"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

lundi 27 juillet 2026

FANAMBARANA MIKASIKA NY FANDRIAMPAHALEMANA ETO MADAGASIKARA (2026)

   FANAMBARANA:

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

1) Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,

dia manameloka ny fangalarana olona sy ny famonoana olona ary ireo mahatonga ny tsy fandriampahalemana mitranga eto amin' ny tany sy ny firenena.
Mirary fiononana feno ho an' ireo niaram-boina ary mirary mba ho hita soamantsara ireo tsy hita na ireo nisy naka ankeriny sy mirary fahasalamana feno ho an' ireo tsy salama.

2) ANDRIAMANITRA efa nilaza tamin' ny Raiamandreny Mpaminany tany aloha hoe :
"... HO HAJOROKO ETO MADAGASIKARA NY FANJAKA-PISORONA SY NY FIRENENA MASINA
NY SITRAPON' ANDRIAMANITRA NO HATAO ETO, FA TSY NY SITRAPON' OLOMBELONA,
ARY MADAGASIKARA HO LASA FIRENENA MAHERY...".

DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!

Antananarivo vohitra masina,
Taona Alarobia, Sabotsy 25 Jolay 2026.

Hoy ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA RATSIMIHAH,
Avy amin' ny Lahimatoan'Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2026

 ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2026!


SAMBASAMBA ZANAHARY!

SAMY HAHAZO IZAY IRIANY NY TSIRAIRAY!

HO HEMPOKY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA!

TRARANTITRA AZA MAROFY!

HO TAHIN'ANDRIAMANITRA HATRANY!

ARY SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA  ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Vita soa aman-tsara ny Fankalazana an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tao Antananarivo Vohitra Masina, misy ny Mpanjaka ANDRIANJAKA namorona ny Rova Antananarivo (1600-1610 AD).


Ireo TENIN' ANDRIAMANITRA nomeny tamin' izany Fankalazana ny TAOMBAOVAO MALAGASY izany dia hoe:

. "...ITY VOLANA ITY NO VOLANA VOALOHANY HO ANAREO, DIA NY VOLANA VOALOHANY AMIN' NY TAONA HO ANAREO..." (Eksodosy 12:2).

.  JESOSY KRISTY: " MPANJAKAN NY MPANJAKA SY TOMPON NY TOMPO" (Apokalypsy 19:16).

. Hoy JESOSY KRISTY: "...EFA NOMENA AHY NY FAHEFANA REHETRA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY..." (Matio 28:18).

. "...KOA MIHOATRA NHO NY MPANDRESY ISIKA MIARAKA AMIN' ILAY TIA ANTSIKA (JESOSY KRISTY) ... (Romana 8:31).

. Ny Andriana ANDRIAMBOAVONJY Naina, Master 2 en Théologie, Solo Mpitandrina FJKM, avy amin' Ny Andriamasinavalona, no nitondra ny Hafatr' ANDRIAMANITRA araka ireo voalaza ireo.


. Ny Andriana RAMANANTSOA Jean Baptiste, avy amin' Ny Andrianamboninolona ao Ambovona akaikin' i Vilihazo sy Fihaferana, Raiamandreny ny Toby Fifohazana Fiombonana (FFKM), Manarintsoa Namehana, Antananarivo Avaradrano, dia nanazava mikasika izany Toby Fifohazana izany izay nataon' ANDRIAMANITRA ho Firaisan' ireo Mpiandry FJKM, FLM, EEM, ary Katolika (FFKM), araka ny TENIN' I JESOSY KRISTY hoe "...MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA..." (Jaona 17:21). 


. Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nanazava mikasika ny TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA dia ireo Foko rehetra (Merina, Antakarana, Betsimisaraka, Sihanaka, Bezanozano, Antambahoaka, Antemoro, Tagnala, Betsileo, Bara, Antefasy, Antesaka, Zafisoro, Tanosy, Tandroy, Mahafaly, Masikoro, Vezo, Sakalava, Tsimihety) eto Madagasikara avy amin' ny ZANAK' ISRAEL ROAMBINIFOLO.


. Nisy ihany koa ny TATAO (Fihinanana VARY TONDRAHAN-DRONONO SY TANTELY) izay fomba fanaon' ireo Razambe Zanak' Israel fahiny raha niala avy any Egypta tamin' ny taona 1446 BC sy namakivaky ny Efitra Sinai nandritra ny 40 Taona (1446 BC-1046 BC), ka niditra tany Kanana sy ISRAEL tamin' ny taona 1046 BC.


