"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mardi 10 avril 2012

FANJAKANA MANKATOA AN’ I JESOSY KRISTY TOMPO NO SITRAPON’ANDRIAMANITRA HO AN’ I MADAGASIKARA :

HAFATR'ILAY MPAHARY, IIHWH, HO AN' NY FIRENENA:


FANAMBARANA:

FANJAKANA MANKATOA AN’ I JESOSY KRISTY TOMPO NO SITRAPON’ANDRIAMANITRA HO AN’ I MADAGASIKARA :


Araka ny Teny Fikasan’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajorony eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina (Eksodosy 19:6 sy I Petera 2:9-10), manaja an’ Ilay Mpahary, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany.

Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny. Ary efa nohamasin’ i Iahosoa Masina (Jesoa Ilay Mesia), ho an’Ilay Mpahary, efa 2000 taona lasa izay i Madagasikara. Ary araka ny Teny Fikasan' Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, dia hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ny faran’ ny tany (Isaiah 60).



1. JESOSY KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA:

Araka ny Tenin’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, dia Jesosy Kristy no Mpanjakan’ ny Mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, manerana ny Lanitra sy ny Tany (Apokalypsy 19:16). Ary Fiangonana sy Firenena ary Fanjakana mankatoa an’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, sy mankatoa an’ I Jesosy Kristy, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, no Sitrapon’Ilay Mpahary, IHWH, ho an’ ny firenena rehetra, ary indrindra ho an’ ity Nosy Masina ity. “AHY I MADAGASIKARA”, hoy Jesosy Kristy Tompo.


Vokatr’izany, ny Mpanjaka Ranavalona II dia efa nanamafy, tamin’ ny 20 Jolay 1869, fa JESOSY KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA sy TOMPON’ NY TOMPO ETO MADAGASIKARA. Ary tsy tafita hatrany izay mpanjaka sy vahoaka tsy mankatoa izany.




2. NY TENIN’IHWH NO FOTOTRY NY FANJAKAN’I MADAGASIKARA:

LALAM-PANORENANA MIFOTOTRA amin' ny BAIBOLY, TENIN'IHWH no SITRAPONY ho an’ ny firenena rehetra, ary indrindra koa ho an’ I MADAGASIKARA. Ary araka ny Tantara, izay nohamarinina mpanompon’Andriamanitra, dia ETO MADAGASIKARA NY DIDY FOLO, nosoratan’Ilay Mpahary (Deot. 5:6-18), ao anatin’ Ilay FIARAN’ NY FANEKENA, tao amin’ ny Toerana Masina Indrindra tao anatin’ ny Tempoly Voalohany tao Jerosalema!


Fa ny rafitra repoblikana, laika, demokratika, masonika, dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ Ilay Mpahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara, ary nentina nanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, nanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena, nampiadiana ny samy mpiray tanindrazana, nangalàrana ny harem-pirenena ho an' ny tombontsoan' ny vahiny ary nampahantrana ny 90% ny malagasy.



3. TENY FIKASAN’YHWH NY FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA:

Teny Fikasan’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, ny Fanjakam-Pisorona sy ny Firenena Masina (Eksodosy 19:6), izay ho hajoron’Ilay Mpahary ho hitan' ny firenena rehetra tsy ho ela intsony, ary Fanjakana miori-paka sy manaja ny Baiboly Tenin’IHWH. Hisy ny MPANJAKA HITONDRA FITAHINA araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary (Genesisy 12:2-3 sy 17:6), manaiky sy manaraka ary mifikitra amin’ i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy (Asa 5 :31), ary hisy FILAN-KEVITRY NY MPISORONA (I Tantara 24 :7-19) eo anilany, izay mivavaka hatrany (I Petera 2 :5) sy manoro làlana ary manitsy ny Mpitondra Fanjakana araka ny Baiboly Tenin’IHWH (Salamo 119 :105).


Araka ny Teny Fikasan’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra: hajorony eto tsy ho ela intsony ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina (I Petera 2: 9-10), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Efa nohamarininy izany Fanjaka-Mpisorona izany tamin’ ny 02 Aogositra 1983 tany Ankaramalaza.




4. FIRENENA HO VOALOHANY FA TSY HO FARANY:

Ary hajoron’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, eto Madagasikara ny Sivilizasiona Vaovao, ny Rafi-piaraha-monina Vaovao, ny Olom-Baovao, manaja an' i Zanahary sy mankatoa an' i Jesosy Kristy Tompo, ary ho lasa FIRENENA VOALOHANY ERAN-TANY I MADAGASIKARA !


Ary farany, hoy Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra: "Dia hataon'i YHWH ho LOHANY IANAO, fa tsy ho rambony; ary HO AMBONY TOKOA IANAO, fa tsy ho ambany, RAHA MIHAINO NY DIDIN' YHWH ANDRIAMANITRAO, izay andidiako anao anio, KA MITANDRINA SY MANARAKA AZY" (Detoronomia 28:13)!



FEHINY:

Hajoron' Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, tsy ho ela intsony eto ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina! Miomana ny Fiangonana! Miomana ny Firenena! Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary, ao amin’ i Jesosy Kristy Tompo, ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Tsy ny fitondrana jadona na ny demokrasia, fa Fanjaka-Mpisorona mankatoa an'i Jesosy Kristy, Mpanjakan' ny Mpanjaka sy Tompon' ny tompo.



Ho an’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, irery ihany ny Voninahitra !


Antananarivo, faha-09 Febroary 2012.


Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
PhD in Theology (United-States of America),
Lehiben' ny Fiombonamben ny Ampanjaka eto Madagasikara.


(c) copyright.

