-
HAFATRA: TSY AZO AMIDY MADAGASIKARA !
Tompokolahy sy Tompokovavy,
TANY MASINA I MADAGASIKARA ! Tsy mitovy amin' ny tany rehetra ity Nosy ity,
Fa natokan' Andriamanitra Andriananahary Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany hiavaka amin' ny tany rehetra !
Eto no silaky ny Saha Edena!
Eto no misy ny harena ambany tany sarobidy indrindra eran-tany !
Eto no misy ny zava-maniry tranainy indrindra eran-tany !
Eto no misy ny biby tranainy indrindra eto an-tany !
Eto no misy ny vatosoa isan-karany sy betsaka indrindra eto an-tany !
Raha ny vatosoa safira any Ilakaka fotsiny dia ampy hamelomana ny vahoaka rehetra eto Madagasikara!
Firenena tokony handroso amin'izay raha mandeha amin' ny Fahamarinana,
satria amin' ny FAHAMARINANA no hamonjen'Ilay Mpahary ny Firenena !
Noho izany dia TSY AZO AMIDY I MADAGASIKARA ! Ary ny HARENAM-PIRENENTSIKA dia tokony ISIKA TOMPONTANY no MITANTANA AZY FA TSY NY VAHINY !
Ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenenantsika eto Madagasikara dia tsy vao am-polo-taonany, na an-jato taonany akory, fa efa nisy an'arivo taonany !
Ny Lamba nenti-paharazantsika dia efa nisy teto an'arivo taonany !
Ny Tenin-drazantsika dia anisan' ireo tenim-pirenena raobinifolo tranainy indrindra eran-tany!
Sarobidy eo anatrehan' Ilay Mpahary i Madagasikara !
Ary isika Tompontany dia nantsoiny ho FIRENENA MASINA sy TARANAKA VOAFIDY !
Koa ho lasa amin'izay anie ny ratsy rehetra !
Ary Andriamanitra Andriananahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, anie,
handrotsaka ny Fahasoavany, ny Fitahiany, ny Fiadanany ho antsika rehetra,
Tompontany eto Madagasikara sy ny Zanaka am-pielezana rehetra manerana ny tany, amin'izao Taona Vaovao 2011 izao !
DIA HO AN'ILAY MPAHARY IRERY IHANY ANIE NY VONINAHITRA !
Hoy:
Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Mpitarika ny FIHAONAMBE ny AMPANJAKA sy ny ZANAKANDRIANA
eto MADAGASIKARA.
Ambohimanga-Rova, faha-04 Aprily 2011.
(c) copyright.
"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).
lundi 2 mai 2011
mardi 15 février 2011
FANAJANA NY ZON'OLOMBELONA SY NY FAHAFAHANA FOTOTRA
-
7 - Famotsoran-keloka, ho an' ny mpanao politika, nanomboka hatramin' ny taona 1960 mandraka ankehitriny. Tsy ao anatin' izany kosa ireo izay namono na nampamono olona, nangalatra na nanodina volam-panjakana sy fanànam-pirenena, nanondrana antsokosoko na tsy ara-dalàna ireo harem-pirenena, tsy fanàjana ny Zon' Olombelona sy ny Fafafàhana fototra teo amin' ny fitondrana firenena.
Ny Andriana Rev. Dr. RABARIOELINA Ndriana, Mpitarika ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara, dia nandefa taratasy tamin' Atoa Ban KI-MOON (Sekretera Jeneraly ny ONU) sy ny Filohan' ny World Bank) ny Tale Jeneraly ny FMI,
ary nilaza tamin' izy ireo fa ny làlana tokana hivoahana amin' ny olana any Madagasikara, dia miainga amin' ny FANAJANA an' Ilay MPAHARY sy ny fanajàna ny SOATOAVINA ary ny KOLOTSAINA-MPIRENENA.
Nanamafy koa izy ireo fa ny Fanajàna ny "SOATOAVINA NENTIM-PAHARAZANA" sy ny "TEKNOLOJIA VAOVAO", ao anatin' ny FANJAKAN'I MADAGASIKARA, no làlana tokana ho Fampandrosoana an' i Madagasikara, sahala amin' ny Fanjakan' i Norvezy (N°1 mondial de l'Indice de Développement Humain, IDH, PNUD, 2010).
Koa ireto avy no fepetra fototra, ao anatin' izany vaha-olana, nolazain' ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara ho an' ny firenena izany:
1 - Fanajàna ny Zon'Olombelona sy ny Fahafàhana fototra.
