"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

samedi 31 juillet 2010

FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, FANJAKAM-PISORONA (1)

FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, FANJAKAM-PISORONA (1):

LALAM-PANORENANA MANAJA AN’ I ZANAHARY SY NY SOATOAVINA ARY NY KOLOTSAINA ETO MADAGASIKARA:

 
Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra dia miditra amin’ ny dingana manaraka indray ny tantaram-pirenena. Tapitra tamin’ ny 17 marsa 2009 ny rafitra repoblikana teto Madagasikara. Mivadika ny pejy. Miova ny tantara. Hajoron’ Andriamanitra eto amin’ ny firenena ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, Fanjakam-pisorona. Ary tsy misy olombelona na vondron’olona na firenena vahiny ahasàkana izany.


1. NY TANJON’ NY FANJAKAN’ I MADAGASIKARA:


Araka ny Teny Fikasan’ Andriamanitra, ny tanjon’ ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-pisorona, dia ny Fanombezam-boninahitra an’ i Zanahary, ny Fijoroana ho vavolombelon’Andriamanitra manerana ny tany, ny Famonjena sy ny Fiadànan’ ny tompontany tsirairay sy ny firenena manontolo, ary ny Fiarovana ny tanindrazana sy ny Fiandrianam-pirenena.


Ary manana adidy masina sy andraikitra goavana eo amin’ ny fanarenana ny firenena ny tompontany rehetra eto amin’ ny fiaraha-monina, ao anaty rafitra samihafa kanefa mifameno, toy ny ankizy, ny tanora, ny tantsaha, ny mpiasam-panjakana na tsy miankina, ny mpandraharaha, ny avara-pianarana, ny mpiray tanindrazana any ampitan-dranomasina, ny foloalindahy, ny olobem-pirenena, ny raiamandreny ara-panahy, ary indrindra ny ampanjaka sy ny zanakandriana isam-paritra manerana ny Nosy.



2. ZANAHARY NO FOTOTRY NY FANJAKANA:


Zanahary, Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, no fototry ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, Fanjakam-pisorona. Andriamanitra Andriananahary dia Fanahy, Tokana, Mandrakizay, Tsy manam-pahataperana, Mahaleotena, Mahavita tena, Fitiavana, Fahazavana, Fiainana, Fahatsarana, Masina, Marina, Tsy miangatra, Mpamindra fo, Tsi-Toha sy Mahery indrindra, Mahita ny zavatra rehetra, Mahafantatra ny zavatra rehetra, Mahefa ny zavatra rehetra, Masimandidy, Ilay Tokana Loharanon’aina sy Loharanom-Pitahiana, ary Tonga lafatra.


Ary araka ny teny Fikasan’Andriamanitra, Iahosoa Masina (Jesoa Ilay Mesia), Zanakandriamanitra, Tena Andriamanitra ary Tena Olombelona, Ilay Teny tonga nofo, Ilay Mpaminany lehibe indrindra, Ilay Mpisorona be Mandrakizay, Ilay Mpanjaka Masina indrindra, Ilay Tokana Mpamonjy izao Tontolo izao, izay mivavaka mandrakariva ho antsika eo ankavanan’ ny Ray Tsitoha any an-danitra, Ilay Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo no Mpiaro an’ i Madagasikara, hatramin’ ny namoronan’Andriamanitra ny tany.


Araka ny Teny Fikasan'Andriamanitra, voalazan' ny maminany efa hatry ny ela, dia hoy Jesoa Tompo: Ahy i Madagasikara ! Efa eo ampelatanako izy ! Mpiady mahery Aho ! Izaho no Foloalindahy sy miady mandresy! Izay manisy ratsy an'i Madagasikara dia tsy maintsy miala avy eto. Izaho YHWH no hifandahatra aminy, na inona na inona hevitry ny hafa. Tsy misy afaka hifandahatra amin' ny hevitr'Andriamantra ny aminy. Ary Zanahary, Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, no Tompon’ ny Fahefana sy ny Fanjakana, ary Izy no mampindrana izany amin’ ny tompontany mba hanaovany ny Sitrapon’Andriamanitra...


(hitohy)



Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, 
Filohan' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara.
 (c) Copyright

FANJAKAN' I MADAGASIKARA

FANJAKAN' I MADAGASIKARA :


LALAM-PANORENANA VAOVAO MANAJA AN' I ZANAHARY ARY MANARAKA NY SOATOAVINA SY KOLOTSAINA ETO MADAGASIKARA:


Araka ny Teny Fikasan'Andriamanitra dia hajoron'Andriamanitra eto amin' ny tany sy ny firenena ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, fanjakam-pisorona. Miova ny tantara. Mivadika ny pejy. Izany Fanjakan' i Madagasikara izany dia miainga amin'ny Lalàm-Panorenana vaovao miori-paka sy manaja ny Tantara, ny Soatoavina ary ny Kolotsaina eto Madagasikara, mba hisian’ ny tena fampandrosoana marina, azo antoka, mirindra, mifandanja, isam-paritra, mafy, ary maharitra.

Ny anaran’ izany fanjakana vaovao izany dia FANJAKAN’ I MADAGASIKARA.
Tany Masina Madagasikara, ary Firenena Masina ny tompontany ao aminy. Ary ireto avy ireo Soatoavina Fito iorenan’ izany Fiaraha-monina vaovao eto Madagasikara dia:

1) ny Fanajàna an’I Zanahary Mpanao ny Lanitra sy ny Tany, sy ny mpiara-monina, ary ny tontolo iainana, 2) Ny Hasina, 3) Ny Fihavànana, 4) ny Fahamarinana, 5) Ny Firaisankina, 6) ny Fiarovana ny Tanindrazana, 7) Ny Fiarovana ny Fiandrianam-Pirenena.

Ho hita ao anatin’ izany lalàm-panorenana sy fanjakana vaovao izany ny fandraisana anjara ny ankolafin-kery rehetra eto amin’ ny firenena, toy ny teratany any ambanivohitra, ny mpiasam-panjakana na tsy miankina, ny mpandraharaha, ny avara-pianarana, ny any am-pitandranomasina, ny raiamandreny ara-panahy, ary indrindra ny Ampanjaka rehetra manerana ny faritra eto Madagasikara.

TANY MASINA I MADAGASIKARA!

Antananarivo, 20 Mey 2010.


Ny Andriana Reverend Doctor RABARIOELINA Ndriana,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara.


(c) copyright.