"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

vendredi 13 octobre 2023

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TAMIN' NY SENDIKAN' NY MPAMPIANATRA MPIKAROKA (SECES NATIONAL) SY NY FIOMBONAN' NY SENDIKAN' NY MPIASA MALAGASY (FSMM)

 FANAMBARANA: 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


sy ireo ANDRIANDAHY ZOKIOLONA sady SOLONTENA avy amin' ny LAFY VALON' NY NOSY,


RAIAMANDRENY ETO AMIN' NY TANY SY NY FIRENENA,

TSY MOMBA NY ATSY NA AROA,

MIJORO AMIN' NY FAHAMARINANA,

MANAJA NY SOA TOAVINA MALAGASY,


dia nihaona tamin' 

Ny SENDIKAN' NY MPAMPIANATRA MPIKAROKA AMIN' IREO ONIVERSITE ETO MADAGASIKARA (SECES NATIONAL)

sy

Ny FIOMBONAN' NY SENDIKAN' NY MPIASA MALAGASY (FSMM)

misy 124 Fikambanana Mpiasam-panjakana na Tsy miankina.


Manoloana ny zavamisy ankehitriny eto amin' ny firenenena,

. Tsy vaha-olana ny Fifidianana sy Rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany, izay efa niainana nandritra ny 60 taona mahery, fa vao maika nampahantra ny 81,6% ny vahoaka malagasy ary nentina nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny.


NY LAHARA-PAHAMEHANA ho FANAVOTA-PIRENENA dia: 

. NY FANOVANA IFOTONY.

. NY FANORENANA RAFI-PIARAHAMONINA VAOVAO sy LALAMPANORENANA VAOVAO ary FANJAKANA MALAGASY, mankatoa an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ary mioripaka amin' ny SOA TOAVINA MALAGASY (1),

miaraka amin' ny HERY VÉLONA REHETRA mankatoa an' ILAY MPAHARY sy mijoro amin' ny FAHAMARINANA ary hamerina indray ny tena FAHALEOVANTENAM-PIRENENA sy ny tena FIANDRIANAM-PIRENENA, eo ambany Fitarihan' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA (2).

MASINA I MADAGASIKARA!

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY! 

Antananarivo Vohitra masina, 11 Oktobra 2023.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


dimanche 8 octobre 2023

TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA SY TSODRANO ARY KABARIN' ANDRIANA (2023)

NY VAHA-OLANA AVY AMIN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY HO FAMONJENA NY FIRENENA?

"... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA TENA ANDRIANA, ANDRIANDRAY ANDRIANDRENY ...".

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

------------------------------- 

NY NTAOLO ANANAN-TOMPO, ARY NY VAHA-OLANA FARANY DIA ILAY MPAHARY. IZY TSY MANOLOBATO MAFANA, FA MAMPISOTRO RANO TSY MBA MAHAKOFONA, ARY MAMAHAM-BARY TSY MBA MAHAKENDA. KOA ANKATOAVY ILAY MPAHARY!

-------------------------------

ZANAHARY AVO FIPETRAKA KA MAHITA NY AMBANY. NY MPANJAKA AVO FIJERY KA MAHITA NY TAKONA. NY AMBANILANITRA OMBAN' ILAY MPAHARY KA HANDEHA AMIN' NY SAINA FA TSY AMIN' NY FO ARY HANARA-DALANA AMIN' IZAY!

-----------------------------

TSODRANO HO AN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA:

TONGA NY FOTOANA! MISEHO ANKEHITRINY IZAO ANTON-JAVATRA IZAO MBA TSY HISIAN' NY MOSARY SY NY RA MANDRIAKA ETO AMIN' NY TANY SY NY FIRENENA INTSONY DIA NY ANDRIANA NO ANKASITRAHAN' ANDRIAMANITRA HITONDRA NY TANY SY NY FANJAKANA, RAHA TSY IZANY TSY MIVOATRA  SY MANDROSO ARY TSY HO SAMBATRA NY FIRENENA!

KOA HO ELA VELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA, 

MAHALEOVA MAHALASANA, HAHAZAKA ADIDY SY ANDRAIKITRA ARY HOMBA ANAO ANIE ILAY MPAHARY ARAKA NY TSODRANO NOMEN' IREO ANDRIANDAHY ZOKIOLONA FOTSIVOLO AMIN' NY TANY NY MERINA ENITOKO SY IREO NDRENOGNY ARY AMPANJAKA AVY ETO MADAGASIKARA! 

