ety an-tany, ary indrindra eto Madagasikara.

Araka ny vavaka nataon'i Jesoa Kristy Tompo manao hoe « ...Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra...'' (Matio 6:10), any an-danitra sy ety an-tany, ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA dia taratry ny Fanjakan'Andriamanitra.



Hoy ny Tenin'Andriamanitra: Ny Fanjakan’Andriamanitra? “… tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa FAHAMARINANA sy FIADANANA ary FIFALIANA ao amin’ny FANAHY MASINA” (Romana 14:5).  Fa “NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA" (Ohabolana 14:34) ary MAMPAHATEZA ny FANJAKANA (Isaiah 32:1).

 "...Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy YHWH, dia hevitra hahatonga FIADANANA fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany" (Jeremia 29:11),fa tsy fitaintanan-dava.  Dia hoy Jesoa Tompo: “...mba ho ao aminareo ny FIFALIAKO, ka ho tanteraka ny FIFALIANAREO" (Jaona 15:10,11).

 "Fa tsy Sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona" (Jeremia 3:33), fa ny HAHASAMBATRA azy. Ary tiany ho tanterahina eo amin’ny isaky ny FIRENENA koa izany, 
fa "SAMBATRA IZAY FIRENENA IZAY MANANA AN'I YHWH HO ANDRIAMANINY" (Salamo 33:12a; 144:15b), dia ny FIRENENA ANJAKAN' NY FAHAMARINANY.


 Fa Izy no TOMPON' NY FANJAKANA SY NY HERY ARY NY VONINAHITRA (Matio 6:13 nota 7), ary “An’i YHWH ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy” (Salamo 24:1).

JESOA KRISTY, ILAY ILALANA SY FIANANA ARY FAHAMARINANA (Jaona 14:6) no efa nampianatra antsika ilay Vavaka manao hoe: “....HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO. ATAO ANIE NY SITRAPONAO, ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA ! ”.


Dia ho an' Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, ao amin'i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo, Ilay Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo !

 Amen !

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

dimanche 14 novembre 2010

BOKIN' ISAIAH 60 : TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA MIKASIKA AN' I MADAGASIKARA:

-

Indro zaraina amintsika ny Bokin' ISAIAH 60, izay TENY FIKASAN'ANDRIAMANITRA mikasika an' i MADAGASIKARA manokana,
 izay nampitondrainy an' i Mama Ravelonjanahary (1850-1971) tao amin' ny Toby Manolotrony, izay efa nampiakariny in-telo tany an-danitra,
 nohamafisiny tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava (1918-1998) tao amin' ny Toby Ankaramalaza, izay efa nampiakarin'i Jesosy Kristy im-pito tany an-danitra, 
ary tamin' ny Pastora Rakotozandry Daniel tao amin' ny Toby Farihimena (1946-1947),

ary ho tanterahan' ILay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, tsy ho ela intsony eto amin' ny firenena:



1 " MITSANGANA, MIHAZAVA, fa TONGA NY FAHAZAVANAO, ary NY VONINAHITR' I IHWH EFA MIPOSAKA AMINAO.

2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa AMINAO KOSA NO IPOSAHAN' I IHWH, ary AMINAO NO ISEHOAN' NY VONINAHINY.

3 Ary NY FIRENENA MANATONA NY FAHAZAVANAO, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.

4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; NY ZANAKAO-LAHY DIA AVY LAVITRA, NY ZANAKAO-VAVY DIA SAKELEHINA.

5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa HO ENTINA HO ANAO NY HAREN'NY RANOMASINA, ary HAFINDRA HO ANAO NY FANANAN'NY FIRENENA.

6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i IHWH no teny mahafaly hambarany.

7 Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny Tranon'ny Voninahitro.

8 Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?

9 Fa IZAHO no ANDRASAN' NY NOSY, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana,
HITONDRA NY ZANAKAO AVY LAVITRA MBAMIN' NY VOLAFOTSINY sy ny VOLAMENANY, ho an'ny anaran'i IHWH ANDRIAMANITRAO sy ho an'ny IRAY MASIN'NY ISRAELY, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.

