"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

lundi 16 décembre 2019

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: IREO NOSY MANODIDINA REHETRA DIA AN' I MADAGASIKARA SY NY TOMPONTANY MALAGASY

FANAMBARANA: 

Ny Moanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
 Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia 

...MANOME BAIKO NY MPITONDRA FRANTSAY HAMERINA TSY MISY HATAK'ANDRO ARY TSY MISY FEPETRA IREO NOSY MALAGASY HATRY NY ELA BE (NOSY SAMBATRA NA GLORIEUSES, NOSY KELY NA JUAN DE NOVA, NOSY BEDIMAKY NA BASSAS DE INDIA, NOSY AMPELA NA EUROPA, ...) HO AN' I MADAGASIKARA SY NY TOMPONTANY MALAGASY...

ARY TSY MILA FIARAHA-MITANTANA AMIN' NY ANY IVELANY.


FOIN' I ZANAHARY HATRANY AM-PIANDOHANA, EFA HATRY NY ELA BE, HO AN' NY TOMPONTANY MALAGASY IREO NOSY REHETRA, IZAY MI-ISA 280 MAHERY, MANODIDINA AN' I MADAGASIKARA, toa an'i Glorieuses, Juan de Nova, Bassas de India, Europa, Diego Garcia, La Reunion, Maorisy, Tromelin, Mohely, Anjoany, Maoty, sy ny sisa rehetra .


Ny Fivoriamben' ny Firenena Mikambana (ONU) dia nanamafy tamin' ny Fehinkevitra 34/91 tamin' ny 12 Desambra 1979 sy ny Fehinkevitra N°35/123 tamin' ny 11 Desambra 1980 fa an' i Madagasikara ireo Nosy manodidina efatra voalaza teo ireo.


Ary hoy ny Tenin' i Zanahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany: "...IZAHO NO ANDRASAN' NY NOSY..." (Isaiah 60:9) ary koa hoe "...HO ENTINA HO ANAREO NY HARENAN' NY RANOMASINA..." (Isaiah 60:5).


TANY MASINA I MADAGASIKARA...MANANA NY HASINA MANOKANA IZAY TSY ITOVIZANY AMIN' NY FIRENENA HAFA REHETRA...KOA VOAOZONA IZAY  OLONA NA MPITONDRA FIRENENA NA FIRENENA VAHINY MANAO RATSY AN' I MADAGASIKARA ARY MIANJERA NA MIRODANA AVOKOA!


TANY MASINA I MADAGASIKARA... !


Dinika Nosy Malagasy,
CCI Ivato, Antananarivo, 09-11 Desambra 2019.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
LEHIBEN' NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA.