"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

lundi 7 août 2023

TSO-DRANO HO AN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA (2023)

TONGA NY FOTOANA ! 

Miseho eto ankehitriny izao anton- javatra izao mba tsy hisian'ny rà mandriaka eto amin' ny tany sy ny firenena dia ny Andriana no hankasitrahan' Andriamanitra hitondra ny tany sy ny fanjakana fa raha tsy izany tsy mivoatra sy mandroso ary tsy ho sambatra ny firenena iray. 


NY ANDRAIKITRIN'NY MPANJAKA DIA MPITONDRA NY TENIN'ANDRIAMANITRA, MANDAMINA NY DISADISA, MIZARA NY VOKATRA, TOMPON'NY ANTSY BE FANAMPAHANA.


 NY ATAO HOE FANJAKANA DIA FITONDRAM-PANJAKANA MISY MPANJAKA, 


NY MPANJAKA DIA TSY FIDIN'OLONA FA FIDIN'ANDRIAMANITRA ARY OLONA VITA FATI-DRA AMIN'AZY ARY TSY MAINTSY MAHAVITA NY IRAKA AMPANAOVINA AZY, ARY NY MPANJAKA DIA NATAO HANOMPO VAHOAKA FA TSY TOMPOIN'NY VAHOAKA.


ARY ANDRIAMANITRA NO TOMPOM-PAHEFANA FA NY MPANJAKA NO MANAM-PAHEFANA, ARY NY MPANJAKA SY NY AMBANILANITRA NO LEFONA SY AMPINGA ENTIN'ANDRIAMANITRA MIADY HAMPANJAKANA NY FAHAMARINANA.


 NY ZOKIOLONA KOSA NO FEHILOHA. TSY MIDIKA AKORY IZANY HOE AVAHAM- PITIA NY HOVA SY NY ZAZA MANGA FA NY ZAVA DREHETRA MANAN-TANDRIFY, ARY NY LOHA NO MITONDRA NY VATANA SY NY TANANA ARY NY TONGOTRA. 


KOA ELA VELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,  


MAHALEOVA MAHALASANA, HAHAZAKA ADIDY SY ANDRAIKITRA ARY HOMBANAO ANIE ILAY MPAHARY ARAKA ITY TSO-DRANO NOMEN' IREO ANDRIANA ZOKIOLONA NY MERINA ENIN-TOKO SY IRETO ANDRIAMBE REHETRA IRETO ARY NY AMPANJAKA ANTEMORO !


Antananarivo vohitra masina, 

Sabotsy, 24 Jona 2023.

dimanche 6 août 2023

ANTSO HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA HO FAMONJENA NY FIRENENA (2023)

 FANAMBARANA : 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara 


dia nanambara fa tonga eo amin' ny kihondalan' ny Tantaram-pirenena isika izao. Efa mamàrana ny fitondrana ankehitriny. Hivadika ny Tantaram-pirenena. 


Manoloana :

. ny kolikoly avolenta hitam-poko hitam-pirenena,

. ny tsy fanajana ny Zon' Olombelona, 

. ny tsy fanajana ny Soatoavina malagasy,

. ny fanosihosena miverimberina ny lalam-panorenana sy ireo Lalam-pifidianana maro,

. ny fitondrana mitanila, 

. ny lisipifidianana tsy lavo rary sy tsy mahafapo ny maro: 

. ireo malagasy eto an-tanindrazana mihoatra ny efatra tapitrisa tsy tafiditra anaty lisipifidianana, 

. ireo 200.000 malagasy mahery any ampitandranomasina tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana, 

. ny tsy fandriampahalemanana manerana ny Nosy,

. ny krizy ara-lalampanorenana, ara-politika, ara-toekarena, ara-sosialy lalina ankehitriny, 

. Ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harempirenena, 

. ny fahantran' ny 81,6% ny vahoaka malagasy, lasa sorona.


Ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara dia mijoro amin' ny maha Raiamandreny eto amin' ny tany sy ny firenena, tsy momba ny atsy na aroa, mandray andraikitra ho Famonjena ny firenena araka ny Teny Fikasan' Andriamanitra sy mba tsy hisian' ny rà mandrika eto amin' ny firenena.


