"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 2 septembre 2020

FANOSORONA NY MPANJAKA Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara (Taona 2015)

 "... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA TENA ANDRIANA...".


NY SAOTRA, NY DERA, NY FAHENDRENA, NY HERY, NY LAZA, NY TANJAKA ary NY VONINAHITRA, HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY 

satria vita soamantsara NY FANOSORONA MPANJAKA nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Taona 2015, 

araka ireo TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY izay MI-ISA FITO, tao anaty DINGANA FITO nandritra ny TAONA MARO nanomboka tamin'ny Taona 1981, ho an' 


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Zanakandriana, Andriandahy, Andriandray Andriandreny,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


ARAKA NY HAFATRA NAPETRAK' IREO RAZAMBE MPANJAKA LAHY dia Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1100 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (c.1260-1300 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD), ary Ny Masina Mpanjaka RALAMBO (c.1575-1600 AD), ary tsy maintsy ANDRIANDAHY avy amin' izy ireo ary ao AVARADRANO ZOKIN' IMERINA,


sy tsy maintsy avy amin' Ny Masina Mpanjaka Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan'Imerina (c.1600-1610 AD) mivantana, Tompon' ny Tranomanara sy Tranofohiloha ary Tranomasina, ao amin' ny Rova Ambohimalazabe, ary avy amin' Ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD) izay nanorina ny Rova Antananarivo, ary samy avy ao Avaradrano Zokin' Imerina,


izay nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY teo anatrehan' ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana sady Vavolombelona tao amin'ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA, ao Avaradrano Zokin' Imerina,


Tao anatin' ireo DINGANA FITO nandritra ny Taona maro ireo :

1 - Ny TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, nisy HAFATRA FITO kanefa mifandray ary nolazainy mivantana tamin' ireto Raiamandreny ara-panahy, manam-pahendrena, manam-pahalalàna, masinteny, ary tsy nifampiteny ireto:


. Voalohany, tamin' Ny Andriana Mpitandrina Daniel RATEFY (1913-1995), Raiamandreny am-panahy lehibe eto amin' ny tany sy ny firenena, Zokiolona, avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina, efa nitety firenena roambinifolo ambizato (120), ary nambarany ho an' Ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina ny Taona 1981.


. Faharoa, tamin' Ny Mpitandrina RAZAFINDRAKOTO Gabriel, Raimandreny ara-panahy Zokiolona (1919-1986), Taranaka Mpisorona avy ao Antanamalaza, Fanjakana Merina, nandalina Theology tany Montpellier sy efa tany Suisse sy Israël, izay nahay Tenim-pirenena fito, ary nambarany ho an' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Aogositra 1986, 


. Fahatelo, tamin' i Mama VOLAHAVANA Germaine na Mama NENILAVA (1918-1998), Zokiolona Raiamandreny ara-panahy Tobilehibe Ankaramalaza, Taranaka Mpisorona, avy amin' ny Fanjakana Antemoro, nahay Tenim-pirenena roambinifolo, izay efa maty im-pito ary efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, efa tany United-States of America, France, ary nihaona tamin' ny Mpanjaka Olav V tany amin' ny Lapan' Andriana tany Oslo, Fanjakan'i Norvezy, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Desambra 1996, 


- Fahaefatra, tamin' Ny Andriana Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA, Raiamandreny ara-panahy Zokiolona (1925-2010), avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina ao Ambohimalaza sy avy amin' Ny Andriamasinavalona, Fanjakana Merina, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Jolay 2007.


. Fahadimy, tamin' Ny Andriambavy RAVOLAZAIMANGA Bernadette (teraka 1932), 91 taona mahery, Raiamandreny ara-panahy, avy ao Ambalavao, Fanjakana Betsileo, Zokiolona indrindra amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza sy ny Tobilehibe Manolotrony (FFPM), ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2009-2010.


. Fahaenina, tamin' ny Andriambavy RASOAZANAKOLONA Hélène na Mamafara, Raiamandreny am-panahy Zokiolona (1924-2017) ao amin' ny Toby Namahanambasy-Ambohitompoina (FLM), Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo, izay efa maty in-telo ary efa nampiakarin' Andriamanitra in-telo tany an-danitra, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2012-2015.



. Faha-fito, tamin' ny Raiamandreny ara-panahy, Zokiolona Dada MANASSÉ, 75 taona mahery, Taranaka Mpisorona, avy amin' ny Fanjakana Antemoro, ao amin' ny Toby Ankaramalaza, izay nanome Tenin' Ilay MPAHARY mi-isa dimy amibinifolo ary nambarany mivantana tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny 02 Mey 2018.


2 - Ny FANDRAISANY ANJARA GOAVANA tamin' ny FAMERENENA NY FANDRIAMPAHALEMANA tamin' ny Fanoroana hevitra ireo Manamboninahitra Jeneraly (Division Generals sy Brigadier Generals) mi-isa folo, mba tsy hisian' ny FAMONOANA OLONA FAOBE, tamin' ny FAMAHANA ny KRIZY POLITIKA sy ny ADY NIARAKA TAMIN' NY BASY AMAN-TAFONDRO, izay nisy Malagasy an-tapitrisa nijaly sy natao fahirano ary Malagasy an-jatony no naratra sy  natao takalon'aina na maty novonoina, tamin' ny Taona 2002.