--------------------------------

MATOA NATAO NY TSODRANO DIA MBA HAHATONTOSA NY ZAVAKINASA, NY TANJONA SY NY FANIRIANA. ARY NY OLONA VOATSODRANO IZANY DIA VITA FATIDRA AMIN' ILAY MPAHARY ARY TSY MAINTSY MAHAVITA NY IRAKA NAMPANAOVINY AZY.         

HO ELA VELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,                                                    LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA!

--------------------------------

NY ANDRAIKITRY NY MPANJAKA DIA MANATANTERAKA NY TENIN'ANDRIAMANITRA, MANJAKA AMIN' NY FAHAMARINANA, MANDAMINA NY DISADISA, MIZARA NY VOKATRA, TOMPON' NY ANTSY BE FANAPAHANA.

-------------------------------

NY ATAO HOE FANJAKANA DIA FITONDRAM-PANJAKANA MISY MPANJAKA.

NY MPANJAKA DIA TSY FIDIAN' OLONA FA FIDIN' ANDRIAMANITRA, ARY ANDRIANDAHY VITA FATI-DRA AMIN' AZY ARY TSY MAINTSY MAHAVITA NY IRAKA NAMPANAOVINA AZY, ARY NY MPANJAKA DIA NATAO HITARIKA SY HIARO ARY MIKATSAKA NY HIADANAN' NY AMBANILANITRA.

ARY ANDRIAMANITRA NO TOMPOM-PAHEFANA, FA NY MPANJAKA NO MANAM-PAHEFANA, ARY NY MPANJAKA SY NY AMBANILANITRA MIFIKITRA AMIN' NY TENIN' ANDRIAMANITRA, IZAY LEFONA SY AMPINGA ENTINA MIADY MBA HAMPANJAKANA NY FAHAMARINANA.

NY ZOKIOLONA KOSA NO FEHILOHA. TSY MIDIKA AKORY IZANY HOE AVAHAM-PITIA NY AMBANILANITRA SY NY AMBANIMASOANDRO, FA NY ZAVA-DREHETRA MANAN-TANDRIFY, ARY NY LOHA NO MITONDRA NY VATANA SY NY TONGOTRA.

--------------------------------

KOA MANKATOAVA AN' ILAY MPAHARY, HAJAO NY MPANJAKA, MANAJA NY FAHAMARINANA, ARY MANAJA NY SOA TOAVINA NENTI-PAHARAZANA!

-------------------------------

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!



mercredi 30 août 2023

FIHAONANA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TAMIN' IREO FILOHA FFKM (2023)

 "... Ary INDRO AHO MANENDRY ANAO izao andro ANIO izao HANAM-PAHEFANA amin'ny FIRENENA sy ny FANJAKANA HANONGOTRA sy HANJERA sy HANDRAVA sy HANDRODANA ary HANORINA sy HAMBOLY..." (Jeremiah 1:10).

--------------------------------

FIHAONANA MANOKANA:

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,

sy

Ny Andriana Dr Fanantenana RAZATOVO,

Terak' Andrianonitomponintany,

Lehiben' ny Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo,


 tamin' ny

Dr. Irako Ammi ANDRIAMAHAZOSOA,

Filohan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM),

Filohan' ny Fiombonamben' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM),


Past. Dr. Denis RAKOTOZAFY,

Filohan' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM),


Mgr Dr. Samoela Jaona RANARIVELO,

Filohan' ny Fiangonana Ekklesia Episkopaly Malagasy (EEM),


Monseigneur Dr. Jean de Dieu RAOELISON,

Arsevekan' Antananarivo (EKAR),


mikasika ny SITRAPON' ANDRIAMANITRA amin' ny FITONDRA-PANJAKANA sy ny HO AVIN' I MADAGASIKARA:

"... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY ANAO DIA ZANAK' ANDRIANA..." (Mpitoriteny 10:17).

"... Ny MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY..." (Isaiah 32:1).


DIA HO AN' ANDRIANANAHARY MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, 30 Aogositra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


  

dimanche 27 août 2023

ANTSO HO AN' NY HERY VELONA REHETRA HO FAMONJENA NY FIRENENA (Aogositra 2023)

 FANAMBARANA:


"... MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO...".

TONGA NY FOTOANA HAMONJEN' ANDRIAMANITRA NY FIRENENA. 

