"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

jeudi 16 décembre 2021

NY FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA TSY MANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE EO MANJAKAMIADANA - ANDOHALOMASINA ANTANANARIVO

  NY FIANAKAVIAMBEN NY ANDRIANA 

 DIA MANAINGA NY OLOMPIRENENA SY NY FIKAMBANANA REHETRA, NY FIANGONANA, NY FIARAHAMONIMPIRENENA, NY VAHOAKA MALAGASY

MBA TSY HANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE EO MANJAKAMIADANA SY ANDOHALOMASINA AO ANTANANARIVO VOHITRA MASINA.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antnananarivo Vohitra Masina, faha-12 Desambra 2021.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


jeudi 7 octobre 2021

TANTARAN' ANDRIANA ETO MADAGASIKARA: NY FANDOVANA FANJAKANA



Ny Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRA (c.1200-1225 AD) nanjaka sy nanitatra fanjakana tao Ambohitsitakatra no anisan' ny razamben' ny Mpanjaka Merina sy ny Mpanjakan' i Madagasikara.

Ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1225-1250 AD), izay Fianakavian' ny Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRA, no Mpanjaka Merina voalohany teto Imerina ary nanjaka tao Kilonjy ary nafenina ao Anerinerina, Kominina Ambohimalaza, ao Avaradrano Zokin'Imerina. 

Ny Fanjakan' Imerina dia efa nisy tamin' ny andron' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA (c. 1225-1250 AD).

Ny Mpanjaka ANDRIANDRAVINDRAVINA (1250-1275 AD) nanjaka tao Angavo sy ny Mpanjaka ANDRIANORANORANA (1275-1300 AD) izay lasa nifindra monina ary nanjaka any Maroantsetra sy Nosy Mangabe, dia samy
Taranaky ny Mpanjaka ANDRIANDRAMBONDANITRA.

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIAMANJAVONA dia nanjaka tao Angavo ary ny Mpanjaka ANDRIANANJAVONANA (c.1300-1325 AD) dia nanjaka tao Anandribe. Izy ireo dia Taranaky ny Mpanjaka ANDRIANDRAVINDRAVINA.

Ny Tarànany Mpanjaka ANDRIANAMPONGANDANITRA (c.1325-1350 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Ifanongoavana. 

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIANAMBONIRAVINA (c.1350-1375 AD) dia nanjaka tao Beravina.

Ny Mpanjaka-Mpisorona ANDRIAMORAONY (c.1375-1380 AD) ary ny Mpanjaka ANDRIANDRANOLAVA (c.1380-1400 AD) dia nifandimby nanjaka tao Ambatondrakorika.

Ireo Tarànany Mpanjaka RAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRANDAVA, Mpanjaka RAMASINDOHAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRAMPOHY, RAFANDRAMANENITRA sy ny Mpanjaka RAFARAMAHERIOMBY dia nifindra monina ary nifandimby nanjaka tao Ampandrana (c.1400-14750 AD). Ary nandimby azy ny Mpanjaka ANDRIANTSARADOLO (c. 1475-1500 AD). 

Ny tarànany Mpanjaka RANGITAMANJAKATRIMOVAVY (c.1500-1525 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Imerimanjaka.

Ny tarànany Mpanjaka RAFOHY (c.1525-1550 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Alasora ary nodimbiasin' ny zanany Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD).

Ny tarànany Mpanjaka RALAMBO (c.1675-1600 AD) dia nifindra monina tao Ambohidray-Ambohimalaza sy nanjaka tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina ary namorona ny Fanjakana Imerina Roa Toko. 

Ny Mpanjaka RALAMBO no nametraka ny Fizokiana toy izao amin'ireo Fianakavian' ny Mpanjaka, izay tsy azo hovaina :

1 - ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA, 
2 - ZANADRALAMBO,
3 -  ANDRIANAMBONINOLONA, 
4 - ANDRIANDRANANDO.



Araka ny Soatoavina Andriana Merina navelan' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA ary nohamafisin' ny Mpanjaka RALAMBO dia

ANDRIANDAHY, ANDRIANDRAY ANDRIANDRENY, ary Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1600-1610 AD) Tompon' ny Tranofohiloha, Tranomanara, Tranomasina, sady Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD) ao Avaradrano Zokin'Imerina, irery ihany no mahazo manjaka eto Imerina sy eto Madagasikara ary tsy azo hovana. Fa izay manova dia voaozona.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

Dia ho an'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-29 Febroary 2020.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

mardi 5 octobre 2021

FIHAONAN NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY TERAKY NY MPANJAKA BETSILEO

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,
LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY IREO SOLONTENA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA

TAMIN' NY FILOHA ROLAND RANDRIAMANANTENA SY IREO SOLONTENA FIKAMBANANA TERAKY NY PRINCE RAMAHARO SY PRINCESSE RAKAJY,
TARANAKA MPANJAKA RAINDRATSARA, FANJAKANA BETSILEO LALANGINA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA,

SY FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA).