2 - Famoahana tsy misy hatak'andro ireo gadra politika (miaramila, sivily, mpitondra fivavahana) noho ny tsy fitovian-kevitra.
3 - Fanokàfana tsy misy hatak'andro ny haino aman-jery nakàtona rehetra.
4 - Fahafàhana maneho hevitra, mivory, manao fikambanana, ary fahafàhan' ny haino aman-jery haneho hevitra, ao anaty fifanajàna.
5 - Fitsarana mandeha amin' ny Fahamarinana. Tsy fahazahoana mitazona na managadra olom-pirenena raha tsy efa voatsaran' ny Tribonaly ka hita fa meloka. Fitsarana haingana ireo olona an-tranomaizina efa an-taonany maro, kanefa tsy voatsara mihitsy noho ny antony maro.
6 - Fandraisan' ny Hery Velona rehetra eto amin' ny firenena, amin' ny Rafitra Tetezamita rehetra, fa kosa tsy maintsy olom-pirenena vanona, tsy mpanao kolikoly na mpangalatra, tsy meloka teo anatrehan' ny fitsarana ankoatra ny antony politika, ary mandeha amin' ny fahamarinana.
7 - Famotsoran-keloka, ho an' ny mpanao politika, nanomboka hatramin' ny taona 1960 mandraka ankehitriny. Tsy ao anatin' izany kosa ireo izay namono na nampamono olona, nangalatra na nanodina volam-panjakana sy fanànam-pirenena, nanondrana antsokosoko na tsy ara-dalàna ireo harem-pirenena, tsy fanàjana ny Zon' Olombelona sy ny Fafafàhana fototra teo amin' ny fitondrana firenena.
Antananarivo, faha-07 Aprily 2011.
-
samedi 20 novembre 2010
FANJAKAN'I MADAGASIKARA, FANJAKAN' NY FAHAMARINANA
Ny FANJAKAN'I MADAGASIKARA, dia miorina amin' ny BAIBOLY, TENIN'ANDRIAMANITRA (Salamo 119:105), miori-paka amin' ny DIDY FOLO (Eksodosy 20), ary manaiky fa Ilay Zanakandriamanitra avy any an-danitra, JESOA KRISTY, no MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO (1 Timoty 6:15), any an-danitra sy ety an-tany, ary indrindra eto Madagasikara.
Araka ny vavaka nataon'i Jesoa Kristy Tompo manao hoe « ...Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra...'' (Matio 6:10), any an-danitra sy ety an-tany, ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA dia taratry ny Fanjakan'Andriamanitra.
Hoy ny Tenin'Andriamanitra: Ny Fanjakan’Andriamanitra? “… tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa FAHAMARINANA sy FIADANANA ary FIFALIANA ao amin’ny FANAHY MASINA” (Romana 14:5). Fa “NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA" (Ohabolana 14:34) ary MAMPAHATEZA ny FANJAKANA (Isaiah 32:1).
"...Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy YHWH, dia hevitra hahatonga FIADANANA fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany" (Jeremia 29:11),fa tsy fitaintanan-dava. Dia hoy Jesoa Tompo: “...mba ho ao aminareo ny FIFALIAKO, ka ho tanteraka ny FIFALIANAREO" (Jaona 15:10,11).
"Fa tsy Sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona" (Jeremia 3:33), fa ny HAHASAMBATRA azy. Ary tiany ho tanterahina eo amin’ny isaky ny FIRENENA koa izany,
fa "SAMBATRA IZAY FIRENENA IZAY MANANA AN'I YHWH HO ANDRIAMANINY" (Salamo 33:12a; 144:15b), dia ny FIRENENA ANJAKAN' NY FAHAMARINANY.
Fa Izy no TOMPON' NY FANJAKANA SY NY HERY ARY NY VONINAHITRA (Matio 6:13 nota 7), ary “An’i YHWH ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy” (Salamo 24:1).
JESOA KRISTY, ILAY ILALANA SY FIANANA ARY FAHAMARINANA (Jaona 14:6) no efa nampianatra antsika ilay Vavaka manao hoe: “....HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO. ATAO ANIE NY SITRAPONAO, ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA ! ”.
Dia ho an' Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, ao amin'i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo, Ilay Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo !
Amen !
