"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

lundi 1 juin 2020

FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA : TSY METY ARY OTA FADY NY COLISEUM AO ANATIROVA ANTANANARIVO

FANAMBARANA:

Ny ROVA ANTANANARIVO misy ireo LAPAN'ANDRIANA (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Mahitsilelafanjaka, Lapa Manampisoa, Lapa Tsarahafatra, Lapa Masoandrotsiroa, Lapa Manjakatsiroa, Lapa Manjakahavana, Lapa Mananjara, Lapa Rarihasina, Lapa Rarisambo, Lapa Tsiazompaniry sy ny Lapan' Andriana hafa), ireo TRANON' ANDRIANA, ny TEMPOLIN' NY MPANJAKA, ny TOKOTANIN'ANDRIANA, ary ireo FASAN' ANDRIAMANJAKA (fasan' ireo Mpanjaka lahy sy ireo Mpanjaka vavy ary ny Fitomiadalana) dia TOERANA MASINA.

ary ny FANARENANA azy ireo dia tokony MANAJA ny SOATOAVINA sy ny FOMBA ary ny KOLOTSAINA ANDRIANA MERINA. TSY AZO HANALANA NA HANAMPIANA ZAVATRA HAFA. Tsy mila Coliseum na Ascenceur.

Ny  tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zavadoza eo amin' ny firenena. Koa atsipy ny teny ho an'ny olo-kendry sy ny manam-panahy ary ny tsy maty eritreritra.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !


Ho an' Ilay Mpahary ny Lanitrasy ny Tany irery ihany ny Voninahitra!


Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Feborary 2020.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.