"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

jeudi 9 novembre 2023

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TAMIN' IREO MPITARIKA KRISTIANA (2023)

 Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


sy ireo ANDRIANDAHY SOLONTENA ny Fianakaviamben' ny Andriana eto Madagasikara


dia nanambara ny SITRAPON' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA AN I MADAGASIKARA

sy ny Tantara miafin' i Madagasikara hatrany am-piandohana

ho an' IREO MPITARIKA KRISTIANA SY NY FIRENENA MALAGASY:

Ny Rafitra repoblika, laika, demokratika, avy amin' ny sivilizasiona romana-grika, nampidirin' ny mpanjanantany nandritra ny 60 taona mahery, dia nentina nampahantrana sy nampijaliana sy nampiadiana ny vahoaka malagasy ary nentina nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny. 


NY SITRAPON' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA AN' I MADAGASIKARA SY NY FIRENENA MALAGASY dia ny FANJAKA-PISORONA, FIRENENA MASINA, FANJAKANA MALAGASY, FANJAKAN' I MADAGASIKARA, mankatoa ny TENIN' ANDRIAMANITRA,

misy NY MPANJAKA sy IREO MPISORONA ary MPAMINANY,

tsy mpanao kolikoly  ary tsy mampahantra na mampijaly vahoaka,

fa mijoro amin' ny FAHAMARINANA ary mitondra FIADANANA ho an' ny AMBANILANITRA.


"...DIA HO FANJAKA-PISORONA SY FIRENENA MASINA HO AHY IANAREO...".

"...NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA...".

"...NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA...".


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, faha-04 Novambra 2023.


Ny Manjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.     

    


 

mercredi 8 novembre 2023

ROVA ANTANANARIVO : 06 NOVAMBRA 1995 - 06 NOVAMBRA 2023.

 Nitondra ny fiaranay teo Ambanidia ny tenako no nahita fa nanomboka may ny ilany atsinanana ao amin' ny Rova Antananarivo. Mbola nazava ny andro tamin' izay, ary teo amin' ny Lapa Tranovola ny afo nirehitra. Tonga dia nitondra ny fiara niakatra namonjy ny Rova Antananarivo.


1) NY ZAVA-NISY:

Nony tonga teo ami' ny Rova Antananarivo dia nahita fa tsy voafehy ny afo tao amin' ny Lapa Tranovola satria afo nijoalajoala be ary nanomboka niampita tao amin' ny Lapa Manjakamiadana. 

Maro ireo lehilahy sy vehivavy, lehibe na tanora, nanao vy very ny ainy, namoaka ny entana vakoka tao anatin' ireo Lapa.

Tale tamin' ny Ministeran' ny Kolotsaina ny tenako tamin' izay, fa tsy niandraikitra ny Rova. Nojereko tsy nahita tompon' andraikitra hafa aho, ary alina koa moa ny fotoana, taorian' ny 06 ora alina, ary avy hatrany dia nandray andraikitra ny fanangonana ny entana navoaka avy tao amin' ireo Lapa ary napetraka teo amin' ny ilany ambany atsinanan' ny Rova Antananarivo.

Mankasitraka sy mankatelina indrindra ireo Malagasy mpiray tanindrazana, tsy ankanavaka, mahery fo sy tia tanindrazana, namoaka ireo entana vakoka tao anatin' ireo Lapa, na dia efa nanomboka nijoalajoala aza ny afo, mety nihoatra ny mari-pana 1000°C, izay niparitaka tamin' ireo Lapa rehetra (Tranovola, Manjakamiadana, Mahitsielafanjaka, Manampisoa, Besakana), ny Fitomiadanalana nisy ny Mpanjaka Andrianjaka ka hatramin' ny Mpanjaka Andriamasinavalona, ny Fasana roa misy ny Mpanjaka Andrianampoinimerina sy ny Mpanjaka Radama 1 ary ny Fasana misy ireo Mpanjaka vavy Ranavalona 1 ka hatramin' ny Mpanjaka Ranavalona 3.  Henoko nisy zavatra nipoaka be indroa tao anatin' ny Lapa Manjakamiadana.

Ny Mpiandraikitra ny Fiara mpamono afo dia tonga ary niezaka nanao izay tratrany fa tsy ampy ny rano hamonoana ny afo izay efa nihoatra ny tafon' ny Lapa Manjakamiadana sy nihanaka tamin' ireo Lapa rehetra.

Nijanona niandraikitra ireo entana vakoka tafavoaka tao Anatirova ny tenako ny alin' ny 06 Novambra 1995 manontolo, mandra-maraina. Raha ny tontaliny dia teo amin' ny 1.700 vakoka tamin' ireo entana 7.000 isa no voavonjy tsy may avy tao amin' ny Rova Antananarivo.

(hitohy)


Antananarivo vohita masina, faha-06 Novambra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.