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.
dimanche 14 novembre 2010
BOKIN' ISAIAH 60 : TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA MIKASIKA AN' I MADAGASIKARA:
-
Indro zaraina amintsika ny Bokin' ISAIAH 60, izay TENY FIKASAN'ANDRIAMANITRA mikasika an' i MADAGASIKARA manokana,
izay nampitondrainy an' i Mama Ravelonjanahary (1850-1971) tao amin' ny Toby Manolotrony, izay efa nampiakariny in-telo tany an-danitra,
nohamafisiny tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava (1918-1998) tao amin' ny Toby Ankaramalaza, izay efa nampiakarin'i Jesosy Kristy im-pito tany an-danitra,
ary tamin' ny Pastora Rakotozandry Daniel tao amin' ny Toby Farihimena (1946-1947),
ary ho tanterahan' ILay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, tsy ho ela intsony eto amin' ny firenena:
1 " MITSANGANA, MIHAZAVA, fa TONGA NY FAHAZAVANAO, ary NY VONINAHITR' I IHWH EFA MIPOSAKA AMINAO.
2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa AMINAO KOSA NO IPOSAHAN' I IHWH, ary AMINAO NO ISEHOAN' NY VONINAHINY.
3 Ary NY FIRENENA MANATONA NY FAHAZAVANAO, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.
4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; NY ZANAKAO-LAHY DIA AVY LAVITRA, NY ZANAKAO-VAVY DIA SAKELEHINA.
5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa HO ENTINA HO ANAO NY HAREN'NY RANOMASINA, ary HAFINDRA HO ANAO NY FANANAN'NY FIRENENA.
6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i IHWH no teny mahafaly hambarany.
7 Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny Tranon'ny Voninahitro.
8 Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?
9 Fa IZAHO no ANDRASAN' NY NOSY, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana,
HITONDRA NY ZANAKAO AVY LAVITRA MBAMIN' NY VOLAFOTSINY sy ny VOLAMENANY, ho an'ny anaran'i IHWH ANDRIAMANITRAO sy ho an'ny IRAY MASIN'NY ISRAELY, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary AMIN'NY FITIAVAKO KOSA NO AMINDRAKO FO AMINAO,
11 Ary HIDANADANA MANDRAKARIVA ny VAVAHADINAO, TSY HIRINDRINA IZY NA ANDRO NA ALINA, HAMPIDIRANA NY HAREN' NY FIRENENA sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
12 Fa HO LEVONA IZAY FIRENENA SY FANJAKANA TSY HANOMPO ANAO; ENY, IRENY FIRENENA IRENY HOFONGORANA TOKOA.
13 Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny FITOERAKO MASINA, ary HASIAKO VONONAHITRA ny FITOERAN-TONGOTRO.
14 NY ZANAK'IZAY NAMPAHORY ANAO DIA HIONDRIKA EO ANATREHANAO,ary HIANKOHOKA AMIN' NY FALADIANAO IZAY REHETRA NANAMAVO ANAO; ary izy hanao anao hoe TANANAN' I IHWH, ZIONAN'NY IRAY MASIN'NY ISRAELY.
15 Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia HASANDRATRO HO REHAREHA MANDRAKIZAY IANAO, eny, HO FIFALIANA HATRAMIN' NY TARANAKA FARA MANDIMBY.
16 Ary hinono amin'ny jentilisa hianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa IZAHO IHWH NO MPAMONJY ANAO, ary ILAY MAHERIN' I JAKOBA NO MPANAVOTRA ANAO.
17 Hahatonga VOLAMENA Aho ho solom-barahina, ary hahatonga VOLAFOTSY ho solom-by, ary VARAHINA ho solon-kazo, ary VY ho solom-bato; NY FIADANANA NO HO HATAOKO FANAPAHANA ANAO, ary NY FAHAMARINANA NO HO MPAMPIASA ANAO.
18 Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe FAMONJENA, ary ny vavahadinao hataonao hoe FIDERANA.
19 Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa IHWH NO HO FAHAZAVANA ANAO MANDRAKIZAY, ary IHWH NO HO VONINAHITRAO.
20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa IHWH NO HO FAHAZAVANAO MANDRAKIZAY, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
21 Ary ny OLONAO REHETRA ho MARINA avokoa; hanana ny TANY ho mandrakizay izy, eny, ho VOLY MAITSO eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.
22 Ny kely ho TONGA ARIVO, ary ny malemy HO TONGA FIRENENA MAHERY; IZAHO IHWH NO HANAFAINGANA IZANY AMIN' NY FOTOANY".
Amen !
