"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

jeudi 27 décembre 2018

FANJAKAN' I MADAGASIKARA MANAJA NY SOATOAVINA MALAGASY

...FANAMBARANA :

“MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' I ZANAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO” (Isaiah 60:1).

Ny FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA, tarihan' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia faly mandray ny Solontena ny Hery Velona Tia Tanindrazana avy amin’ ny foko rehetra manerana an’i Madagasikara sy ny Solontena amin’ ny fikambanana, antoko, vondrona isan-karazany, fiarahamonim-pirenena, solombavambahoaka, senatera, ets, manoloana ny loza efa mihatra eto amin’ ny firenena, ary mitondra ny fitarainana sy ny lahara-pahamehana amin’ny vahoaka malagasy :

1) SOATOAVINA SY KOLOTSAINA MALAGASY : Miverina sy miainga amin’ ny Fanàjana ny Soatoavina Malagasy (Fanajàna an’i Zanahary, Fanajana ny Hasin’ny Olombelona, Fanajàna ny Hasin’ ny tany sy ny tontolo iainana, Fahamarinana, Fifankatiavana sy Firaisankina, Fitiavana ny Tanindrazana, Fiandrianam-pirenena) ny fampandrosoana ny tanindrazana sy ny firenena malagasy.

2) FANABEAZANA: Miorina amin’ ny Tenin’Andriamanitra, ary miainga amin’ny Teny Malagasy, ny Tantaran’i Madagasikara hatrizay sy ny Soatoavina Malagasy ary ny Fahafantarana ny harena misy eto Madagasikara ny Fototry ny Fampandrosoana ny firenena.

3) TOEKARENA: Hampidinina haingana ny vidin’ ny solika sy ny vidim-bary ary ny vidin’ ny sakafo rehetra. Hatsangana ireo Orinasam-panjakana malagasy hitrandraka harena an-kibon’ ny tany sy hamokatra angovo ary solika mora vidy ho tombontsoan’ ny vahoaka malagasy rehetra. Ny Volamena dia halefa ao amin’ ny Banky Foiben’i Madagasikara mba hampiakatra ny sandan’ ny vola gasy. Hatsangana ny Banky Nasionaly Malagasy mikasika ny Fampandrosoana mba ho Fampindramana vola ho an’ ny Malagasy. Harovana sy homena vahana ny Orinasa tsy miankina izay an’ ny Tompontany Malagasy hatrizay manoloana ny fanatontoloana.

4) FANDRIAMPAHALEMANA: Tokony tsy hisy intsony ny tsy Fandriam-pahalemana ao anaty fotoana fohy. Izay tompon’andraikitra tsy mahavita dia hesorina.

5) SOSIALY: Hatsangana haingana ny Kitapombolam-Panjakana ho Fiahiana ny ara-sosialy (Ady amin’ ny Fahantrana, Fitsaboana, Fanafody, Vatsim-pianarana, Vatsy isan-karazany, Fisotroan-dronono, …sns) ho Fanatsaràna ny Faripiainan’ ny vahoaka Malagasy rehetra.

6) LALAM-PANORENANA SY LALANA: Satria efa Foin’i Zanahary ho an’ny Malagasy Tompontany hatrany am-piandohana i Madagasikara, dia hajoro indray ny Lalampanorenana manaja ny Soatoavina Malagasy ho fiarovana ny tanindrazana sy ny tombontsoan’ ny vahoaka Malagasy rehetra. Tsy azo hamidy na hahofa na hatao antoka amin’ ny vahiny ny Tanindrazana. Hajaina ny zon’ olombelona, ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahafahana mivory ary ny fahafahana manangana fikambanana. Madagasikara sy ireo Nosy manodidina azy rehetra dia an’ny Malagasy Tompontany efa hatrizay.

7) HAFATRA: Entanina ny vahoaka Malagasy rehetra, eo ambany Fihahiana sy Fitarihan’ny ampanjaka isam-poko manerana ny Nosy, na ny sojabe na ny mpanazary, mba hijoro sy hanamafy hatrany ny Fanajàna ny Soatoavina Malagasy, ny Fahamarinana, ny Firaisankina, ny Fiaroavana ny vakoka, ny Fiarovana ny tanindrazana ary ny Fiandrianam-pirenena. Masina i Madagasikara!


Dia ho an’i Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, Ilay Avo indrindra, Andriamanitra Andriananahary, Ray, Zanaka, Fanahy Masina, irery ihany ny Voninahitra!

Antananarivo, vohitra masina, faha-17 Desambra 2018.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka eto Madagasikara.

jeudi 28 juin 2018

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: SOLIKA MORA VIDY HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY:


Ny Fijoroan' ny FANJAKANA' I MADAGASIKARA, tarihan' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, dia afaka hametraka haingana SOLIKA MORA VIDY HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY MANONTOLO. Ireto avy ny Dingana tsy maintsy harahina:


1) Fametrahana GOVERNEMANTA FANAVOTAM-PIRENENA misy Praiministra iray sy MINISTRA ROAMBINIFOLO (12) izay MATAHOTRA AN' ANDRIAMANITRA, TSY MANAO KOLIKOLY, TEKNISIANA AVO LENTA SY TENA MAHAY ny ministera misy azy, MANANA TRAIKEFA IRAISAM-PIRENENA, ary TIA TANINDRAZANA.

2) Fampiharana ny TETI-PANORONA sy ny PAIKADY HO FANAVOTAM-PIRENENA, efa nomanina mialoha an-taona maro, ary tsy hain' ireo mpitondra politika rehetra nifandimby (1958-2018).

Ny VOKATRA HO AZO HAINGANA dia ny SOLIKA MORA VIDY HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY, HAMPIHENA NY SARAN-DALANA AMIN' NY FITATERANA REHETRA, ary HAMPIAKATRA HAINGANA NY FARI-PIAINAN' NY VAHOAKA MALAGASY MANONTOLO.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !


Antananarivo, Vohitra Masina,  faha-28 Jona 2018.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.