"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 11 mars 2020

NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA

FANAMBARANA :

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa ny Fifidianana rehetra nanomboka tamin' ny Taona 1958 ka mandraka ankehitriny 2020 dia feno hosoka sy halabato goavana.

Ary aoka izay ny Fanapotehina ny firenena sy ny fanjakazakan' ny vahiny mpanjanantany izay manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena, mpanota fady, tsy manaja ny Soatoavina malagasy, mpangalatra tany sy nosy, ary mpanototra tanimbary. 

Koa ny Fahatahorana an'Andriamanitra sy ny Fanajàna ny Soatovina malagasy irery ihany, amin' ny Fijoroan' ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, no vaha-olana tokana ho Fampandrosoana indray ny firenena. Koa manainga ny Tia Tanindrazana rehetra hijoro hiaro ny Fahamarinana sy ny Tanindrazana !

"NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA"
(Ohabolana 14:34).

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-07 Marsa 2020.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

ROVA ANTANANARIVO: MILA HAVERINA AMIN' NY ENDRINY TEO ALOHA IHANY

FANAMBARANA:

Ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sady Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa

ny Rova Antananarivo dia Toerana Masina ary ny Fanarenana ny Rova Antananarivo sy ireo Lapa rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa sy ny Lapa hafa rehetra) dia tokony manaraka ny Soatoavina sy ny Fomba ary ny Kolotsaina Andriana Merina ary tokony haverina amin' ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa. Ny tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin' ny firenena. 

Koa atsipy ny teny ho an' ny olokendry sy ny manampanahy ary ny tsy maty eritreritra.
Tany Masina i Madagasikara !

Ho an' Ilay Mpahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Febroary 2020.

Ny MPANJAKA Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.