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

LAPA VOHIMASINA, FANJAKANA BETSILEO,
SABOTSY, FAHA-18 SEPTAMBRA 2021.

FIHAONAN NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY AMPANJAKA ISA TSIMIARO III

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,.
LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

TAMIN' NY AMPANJAKA ISA TSIMIARO III, ANTAKARANA, AMPANJAKAN' ANKARABE, FANJAKANA AVARATR' I MADAGASIKARA (FARITRA DIANA sy FARITRA SAVA)

SY NY PRINCE LAZAMANA, MPANDOVA FANJAKANA MAHAFALY, ATSIMON' I MADAGASIKARA,

SY NY PRINCESSE FRANCIA KAMAMY, SAKALAVA MENABE, ANDREFAN' I MADAGASIKARA,

ARY NY SOLONTENA FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

lundi 4 octobre 2021

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDREGNONY RAMAHASTRAKARIVO ARY AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA ARY AMPANJAKA ANTAGNALA

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO,
AMPANJAKA BÉ AMIN' NY FANJAKANA ANTEMORO,
SY IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA ARY AMPANJAKA ANTAGNALA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIRAISANKINA ARY NY FIFANKATIAVANA,

FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARAN' I MADAGASIKARA MANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA): NY LASA, NY ANKEHITRINY, ARY NY HO AVY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


ANTANANARIVO VOHITRA MASINA, FAHA-11 AOGOSITRA 2021.

vendredi 6 août 2021

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDRENOGNY TAO IVATO-VOHIPENO

 FANAJANA NY SOATOAVINA SY NY FOMBA AMAM-PANAO NENTI-PAHARAZANA: 


FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO,
AMPANJAKA BÉ AMIN' NY FANJAKANA ANTEMORO,

TAO AMIN' NY LAPA FENOVOLA, IVATO-VOHIPENO,
FANJAKANA ANTEMORO,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIRAISANKINA ARY NY FIFANKATIAVANA,

FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARAN' I MADAGASIKARA MANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA): NY LASA, NY ANKEHITRINY, ARY NY HO AVY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


IVATO-VOHIPENO, AOGOSITRA 2021.



mardi 13 juillet 2021

HAFATRA MIKASIKA NY FANANAN-TANY ETO MADAGASIKARA

Ho an' ny Filoha sy ny Mpikambana rehetra ao amin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC),


Miarahaba anareo manokana.


Voninahitra ho anay, Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, ny mampahafantatra anareo ny Fanitsiana tokony hatao mikasika ny Lalàna Fananantany, indrindra ny "Propriété privée non-titrée" eto Madagasikara (Taona 2021), miainga avy amin' ny Lalàna N°024/2018 tamin' ny 17 Jolay 2018, izay manova ny Lalàna N°2006-031 tamin' ny 24 Novambra 2006

ho Fanajàna ny Soatoavina sy ny Fahendrena Malagasy (cf. Ny Tainomby mivadika aza misy tompony. Tsy misy hariana ireo: ny iray hetra, ny iray tanin-drazana. Ny fitiava-tanin-drazana no lova soa an' ny taranaka. Ny Fahamarinana manandratra ny firenena)

ary ho Fiarovana an' ireo Malagasy Tompon-tany rehetra eo amin' ny Tanin-drazany efa hatry ny ela na eo amin' ny  Taniny vita soratra na tsia (propriété privée titrée ou non-titrée),

kanefa koa mitsinjo ireo Tantsaha mpamokatra sy Malagasy Ray sy Reny mba tia hisitraka tanim-panjakana izay mbola tena tsy nisy tompony ara-tantara na tsy nisy nampiasa na namboly (terrain domanial, domaine privé de l'état)

ary manome izao Fanitsiana izao : 


Article 2 :

"En aucun cas, une Commune ne peut faire valoir une quelconque présomption de propriété sur la propriété foncière privée non titrée.

Les tombeaux, les édifices cultuels, les patrimoines familiaux et les patrimoines culturels traditionnels avec leur tours d'échelle respectifs ne peuvent faire l'objet de certificat foncier suivant les dispositions de la présente loi. Ils sont régis par les textes particuliers en vigueur en la matière."


Tany Masina I Madagasikara!


Koa arovy, Andriamatoa Filoha sy ianareo Mpikambana rehetra, ny haja nomena anareo.


Dia ho an' Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany irery ihany ny Voninahitra mandrakizay!


Antananarivo Vohitra Masina, faha-12 Jolay 2021.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

lundi 5 juillet 2021

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: FAMBOLENA VARY HO SAHAZA NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA ETO MADAGASIKARA

Ny vary no foto-tsakafon' ny Malagasy efa hatry ny ela ary Madagasikara no firenena manana karazana vary betsaka indrindra erantany.