3 - Ny TSO-DRANO nataon' Ny Andriana Mpitandrina Daniel RATEFY, Raiamandreny ara-panahy Zokiolona (1913-1995) avy ao Ambohimalaza, Avaradrano Zokin' Imerina, Fanjakana Merina, izay efa nitety firenena mi-isa roapolo amby zato mahery (+120) maneran-tany, ary notanterahany ny Taona 1987


ary Ny TSODRANO sy ny FAMETRAHA-TÀNANA MANOKANA nataon' Ny Andriana Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA (1925-2010), Raiamandreny Zokiolona, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, avy ao Ambohimalaza ary koa Andriamasinavalona, avy amin' ny Fanjakana Merina, izay Raiamandreny am-panahy an' ny Fianakaviamben' ny Andriana eto Imerina sy eto Madagasikara, tamin' ny volana Jolay 2007.


4 - FANOSORANA MPANJAKA: 

Ny Fanosorana Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia natao tao amin' ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN' IMERINA ny volana Septambra 2015

ary marika ny FANATREHANA, ny FANKATOAVANA sy ny FANKASITRAHANA ary ny TSODRANO nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY

dia nisy FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY nidina avy any an-danitra tamin' izany FANOSORANA MPANJAKA azy izany ary tonga teo aminy ary naharitra ela, 

teo anatrehan' ireo Zanakandriana vavolombelona nanatrika izany. FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY izay AVO FOLO HENY NOHO NY FAHAZAVAN' NY MASOANDRO niposaka maraina avy any Atsinanana, tamin' io fotoana io.


Tsy olombelona mpanota no miantso sy mifidy sy manendry ary mampanao ny Fanosorana Mpanjaka, 

fa ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, tahaka ny nifidianany sy ny Fanendreny ary ny Fanosorana Mpanjaka nataony tamin' ny Mpanjaka Davida tany Israel, ary nametrahany Marika sy Famantarana hita maso izay tsy hain' ny olombelona halain-tahaka!


5 - Ny FAMINDRANA ZAKA SY FANDOVANA FANJAKANA ARY NY FANOMEZANA NY TEHIM-PANJAKANA nataon' Ny Andriana RALITERA Etienne (1938-2017), avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sy Lehiben' ny Fiombonambe Tanaka Andriana Miray eto Madagasikara (2002-2015), Grand Chancelor of the National Order of Madagascar (2002-2017) izay efa nihaona tamin' H.E. Mr. Koffi ANNAN sy H.E. Mr. Ban KHI MOON izay Sekretera Jeneraly nifandimby tao amin' ny Firenena Mikambana (UN), 

ary notanterahiny tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, erinandro mahery taorian' ny Fanosorana azy ho Mpanjaka, ary natao Antananarivo vohitra masina, ny volana Septambra 2015,

teo anatrehan' IREO ANDRIANDEHIBE ZOKIOLONA FOTSY VOLO AMIN' NY TANY sy IREO FILOHAN NY FIKAMBANANA ANDRIANA MERINA ary Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Martin izay Ampanjaka Be ANTEMORO sy ireo AMPANJAKA Solontena avy any amin' ny Faritra sy ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana tao ANTANANARIVO.


6- Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia efa nahazo Fiofanana Politika Avo Lenta manokana, nanomboka ny Taona 1994, anisan' izany ny nataon' Ny Andriana Blaise RABETAFIKA (1932-2000) izay efa Ambasadaoron'i Madagasikara sy Zokiolona indrindra amin' ireo Ambasadaoro rehetra tao amin' ny Firenena Mikambana (UN) tany New-York (1969-1992) sy efa Filohan' ny Filankevitra ny Fandriampahalemana indroa nisesy teo anivon ny Firenena Mikambana (UN) tamin' ny Marsa 1985 sy Jona 1986 ary nahazo ny Prix Mercure d'Or International natokana ho an' ny Filoham-pirenena vitsy erantany. 

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nahavita Doctorats roa (PhD, ThD) tany Etazonia (USA), izay mihoatra ny arivo pejy mahery (+1.000 pejy)  araka ny TENY FIKASAN'ANDRIAMANITRA izay nomena azy ny volana Desambra 1996, ary mikasika ny Tantara miafin' i Madagasikara hatrany am-piandohana izay mihoatra ny enina arivo taona mahery (+6.000 taona) sy Taranja siantifika maro mikasika an' i Madagasikara eo anivon' izao tontolo izao (Theology, Geography, Geology, Gemology, Zoology, Botany, Archeology, History, Religions, Human Genetics, Linguistics, Ethnomusicology, Management, Military Strategy, Political Sciences).


7- Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA koa dia efa nitety FIRENENA EFATRA AMBINIFOLO (14) erantany ary nihaona tamin'ny MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY avy amin'ny FIRENENA MARO, TANY IVELAN' I MADAGASIKARA, ary EFA NANTSOINA HITARIKA IREO MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY tany am-pitandranomasina raha nihaona tamin' ny Filoham-pirenena avy any Amerika, Afrika, Europa ary Afovoany-Atsinanana.


TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... MITSANGANA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO...".

"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

"... HOTAHIANA IZAY MANISY SOA ANAO, FA VOAOZONA IZAY MANAO RATSY ANAO...".


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA, MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Ambohidrabiby Hasin'Imerina, Vohitra masina,

Avaradrano Zokin' Imerina, 

Septambra 2015.