10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary AMIN'NY FITIAVAKO KOSA NO AMINDRAKO FO AMINAO,

11 Ary HIDANADANA MANDRAKARIVA ny VAVAHADINAO, TSY HIRINDRINA IZY NA ANDRO NA ALINA, HAMPIDIRANA NY HAREN' NY FIRENENA sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.

12 Fa HO LEVONA IZAY FIRENENA SY FANJAKANA TSY HANOMPO ANAO; ENY, IRENY FIRENENA IRENY HOFONGORANA TOKOA.

13 Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny FITOERAKO MASINA, ary HASIAKO VONONAHITRA ny FITOERAN-TONGOTRO.

14 NY ZANAK'IZAY NAMPAHORY ANAO DIA HIONDRIKA EO ANATREHANAO,ary HIANKOHOKA AMIN' NY FALADIANAO IZAY REHETRA NANAMAVO ANAO; ary izy hanao anao hoe TANANAN' I IHWH, ZIONAN'NY IRAY MASIN'NY ISRAELY.

15 Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia HASANDRATRO HO REHAREHA MANDRAKIZAY IANAO, eny, HO FIFALIANA HATRAMIN' NY TARANAKA FARA MANDIMBY.

16 Ary hinono amin'ny jentilisa hianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa IZAHO IHWH NO MPAMONJY ANAO, ary ILAY MAHERIN' I JAKOBA NO MPANAVOTRA ANAO.

17 Hahatonga VOLAMENA Aho ho solom-barahina, ary hahatonga VOLAFOTSY ho solom-by, ary VARAHINA ho solon-kazo, ary VY ho solom-bato; NY FIADANANA NO HO HATAOKO FANAPAHANA ANAO, ary NY FAHAMARINANA NO HO MPAMPIASA ANAO.

18 Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe FAMONJENA, ary ny vavahadinao hataonao hoe FIDERANA.

19 Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa IHWH NO HO FAHAZAVANA ANAO MANDRAKIZAY, ary IHWH NO HO VONINAHITRAO.

20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa IHWH NO HO FAHAZAVANAO MANDRAKIZAY, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.

21 Ary ny OLONAO REHETRA ho MARINA avokoa; hanana ny TANY ho mandrakizay izy, eny, ho VOLY MAITSO eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.

22 Ny kely ho TONGA ARIVO, ary ny malemy HO TONGA FIRENENA MAHERY; IZAHO IHWH NO HANAFAINGANA IZANY AMIN' NY FOTOANY".


Amen !
 
-
 

dimanche 7 novembre 2010

HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA



FANAMBARANA:

FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKAM-PISORONA
MIORINA AMIN’ NY DIDY FOLO, HITONDRA FITAHIANA.


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajoron’Andriamanitra eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjaka-Mpisorona, manaja an’ Ilay Mpahary, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany. Tapitra tamin’ ny 17 marsa 2009 ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany ary nitondra ozona ho an’ ny firenena.
Miditra isika izao amin' ny Taon-Jobily (Levitika 25:8-10), Taona faha-Dimam-Polo (1960-2010), Taona Fanafahan' Andriamanitra ny Firenena! Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny. Ary efa nohamasin’ i Jesoa Kristy, efa 2000 taona lasa izay i Madagasikara, ho an’Ilay Mpahary! Ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ny faran’ ny tany.


1. NY TENIN’ANDRIAMANITRA NO FOTOTRY NY FANJAKAN’I MADAGASIKARA:
 Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, hajorony eto tsy ho ela intsony ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (I Petera 2: 9-10), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Efa nohamarininy izany Fanjaka-Mpisorona izany tamin’ ny 02 Aogositra 1983 tany Ankaramalaza. Hajorony ny Lalàm-Panorenana Vaovao mifototra amin' ny Baiboly, Tenin'Andriamanitra. Ary Olon'Andriamanitra maro, tena mijoro amin’ ny fahamarinana (Isaiah 33:15), no hapetrany hitondra ny Tany sy ny Fanjakana, isan'ambaratongam-pahefana.
 Ny rafitra repoblikana dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ Ilay Mpahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena sy hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana ary hangalàrana ny harem-pirenena. 