Ny Mpanjaka Andrianjaka (c.1610-1630) no namboly sy namokatra vary voalohany teo amin' ny Lemaka Betsimitatatra, ary notohizan' ny Mpanjaka Andriamanjakatokana, ny Mpanjaka Andriamasinavalona (c.1675-1710), ary ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (c.1776-1810).


N.A. Félix Rasoamaharo (1914-1978), Ingénieur Agronome Malagasy voalohany (Toulouse, 1943), Haut Conseiller au Développement (1963), no nampiditra ny fitaovana fampandrosoana ny fambolena , indrindra ny fitaovana "Kubota" voalohany mba hampitomboina ny vokatra vary sy voly avotra eto Madagasikara.


Mila haparitaka koa ny Fomba Fambolena vary (repiquage précoce de plants de riz) nataon' ilay Mpikaroka Japoney Katayama (1951).


Mila haparitaka ihany koa ny Fomba Fambolena vary mitandahatra mahitsy (Riziculture en ligne) izay nataon' N.A. Rasohamaro Rajoharison, Agronome Tropicale, Chef de Zone d'expansion rurale (Unité Régionale d'expansion rurale) teto amin' ny Lemaka Betsimitatatra sy manodidina Antananarivo (1967-1978), voalohany teto Madagasikara ary nampiasa Teknisiana Malagasy mihoatra ny dimanjato (Agents techniques, vaccinateurs, vulgarisateurs, ...).


Mila haparitaka ihany koa ny Fomba Fambolana vary nataon' ny Ingénieur Agronome Didier Moreau (1987) ary nataon' ny Mopera Henri de Laulanié de Sainte Croix (1920-1995), Ingénieur Agronome, amin' ny alàlan' ny "Système de riziculture intensive" (SRI), "Ketsa valo andro" sy ny "Voly vary maro anaka" eto Madagasikara (1983), izay nalain' ireo 55 firenena hafa tahaka, ary mety hahazoana 5-7 Tonnes vary/ hektara.


Misy Fomba "Fambolena vary an-tanety" (Système de riziculture en terasse) any amin' ny Faritra Betsileo atao hoe "Kipahy" koa, izay tokony haparitaka any amin' ny Faritra mando tahaka ny any amin' ny Faritra Atsinanana an'i Madagasikara, hahazoana vokatra vary indroa isan-taona ary 5-7 Tonnes vary/ hektara.

Marihina fa efa nisy Malagasy namokatra vary 15 Tonnes) hektara ary azo atao 17-24 Tonnes / hektara izany.


N.A. Razafindrakoto Marius (Sc. Po. Paris, Service public, 1966) no efa nanoratra boky (cf. Madagascar : Bilan exhaustif de l'économie 1995; Les voies du pouvoir à Madagascar, 2008) fa tokony ho mahaleotena ara-tsakafo i Madagasikara ary tokony hamokatra 5.000.000 Tonnes vary isan-taona raha kely indrindra.


Ary mila hajanona ny Fanotofana tanimbary sy lemaka, izay afaka mamokatra vary sy voly isan-karazany.


Marihina ihany koa fa misy ny toerana mamokatra vary betsaka eto Madagasikara fa ny làlana hamoahana ny vokatra no mila hamboarina sy hatsaraina haingana.



Fehiny: Azo atao tsara ny Famokarana vary sy voly isan-karazany ataon' ny Malagasy ho sahaza ny vahoaka malagasy rehetra eto Madagasikara, fa mila Fahavononana politika. Koa mamporisika ny Malagasy rehetra. 



Antananarivo vohitra masina, faha-04 Jolay 2021.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Lehiben'ny Fianakaviamben ny Mpanjaka eto Madagasikara, 



Loharano :

. Tantaran' Andriana eto Madagasikara. 

. Katayama: Les phyllochrones du riz, Japon,  1951.

. Rajoharison, Félix: Vulgarisation de matériels agricoles japonais Kubota, Antananarivo.

. Rajoharison, Rasoamaharo: Ny Andriana Rajoharison Félix, Ingénieur Agronome Malagasy voalohany; Vulgarisation de la riziculture en ligne à Madagascar, Antananarivo, 1968.

. Père Henri de Laulanié de Sainte Croix, s.j. : Le Riz à Madagascar, Système de riziculture intensif (SRI), Antananarivo, 1983.

. Moreau, Didier: L'analyse de l'élaboration du rendement du riz, Gret, Antananarivo, 1987.

. Razafindrakoto, Marius, Sc. Po. Paris, 1966: Bilan exhaustif de l'économie malgache 1995; Les voies du pouvoir à Madagascar, 2008.