"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

samedi 12 septembre 2026

HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA MALAGASY (Septambra 2026)

 HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA MALAGASY

izay nampitondrain' ANDRIAMANITRA tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava (1918-1998), Taranaka Ampanjaka Antemoro, Raiamandreny ara-panahy, Tobilehibe Ankaramalaza, nahay Tenim-pirenena roambinifolo, efa maty im-pito sy efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, nampahafantarin' Andriamanitra ny Tantara miafin' i Madagasikara (Taloha, Ankehitriny, Ho Avy), Mpaminany ho an' ny firenena, hoe :


"...HO HAJORON' ANDRIAMANITRA ETO MADAGASIKARA NY FANJAKA-PISORONA SY NY FIRENENA MASINA 

ARY NY SITRAPON' ANDRIAMANITRA NO HATAO ETO FA TSY NY SITRAPON' OLOMBELONA

ARY MADAGASIKARA HO LASA FIRENENA MAHERY, HO LOHANY FA TSY HO RAMBONY, HO AMBONY FA TSY AMBANY, ARY HAMPINDRANA FA TSY HINDRANA INTSONY...".


Ny Fanjaka-Pisorona dia mankatoa an' ANDRIAMANITRA ANDRIANANHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, ary manaja ny Raiamandreny ara-drazana (Mpanjaka, Ampanjaka, Sojabe, Zokiolona...), ny Ain' Olombelona, ny Fihavanana, ny Fifankatavana, ny Fahamarinana, ny Tontolo Iainana, ny Fahaleovatenam-pirenena ary ny Fiandrianam-pirenena, 

Ny Fanjaka-Pisorona dia Fanjakana Malagasy, izay misy ihany koa ny Filankevitry ny Mpisorona, fa tsy rafitra repoblikana, laika, demokratika intsony, izay napetraky ny vazaha mpanjanantany nentina nanapotehina ny soatoavina sy ny kolotsaina malagasy sy nampahantrana ny vahoaka malagasy ary nentina nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny.

Fanambarana natao ho an' ny Firenena Malagasy, izay tao amin' ny Lapa Iavoloha, teo anatrehan' ny Filohan' ny Fanavaozana sy ireo Raiamandreny ara-panahy ary Raiamandreny ara-drazana.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo vohitra masina, faha-08 Septambra 2026.


Hoy Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Fanamarihana: 

Ny Fanjaka-Pisorona dia ny Fanjakan' Andriamanitra midina eto Madagasikara: "...ATAO ANIE NY SITRAPONAO ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA...". 


lundi 27 juillet 2026

FANAMBARANA MIKASIKA NY FANDRIAMPAHALEMANA ETO MADAGASIKARA (2026)

   FANAMBARANA:

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

1) Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,

dia manameloka ny fangalarana olona sy ny famonoana olona ary ireo mahatonga ny tsy fandriampahalemana mitranga eto amin' ny tany sy ny firenena.
Mirary fiononana feno ho an' ireo niaram-boina ary mirary mba ho hita soamantsara ireo tsy hita na ireo nisy naka ankeriny sy mirary fahasalamana feno ho an' ireo tsy salama.

2) ANDRIAMANITRA efa nilaza tamin' ny Raiamandreny Mpaminany tany aloha hoe :
"... HO HAJOROKO ETO MADAGASIKARA NY FANJAKA-PISORONA SY NY FIRENENA MASINA
NY SITRAPON' ANDRIAMANITRA NO HATAO ETO, FA TSY NY SITRAPON' OLOMBELONA,
ARY MADAGASIKARA HO LASA FIRENENA MAHERY...".

DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!

Antananarivo vohitra masina,
Taona Alarobia, Sabotsy 25 Jolay 2026.

Hoy ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA RATSIMIHAH,
Avy amin' ny Lahimatoan'Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2026

 ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2026!


SAMBASAMBA ZANAHARY!

SAMY HAHAZO IZAY IRIANY NY TSIRAIRAY!

HO HEMPOKY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA!

TRARANTITRA AZA MAROFY!

HO TAHIN'ANDRIAMANITRA HATRANY!

ARY SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA  ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Vita soa aman-tsara ny Fankalazana an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tao Antananarivo Vohitra Masina, misy ny Mpanjaka ANDRIANJAKA namorona ny Rova Antananarivo (1600-1610 AD).