Koa miantso ny FFKM, ny Tafika, ny Mpiasampanjakana na ny Mpiasa amin' ny sehatra tsy miankina rehetra, ny Vondrona Politika rehetra, ny Vondron' ny Mpandraharaha malagasy rehetra, ny Vondron' ny Tanora rehetra, ny Tantsaha maro anisa, ny Fiarahamonim-pirenena rehetra, 


mba hankatoa an' Ilay Mpahary ny lanitra sy ny Tany, hanaja ny Soatoavina malagasy, hijoro amin' ny fahamarinana sy ny tena Fitiava-tanindrazana, ary hamerina indray ny tena fahaleovantenam-pirenena sy ny tena fiandrianam-pirenena,


miaraka sy eo ambany fitarihan' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Tsy maintsy hijoro ny FANJAKANA MALAGASY, FANJAKA-MPISORONA, FANJAKAN' I MADAGASIKARA,


Ary tsy misy olombelona afaka hahasakana izany Teny Fikasan' Andriamanitra izany. Hoy Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany hoe : "... MIASA AHO, KA IZA NO MAHASAKANA IZANY? 

".


Tanteraka izany, izay i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy vao : 


HO LOHANY FA TSY HO RAMBONY INTSONY,

HO AMBONY FA TSY AMBANY INTSONY,

HAMPINDRANA FA TSY HINDRANA INTSONY.


Tany Masina i Madagasikara!


"... MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO..."


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra masina, faha-05 Aogositra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


--------------------------------

Fanamarihana:

1. Fanambarana Manerantany mikasika ny Zon' Olombelona, ONU, New York, 1948.

2. Fanambarana Manerantany mikasika ny Fahasamihafana ara-Kolotsaina, Unesco, 2001.

3. Fehikevitra, Fivoriana mikasika ny Fandriampahalemana, nokarakarain' ny African Union, Novotel Antananarivo, 14-15 Desambra 2022. 

4. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Novotel Antananarivo, 24 Marsa sy 22 Jona 2023.

. 5. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Radisson Blu Antananarivo, 27 Jolay 2023.

6. Fandalinana mikasika ny Zotram-pifidianana, MMM, Antananarivo, 2023, 59 pejy.



dimanche 25 juin 2023

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: LALAM-PANORENANA VAOVAO HO FAMONJENA AN' I MADAGASIKARA (2023)

 FANAMBARANA:


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


nanambara fa, ho Fanajana ny Soataovina Malagasy, ho Fanajana ny Zon' Olombelona sy mba tsy hisian' ny rà mandrika, aloha, na ao anatiny, na aorian' ny fifidianana eto Madagasikara (1):


. Ny Fametrahana Governemanta Vaovao, tsy momba ny atsy na aroa, mahaleotena, manana fahefana feno, eo ambany fiahian' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara (2).


. Manaraka, ny Fanovana ny Lalam-Panorenana no Laharapahamehana, mba hankatoa an' Andriamanitra Andriananahary sy mba tena hanaja ny fiziana sy ny Soatoavina malagasy, indrindra ny Fametrahana ireo Ampanjaka amin' ny tena toerany, satria ny vahoaka maroan'isa tsy mankasitraka ny rafitra repoblikana (3),


. Ny Fanaovana Fitsapan-kevitra amin' ny vanimpotoana maintany, fa tsy amin' ny vanimpotoana fahavaratra (4),


no vaha-olana tokana avy amin' Andriamanitra ho Famonjena an' i Madagasikara.


. Nanambara ihany koa Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA fa tokony hisy hatrany ny Dinika miaraka amin' ireo Hery velona rehetra, mba hahatsara ny Fiainam-pirenena.


Izany no nolazainy ampahibemaso sy ireo solontena niaraka taminy ary ny resaka nataon' izy ireo tamin' i Rtoa Natasha VAN RJIN, Solontenan' ny Programme des Nations-Unies pour le Développement (PNUD) eto Madagasikara, nandritra ny Dinika Faharoa ho amin' ny zotram-pifidianana mangarahara sy andraisan' ny rehetra anjara nokarakarain' ny CENI Madagascar sy ny PNUD. 


HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo, vohitra masina, Alakamisy 22 Jona 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Fanamarihana:


(1) Fanambarana Manerantany momba ny Zon' Olombelona, ONU, 1948.

