"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

vendredi 24 février 2012

FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA : FANOMEZANA HO FANAMBOARANA NY ROVAN'AMBOHIMANGA:

Ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, tarihan' Ny Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina, dia nanao fanomezana vola mitentina 140.000 ariary, ho fanadiovana ny Rovan'Ambohimanga, izay voa mafy tokoa, tamin' ny fandalovan' iny rivodoza Giovanna tamin' ny 14 Febroary 2012 iny.


Ny Rovan'Ambohimanga dia ao anatin' ireo vohitr'andriana sy vohitra masina eto Imerina, izay manana ny lazany manokana tokoa, ary reharehan' i Madagasikara hatrany am-pitandranomasina. Tao no nanjaka ireo mpanjaka toa an'Andriambelomasina sy Andrianampoinimerina.


Vokatry ny rivodoza Giovanna, izay nandalo tamin' ny 14 Febroary 2012, teny amin' ny Rovan'Ambohimanga, dia maro ireo hazo amontana sy hazo jacaranda ary hazo isan-karazany, izay nianjera tanteraka na tapaka, teo amin' ny fiakarana alohan' hidirana ny Rova sy ny toerana antsoina hoe Ambatorangotina ary ny toerana fikabariana antsoina hoe Fidasiana, ao amin' ny Rovan'Ambohimanga. Nisy iraikambinifolo koa ireo tafon' ny trano nanodidina ny Rovan'Ambohimanga izay lasan' ny rivodoza tanteraka.


Misaotra an'Andriamanitra Andriananahary fa tsy nianjera na tapaka ireo hazo amontana roa lehibe eo andrefana sady tena akaikin' ny lapan'ny Mpanjaka Andrianampoinimerina.



Nohamafisin' ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara hatrany koa ny tokony hanajana ny hasin' ny Rovan'ny Mpanjaka, mba tsy hisy intsony ny lanonana izay tsy misy hifandraisany mihitsy amin' ny fiandrianana sy ny mpanjaka, sy ny tokony hanajana ireo zavatra fady, nanomboka tamin' ny andron' ny mpanjaka, dia ny tsy tokony hitondrana kisoa, toaka, paraky, tongolo ary rongony, eny an-toerana, satria toerana masina ireny.


Manaraka izany dia nanao fanambarana izy ireo fa ny vavaka sy fangataham-pitahina amin' Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, Andriamanitry ny razana, irery ihany, no mitondra fitahina, ary izany no tena fomba taloha,

fa ny vavaka amin' Andriamanitra sy ny razana dia mitondra ozona, satria Andriamanitra Andriananahary tsy azo ampitoviana laharana amin' ny razana, izay voaharian'ILay Mpahary.


Farany, ny Fiombonamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara dia manao antso avo amin'ny mpiray tanindrazana rehetra mba hiaro ny vakokam-pirenena sy ny vohitra masina rehetra manerana an' i Madagasikara.


Ambohimanga, vohitra masina, 16 Febroary 2012.


Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.



(c (c) Copyright.