"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

jeudi 1 octobre 2026

MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA: FAHAGAGANA ATAON' ANDRIAMANITRA

 FIJOROANA VAVOLOMBELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA

AMIN' NY FAHAGAGANA ATAON' ANDRIAMANITRA SY NY VALIM-BAVAKA:


1) Lehilahy iray voan' ny cancer metastase efa niparitaka any amin' ny taolana, narary sy nijaly mafy andro aman'alina, no nentinay am-bavaka ary sitrana tanteraka afaka roa volana.


2) Ramatoa narary mafy voan' ny Accident vasculaire cérébrale (AVC), efa tsy mihetsika intsony ny ilany havia rehetra, ny tarehiny, ny vatany ka hatrany amin' ny tongony havia, no nentiko am-bavaka sy nametrahako tànana tao amin' ny Hopitaly Isoavinandriana, no sitrana afaka nitsangana sy nandeha indray, afaka andro vitsy.


3) Lehilahy voan' ny occlusion intestinale sy perforation gastrique, tao amin' ny Clinique Ambodivona ary voatery nentina tao amin' ny Urgence Hopitaly Ampefiloha, no nentiko am-bavaka sy nametrahako tànana tao amin' ny Urgence ary sitrana teo noho eo.


4) Dokotera malaza iray, mpitsabo olona amin' ny zava-maniry, akaikin' Ambositra sy Fandriana, no narary mafy ny tongony sy efa nivoaka nàna ny lohaliny, nangata-bavaka an-telefonina, no sitrana afaka 10 minitra.


5) Lehilahy sy vehivavy lehibe, izay samy narary mafy, tamin' ny toerana roa samy hafa tany Farafangana, tsy nentiko am-bavaka na nametrahako tànana fa nanambarako ny Famonjen' Andriamanitra, no sitrana teo noho eo.


6) Olona miisa zato mahery, izay natao takalon'aina sy nampijaliana tao Vohibinany (Brickaville) nandritra ny iray volana mahry, tamin' ny ady amin' ny basy aman-tafondro, no tafavoaka sy afaka nody tany an-tranony afaka andro vitsy (taona 2002).


7) Fisakànana ny fanotofana 1.000 hektara tanimbary teny Ambohitrimanjaka, izay iasan' ny 60.000 tantsaha amin' ny Kominina miisa enina (Ambohitrinimanjaka, Ambohidrapeto, Fiadanana, ...) ary mamelona 600.000 vahoaka malagasy teto Antananarivo. Valim-bavaka sy vokatry ny asa natao: Nafindra any amin' ny toeran-kafa ilay Tetikasa Tanamasoandro.


Hoy JESOSY KRISTY ZANAK'ANDRIAMANITRA: "...NY ZAVATRA REHETRA DIA HAIN' ANDRIAMANITRA..." (Matio 19:27).


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo vohitra masina,

Alahady 27 Septambra 2026.


Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Mpiandry Zanaka Toby Ankaramalaza (1991),

Docteur en Théologie (PhD, DTheol, USA),


Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.