"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

lundi 31 octobre 2022

FITSIDIHAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TANY IFANADIANA, FANJAKANA ANTAGNALA (2022)

 KABARY SY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA

nataon'


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


tamin' 


. NY FANOKANANA TSANGAMBATO FAHATSIAROVANA NY MPANJAKA ANTAGNALA RASOAMIANGALY, Tia Tanindrazana, Mahery fo an' ny firenena, Olomangam-pirenena, Maty ho an' nyTanindrazana, tao Anivorano na Ifanadiana ankehitriny, 

sy


. NY FANANDRATANA NY AMPAJAKA ZAFINANDRIAMIANGALY ao Ifanadiana, Fanjakana Antagnala,


ary

. NY FANOMEZANA MANOKANA avy amin' ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA sy ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara ho an' ireo Ampanjaka ao Ambohimanarivo sy Ifanadiana, 


tao amin' ny Rovan' Ifanadiana, teo anoloan ireo 35 AMPANJAKA sy ireo Manapahefana Sivily sy Miaramila isan-tsokajiny ary ireo VAHOAKA AN-JATO MARO.


Nambaran' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA fa efa Telo Arivo Taona (3.000 Taona) eo no efa nisy mponina tao amin' ny Faritra Ifanadiana ary misy Vatosoratra manamarina izany manodidina ao.


Avy eo nisy Fizaràna nofonkena mitam-pihavanana sy Fiaraha-misakafo, vary sy henomby ritra, teo ambony tsihy, ary ravinala no atao lovia sy sotro, araka ny Fomba Antagnala.


Nisy ihany koa nyFampisehoana Hira sy Dihy nenti-paharazana Antagnala isan-katrazany, tena kanto, avy amin' ny vohitra maro, izay Vakoka sarobidy nandritra ny Taona Arivo maro.


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY..." (Isaiah 32:1).


DA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Ifanadiana Vohitra Andriana, Vohitra Masina,

Taona Sabotsy, 26 Oktobra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.