Ny Planin'Andriamanitra hitondra Fitahina ho an' i Madagasikara, izay efa nambarany tamin' ireo raimandreny ara-panahy tany aloha, dia izao:
1) Andriamanitra dia miantso ny Malagasy rehetra mba HIBEBAKA sy HANDRAY NY FAMONJENA AO AMIN' I JESOA KRISTY TOMPO (Jaona 3:16) mba handovàna ny Fanjakan' ny Lanitra sy hisian' ny Fitahin'Andriamanitra, fa tsy ho very sy hijaly mandrakizay any amin' ny Afobe, satria efa nantsoiny ho "Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina" isika (Eksodosy 19:6).
2) HISY FIFOHAZAM-PANAHY LEHIBE ETO MADAGASIKARA (Isaiah 60), ary Madagasikara ho lasa Foibe Fitoriana ny Filazantsara eran-tany, ary ho avy eto ny olona avy amin' ny Firenena maro hitady an'Andriamanitra sy ny Famonjeny.
Efa natombok'Andriamanitra 194 taona mahery izany Fifohazam-Panahy izany (Soatanana, Manolotrony, Ankaramalaza, Farihimena), ary mbola hitombo ho lehibe hanerana ny tany ary tsy ho takatry ny saina ! Ny Gasy Olom-baovao ao amin' i Jesoa Kristy (I Korintiana 5:17) eto an-tanindrazana sy aty am-pitandranomasina dia Solontenan'Andriamanitra hanambara ny Famonjen' i Jesoa Kristy Tompo amin' ny firenena rehetra (Matio 28:18-20) !
Ary Andriamanitra dia miantso ny Gasy rehetra mba hanome, raha kely indrindra, ny am-pahafolon' ny harenany ho an'Andriamanitra (Malakia 3:10) ary hitory ny Filazantsara eto Madagasikara sy manerana ny tany, ary hizaràna Baiboly ho an' izay mila izany (Matio 28:18-20).
3) HAJORON'ANDRIAMANITRA, TSY HO ELA INTSONY, NY FANJAKAN' I MADAGASIKARA (Isaiah 32:1), FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA (Eksodosy 19:6), Fanjakana Kristiana (I Petera 2:9-10), manaiky an'i Jesoa Kristy ho Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo (I Timoty 6:15).
Ho rava tanteraka ny rafitra repoblikana, laika , demokratika, satanika, izay nitondra ozona ho an' ny firenena, nentina nandrobana ny harem-pirenena, nentina nanapotehina ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena ary nentina nampahantrana ny 92% ny malagasy.
Ary ho lasa Firenena anisan' ny Lehibe eran-tany i Madagasikara (Deotoronomia 28:1-14) ary ny harena ankibonin' ny tany eto Madagasikara dia entina hitoriana ny Filazantsara eran-tany sy entina hampandrosoana tokoa ny firenena manontolo, mandra-pihavin' i Jesoa Kristy Tompo fanindroany (I Tesalonisiana 4:13)!
Tsy misy mpanao politika na vondrona politika na firenena vahiny afaka ahasàkana ny fampijoroan'Andriamanitra ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina (Eks.19:6) !
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra,
ao amin' i Jesoa Kristy, Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo !
Antananarivo, Vohitra Masina, 07 Marsa 2013.
Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka eto Madagasikara.
(c) Copyright.