EFA MAMÀRANA IZAO FITONDRANA IZAO.

MIOVA NY TANTARAM-PIRENENA.


MANOLOANA:

. NY TSY FANAJANA NY ZON' OLOMBELONA,

.  NY KRIZY ARA-LALAMPANORENANA, ARA-POLITIKA, ARA-TOEKARENA, ARA-SOSIALY LALINA DIA LALINA, 

. NY KOLIKOLY AVO LENTA HITAMPOKO HITAM-PIRENENA, 

. NY FIFIDIANANA LALAMPANORENANA 2010 SY FIFIDIANANA FILOHAMPIRENENA 2018 FENO HOSOKA SY FENO HALABATO,  

. NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA MANERANA NY NOSY, 

. NY FANITSAKITSAHANA MIVERIMBERINA NY LALAMPANORENANA SY NY LALAMPIFIDIANANA, 

KA MAHATONGA  FIFIDIANANA TSY MANJARY, 

. NY FIJALIAN' NY VAHOAKA MALAGASY, LASA SORONA,

. ARY MBA TSY HISIAN' NY RÀ MANDRIAKA INTSONY, 

DIA MANAO ANTSO AVO AMIN'  RY VÉLONA REHETRA: NY FFKM, NY TAFIKA, NY MPIASAM-PANJAKANA REHETRA, NY SEHATRA TSY MIANKINA REHETRA, NY VONDRONA POLITIKA REHETRA, NY VONDRON' NY MPANDRAHARAHA REHETRA, NY VONDRON' NY TANTSAHA REHETRA, NY FIARAHAMONIM-PIRENENA REHETRA, NY TANORA REHETRA, 


. HIBEBAKA SY HANKATOA AN' ANDRIAMANITRA, 

. HANAJA NY SOA TOAVINA MALAGASY, 

. HIJORO AMIN' NY FAHAMARINANA,A

. HIRAY HINA HO FAMERENANA NY TENA FAHALEOVANTENAM-PIRENENA SY NY TENA FIANDRIANAM-PIRENENA, 


EO AMBANY FITARIHAN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA, RAIMANDRENY ETO AMIN' NY TANY S NY FIRENENA.


IZAY NO VAHA-OLANA TOKANA AVY AMIN' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA NY FIRENENA !


MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo vohitra masina, 

Sabotsy, 26 Aogositra 2023.


Hoy NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIkARA.



lundi 7 août 2023

TSO-DRANO HO AN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA (2023)

TONGA NY FOTOANA ! 

Miseho eto ankehitriny izao anton- javatra izao mba tsy hisian'ny rà mandriaka eto amin' ny tany sy ny firenena dia ny Andriana no hankasitrahan' Andriamanitra hitondra ny tany sy ny fanjakana fa raha tsy izany tsy mivoatra sy mandroso ary tsy ho sambatra ny firenena iray. 


NY ANDRAIKITRIN'NY MPANJAKA DIA MPITONDRA NY TENIN'ANDRIAMANITRA, MANDAMINA NY DISADISA, MIZARA NY VOKATRA, TOMPON'NY ANTSY BE FANAMPAHANA.


 NY ATAO HOE FANJAKANA DIA FITONDRAM-PANJAKANA MISY MPANJAKA, 


NY MPANJAKA DIA TSY FIDIN'OLONA FA FIDIN'ANDRIAMANITRA ARY OLONA VITA FATI-DRA AMIN'AZY ARY TSY MAINTSY MAHAVITA NY IRAKA AMPANAOVINA AZY, ARY NY MPANJAKA DIA NATAO HANOMPO VAHOAKA FA TSY TOMPOIN'NY VAHOAKA.


ARY ANDRIAMANITRA NO TOMPOM-PAHEFANA FA NY MPANJAKA NO MANAM-PAHEFANA, ARY NY MPANJAKA SY NY AMBANILANITRA NO LEFONA SY AMPINGA ENTIN'ANDRIAMANITRA MIADY HAMPANJAKANA NY FAHAMARINANA.


 NY ZOKIOLONA KOSA NO FEHILOHA. TSY MIDIKA AKORY IZANY HOE AVAHAM- PITIA NY HOVA SY NY ZAZA MANGA FA NY ZAVA DREHETRA MANAN-TANDRIFY, ARY NY LOHA NO MITONDRA NY VATANA SY NY TANANA ARY NY TONGOTRA. 