Sitewebs: www.fanjakana-madagasikara.blogspot.com/
www.facebook.com/FANJAKAN' I MADAGASIKARA




mardi 27 mars 2012

DECLARATION DU PRINCE DR. NDRIANA RABARIOELINA: LA THEOCRATIE ROYALE ET LA CHRISTOCRATIE: VOLONTE ET SOLUTION DE L'ETERNEL POUR MADAGASCAR :



Nous, Prince. Dr. Ndriana RABARIOELINA, avons proclamé à toute la nation la Volonté de l’Eternel YHWH pour Madagascar. Cette Volonté Divine pour toutes les nations consiste à ériger un Etat, un Royaume, qui reconnait le Dieu Créateur de l’Univers, et un Royaume, un Etat qui reconnait Jésus-Christ comme Roi des rois et Seigneur des seigneurs. Voilà la Volonté de l’Eternel YHWH le Créateur de l’Univers pour toutes les nations, et en particulier pour Madagascar. C’est la solution pour sortir de la crise spirituelle, politique, économique et sociale qui sévit actuellement à Madagascar.


La Volonté de l'Eternel, avant la création du monde, n’est pas la constitution républicaine, laïque et démocratique. Celle-ci est contraire à la Volonté Divine. La constitution républicaine a été importée par les colonisateurs venus à Madagascar, et elle a été appliquée pour entraîner les Malagasy à s’entredéchirer, à piller les richesses du pays, et à détruire nos valeurs culturelles.


La Volonté de l’Eternel YHWH est une Constitution théocratique royale qui reconnait l'Eternel Créateur de l'Univers, le Tout-Puissant, YHWH Dieu d'Israel, et qui reconnait Jésus-Christ comme Roi des rois et Seigneur des seigneurs dans la Constitution elle-même. Et l’Eternel YHWH va instaurer ici une Constitution christocratique qui reconnait Jésus-Christ comme Roi des rois et Seigneur des seigneurs. Ce sera la solution de l'Eternel pour Madagascar.


Il existe une dizaine de nations dans le monde qui reconnaissent cela, en premier le Royaume de Norvège. Et ce n’est pas pour rien qu’actuellement la Norvège est le premier pays qui a un indice de développement humain le plus élevé dans le monde. Ces dix pays reconnaissent Jésus-Christ comme Roi des rois, et de ce fait ils ont la bénédiction divine.


Antananarivo, 10 Février 2012.


Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, PhD,
Branche aînée de la Maison Royale de Madagascar,
Chef de la Maison Royale de Madagascar.


(c) copyright.

Sitewebs: www.fanjakana-madagasikara.blogspot.com/
www.facebook.com/FANJAKAN' I MADAGASIKARA




vendredi 24 février 2012

FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA : FANOMEZANA HO FANAMBOARANA NY ROVAN'AMBOHIMANGA:

Ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, tarihan' Ny Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina, dia nanao fanomezana vola mitentina 140.000 ariary, ho fanadiovana ny Rovan'Ambohimanga, izay voa mafy tokoa, tamin' ny fandalovan' iny rivodoza Giovanna tamin' ny 14 Febroary 2012 iny.


Ny Rovan'Ambohimanga dia ao anatin' ireo vohitr'andriana sy vohitra masina eto Imerina, izay manana ny lazany manokana tokoa, ary reharehan' i Madagasikara hatrany am-pitandranomasina. Tao no nanjaka ireo mpanjaka toa an'Andriambelomasina sy Andrianampoinimerina.


Vokatry ny rivodoza Giovanna, izay nandalo tamin' ny 14 Febroary 2012, teny amin' ny Rovan'Ambohimanga, dia maro ireo hazo amontana sy hazo jacaranda ary hazo isan-karazany, izay nianjera tanteraka na tapaka, teo amin' ny fiakarana alohan' hidirana ny Rova sy ny toerana antsoina hoe Ambatorangotina ary ny toerana fikabariana antsoina hoe Fidasiana, ao amin' ny Rovan'Ambohimanga. Nisy iraikambinifolo koa ireo tafon' ny trano nanodidina ny Rovan'Ambohimanga izay lasan' ny rivodoza tanteraka.


Misaotra an'Andriamanitra Andriananahary fa tsy nianjera na tapaka ireo hazo amontana roa lehibe eo andrefana sady tena akaikin' ny lapan'ny Mpanjaka Andrianampoinimerina.



Nohamafisin' ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara hatrany koa ny tokony hanajana ny hasin' ny Rovan'ny Mpanjaka, mba tsy hisy intsony ny lanonana izay tsy misy hifandraisany mihitsy amin' ny fiandrianana sy ny mpanjaka, sy ny tokony hanajana ireo zavatra fady, nanomboka tamin' ny andron' ny mpanjaka, dia ny tsy tokony hitondrana kisoa, toaka, paraky, tongolo ary rongony, eny an-toerana, satria toerana masina ireny.


Manaraka izany dia nanao fanambarana izy ireo fa ny vavaka sy fangataham-pitahina amin' Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, Andriamanitry ny razana, irery ihany, no mitondra fitahina, ary izany no tena fomba taloha,

fa ny vavaka amin' Andriamanitra sy ny razana dia mitondra ozona, satria Andriamanitra Andriananahary tsy azo ampitoviana laharana amin' ny razana, izay voaharian'ILay Mpahary.


Farany, ny Fiombonamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara dia manao antso avo amin'ny mpiray tanindrazana rehetra mba hiaro ny vakokam-pirenena sy ny vohitra masina rehetra manerana an' i Madagasikara.


Ambohimanga, vohitra masina, 16 Febroary 2012.


Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.



(c (c) Copyright.