"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mardi 20 décembre 2022

MIANTSO NY MPANJAKA SY IREO AMPANJAKA HAMONJY NY FIRENENA!

FIVORIANA MIKASIKA NY FANDRIAMPAHALEMANA ETO MADAGASIKARA

Izay nokarakarain' ny Union Africaine (UA) tao amin'ny Novotel Antananarivo, 14-15 Desambra 2022.


Manoloana:

.  ny Kolikoly avo lenta mihanaka ao amin' ny Fitondrana,

.  ny Tsy Fanajana ny Zon' Olombelona, 

. ny Tsy Fanajana ny Soatoavina Malagasy, 

. ny Fifidianana Feno hosoka sy feno halabato, 

. ny Fandrobana ny Harem-pirenena, 

. ny Fanapotehina ny Tontolo Iainana,

.  ary ny Fijaliana sy ny Fahantran' ny 81,6%  ny Vahoaka Malagasy,


Tonga nanatrika ny Fivoriana lehibe ireo Solontena avy amin' ny Hery velona rehetra eto amin' ny firenena sy avy amin' ny lafy valon' i Madagasikara :


 . Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


. ireo Solontena ny Raiamandreny ara-drazana,  

. ireo Solontena ny Raiamandreny mijoro,

. ireo Solontena ny Solombavambahoaka sy Loholona,

. ireo Solontena ny Vondrona sy Antoko politika Lehibe,

.  ireo Solontena ny Syndikan' ny Mpitsara eto Madagasikara,

.  ireo Solontena ny Manamboninahitra Jeneraly, 

. ireo Solontena ny Fiaraha-monim-pirenena,

. ireo Solontena ny Fikambanana  vehivavy sy Fikambanana Tanora,

 sy ny maro hafa.


NY VAHA-OLANA NIVOITRA: ... HO FANAJÀNA NY SOATOAVINA MALAGASY, MIANTSO NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO AMPANJAKA RAIAMANDRENY ARA-DRAZANA HANDRAY NY ANDRAIKITRA HAMONJENA NY FIRENENA!


DIA HO AN' I ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra masina,

Taona Sabotsy, 14-15 Desambra 2022.



Fanamarihana: Ny Firenena Mikambana (ONU) dia manaja ny Maha-Izy azy sy ny Soatoavina ary ny Kolotsaina ny firenena rehetra.

lundi 31 octobre 2022

FITSIDIHAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TANY IFANADIANA, FANJAKANA ANTAGNALA (2022)

 KABARY SY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA

nataon'


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


tamin' 


. NY FANOKANANA TSANGAMBATO FAHATSIAROVANA NY MPANJAKA ANTAGNALA RASOAMIANGALY, Tia Tanindrazana, Mahery fo an' ny firenena, Olomangam-pirenena, Maty ho an' nyTanindrazana, tao Anivorano na Ifanadiana ankehitriny, 

sy


. NY FANANDRATANA NY AMPAJAKA ZAFINANDRIAMIANGALY ao Ifanadiana, Fanjakana Antagnala,


ary

. NY FANOMEZANA MANOKANA avy amin' ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA sy ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara ho an' ireo Ampanjaka ao Ambohimanarivo sy Ifanadiana, 


tao amin' ny Rovan' Ifanadiana, teo anoloan ireo 35 AMPANJAKA sy ireo Manapahefana Sivily sy Miaramila isan-tsokajiny ary ireo VAHOAKA AN-JATO MARO.


Nambaran' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA fa efa Telo Arivo Taona (3.000 Taona) eo no efa nisy mponina tao amin' ny Faritra Ifanadiana ary misy Vatosoratra manamarina izany manodidina ao.


Avy eo nisy Fizaràna nofonkena mitam-pihavanana sy Fiaraha-misakafo, vary sy henomby ritra, teo ambony tsihy, ary ravinala no atao lovia sy sotro, araka ny Fomba Antagnala.


Nisy ihany koa nyFampisehoana Hira sy Dihy nenti-paharazana Antagnala isan-katrazany, tena kanto, avy amin' ny vohitra maro, izay Vakoka sarobidy nandritra ny Taona Arivo maro.