-
dimanche 7 novembre 2010
HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA
FANAMBARANA:
FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKAM-PISORONA
MIORINA AMIN’ NY DIDY FOLO, HITONDRA FITAHIANA.
MIORINA AMIN’ NY DIDY FOLO, HITONDRA FITAHIANA.
Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajoron’Andriamanitra eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjaka-Mpisorona, manaja an’ Ilay Mpahary, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany. Tapitra tamin’ ny 17 marsa 2009 ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany ary nitondra ozona ho an’ ny firenena.
Miditra isika izao amin' ny Taon-Jobily (Levitika 25:8-10), Taona faha-Dimam-Polo (1960-2010), Taona Fanafahan' Andriamanitra ny Firenena! Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny. Ary efa nohamasin’ i Jesoa Kristy, efa 2000 taona lasa izay i Madagasikara, ho an’Ilay Mpahary! Ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ny faran’ ny tany.
1. NY TENIN’ANDRIAMANITRA NO FOTOTRY NY FANJAKAN’I MADAGASIKARA:
Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, hajorony eto tsy ho ela intsony ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (I Petera 2: 9-10), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Efa nohamarininy izany Fanjaka-Mpisorona izany tamin’ ny 02 Aogositra 1983 tany Ankaramalaza. Hajorony ny Lalàm-Panorenana Vaovao mifototra amin' ny Baiboly, Tenin'Andriamanitra. Ary Olon'Andriamanitra maro, tena mijoro amin’ ny fahamarinana (Isaiah 33:15), no hapetrany hitondra ny Tany sy ny Fanjakana, isan'ambaratongam-pahefana.
Ny rafitra repoblikana dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ Ilay Mpahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena sy hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana ary hangalàrana ny harem-pirenena.
2. TENY FIKASAN’ANDRIAMANITRA NY FANJAKA-MPISORONA:
Ny Teny Fikasan’Andriamanitra dia Tenin’Andriamanitra ao amin’ ny Baiboly, izay fanomezany toky amin’ izay asa hataony sy ny zavatra ho tanterahiny ary ny fanomezana atolony. Izay olona na fianakaviana na foko na firenena manaiky izany dia hahazo Fitahiana (Deotoronomia 28:1-14) ary izay mitsipaka izany Tenin’Andriamanitra izany kosa dia ho sahirana sy ho voaozona (Deotoronomia 28:15-68).
Teny Fikasan’Andriamanitra ny Fanjakam-Pisorona, nolazainy efa hatry ny ela, fa tsy vao izao akory. Hoy Ilay Mpahary: “Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho Fanjakam-Pisorona sy ho Firenena Masina ho Ahy hianareo. » (Eksodosy 19:6). Ary inona moa izany Fanekena izany ? Ny Fanambarana nataony tamin’ i Abrahama ho Rain’ ny firenena maro sy hisy Mpanjaka maro hipoitra avy aminy (Genesisy 17:6-7) ary ho Firenena Masina, « mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho » (Genesisy 17:7).
3. NY DIDY FOLO NO FOTOTRY NY LALAM-PANORENANA:
Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny, ary efa nohamasin’ Ilay Mpahary tamin’ ny namoronany ny Lanitra sy ny Tany. Ary Jesoa Kristy, Zanakandriamanitra avy any an-danitra (Jaona 1:1-34), dia efa tonga teto Madagasikara, rehefa tsy tany Israely, ary nanamasina ity Nosintsika ity, roa arivo taona lasa izay, ho an’Andriamanitra Ray Tsi-Toha!
Ary araka ny Tantara, izay nohamarinina mpanompon’Andriamanitra, dia eto Madagasikara ny Didy Folo, nosoratan’Ilay Mpahary (Deot. 5:6-18), ao anatin’ Ilay Fiaran’ ny Fanekena, tao amin’ ny Toerana Masina Indrindra tao anatin’ ny Tempoly Voalohany tao Jerosalema! Ary ny Didy Folo no fototry ny Lalàm-Panorenana ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona.