. Ny Andriana RAZAFINDRAKOTO  Regis, 88 taona mahery, Zanadralambo amin' ny Andrianjaka, avy ao Manandriana Avaradrano, Raiamandreny Zokiolona ao amin' ny Komitin' ny Zokiolona Fianakaviamben' ny Andriana Merina, dia namoaka Boky mitondra ny lohateny hoe "NY FIHAVIAN' NY MALAGASY ARAKA NY BAIBOLY" (156 pejy).


. Tonga nanatrika izany Lanonana izany ireo Andriana ao anaty Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Solontena avy amin' Imerina Enitoko sy ireo Andriana nasaina manokana avy eto Madagasikara sy avy any am-pitandranomasina tamin' izany.


DIA HO AN ' ANDRIAMANITRA, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra Masina, Fanjakana Merina,

Taona Alarobia, Sabotsy 25 Aprily 2026.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Fanamarihana:

Iray ihany ny TAOMBAOVAO MALAGASY dia ny Tsinambolana ny volana Abib (Mars-April) araka ny Tenin'  YHWH, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, Ilay Avo Indrindra, Ilay Tsitoha, ao amin' ny Boky Exode 12:2.


dimanche 1 février 2026

FANAMPIAN' NY TERAK'IMERINA IREO TRABOINA TANY MANAMBONDRO (2026)

 Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


izay Raiamandreny mpiahy ny TERAK' IMERINA,


dia mankasitraka ny TERAK' IMERINA any Vangaindrano,

tarihan' Atoa RANJAMINO Rado,


izay niara-nanolotra 550 Kg vary sy vola ho Fanampiana ireo Traboina may trano tany Manambondro, Faritra Atsimo Atsinanana, tamin' ny volana Janoary 2026.

Dia ho an' ANDRIAMANITRA irery ihany ny Voninahitra mandrakizay !


Antananarivo, vohitra masina,

Sabotsy 31 Janoary 2026.

  

dimanche 5 octobre 2025

ILAY OLONA NOFIDIN' ANDRIAMANITRA HITONDRA NY FAMONJENY HO AN' I MADAGASIKARA!

 JESOSY KRISTY, ZANAK'ANDRIAMANITRA, ILAY MPAMONJY, 

dia niteny mivantana tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava (1918-1998), Raiamandreny Tobilehibe Ankaramalaza (FFPM), efa maty im-pito sy efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, nahay Tenim-pirenena fito,

fa amin' ny alàlan' ny FIFOHAZANA no hamonjeny ny firenena.


Ary JESOSY KRISTY TOMPO efa nifidy olona, tahaka an'i Davida Mpanjaka, hanao ny SITRAPON'ANDRIAMANITRA sy hitondra ny Famonjeny ho an' i Madagasikara dia:


Pr. Dr. Ndriana RABARIOELINA,

Mpiandry Zanak' Ankaramalaza (1991).


Koa ANDRIAMANITRA miantso ny Vahoaka Malagasy rehetra hibebaka sy handray ny Famonjena ao amin' i JESOS KRISTY mba handova ny Fanjakan' ny Lanitra ary hanaraka ny TENIN'ANDRIAMANITRA

alohan' ny hanorenan' ANDRIAMANITRA ny Fanjaka-Pisorona sy Firenena Masina hamonjeny ny olony araka ny TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA ho an' i Madagasikara:

"...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZANAVAO..." (Isaiah 60:1).


Dia ho an' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo, vohitra masina,

Sabotsy, faha-27 Septambra 2025.


Fanamarihana:

JESOSY KRISTY, ZANAK' ANDRIAMANITRA, dia nandefa Raiamandreny ara-panahy sady Zokiolona fotsy volo amin' ny tany miisa fito nanambara ny Teny Fikasàny sy nanome Tsodrano hitondra sy ho Famonjeny ny Firenena tamin' i 

Pr. Dr; Ndriana RABARIOELINA,

Mpiandry Zanak' Ankaramalaza (1991):


1) Mpitandrina Daniel RATEFY (1913-1995), niara-nanorina ny FJKM, ny FPMA Frantsa, ny FFKM, ary efa Tonian' ny FFPM, efa nitety Firenena miisa roapolo ambizato (120).

2) Mpitandrina RAZAFINDRAKOTO Gabriel (1919-1986) avy ao Antanamalaza, FJKM, nianatra tany Montpellier ary efa tany Israel, Mpaminany, nahay Tenim-pirenena fito.

3) Mama Volahavana Germaine (1918-1998), Raiamandreny Tobilehibe Ankaramalaza (FFPM), efa maty impito sy efa nampiakarin' Andriamanitra impito tany an-danitra, Mpaminany, nahay Tenim-pirenena roambinifolo.

4) Dada MAMASE (1923-2020), 93 taona, avy amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza, Mpiandry, Mpaminany.

