"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

vendredi 17 juin 2011

FANJAKANA KRISTIANA NO SITRAPON' ANDRIAMANITRA HO AN' I MADAGASIKARA :

-



HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA :



Ry Havana malala ao amin' i Jesoa Kristy,


Miarahaba anareo amin' ny anaran' i Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika.

Ny zava-dehibe indrindra amin' ny fiainana eto an-tany dia ny fandraisana ny Famonjena ao amin' i Jesoa Kristy Tompo mba handovana ny Fanjakan' ny Lanitra, araka ny Tenin'Andriamanitra manao hoe: "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana (Jesoa Kristy), mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hànana fiainana mandrakizay" (Jaona 3:16).

Manaraka izany, ny Vavaka nampianarin' i Jesoa Kristy Tompo dia milaza hoe:...Ho tonga anie ny Fanjakanao. Atao anie ny Sitraponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra...". Ary raha ny fiainam-pirenena no jerena dia betsaka ny zava-miafina mikasika an’ i Madagasikara. Fa ampahany ihany no holazaina eto :

FANJAKANA MANKATOA AN’ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, YHWH, Andriamanitr’Israely (Deotoronomia 28 :1-14), ary FANJAKANA KRISTIANA manarakan’ i JESOA KRISTY, no SITRAPON’ ANDRIAMANITRA, raha namorina ny Lanitra sy ny Tany Izy.

Ary ny Mpanjaka Ranavalona II dia efa nanambara, tamin' ny 20 Jolay 1869, fa JESOA KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA SY TOMPON’ NY TOMPO (I Timoty 6 :15) eto MADAGASIKARA, ary izay mpanjaka sy ny vahoaka tsy manaraka izany dia voaozona. 

Teo no nanambaràny ho ren-tany ho ren-danitra fa FANJAKANA MANKATOA AN’ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, IHWH, Andriamanitr’Israely (Deotoronomia 28 :1-14), ary FANJAKANA KRISTIANA mankatoa an’ i JESOA KRISTY, MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO, no SITRAPON’ANDRIAMANITRA HO AN’ I MADAGASIKARA.


fa tsy fitondrana repoblikana , demokratika, laika, mitondra ozona ho an' ny firenena sy mampahantra ny vahoaka malagasy, izay nentin’ ny mpanjanantany frantsay, ary tsy mankatoa ny Baiboly Tenin’Andriamanitra na koa fitondrana manompo sampy na mivavaka amin’ ny razana na manao pacte satanika.

FIRENEN' ANDRIAMANITRA I MADAGASIKARA, araka ny efa nolazainy tamin' ny mpanompon'Andriamanitra efa taloha ampolo-taona maro. Hoy Jesoa Kristy Tompo: "AHY MADAGASIKARA". Ary Andriamanitra no HAMONJY sy HANAFAKA ny FIRENENA amin’ ny FOMBANY (Teny Fikasan'Andriamanitra ho an' i Madagasikara: Isaiah 60).



Miala nenina Izy ankehitriny, kanefa koa manavaka ny Azy sy ny tsy Azy, Andriamanitra Andriananahary IHWH, amin’izao fotoana izao: Ireo rehetra izay tsy mino an’ i Jesoa Kristy sy mbola mieritreritra rafitra repoblikana dia ho harodan’Andriamanitra daholo amin’ ny fotoana tsy hampoizina.
Fa ireo Izay mino an’ i Jesoa Kristy sy vonona hankatoa an’Andriamanitra kosa, amin’ ny FANJAKAM-PISORONA sy FIRENENA MASINA (Eksodosy 19 :6) dia ho hasandrany tsy ho ela intsony (Deotoronomia 28 :1-13).

Hoy Jesoa Kristy Tompo: "EFA NOMENA AHY NY FAHEFANA REHETRA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY..." (Matio 28:18).  Ary koa hoe: "IZAHO MOMBA ANAREO MANDRAKARIVA AMBARA-PAHATONGAN' NY FAHATAPERAN' IZAO TONTOLO IZAO" (Matio 28:20).


HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA, PhD,
Docteur en Théologie (United-States of America).

-




(c) Copyright.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.