"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

dimanche 25 juin 2023

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: LALAM-PANORENANA VAOVAO HO FAMONJENA AN' I MADAGASIKARA (2023)

 FANAMBARANA:


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


nanambara fa, ho Fanajana ny Soataovina Malagasy, ho Fanajana ny Zon' Olombelona sy mba tsy hisian' ny rà mandrika, aloha, na ao anatiny, na aorian' ny fifidianana eto Madagasikara (1):


. Ny Fametrahana Governemanta Vaovao, tsy momba ny atsy na aroa, mahaleotena, manana fahefana feno, eo ambany fiahian' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara (2).


. Manaraka, ny Fanovana ny Lalam-Panorenana no Laharapahamehana, mba hankatoa an' Andriamanitra Andriananahary sy mba tena hanaja ny fiziana sy ny Soatoavina malagasy, indrindra ny Fametrahana ireo Ampanjaka amin' ny tena toerany, satria ny vahoaka maroan'isa tsy mankasitraka ny rafitra repoblikana (3),


. Ny Fanaovana Fitsapan-kevitra amin' ny vanimpotoana maintany, fa tsy amin' ny vanimpotoana fahavaratra (4),


no vaha-olana tokana avy amin' Andriamanitra ho Famonjena an' i Madagasikara.


. Nanambara ihany koa Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA fa tokony hisy hatrany ny Dinika miaraka amin' ireo Hery velona rehetra, mba hahatsara ny Fiainam-pirenena.


Izany no nolazainy ampahibemaso sy ireo solontena niaraka taminy ary ny resaka nataon' izy ireo tamin' i Rtoa Natasha VAN RJIN, Solontenan' ny Programme des Nations-Unies pour le Développement (PNUD) eto Madagasikara, nandritra ny Dinika Faharoa ho amin' ny zotram-pifidianana mangarahara sy andraisan' ny rehetra anjara nokarakarain' ny CENI Madagascar sy ny PNUD. 


HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo, vohitra masina, Alakamisy 22 Jona 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Fanamarihana:


(1) Fanambarana Manerantany momba ny Zon' Olombelona, ONU, 1948.

(2) Fehinkevitra, Fivoriana mikasika ny Fandriampahalemana, nokarakarain' ny Union Africaine, Antananarivo, 14-15 Desambra 2022.

(3) Fanambarana Manerantany momba ny Fahasamihafana ara-Kolotsaina, UNESCO, 2001.

(4) Lalàna Organika N.2012-05 mikasika ny Fanaovana Fifidianana, And. 36. Ny Fitsapa-kevitra dia tokony hatao amin' ny vanimpotoana maintany, eo anelanelan' ny 30 april sy 30 novambra.

------------------------------------


STATEMENT:


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Elder Branch of the Royal House, 

Head of the Royal House of Madagascar 


has announced that, in order to respect the Malagasy Cultural Values, then the Human Rights, and to avoid bloodshed, before, during, or after the elections in Madagascar (1):


. The Establishment of a New Government that is neutral, independent, with full power, under the auspices of the Royal House of Madagascar (2).


. Moreover, the Changing of the Constitution is the priority in order to obey God and to really respect the Malagasy Cultural Identity, especially the Placement of the Traditional Kings in their proper place, because the great majority of the population disapprove the successive republican constitutions (3),


. The Polls must be held during the dry season of the year, but not on rainy season (4),


is the only solution for the Lord Creator of the Universe to save Madagascar.


. HRM King Ndriana RABARIOELINA also has announced that there should be a Dialogue with all the Living Powers, in order to improve the National Life.


This is what he and his followers have said publicly and the conversation they had with Mrs. Natasha VAN RJIN, Resident Representative of the United Nations for the Development Program (UNDP) in Madagascar, during the Second Discussion for a transparent and participatory electoral process organised by CENI Madagascar and UNDP.


GLORY TO THE LORD CREATOR OF THE UNIVERSE FOREVER AND EVER!


Antananarivo, the royal city, 22 June, 2023.


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Head of the Royal House of Madagascar. 


Nota bene:

(1) Universal Declaration on Human Rights, United Nations (UN), 1948.

(2) Resolution of the Meeting for the Consolidation of the Peace, organised by the African Union, Antananarivo, 14-15-December 2022.

(3) Universal Declaration on the Cultural Diversity. UNESCO, 2001.

(4) Organic Law N.2012-05 bearing Electoral Code. The polls must be held during the dry season of the year, especially between 30 april and 30 november.