HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA MALAGASY
izay nampitondrain' ANDRIAMANITRA tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava (1918-1998), Taranaka Ampanjaka Antemoro, Raiamandreny ara-panahy, Mpaminany ho an' ny firenena, hoe :
"...HO HAJORON' ANDRIAMANITRA ETO MADAGASIKARA NY FANJAKA-PISORONA SY NY FIRENENA MASINA
ARY NY SITRAPON' ANDRIAMANITRA NO HATAO ETO FA TSY NY SITRAPON' OLOMBELONA
ARY MADAGASIKARA HO LASA FIRENENA MAHERY, HO LOHANY FA TSY HO RAMBONY, HO AMBONY FA TSY AMBANY, ARY HAMPINDRANA FA TSY HINDRANA INTSONY...".
Ny Fanjaka-Pisorona dia mankatoa an' ANDRIAMANITRA ANDRIANANHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, ary manaja ny Raiamandreny ara-drazana (Mpanjaka, Ampanjaka, Sojabe, Zokiolona...), ny Ain' Olombelona, ny Fihavanana, ny Fifankatavana, ny Fahamarinana, ny Tontolo Iainana, ny Fahaleovatenam-pirenena ary ny Fiandrianam-pirenena,
Ny Fanjaka-Pisorona dia Fanjakana Malagasy, izay misy ihany koa ny Filankevitry ny Mpisorona, fa tsy rafitra repoblikana, laika, demokratika intsony, izay napetraky ny vazaha mpanjanantany nentina nanapotehina ny soatoavina sy ny kolotsaina malagasy sy nampahantrana ny vahoaka malagasy ary nentina nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny.
Fanambarana natao ho an' ny Firenena Malagasy, izay tao amin' ny Lapa Iavoloha, teo anatrehan' ny Filohan' ny Fanavaozana sy ireo Raiamandreny ara-panahy ary Raiamandreny ara-drazana.
DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!
Antananarivo vohitra masina, faha-08 Septambra 2026.
Hoy Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.