(2) Fehinkevitra, Fivoriana mikasika ny Fandriampahalemana, nokarakarain' ny Union Africaine, Antananarivo, 14-15 Desambra 2022.

(3) Fanambarana Manerantany momba ny Fahasamihafana ara-Kolotsaina, UNESCO, 2001.

(4) Lalàna Organika N.2012-05 mikasika ny Fanaovana Fifidianana, And. 36. Ny Fitsapa-kevitra dia tokony hatao amin' ny vanimpotoana maintany, eo anelanelan' ny 30 april sy 30 novambra.

------------------------------------


STATEMENT:


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Elder Branch of the Royal House, 

Head of the Royal House of Madagascar 


has announced that, in order to respect the Malagasy Cultural Values, then the Human Rights, and to avoid bloodshed, before, during, or after the elections in Madagascar (1):


. The Establishment of a New Government that is neutral, independent, with full power, under the auspices of the Royal House of Madagascar (2).


. Moreover, the Changing of the Constitution is the priority in order to obey God and to really respect the Malagasy Cultural Identity, especially the Placement of the Traditional Kings in their proper place, because the great majority of the population disapprove the successive republican constitutions (3),


. The Polls must be held during the dry season of the year, but not on rainy season (4),


is the only solution for the Lord Creator of the Universe to save Madagascar.


. HRM King Ndriana RABARIOELINA also has announced that there should be a Dialogue with all the Living Powers, in order to improve the National Life.


This is what he and his followers have said publicly and the conversation they had with Mrs. Natasha VAN RJIN, Resident Representative of the United Nations for the Development Program (UNDP) in Madagascar, during the Second Discussion for a transparent and participatory electoral process organised by CENI Madagascar and UNDP.


GLORY TO THE LORD CREATOR OF THE UNIVERSE FOREVER AND EVER!


Antananarivo, the royal city, 22 June, 2023.


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Head of the Royal House of Madagascar. 


Nota bene:

(1) Universal Declaration on Human Rights, United Nations (UN), 1948.

(2) Resolution of the Meeting for the Consolidation of the Peace, organised by the African Union, Antananarivo, 14-15-December 2022.

(3) Universal Declaration on the Cultural Diversity. UNESCO, 2001.

(4) Organic Law N.2012-05 bearing Electoral Code. The polls must be held during the dry season of the year, especially between 30 april and 30 november.





samedi 27 mai 2023

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO NDRENOGNY ANTAGNALA IKONGO (2023)

 FIHAONANA: 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny

Mpanjaka eto Madagasikara,


niaraka tamin' 


Ny Andriana Moreno RANDRIA RAKOTOMANGA,

Lehiben' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina,

Avaradrano Zokin' Imerina,

Fanjakana Merina, 


Ny Andriana Dr Fanantenana Andrianaivotiana RAZATOVO,

Terak' Andrianonitomponintany, 

Lehiben' ny Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo,


Solontena ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, 


sy


FIHAONANA: 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny

Mpanjaka eto Madagasikara,


niaraka tamin' 


Ny Andriana Moreno RANDRIA RAKOTOMANGA,

Lehiben' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina, 

Avaradrano Zokin' Imerina,

Fanjakana Merina, 


Ny Andriana Dr Fanantenana Andrianaivotiana RAZATOVO,

Lehiben' ny Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo,


 Solontena ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, 


sy


Ny Ndrenogny VELONARIVO Honoré, 

Iaban' ny Tany, Ampanjaka bé Fanjakana Antagnala iray manontolo, Maromandia Ikongo,


Ny Ndrenogny RAKOTOARIVELO Pascal,

Ampanjaka bé, ao Ambatofotsy Ikongo,


Ny Ndrenogny RAKOTOSOA André,

Ampanjaka bé, ao Sahasinaka,


sy Ny Ampanjaka RALAIZANA any Ambatofotsy Ikongo sy Ny Ampanjaka RADAMA Germain ao Ambatofotsy ary Atoa RAZAFINDRAINIBE Martin Salohin' ny Ampanjaka ao Sahasinaka,


ho Fanamafisana ny Fihavanana sy ny Firaisankina efa nisy hatry ny ela.


NY FIRAISANKINA NO HERY.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA! 