KOA ELA VELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,  


MAHALEOVA MAHALASANA, HAHAZAKA ADIDY SY ANDRAIKITRA ARY HOMBANAO ANIE ILAY MPAHARY ARAKA ITY TSO-DRANO NOMEN' IREO ANDRIANA ZOKIOLONA NY MERINA ENIN-TOKO SY IRETO ANDRIAMBE REHETRA IRETO ARY NY AMPANJAKA ANTEMORO !


Antananarivo vohitra masina, 

Sabotsy, 24 Jona 2023.

dimanche 6 août 2023

ANTSO HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA HO FAMONJENA NY FIRENENA (2023)

 FANAMBARANA : 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara 


dia nanambara fa tonga eo amin' ny kihondalan' ny Tantaram-pirenena isika izao. Efa mamàrana ny fitondrana ankehitriny. Hivadika ny Tantaram-pirenena. 


Manoloana :

. ny kolikoly avolenta hitam-poko hitam-pirenena,

. ny tsy fanajana ny Zon' Olombelona, 

. ny tsy fanajana ny Soatoavina malagasy,

. ny fanosihosena miverimberina ny lalam-panorenana sy ireo Lalam-pifidianana maro,

. ny fitondrana mitanila, 

. ny lisipifidianana tsy lavo rary sy tsy mahafapo ny maro: 

. ireo malagasy eto an-tanindrazana mihoatra ny efatra tapitrisa tsy tafiditra anaty lisipifidianana, 

. ireo 200.000 malagasy mahery any ampitandranomasina tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana, 

. ny tsy fandriampahalemanana manerana ny Nosy,

. ny krizy ara-lalampanorenana, ara-politika, ara-toekarena, ara-sosialy lalina ankehitriny, 

. Ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harempirenena, 

. ny fahantran' ny 81,6% ny vahoaka malagasy, lasa sorona.


Ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara dia mijoro amin' ny maha Raiamandreny eto amin' ny tany sy ny firenena, tsy momba ny atsy na aroa, mandray andraikitra ho Famonjena ny firenena araka ny Teny Fikasan' Andriamanitra sy mba tsy hisian' ny rà mandrika eto amin' ny firenena.


Koa miantso ny FFKM, ny Tafika, ny Mpiasampanjakana na ny Mpiasa amin' ny sehatra tsy miankina rehetra, ny Vondrona Politika rehetra, ny Vondron' ny Mpandraharaha malagasy rehetra, ny Vondron' ny Tanora rehetra, ny Tantsaha maro anisa, ny Fiarahamonim-pirenena rehetra, 


mba hankatoa an' Ilay Mpahary ny lanitra sy ny Tany, hanaja ny Soatoavina malagasy, hijoro amin' ny fahamarinana sy ny tena Fitiava-tanindrazana, ary hamerina indray ny tena fahaleovantenam-pirenena sy ny tena fiandrianam-pirenena,


miaraka sy eo ambany fitarihan' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Tsy maintsy hijoro ny FANJAKANA MALAGASY, FANJAKA-MPISORONA, FANJAKAN' I MADAGASIKARA,


Ary tsy misy olombelona afaka hahasakana izany Teny Fikasan' Andriamanitra izany. Hoy Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany hoe : "... MIASA AHO, KA IZA NO MAHASAKANA IZANY? 

".


Tanteraka izany, izay i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy vao : 


HO LOHANY FA TSY HO RAMBONY INTSONY,

HO AMBONY FA TSY AMBANY INTSONY,

HAMPINDRANA FA TSY HINDRANA INTSONY.


Tany Masina i Madagasikara!


"... MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO..."


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra masina, faha-05 Aogositra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


--------------------------------

Fanamarihana:

1. Fanambarana Manerantany mikasika ny Zon' Olombelona, ONU, New York, 1948.

2. Fanambarana Manerantany mikasika ny Fahasamihafana ara-Kolotsaina, Unesco, 2001.

3. Fehikevitra, Fivoriana mikasika ny Fandriampahalemana, nokarakarain' ny African Union, Novotel Antananarivo, 14-15 Desambra 2022. 

4. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Novotel Antananarivo, 24 Marsa sy 22 Jona 2023.

. 5. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Radisson Blu Antananarivo, 27 Jolay 2023.