4. JESOA KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA:
Araka ny Tenin’Andriamanitra dia Jesoa Kristy no Mpanjakan’ ny Mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, manerana ny Lanitra sy ny Tany (Apokalypsy 19:16). Ny Mpanjaka Ranavalona II dia efa nanamafy izany tamin’ ny 20 Jolay 1869 tamin’ ny fandatsahana ny vato fehizoron’ ny Tempoly Anatirova Antananarivo. Ary tsy tafita hatrany izay mpitondra firenena, manerana ny tany, ka tsy manaiky na tsy manaraka ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona, izay ho hajoron’Ilay Mpahary tsy ho ela intsony, dia Fanjakana miori-paka sy manaja ny Baiboly Tenin’Andriamanitra. Hisy ny Mpanjaka araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary (Genesisy 17:6), manaiky sy manaraka ary mifikitra amin’ i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy (Asa 5 :31), ary hisy Filan-Kevitry ny Mpisorona (I Tantara 24 :7-19) eo anilany, izay mivavaka hatrany (I Petera 2 :5) sy manoro làlana ary manitsy ny Mpitondra Fanjakana araka ny Baiboly Tenin’Andriamanitra (Salamo 119 :105).
FEHINY:
Hajoron'Andriamanitra tsy ho ela intsony eto ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona! Miomana ny Fiangonana. Miomana ny Firenena. Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny fitondrana jadona na ny demokrasia.
Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra !
Antananarivo, faha-07 Novambra 2010.
Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA
Doctor of Theology (USA).
(c) copyright.
Doctor of Theology (USA).
(c) copyright.
mercredi 29 septembre 2010
FANJAKAN’ I MADAGASIKARA : HITONDRA FITAHIANA HO AN' NY FIRENENA
FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA:
HITONDRA FITAHIANA HO AN’ NY FIRENENA
Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia ho hajorony eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina (Ekosodosy 19:6), manaja an’ i Zanahary sy ny Soatoavina ary ny Kolotsainam-pirenena, ary Ny Baiboly Tenin' Ilay Mpahary (Salamo 119:105), ho hitan' ny firenena rehetra, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena malagasy. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany.
Tany Masina i Madagasikara, ilay silaky ny Tany Edena. Ary Madagasikara efa nohamasin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, Zanak'Ilay Mpahary, IHWH, Ilay Avo Indrindra, avy any an-danitra, efa 2000 taona lasa izay, ho an’Ilay Mpahary. Ary miposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany (Isaiah 60:1-2).
Tany Masina i Madagasikara, ilay silaky ny Tany Edena. Ary Madagasikara efa nohamasin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, Zanak'Ilay Mpahary, IHWH, Ilay Avo Indrindra, avy any an-danitra, efa 2000 taona lasa izay, ho an’Ilay Mpahary. Ary miposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany (Isaiah 60:1-2).
1. ZANAHARY, IHWH, IRAY MASIN'ISRAELY, ILAY AVO INDRINDRA, NO FOTOTRY NY FANJAKANA:
Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, no fototry ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina (Eksodosy 19:6). Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, efa nolazainy am-polo taona maro: Izy no efa nifidy an’ i Madagasikara toa ny Lahimatoan’ ny Tany! Lahimatoa amin’ ny Finoana sy ny Fankatoavana an’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra!
Ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina, dia avy amin’i Zanahary, manaja sy manaraka ny Teniny, amin’ ny alàlany, ary ho Voninahiny irery ihany (Romana 11:36). Ny fototry ny teny hoe Fanjakana dia ny teny hoe Aka, izay manome ny anarana samihafa hoe: faka, jaka, laka, paka, zaka. Ny dikan’ ny teny hoe Aka dia Ain-dehibe avy amin’i Zanahary, izay mamelona sy miori-paka ao aminy. Ny Fanjakana izany dia ilay fahefana sy rafitra avy amin’i Zanahary, nampindramina ny Mpanjaka sy ny tompon’andraikitra rehetra, manaraka ny Tenin’Ilay Mpahary, IHWH, Ilay Avo Indrindra, mba hanasoavana ny firenena sy hiadanan’ny vahoaka ary hiarovana ny tanindrazana.
2. TENIN’I ZANAHARY, IHWH, IRAY MASIN' ISRAELY, ILAY AVO INDRINDRA, FA TSY FEON’ NY MPANAO POLITIKA:
Araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary, IHWH, Ilay Avo Indrindra, hotahiana izay olona mahatoky an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany (Jeremia 17:7). Fa voaozona kosa izay olona mahatoky olona (Jeremiah 17:5). Ary ny Fahefan’Ilay Mpahary, IHWH, Ilay Avo Indrindra, irery ihany no azo ekena, fa tsy ny didy jadona na ny fahefam-bahoaka. Ary ny Tenin’Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, irery ihany no Fanilo sy Fahazavàna, izay marina mandrakizay ary azo itokisana (Salamo 119-105), fa tsy ny tenin’ny mpanao politika izay mandalo, ary mety mamitaka sy mivadibadika isan’andro.
