"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

samedi 12 novembre 2011

NY LAPAN' I MANJAKAMIADANA MARIKY NY FIANDRIANAM-PIRENENA DIA TSY MAINTSY MIJORO SY HAMIRAPIRATRA INDRAY !

:

Madagasikara, Tany Masina, dia efa nànana ny Fahaleovatenam-pirenena sy ny Fiandrianam-pirenena talohan' ny fanjanahantany. Ary efa anisan' ny firenena lehibe sy matanjaka indrindra teto amin' ny Ranomasimbe Indiana sy Afrika izy tamin' ny Taonjato faha-19, ary mbola natanjaka noho i Japana talohan' ny vanim-potoanan' ny Emperora Meiji.

Ireo Andriana manjaka teto Imerina sy teto Madagasikara dia nampandry ny tany sy ny firenena noho ny ady tsy nisy farany teo amin' ny vahoaka sy teo amin'ny foko isan-karazany, ary nanambatra ireo fanjakana isam-poko ho fanjakana iray lehibe. Vokatr'izany, ny Rovan' Antananarivo dia mariky ny fahaleovantenam-pirenena sy ny Firaisam-pirenena ary ny Fiandrianam-pirenena.

Nisy nandoro tamin'ny 06 Novambra 1995 ny Rovan'antananarivo, izay nisy ny Lapa Besakana, Manhitsielafanjaka, Tranovola, Manampisoa sy ny Lapan'i Manjakamiadana, miaraka tamin' ny Fasana Fitomiandàlana, ary ireo Fasan' ny Mpanjakalahy sy Mpanjakavavy.


Iza no nandoro ny Lapan' i Manjakamiadana ? Raha ny tantara no jerena dia efa tamin' ny taona 1642 ny frantsay no tia hanjanaka an' i Madagasikara. Ary tamin'ny Konferansa tany Berlin tamin' ny taona 1885 dia nanapa-kevitra ireo firenena vazaha tandrefana efatrambinifolo fa hizara sy haka an' i Afrika sy Madagasikara.

Ho tohin'izany dia vazaha frantsay repoblikana mpanjanantany vaovao, niaraka tamin' ny karana sy malagasy mpamadika tanindrazana, no nampandoro sy nandoro ny Rovan'Antananarivo, tamin' ny lasantsy kerozene, tamin' ny 06 Novambra 1995.


Noho izany, ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara dia manao zao fanambarana izao: Voaozona izay rehetra nampandoro sy nandoro ny Rovan' Antananarivo sy ireo izay rehetra tsy manaja ny soatoavina ary ny kolotsainan' ny Ampanjaka sy ny firenena, ary koa ireo rehetra nandroba na mandroba ny harem-pirenena rehetra eto Madagasikara.

Hotahina kosa izay rehetra manaja ny soatoavina sy ny kolotsainan'ny Ampanjaka sy ny firenena, sy miaro ny harenam-pirenena ary ny tontolo iainana eto Madagasikara.

Fa ny Rovan' Antananarivo dia tsy maintsy mijoro sy hamirapiratra indray, ary tsy misy afaka ahasàkana izany !


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


Hoy ny Tenin'Andriamanitra Andriananahary: "HOTAHINA izay rehetra MANISY SOA ANAO, fa HOZONINA kosa izay rehetra MANOZONA ANAO" (Genesisy 12:3)


Antananarivo, Vohitra Masina, faha-06 Novambra 2011.


Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Zanakandriana syAmpanjaka eto Madagasikara.

(c) copyright.