Antananarivo vohitra masina, volana Mey 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


-------------------------------------


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Elder Branch of the Royal House of Madagascar, 

Head of the Royal House of Madagascar, 


with 


HRH Prince Moreno RANDRIA RAKOTOMANGA,

Head of Ny Andriantompokoindrindra Royal House,


HRH Prince Dr Fanantenana Andrianaivotiana RAZATOVO,

Head of the Kingdom of Ivakinankaratra Imerinatsimo, 


 Representatives of the Royal House of Imerina, 


And 


Ny Ndrenogny VELONARIVO Honoré, 

Traditional King of the Antagnala Kingdom, in Maromandia Ikongo,


Ny Ndrenogny RAKOTOARIVELO Pascal,

Traditional King, in Ikongo Ambatofotsy,


Ny Ndrenogny RAKOTOSOA André,

Traditional King, in Sahasinaka,


with Ny Ampanjaka RALAIZANA and Ny Ampanjaka RADAMA Germain of Ambatofotsy, and Atoa RAZAFINDRAINIBE Martin Salohin' ny Ampanjaka, Sahasinaka, 


to reinforce the Fihavanana and the solidarity for many centuries,


GLORY TO THE LORD YHWH THE CREATOR OF THE UNIVERSE FOREVER AND EVER!


Antananarivo the sacred and royal city, 

The Month of May 2023.


HRM King Ndriana RABARIOELINA,  

Elder Branch of the Royal House, 

Head of the Royal House of Madagascar. 


mardi 28 mars 2023

FANOVANA IFOTONY NY LALAM-PANORENANA : MANAJA AN' ANDRIAMANITRA SY NY SOATOAVINA MALAGASY

VAHA-OLANA AVY AMIN' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA NY FIRENENA:


FANAMBARANA:


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, 

dia  nanatrika ny Dinika mikasika ny Tontolo Politika sy ny Fifidianana nokarakarain' ny Komity ny Fifidianana Nasionaly Mahaleotena (CENI) teto Antananarivo ny 24 Marsa 2023,


Ary niara-napetraka teo amin' ny laharana voalohany niaraka tamin' ireo Raiamandreny ara-Panahy sy Olobe teto amin' ny firenena:

. Ny Past. Dr. Irako Ammi Andriamahazosoa, Filohan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sady Filohan' ny Fiombonamben' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM),

. Ny Past. Dr. Denis Rakotozafy, Filohan' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM),

. Ny Monseigneur Archevêque Dr. Samoela Jaona Ranarivelo, Arsevekan' ny Ekklesia Episkopaly Malagasy (EEM),

. Ny Monseigneur Archevêque Odon Razanakolona, Arsevekan' Antananarivo (EKAR)..

. Atoa Issa Sanogo, Solontenan' ny Firenena Mikambana (United-Nations) eto Madagasikara.


Manoloana ny Krizy lalina amin' ny lafiny ara-lalampanorenana, ara-politika, ara-ekonomika, ara-sosialy, indrindra ny Fahantrana sy ny Fijalian' ny 90% ny Vahoaka Malagasy,

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Raiamandreny eto amin' ny Tany sy ny Firenena, dia manome ny Vaha-Olana ho Famonjena ny Firenena:


1) Fanovana ifotony ny Lalampanorenana, mankatoa an' ANDRIAMANITRA ary manaja ny Fotopisainana sy ny Soatoavina Malagasy,


2) Fametrahana ny Mpanjaka sy ireo Ampanjaka amin' ny toerana tokony hisy azy avy ary ny Fiaraha-miasan' ny Hery Velona rehetra ho Famonjena ny Firenena.


3) Fanangànana ny Fahefana Avo mandrindra ny Fiainam-pirenena, tarihan' Ny Mpanjaka ary misy ny FFKM, ny Olobe manampahendrena ary tena mahay, ny Solontena ny Fiarahamonim-pirenena,


4) Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA sy  ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara dia hiara-hiasa amin' ny FFKM ary ny Hery Velona rehetra eto amin' ny Firenena ho Famonjena ny firenena, eo ambany Fitarihan' Andriamanitra.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, 24 Marsa 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.





mardi 20 décembre 2022

MIANTSO NY MPANJAKA SY IREO AMPANJAKA HAMONJY NY FIRENENA!

