"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

dimanche 25 septembre 2011

NY FAMINANIANA MIKASIKA NY TANTARAN' I MADAGASIKARA



Ny Mpanjaka ANDRIANTOMARA (1000 AD) dia nitsodrano ity Nosy Madagasikara ity ho an' ireo Zanakandriana zanany lahy, hanjaka sy hitondra ity Nosy ity mba hiadanan' ny vahoaka manontolo.

Ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan' Imerina (1280 AD), Mpanjaka teto Imerina voalohany ary tao Ambohitsitakatra sy Kilonjy ary nafenina ao Anerinerina dia mbola nanamafy izany.


Ny Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA (1600-1610 AD) dia efa nilaza taloha ela be fa hiverina amin' ny tena Andriandahy mpandova, Andriandray Andriandreny, avy ao Avaradrano Zokin'Imerina, ny Tany sy ny Fanjakana, avy amin' ny Taranaka mivantana Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan'Imerina sy ny Mpanjaka ANDRIANJAKA, izay vao hilamina ny Tany sy ny Fanjakana, handroso ny firenena eto Madagasikara, ary hiadana ny vahoaka. Dia hiditra amin' ilay farany isika izao tsy ho ela intsony.

Ny Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN' IMERINA dia efa nanafatra hoe:

 " ... Manjaka aloha ny Andriandahy Zokiny Tompon' ny Tranomanara, Tranofohihoha, Tranomasina, ary avy eo manjaka ny Andriandahy Zandriny miaraka amin' ny fepetra maro, anisan' izany tsy maintsy manambady Andriambavy avy amin' ny Zokiny ary Tsy maintsy Andriandahy Andriandray Andriandreny taranaka mivantana avy amin' Ilay Zokiny no mandimby fanjakana. Fa rehefa miongana na tsy nahatandrina ireo fepetra ny Zandriny dia miverina amin' ny Zokiny ny Fitondrana ny Tany sy ny Fanjakana
...".



Ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (1778-1810) dia nanontany an' ireo mpanolotsaina
hoe ahoana ny HO AVIN' I MADAGASIKARA?


Dia namaly izy ireo hoe:

1- Aoriana ry Mpanjaka dia hanjaka ny lahy (faminaniana tanteraka tamin' ny andron' ny Mpanjaka Radama I: 1810-1828),

2- Avy eo dia hanjaka ny vavy (faminaniana tanteraka tamin' ny andron' ny Mpanjaka Ranavalona I ka hatramin' ny Mpanjaka Ranavalona III: 1828-1896),

3- Avy eo dia hitondra ny vazaha menasofina (faminaniana tanteraka tamin' ny vanim-potoanan' ny fanjanahantany: 1896-1960),

4- Avy eo dia hitondra ny mpanompo (faminaniana tanteraka tamin' ny vanim-potoanan' ny rafitra repoblikana napetraky sy nanompo ny mpanjanantany vazaha: 1960-1975),

5- Avy eo dia hisy ny fitondrana sadasada (faminaniana tanteraka amin'ny rafitra repobikana napetraky ny vazaha mpanjanantany sy tetezamita sadasada: 1972-2024), izay nahatonga ny firenena anisan' ny dimy mahantra indrindra erantany.

6- Dia HIVERINA AMIN' NY TOMPONY (ANDRIANDAHY TENA ANDRIAN-DRAY ANDRIAN-DRENY, AVY AO AVARADRANO ZOKIN' IMERINA) NY TANY SY NY FANJAKANA, IZAY VAO MILAMINA NY FIARAHA-MONINA SY HIADANA NY VAHOAKA ARY HANDROSO TOKOA I MADAGASIKARA!


7- Kihon-dàlana amin' ny Tantaram-pirenena isika izao. Tsy maintsy mivadika ny pejy amin' ny Tantaran'i Madagasikara! 

Ny dimy amin' ireo Faminaniana ireo no tanteraka ankehitriny.


Tsy ny Andriana rehetra akory no afaka hitondra, fa izay Andriandahy, Tompon' ny Tranomanara, Tranofohiloha ary Tranomasina,  voafidin'Andriamanitra irery ihany. Ary tsy misy olombelona na mpanao politika na firenena vahiny afaka hahasàkana ny Teny Fikasan' Andriamanitra ho an' i Madagasikara!


"...SAMBATRA IANAO RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK' ANDRIANA..."
(Mpitoriteny 10:17).


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK' ANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY..." (Isaiah 32:1).



"... MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..." (Isaiah 60:1).


Dia ho an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-01 Mey 2020.


Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


(c) Copyright.

1 commentaire:

  1. FANJAKAN' I MADAGASIKARA: ...Efa fantatry ny razambe mpanjaka ny zavatra hitranga eto Madagasikara:
    1) Manjaka aloha ny mpanjaka lahy.
    2) Manjaka ny mpanjaka vavy.
    3) Mitondra ny vazaha menasofina.
    4) Mitondra ny mpanompon' ny mpanjanantany (padesm).
    4) Fitondrana sadasada (repoblika, demokratika, laika, masonika).
    5) Hijoro avy eo ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakan’ Andriana, misy Andriandahy Manjaka, Teraky ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan’Imerina sy Teraky ny Mpanjaka Andrianjaka, avy ao Avaradrano Zokin’Imerina (Fanjaka-Mpisorona sy Firenena masina), izay vao handroso indray i Madagasikara!

    RépondreSupprimer

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.