Ireo TENIN' ANDRIAMANITRA nomeny tamin' izany Fankalazana ny TAOMBAOVAO MALAGASY izany dia hoe:

. "...ITY VOLANA ITY NO VOLANA VOALOHANY HO ANAREO, DIA NY VOLANA VOALOHANY AMIN' NY TAONA HO ANAREO..." (Eksodosy 12:2).

.  JESOSY KRISTY: " MPANJAKAN NY MPANJAKA SY TOMPON NY TOMPO" (Apokalypsy 19:16).

. Hoy JESOSY KRISTY: "...EFA NOMENA AHY NY FAHEFANA REHETRA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY..." (Matio 28:18).

. "...KOA MIHOATRA NHO NY MPANDRESY ISIKA MIARAKA AMIN' ILAY TIA ANTSIKA (JESOSY KRISTY) ... (Romana 8:31).

. Ny Andriana ANDRIAMBOAVONJY Naina, Master 2 en Théologie, Solo Mpitandrina FJKM, avy amin' Ny Andriamasinavalona, no nitondra ny Hafatr' ANDRIAMANITRA araka ireo voalaza ireo.


. Ny Andriana RAMANANTSOA Jean Baptiste, avy amin' Ny Andrianamboninolona ao Ambovona akaikin' i Vilihazo sy Fihaferana, Raiamandreny ny Toby Fifohazana Fiombonana (FFKM), Manarintsoa Namehana, Antananarivo Avaradrano, dia nanazava mikasika izany Toby Fifohazana izany izay nataon' ANDRIAMANITRA ho Firaisan' ireo Mpiandry FJKM, FLM, EEM, ary Katolika (FFKM), araka ny TENIN' I JESOSY KRISTY hoe "...MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA..." (Jaona 17:21). 


. Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nanazava mikasika ny TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA dia ireo Foko rehetra (Merina, Antakarana, Betsimisaraka, Sihanaka, Bezanozano, Antambahoaka, Antemoro, Tagnala, Betsileo, Bara, Antefasy, Antesaka, Zafisoro, Tanosy, Tandroy, Mahafaly, Masikoro, Vezo, Sakalava, Tsimihety) eto Madagasikara avy amin' ny ZANAK' ISRAEL ROAMBINIFOLO.


. Nisy ihany koa ny TATAO (Fihinanana VARY TONDRAHAN-DRONONO SY TANTELY) izay fomba fanaon' ireo Razambe Zanak' Israel fahiny raha niala avy any Egypta tamin' ny taona 1446 BC sy namakivaky ny Efitra Sinai nandritra ny 40 Taona (1446 BC-1046 BC), ka niditra tany Kanana sy ISRAEL tamin' ny taona 1046 BC.


. Ny Andriana RAZAFINDRAKOTO  Regis, 88 taona mahery, Zanadralambo amin' ny Andrianjaka, avy ao Manandriana Avaradrano, Raiamandreny Zokiolona ao amin' ny Komitin' ny Zokiolona Fianakaviamben' ny Andriana Merina, dia namoaka Boky mitondra ny lohateny hoe "NY FIHAVIAN' NY MALAGASY ARAKA NY BAIBOLY" (156 pejy).


. Tonga nanatrika izany Lanonana izany ireo Andriana ao anaty Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Solontena avy amin' Imerina Enitoko sy ireo Andriana nasaina manokana avy eto Madagasikara sy avy any am-pitandranomasina tamin' izany.


DIA HO AN ' ANDRIAMANITRA, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra Masina, Fanjakana Merina,

Taona Alarobia, Sabotsy 25 Aprily 2026.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Fanamarihana:

Iray ihany ny TAOMBAOVAO MALAGASY dia ny Tsinambolana ny volana Abib (Mars-April) araka ny Tenin'  YHWH, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, Ilay Avo Indrindra, Ilay Tsitoha, ao amin' ny Boky Exode 12:2.


dimanche 1 février 2026

FANAMPIAN' NY TERAK'IMERINA IREO TRABOINA TANY MANAMBONDRO (2026)

 Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


izay Raiamandreny mpiahy ny TERAK' IMERINA,


dia mankasitraka ny TERAK' IMERINA any Vangaindrano,

tarihan' Atoa RANJAMINO Rado,


izay niara-nanolotra 550 Kg vary sy vola ho Fanampiana ireo Traboina may trano tany Manambondro, Faritra Atsimo Atsinanana, tamin' ny volana Janoary 2026.

Dia ho an' ANDRIAMANITRA irery ihany ny Voninahitra mandrakizay !


Antananarivo, vohitra masina,

Sabotsy 31 Janoary 2026.