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY..." (Isaiah 32:1).


DA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Ifanadiana Vohitra Andriana, Vohitra Masina,

Taona Sabotsy, 26 Oktobra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.




vendredi 23 septembre 2022

ROVA ANTANANARIVO : MILA HAJAINA NY FOMBA FANARENANA AZY SY NY HASINA ARY NY FADY (2022)

ROVA ANTANANARIVO :

TOERANA MASINA SY VAKOKA MANANTANTARA NANDRITRA NY TAONJATO MARO ARY TOKONY HAJAINA NY HASINA SY NY FOMBA NANARENANA AZY ARY NY FADY.

NY FANERENANA DIA TOKONY HATAO AMIN' NY ENDRINY TALOHA NANAOVAN' IREO MPANJAKA AZY NY ROVA AO ANTANANARIVO FA TSY HOVAINA NA HAMPIANA NA HANALÀNA.

FA IREO IZAY TSY MANAJA NY HASINA SY NY FOMBAN' ANDRIANA ARY NY FADY AO ANATIROVA ANTANANARIVO DIA MANOTA FADY ARY HO TRATRY NY LOZA. ARY IZAY MPITONDRA MANOTA FADY AO KA TSY MANOVA FAMINDRA DIA NIONGANA AVOKOA.


KOA MANAINGA NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA HIJORO HIARO NY VAKOKA MALAGASY MANAN-TANTARA EFA AN-JATO TAONA MARO IZAY MARIKY NY MAHA-IZY AZY NY KOLOTSAIN' NY  FIRENENA !


NY TANY MANANA NY HASINY ARY NY VOHITRA MANANA NY FADINY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA !

Antananarivo Vohitra masina, 23 Septambra 2022.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


lundi 19 septembre 2022

MADAGASIKARA MANAJA NY FITONDRANA MPANJAKA HO FAMONJENA NY FIRENENY (2022)

 FANAMBARANA:


Ny Mpanjaka Elizabeth II ao amin'ny Fanjakana United-Kingdom sy ny Commonwealth dia hanaovana Fanafenana nasionaly goavana ny alatsinainy 19 septambra 2022 any London eo anatrehan'ireo Mpanjaka sy filoham-pirenena manerana izao tontolo izao, ny fanomezam-kaja manetriketrika noho izany ho an'ny Fitondrana mpanjaka britanika izay afaka nitazona hatrany ny fototra nipoirany miaraka amin'ny fisokafana amin'ny fiainana maoderina, ny fanajana ny hasina, ​​​​ny rariny sy ny hitsiny ary ny maha-izy azy sy ny kolontsainy.


Noho ny hamafin'ny andrim-panjakan' i Royaume-Uni sy ireo Fitondrana Mpanjaka manaja lalàm-panorenana misy eran'izao tontolo izao, izay manolotra modely isan-karazany amin'ny fandrindrana ny aristokrasia sy ny fahaizana ary ny fahamendrehana, dia miteraka firenena tena manan-karena, miroborobo, azo antoka, misy fandriam-pahalemana, miaraka amin'ny fahatsaràna ary ny fari-piainan' ny vahoakany avo dia avo.


Izany dia tsy maintsy mampahatsiahy ny Malagasy, indrindra ny famelana azy ireo hisokatra amin’ny ho avy mendrika ateraky ny fomba amam-panaony, ny tokony hanajàny ny fototry ny fireneny misy ny Mpanjaka sy ireo Ampanjaka ao aminy. Ireo no fanomezan-toky amin’ny famerenana ny maha-izy azy, ny firaisankina ara-tsosialy ary ny fitoniana eo amin’ny andrim-panjakana izay fototra hiantohan’ny Firenena Malagasy ny fampandrosoana maharitra.


Tonga ny fotoana tokony ho resy lahatra amin’izany sy hijoroan' ny olom-pirenena tsirairay mba hahafahan’i Madagasikara mivoaka tanteraka amin’ny tsy fandrosoana sy ny fahantrana lalina amin’izao fotoana izao ary mahita ny làlan’ny tantarany.