2. TENY FIKASAN’ANDRIAMANITRA NY FANJAKA-MPISORONA:
Ny Teny Fikasan’Andriamanitra dia Tenin’Andriamanitra ao amin’ ny Baiboly, izay fanomezany toky amin’ izay asa hataony sy ny zavatra ho tanterahiny ary ny fanomezana atolony. Izay olona na fianakaviana na foko na firenena manaiky izany dia hahazo Fitahiana (Deotoronomia 28:1-14) ary izay mitsipaka izany Tenin’Andriamanitra izany kosa dia ho sahirana sy ho voaozona (Deotoronomia 28:15-68).
Teny Fikasan’Andriamanitra ny Fanjakam-Pisorona, nolazainy efa hatry ny ela, fa tsy vao izao akory. Hoy Ilay Mpahary: Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho Fanjakam-Pisorona sy ho Firenena Masina ho Ahy hianareo. » (Eksodosy 19:6). Ary inona moa izany Fanekena izany ? Ny Fanambarana nataony tamin’ i Abrahama ho Rain’ ny firenena maro sy hisy Mpanjaka maro hipoitra avy aminy (Genesisy 17:6-7) ary ho Firenena Masina, « mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho » (Genesisy 17:7). 


3. NY DIDY FOLO NO FOTOTRY NY LALAM-PANORENANA:
Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny, ary efa nohamasin’ Ilay Mpahary tamin’ ny namoronany ny Lanitra sy ny Tany. Ary Jesoa Kristy, Zanakandriamanitra avy any an-danitra (Jaona 1:1-34), dia efa tonga teto Madagasikara, rehefa tsy tany Israely, ary nanamasina ity Nosintsika ity, roa arivo taona lasa izay, ho an’Andriamanitra Ray Tsi-Toha!
Ary araka ny Tantara, izay nohamarinina mpanompon’Andriamanitra, dia eto Madagasikara ny Didy Folo, nosoratan’Ilay Mpahary (Deot. 5:6-18), ao anatin’ Ilay Fiaran’ ny Fanekena, tao amin’ ny Toerana Masina Indrindra tao anatin’ ny Tempoly Voalohany tao Jerosalema! Ary ny Didy Folo no fototry ny Lalàm-Panorenana ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona.

4. JESOA KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA:
Araka ny Tenin’Andriamanitra dia Jesoa Kristy no Mpanjakan’ ny Mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, manerana ny Lanitra sy ny Tany (Apokalypsy 19:16). Ny Mpanjaka Ranavalona II dia efa nanamafy izany tamin’ ny 20 Jolay 1869 tamin’ ny fandatsahana ny vato fehizoron’ ny Tempoly Anatirova Antananarivo. Ary tsy tafita hatrany izay mpitondra firenena, manerana ny tany, ka tsy manaiky na tsy manaraka ny Tenin’Andriamanitra.

Ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona, izay ho hajoron’Ilay Mpahary tsy ho ela intsony, dia Fanjakana miori-paka sy manaja ny Baiboly Tenin’Andriamanitra. Hisy ny Mpanjaka araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary (Genesisy 17:6), manaiky sy manaraka ary mifikitra amin’ i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy (Asa 5 :31), ary hisy Filan-Kevitry ny Mpisorona (I Tantara 24 :7-19) eo anilany, izay mivavaka hatrany (I Petera 2 :5) sy manoro làlana ary manitsy ny Mpitondra Fanjakana araka ny Baiboly Tenin’Andriamanitra (Salamo 119 :105).

FEHINY: 
Hajoron'Andriamanitra tsy ho ela intsony eto ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona! Miomana ny Fiangonana. Miomana ny Firenena. Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny fitondrana jadona na ny demokrasia.
Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra !
Antananarivo, faha-07 Novambra 2010.
Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA
Doctor of Theology (USA).



(c) copyright.