3. FANJAKANA FA TSY REPOBLIKA :
Araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina (I Petera 2: 9-10), no làlana tokana, avy amin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, Ilay Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo (I Timoty 6:15), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena.
Ny rafitra repoblikana, demokratika, laika, masonika, dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena, hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana,hangalàrana ny harem-pirenena ho an' ny tombontsoan' ny vahiny ary hampahantrana ny vahoaka malagasy.
4. FIRENENA MASINA FA TSY ANTOKO POLITIKA:
Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, ny fototra iorenan’ ny fampandrosoana dia ny fianakaviana (Genesisy 2:7-24), ny fianakaviambe, ny zana-poko, ny foko, ny fokom-pirenena, ary ny firenena masina, sahala amin’ ny Zanak’Israely Roambinifolo (I Mpanjaka 18:31) fa tsy ny antoko politika velively.
FEHINY: Miposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany (Isaiah 60)! Tenin'Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny didy jadona na ny demokrasia.
Ho an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, irery ihany ny Voninahitra !
Ho an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, Iray Masin'Israely, Ilay Avo Indrindra, irery ihany ny Voninahitra !
Antananarivo, faha-21 Septambra 2010.
Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA
Ph.D in Theology,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.
http://facebook.com/FANJAKAN’I MADAGASIKARA
(c) copyright.
(c) Copyright.
mercredi 4 août 2010
FANJAKAN' I MADAGASIKARA: FIRENENA MANAN-KARENA INDRINDRA ERAN-TANY
FANJAKAN' I MADAGASIKARA:
TOE-KARENA: FIRENENA MANANKARENA INDRINDRA ERAN-TANY :
Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra dia hajorony eto ny Fanjakan’ i Madagasikara, fanjakam-pisorona. Madagasikara Tany Masina, Ilay Tany Fototra, dia tena handroso amin’izay.
Eto no firenena manankarena indrindra eran-tany, misy ny tahiry solitany lehibe indrindra eran-tany, misy ny tahiry volamena sy vatosoa betsaka sy tsara indrindra eran-tany, izay misy karazany fito-polo mahery (diamond, saphir, rubis, émeraude, pezzotaite, schiavinatoite, londonite, alexandrite, labradorite, améthyste, jaspe, grenat, demantoide, tourmaline, morganite, chrysobéryl, citrine impériale, topaze, quartz, cristal, sns...),
misy ny karazana akora rehetra ambonin’ ny tany ao anaty ny fisokajiana nataon’ i Mendeleev sy harena ankibon’ ny tany maro (Argent, Charbon, Chrome, Cobalt, Fer, Gaz naturel, Ilménite, Mercure, Nickel, Niobium, Or, Pétrole, Platine, Plutonium, Rhodium, Uranium, Titane, Thorium,...sns), misy zavamaniry tranainy indrindra eran-tany sy mahasitrana ny aretina isan-karazany.
Fa tsy hisy intsony orinasa vahiny hitrandraka ny harenam-pirenena. Ary voaozona hatramin’ ny tarànany ny tompontany sy ny vahiny izay mangalatra ny haren’ny firenena sy mivarotra tanindrazana, indrindra ireo nosy manodidina antsika.
Mahatratra 100.000 Milliards Dollar US no sandan’ ny harena eto raha kely indrindra. Ary 10 Milliards Dollar US isan-taona no vola mety ho azo amin’izany raha kely indrindra rehefa vokarina eto, ary tsy azo hamidy any ivelany raha tsy efa voakaly eto Madagasikara.
Hajoro ny Bankim-pirenena hiaro ny tombontsoam-pirenena. Hajoro ny Orinasam-panjakana maro hitrandraka ny harena goavana an-kibon’ ny tany, ary ny tompontany no mitantana azy ireo am-pahamarinana. Ny teknolojia sy ny teknisiana no mety ilaina ny avy any ivelany. Ary ho lasa firenena anisan’ ny matanjaka sy mandroso indrindra eran-tany tokoa i Madagasikara !!!
Ny Andriana Rev. Dr Ndriana RABARIOELINA,
Mpitarika NY FIHAONAMBE NY AMPANJAKA SY NY ZANAKANDRIANA ETO MADAGASIKARA.
(c) Copyright.
Inscription à :
Articles (Atom)