"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mardi 15 février 2011

FANAJANA NY ZON'OLOMBELONA SY NY FAHAFAHANA FOTOTRA

-



Ny Andriana Rev. Dr. RABARIOELINA Ndriana, Mpitarika ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara, dia nandefa taratasy tamin' Atoa Ban KI-MOON (Sekretera Jeneraly ny ONU) sy ny Filohan' ny World Bank) ny Tale Jeneraly ny FMI, 

 

 ary nilaza tamin' izy ireo fa ny làlana tokana hivoahana amin' ny olana any Madagasikara, dia miainga amin' ny FANAJANA an' Ilay MPAHARY sy ny fanajàna ny SOATOAVINA ary ny KOLOTSAINA-MPIRENENA.

 

 

Nanamafy koa izy ireo fa ny Fanajàna ny "SOATOAVINA NENTIM-PAHARAZANA" sy ny "TEKNOLOJIA VAOVAO", ao anatin' ny FANJAKAN'I MADAGASIKARA, no làlana tokana ho Fampandrosoana an' i Madagasikara, sahala amin' ny Fanjakan' i Norvezy (N°1 mondial de l'Indice de Développement Humain, IDH, PNUD, 2010).

 

 

Koa ireto avy no fepetra fototra, ao anatin' izany vaha-olana, nolazain' ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara ho an' ny firenena izany:

 

1 - Fanajàna ny Zon'Olombelona sy ny Fahafàhana fototra.

 

2 - Famoahana tsy misy hatak'andro ireo gadra politika (miaramila, sivily, mpitondra fivavahana) noho ny tsy fitovian-kevitra.

 

3 - Fanokàfana tsy misy hatak'andro ny haino aman-jery nakàtona rehetra.

 

4 -  Fahafàhana maneho hevitra, mivory, manao fikambanana, ary fahafàhan' ny haino aman-jery haneho hevitra, ao anaty fifanajàna.

 

5 - Fitsarana mandeha amin' ny Fahamarinana. Tsy fahazahoana mitazona na managadra olom-pirenena raha tsy efa voatsaran' ny Tribonaly ka hita fa meloka. Fitsarana haingana ireo olona an-tranomaizina efa an-taonany maro, kanefa tsy voatsara mihitsy noho ny antony maro.

 

6 - Fandraisan' ny Hery Velona rehetra eto amin' ny firenena, amin' ny Rafitra Tetezamita rehetra, fa kosa tsy maintsy olom-pirenena vanona, tsy mpanao kolikoly na mpangalatra, tsy meloka teo anatrehan' ny fitsarana ankoatra ny antony politika, ary mandeha amin' ny fahamarinana.  


7 - Famotsoran-keloka, ho an' ny mpanao politika, nanomboka hatramin' ny taona 1960 mandraka ankehitriny. Tsy ao anatin' izany kosa ireo izay namono na nampamono olona, nangalatra na nanodina volam-panjakana sy fanànam-pirenena, nanondrana antsokosoko na tsy ara-dalàna ireo harem-pirenena, tsy fanàjana ny Zon' Olombelona sy ny Fafafàhana fototra teo amin' ny fitondrana firenena.

 

 

Antananarivo, faha-07 Aprily 2011.

-