Tsaroan’ny olom-pirenena tsirairay ihany koa fa Tahin’Andriamanitra i Madagasikara ary adidiny ny tsy mivadika amin’ny fiantsoana Azy.


Masina i Madagasikara!


Ho an'i Zanahary, ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra, mandrakizay !


Antananarivo, vohitra masina, 19 septambra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben'ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


jeudi 15 septembre 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY AMBASADAORO DAVID WILLIAM ASHLEY AN' NY FANJAKANA UNITED KINGDOM (2022)

 FIHAONANA 


teo amin ' 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara


sy 


His Excellency Mr. David William ASHLEY,

Ambasadaoron' ny Fanjakana United Kingdom eto Madagasikara,


Ho


. Fanehoana ny Fiaraha-miory sy ny Fampaherezana ny Fianakavian' ny Mpanjaka sy ny vahoaka ny Fanjakan' i United Kingdom noho ny Fiambohon' ny Mpanjaka ELIZABETH II.


. Firariana ho ela velona Ny Mpanjaka CHARLES III any United Kingdom.


. Fanazavana ny Fifandraisan' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara sy ny Fianakavian' ny Mpanjaka any United Kingdom nandritra ny Telo Arivo Taona mahery (+3000 Taona).


. Fampahatsiahivana ny Fifandraisan' ny Fanjakan' i Madagasikara sy ny Fanjakan' i United Kingdom nanomboka tamin' ny 23 Oktobra 1817.


. Fijerena ny Ankehitriny ary ny Fanomanana ny Ho avy.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA!


Antananarivo Vohitra Masina, 

Taona Sabotsy, volana Elul, 14 Septambra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

vendredi 9 septembre 2022

HAFATRA HO AN' NY FIANAKAVIAN' NY MPANJAKA ELIZABETH II ANY UNITED KINGDOM (2022)

 NIAMBOHO NY MPANJAKA ELIZABETH II (1926-2022).


MIRARY FIONONANA FENO HO AN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ANY UNITED-KINGDOM. 


ARY HO ELA VELONA NY MPANJAKA CHARLES III. 


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY.


Antananarivo Vohitra Masina, 08 Septambra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin'ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

dimanche 4 septembre 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO NDRENOGNY ANTAGNALA AO IKONGO SY IFANADIANA (2015-2022)

  FIHAONANA MPANJAKA 


teo amin' 


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA, 

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


sy


. NY NDRENOGNY na AMPANJAKA BE AMIN' NY FANJAKANA ANTAGNALA AO IKONGO SY IFANADIANA, 


ary 


. Ny Solombavambahoaka RAZAFITSIANDRAOFA JEAN BRUNELLE, 

FILOHA LEFITRY NY ANTENIMIERAM-PIRENENA, 


. NY BEN' NY TANÀNA SY NY BEN' NY TANÀNA LEFITRA AO IFANADIANA,  


NIARAKA TAMIN' IREO SOLONTENA MPIARA-DIA AMINY AVY,


ho


. FAMPAHATSIAVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA) SY NY RAZAMBE IRAISANA.


. FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.


. FITODIHANA NY TALOHA, FANDINIHINA NY ANKEHITRINY ARY FANOMANANA NY HO AVY.


. NANAMAFY KOA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA FA AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA SY MBOLA AZO HAMPIDININA AZA ARY MANANA VAHA-OLANA AMIN' IZANY IZY IREO.


. NISY KOA NY FANOMEZANA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA SY AVY AMIN' NY VONDRONA IRAISANA MIARO NY VAKOKA (VIMVA) AVY ANY AM-PITANDRANOMASINA HO AN' IREO NDRENOGNY ANTAGNALA AO IFANADIANA SY IKONGO. 

 

 

TANY MASINA I MADAGASIKARA !


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


"... MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO ...".


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo Vohitra Masina, 2015, 2021,

ary Ifanadiana, Vohitra Masina, 2022.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA, 

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.