6. Fandalinana mikasika ny Zotram-pifidianana, MMM, Antananarivo, 2023, 59 pejy.



dimanche 25 juin 2023

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: LALAM-PANORENANA VAOVAO HO FAMONJENA AN' I MADAGASIKARA (2023)

 FANAMBARANA:


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


nanambara fa, ho Fanajana ny Soataovina Malagasy, ho Fanajana ny Zon' Olombelona sy mba tsy hisian' ny rà mandrika, aloha, na ao anatiny, na aorian' ny fifidianana eto Madagasikara (1):


. Ny Fametrahana Governemanta Vaovao, tsy momba ny atsy na aroa, mahaleotena, manana fahefana feno, eo ambany fiahian' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara (2).


. Manaraka, ny Fanovana ny Lalam-Panorenana no Laharapahamehana, mba hankatoa an' Andriamanitra Andriananahary sy mba tena hanaja ny fiziana sy ny Soatoavina malagasy, indrindra ny Fametrahana ireo Ampanjaka amin' ny tena toerany, satria ny vahoaka maroan'isa tsy mankasitraka ny rafitra repoblikana (3),


. Ny Fanaovana Fitsapan-kevitra amin' ny vanimpotoana maintany, fa tsy amin' ny vanimpotoana fahavaratra (4),


no vaha-olana tokana avy amin' Andriamanitra ho Famonjena an' i Madagasikara.


. Nanambara ihany koa Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA fa tokony hisy hatrany ny Dinika miaraka amin' ireo Hery velona rehetra, mba hahatsara ny Fiainam-pirenena.


Izany no nolazainy ampahibemaso sy ireo solontena niaraka taminy ary ny resaka nataon' izy ireo tamin' i Rtoa Natasha VAN RJIN, Solontenan' ny Programme des Nations-Unies pour le Développement (PNUD) eto Madagasikara, nandritra ny Dinika Faharoa ho amin' ny zotram-pifidianana mangarahara sy andraisan' ny rehetra anjara nokarakarain' ny CENI Madagascar sy ny PNUD. 


HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo, vohitra masina, Alakamisy 22 Jona 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Fanamarihana:


(1) Fanambarana Manerantany momba ny Zon' Olombelona, ONU, 1948.

(2) Fehinkevitra, Fivoriana mikasika ny Fandriampahalemana, nokarakarain' ny Union Africaine, Antananarivo, 14-15 Desambra 2022.

(3) Fanambarana Manerantany momba ny Fahasamihafana ara-Kolotsaina, UNESCO, 2001.

(4) Lalàna Organika N.2012-05 mikasika ny Fanaovana Fifidianana, And. 36. Ny Fitsapa-kevitra dia tokony hatao amin' ny vanimpotoana maintany, eo anelanelan' ny 30 april sy 30 novambra.

------------------------------------


STATEMENT:


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Elder Branch of the Royal House, 

Head of the Royal House of Madagascar 


has announced that, in order to respect the Malagasy Cultural Values, then the Human Rights, and to avoid bloodshed, before, during, or after the elections in Madagascar (1):


. The Establishment of a New Government that is neutral, independent, with full power, under the auspices of the Royal House of Madagascar (2).


. Moreover, the Changing of the Constitution is the priority in order to obey God and to really respect the Malagasy Cultural Identity, especially the Placement of the Traditional Kings in their proper place, because the great majority of the population disapprove the successive republican constitutions (3),


. The Polls must be held during the dry season of the year, but not on rainy season (4),


is the only solution for the Lord Creator of the Universe to save Madagascar.


. HRM King Ndriana RABARIOELINA also has announced that there should be a Dialogue with all the Living Powers, in order to improve the National Life.


This is what he and his followers have said publicly and the conversation they had with Mrs. Natasha VAN RJIN, Resident Representative of the United Nations for the Development Program (UNDP) in Madagascar, during the Second Discussion for a transparent and participatory electoral process organised by CENI Madagascar and UNDP.


GLORY TO THE LORD CREATOR OF THE UNIVERSE FOREVER AND EVER!


Antananarivo, the royal city, 22 June, 2023.


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Head of the Royal House of Madagascar. 


Nota bene:

(1) Universal Declaration on Human Rights, United Nations (UN), 1948.

(2) Resolution of the Meeting for the Consolidation of the Peace, organised by the African Union, Antananarivo, 14-15-December 2022.

(3) Universal Declaration on the Cultural Diversity. UNESCO, 2001.

(4) Organic Law N.2012-05 bearing Electoral Code. The polls must be held during the dry season of the year, especially between 30 april and 30 november.