5) Mama RASOAZANAKOLONA Hélène na Mamafara (1924-2017), Raiamandreny Toby Ararata Sambofiara Namahanambasy (FLM), Ivakinankaratra Imerinatsimo, efa maty in-dimy sy efa nampiakarin' Andriamanitra in-dimy tany an-danitra, nahay Tenim-pirenena fito.

6)  Kardinaly Armand Gaetan RAZAFINDRATANDRA (1925-2010), EKAR, niaraka nanorina sady efa Filohan' ny FFKM.

7) Mama RAVOLAZAIMANGA Bernadette (teraka tamin' ny taona 1932), 93 taona, Mpiandry (LMS, 1955), Zokiolona indrindra amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza sy ny Tobilehibe Manolotrony (FFPM), Raiamandreny Toby Masina Itaitso (FFPM).  


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!

mardi 6 mai 2025

FIHAONANA MASINA TAO AMIN' NY LAPA MANJAKAMIADANA, ROVA ANTANANARIVO (03 Mey 2025)

FIHAONANA MASINA:

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' Ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


sy ireo Andriana Solontena avy amin' ny Fanjakana Imerina Enitoko


ary ny Fianakaviana andriana havana akaikin' ny Mpanjaka RANAVALONA III

ao Manjakazafy, Fanjakana Imerina Marovatana,


NY FIRAISANKINA NO HERY.


NY TENA ANDRIANA DIA MANKATOA AN' ANDRIAMANITRA,

MANAJA Y SOATOAVINA NAVELAN' IREO RAZAMBE NIANDOHANA,

TIA TANINDRAZANA,

TSY MPANAO KOLIKOLY,

TSY MISOLELAKA.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY  IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Lapa Manjakamiadiana, Rova Antananarivo,

Sabotsy 03 Mey 2025.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.




TAOMBAVAO MALAGASY TENY AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA (30 Marsa 2025)

KABARIN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA

tamin' ny TAOMBAOVAO MALAGASY TENY AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA:


1) Ny voalohany dia ny Fisaorana sy ny Fankasitrahana an' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY amin' izao TAOMBAOVAO MALAGASY 2025 izao.

Ho Azy irery ihany ny DERA, LAZA, ERY, HAJA, VONINAHITRA, FAHEFANA, FANJAKANA.

Ary ho antsika rehetra ny FIADANANA avy Aminy.


2) Ny TEY FAMINANIAN' ANDRIAMANITRA ho an' i MADAGASIKARA MANOKANA:

"...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO.

NY AIZINA MANARONA NY TANY, ARY NY AIZIM-PITO MANARONA NY FIRENENA MARO, FA AMINAO NO IPOSAHAN' ILAY MPAHARY ARY AMINAO NO ISEHOAN' NY VONINAHINY.

NY KELY HO TONGA ARIVO, ARY NY MALEMY HO TONGA FIRENENA MAHERY. IZAHO ANDRIAMANITRA NO HANAFAINGANA IZANY...".


3) TOERANA MASINA eto AMBOHIDRABIBY HASIN' IMERINA. Teto no nanaovana FANOSORANA MPANJAKA SY TSODRANO NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA folo taona lasa izay (2015). 

Ary nisy FAHAZAVANA LEHIBE nidina avy any an-danitra ary naharitra ela tonga teto aminay. Ary FAHAZAVANA AVO ZATO ENY noho ny Fahazavan' ny masoandro maraina izay niposaka avy any Atsinanana tamin' izay fotoana izay. FAHAZAVANA izay marika ny FANATREHAN' ANDRIAMANITRA y ny FANKATOAVANY ary ny FITAHIANY.


4) Dia MITSODRANO anareo rehetra sy ny Firenena Malagasy amin' izao TAOMBAOVAO MALAGASY 2025 izao. Dia samy ho TAHIN' ANDRIAMANITRA hatrany.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Ambohidrabiby Hasin' Imerina, Vohitra masina,

Taona Talata, Alahady 30 Marsa 2025.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviaben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.





vendredi 18 avril 2025

FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 6025

 SAMBASAMBA ZANAHARY!

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY!

SAMY HAHAZO IZAY IRIANY NY TSIRAIRAY!

HO HEMPOKY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA!

TRARANTITRA AZA MAROFY!

HO TAHIN'ANDRIAMANITRA HATRANY!

ARY SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA  ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Vita soa aman-tsara ny Fankalazana an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Tsinam-bolana nyvolana Abib na Nissan (Marsa-Aprily) teNy ANERINERINA Vohitra Masina, misy ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan' Imerina (1260-1300 AD).


Anerinerina Vohitra Masina, Fanjakana Merina,

Taona Talata, Sabotsy 29 Mars 6025.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.