"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mardi 13 juillet 2021

HAFATRA MIKASIKA NY FANANAN-TANY ETO MADAGASIKARA

Ho an' ny Filoha sy ny Mpikambana rehetra ao amin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC),


Miarahaba anareo manokana.


Voninahitra ho anay, Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, ny mampahafantatra anareo ny Fanitsiana tokony hatao mikasika ny Lalàna Fananantany, indrindra ny "Propriété privée non-titrée" eto Madagasikara (Taona 2021), miainga avy amin' ny Lalàna N°024/2018 tamin' ny 17 Jolay 2018, izay manova ny Lalàna N°2006-031 tamin' ny 24 Novambra 2006

ho Fanajàna ny Soatoavina sy ny Fahendrena Malagasy (cf. Ny Tainomby mivadika aza misy tompony. Tsy misy hariana ireo: ny iray hetra, ny iray tanin-drazana. Ny fitiava-tanin-drazana no lova soa an' ny taranaka. Ny Fahamarinana manandratra ny firenena)

ary ho Fiarovana an' ireo Malagasy Tompon-tany rehetra eo amin' ny Tanin-drazany efa hatry ny ela na eo amin' ny  Taniny vita soratra na tsia (propriété privée titrée ou non-titrée),

kanefa koa mitsinjo ireo Tantsaha mpamokatra sy Malagasy Ray sy Reny mba tia hisitraka tanim-panjakana izay mbola tena tsy nisy tompony ara-tantara na tsy nisy nampiasa na namboly (terrain domanial, domaine privé de l'état)

ary manome izao Fanitsiana izao : 


Article 2 :

"En aucun cas, une Commune ne peut faire valoir une quelconque présomption de propriété sur la propriété foncière privée non titrée.

Les tombeaux, les édifices cultuels, les patrimoines familiaux et les patrimoines culturels traditionnels avec leur tours d'échelle respectifs ne peuvent faire l'objet de certificat foncier suivant les dispositions de la présente loi. Ils sont régis par les textes particuliers en vigueur en la matière."


Tany Masina I Madagasikara!


Koa arovy, Andriamatoa Filoha sy ianareo Mpikambana rehetra, ny haja nomena anareo.


Dia ho an' Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany irery ihany ny Voninahitra mandrakizay!


Antananarivo Vohitra Masina, faha-12 Jolay 2021.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

lundi 5 juillet 2021

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: FAMBOLENA VARY HO SAHAZA NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA ETO MADAGASIKARA

Ny vary no foto-tsakafon' ny Malagasy efa hatry ny ela ary Madagasikara no firenena manana karazana vary betsaka indrindra erantany.


Ny Mpanjaka Andrianjaka (c.1610-1630) no namboly sy namokatra vary voalohany teo amin' ny Lemaka Betsimitatatra, ary notohizan' ny Mpanjaka Andriamanjakatokana, ny Mpanjaka Andriamasinavalona (c.1675-1710), ary ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (c.1776-1810).


N.A. Félix Rasoamaharo (1914-1978), Ingénieur Agronome Malagasy voalohany (Toulouse, 1943), Haut Conseiller au Développement (1963), no nampiditra ny fitaovana fampandrosoana ny fambolena , indrindra ny fitaovana "Kubota" voalohany mba hampitomboina ny vokatra vary sy voly avotra eto Madagasikara.


Mila haparitaka koa ny Fomba Fambolena vary (repiquage précoce de plants de riz) nataon' ilay Mpikaroka Japoney Katayama (1951).


Mila haparitaka ihany koa ny Fomba Fambolena vary mitandahatra mahitsy (Riziculture en ligne) izay nataon' N.A. Rasohamaro Rajoharison, Agronome Tropicale, Chef de Zone d'expansion rurale (Unité Régionale d'expansion rurale) teto amin' ny Lemaka Betsimitatatra sy manodidina Antananarivo (1967-1978), voalohany teto Madagasikara ary nampiasa Teknisiana Malagasy mihoatra ny dimanjato (Agents techniques, vaccinateurs, vulgarisateurs, ...).


Mila haparitaka ihany koa ny Fomba Fambolana vary nataon' ny Ingénieur Agronome Didier Moreau (1987) ary nataon' ny Mopera Henri de Laulanié de Sainte Croix (1920-1995), Ingénieur Agronome, amin' ny alàlan' ny "Système de riziculture intensive" (SRI), "Ketsa valo andro" sy ny "Voly vary maro anaka" eto Madagasikara (1983), izay nalain' ireo 55 firenena hafa tahaka, ary mety hahazoana 5-7 Tonnes vary/ hektara.


Misy Fomba "Fambolena vary an-tanety" (Système de riziculture en terasse) any amin' ny Faritra Betsileo atao hoe "Kipahy" koa, izay tokony haparitaka any amin' ny Faritra mando tahaka ny any amin' ny Faritra Atsinanana an'i Madagasikara, hahazoana vokatra vary indroa isan-taona ary 5-7 Tonnes vary/ hektara.

Marihina fa efa nisy Malagasy namokatra vary 15 Tonnes) hektara ary azo atao 17-24 Tonnes / hektara izany.


N.A. Razafindrakoto Marius (Sc. Po. Paris, Service public, 1966) no efa nanoratra boky (cf. Madagascar : Bilan exhaustif de l'économie 1995; Les voies du pouvoir à Madagascar, 2008) fa tokony ho mahaleotena ara-tsakafo i Madagasikara ary tokony hamokatra 5.000.000 Tonnes vary isan-taona raha kely indrindra.


Ary mila hajanona ny Fanotofana tanimbary sy lemaka, izay afaka mamokatra vary sy voly isan-karazany.


Marihina ihany koa fa misy ny toerana mamokatra vary betsaka eto Madagasikara fa ny làlana hamoahana ny vokatra no mila hamboarina sy hatsaraina haingana.



Fehiny: Azo atao tsara ny Famokarana vary sy voly isan-karazany ataon' ny Malagasy ho sahaza ny vahoaka malagasy rehetra eto Madagasikara, fa mila Fahavononana politika. Koa mamporisika ny Malagasy rehetra. 



Antananarivo vohitra masina, faha-04 Jolay 2021.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Lehiben'ny Fianakaviamben ny Mpanjaka eto Madagasikara, 



Loharano :

. Tantaran' Andriana eto Madagasikara. 

. Katayama: Les phyllochrones du riz, Japon,  1951.

. Rajoharison, Félix: Vulgarisation de matériels agricoles japonais Kubota, Antananarivo.

. Rajoharison, Rasoamaharo: Ny Andriana Rajoharison Félix, Ingénieur Agronome Malagasy voalohany; Vulgarisation de la riziculture en ligne à Madagascar, Antananarivo, 1968.

. Père Henri de Laulanié de Sainte Croix, s.j. : Le Riz à Madagascar, Système de riziculture intensif (SRI), Antananarivo, 1983.

. Moreau, Didier: L'analyse de l'élaboration du rendement du riz, Gret, Antananarivo, 1987.

. Razafindrakoto, Marius, Sc. Po. Paris, 1966: Bilan exhaustif de l'économie malgache 1995; Les voies du pouvoir à Madagascar, 2008.