FIVORIANA MIKASIKA NY FANDRIAMPAHALEMANA ETO MADAGASIKARA

Izay nokarakarain' ny Union Africaine (UA) tao amin'ny Novotel Antananarivo, 14-15 Desambra 2022.


Manoloana:

.  ny Kolikoly avo lenta mihanaka ao amin' ny Fitondrana,

.  ny Tsy Fanajana ny Zon' Olombelona, 

. ny Tsy Fanajana ny Soatoavina Malagasy, 

. ny Fifidianana Feno hosoka sy feno halabato, 

. ny Fandrobana ny Harem-pirenena, 

. ny Fanapotehina ny Tontolo Iainana,

.  ary ny Fijaliana sy ny Fahantran' ny 81,6%  ny Vahoaka Malagasy,


Tonga nanatrika ny Fivoriana lehibe ireo Solontena avy amin' ny Hery velona rehetra eto amin' ny firenena sy avy amin' ny lafy valon' i Madagasikara :


 . Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


. ireo Solontena ny Raiamandreny ara-drazana,  

. ireo Solontena ny Raiamandreny mijoro,

. ireo Solontena ny Solombavambahoaka sy Loholona,

. ireo Solontena ny Vondrona sy Antoko politika Lehibe,

.  ireo Solontena ny Syndikan' ny Mpitsara eto Madagasikara,

.  ireo Solontena ny Manamboninahitra Jeneraly, 

. ireo Solontena ny Fiaraha-monim-pirenena,

. ireo Solontena ny Fikambanana  vehivavy sy Fikambanana Tanora,

 sy ny maro hafa.


NY VAHA-OLANA NIVOITRA: ... HO FANAJÀNA NY SOATOAVINA MALAGASY, MIANTSO NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO AMPANJAKA RAIAMANDRENY ARA-DRAZANA HANDRAY NY ANDRAIKITRA HAMONJENA NY FIRENENA!


DIA HO AN' I ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra masina,

Taona Sabotsy, 14-15 Desambra 2022.



Fanamarihana: Ny Firenena Mikambana (ONU) dia manaja ny Maha-Izy azy sy ny Soatoavina ary ny Kolotsaina ny firenena rehetra.

lundi 31 octobre 2022

FITSIDIHAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TANY IFANADIANA, FANJAKANA ANTAGNALA (2022)

 KABARY SY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA

nataon'


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


tamin' 


. NY FANOKANANA TSANGAMBATO FAHATSIAROVANA NY MPANJAKA ANTAGNALA RASOAMIANGALY, Tia Tanindrazana, Mahery fo an' ny firenena, Olomangam-pirenena, Maty ho an' nyTanindrazana, tao Anivorano na Ifanadiana ankehitriny, 

sy


. NY FANANDRATANA NY AMPAJAKA ZAFINANDRIAMIANGALY ao Ifanadiana, Fanjakana Antagnala,


ary

. NY FANOMEZANA MANOKANA avy amin' ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA sy ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara ho an' ireo Ampanjaka ao Ambohimanarivo sy Ifanadiana, 


tao amin' ny Rovan' Ifanadiana, teo anoloan ireo 35 AMPANJAKA sy ireo Manapahefana Sivily sy Miaramila isan-tsokajiny ary ireo VAHOAKA AN-JATO MARO.


Nambaran' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA fa efa Telo Arivo Taona (3.000 Taona) eo no efa nisy mponina tao amin' ny Faritra Ifanadiana ary misy Vatosoratra manamarina izany manodidina ao.


Avy eo nisy Fizaràna nofonkena mitam-pihavanana sy Fiaraha-misakafo, vary sy henomby ritra, teo ambony tsihy, ary ravinala no atao lovia sy sotro, araka ny Fomba Antagnala.


Nisy ihany koa nyFampisehoana Hira sy Dihy nenti-paharazana Antagnala isan-katrazany, tena kanto, avy amin' ny vohitra maro, izay Vakoka sarobidy nandritra ny Taona Arivo maro.


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY..." (Isaiah 32:1).


DA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Ifanadiana Vohitra Andriana, Vohitra Masina,

Taona Sabotsy, 26 Oktobra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.