"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

jeudi 9 novembre 2023

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TAMIN' IREO MPITARIKA KRISTIANA (2023)

 Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


sy ireo ANDRIANDAHY SOLONTENA ny Fianakaviamben' ny Andriana eto Madagasikara


dia nanambara ny SITRAPON' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA AN I MADAGASIKARA

sy ny Tantara miafin' i Madagasikara hatrany am-piandohana

ho an' IREO MPITARIKA KRISTIANA SY NY FIRENENA MALAGASY:

Ny Rafitra repoblika, laika, demokratika, avy amin' ny sivilizasiona romana-grika, nampidirin' ny mpanjanantany nandritra ny 60 taona mahery, dia nentina nampahantrana sy nampijaliana sy nampiadiana ny vahoaka malagasy ary nentina nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny. 


NY SITRAPON' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA AN' I MADAGASIKARA SY NY FIRENENA MALAGASY dia ny FANJAKA-PISORONA, FIRENENA MASINA, FANJAKANA MALAGASY, FANJAKAN' I MADAGASIKARA, mankatoa ny TENIN' ANDRIAMANITRA,

misy NY MPANJAKA sy IREO MPISORONA ary MPAMINANY,

tsy mpanao kolikoly  ary tsy mampahantra na mampijaly vahoaka,

fa mijoro amin' ny FAHAMARINANA ary mitondra FIADANANA ho an' ny AMBANILANITRA.


"...DIA HO FANJAKA-PISORONA SY FIRENENA MASINA HO AHY IANAREO...".

"...NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA...".

"...NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA...".


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, faha-04 Novambra 2023.


Ny Manjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.     

    


 

mercredi 8 novembre 2023

ROVA ANTANANARIVO : 06 NOVAMBRA 1995 - 06 NOVAMBRA 2023.

 Nitondra ny fiaranay teo Ambanidia ny tenako no nahita fa nanomboka may ny ilany atsinanana ao amin' ny Rova Antananarivo. Mbola nazava ny andro tamin' izay, ary teo amin' ny Lapa Tranovola ny afo nirehitra. Tonga dia nitondra ny fiara niakatra namonjy ny Rova Antananarivo.


1) NY ZAVA-NISY:

Nony tonga teo ami' ny Rova Antananarivo dia nahita fa tsy voafehy ny afo tao amin' ny Lapa Tranovola satria afo nijoalajoala be ary nanomboka niampita tao amin' ny Lapa Manjakamiadana. 

Maro ireo lehilahy sy vehivavy, lehibe na tanora, nanao vy very ny ainy, namoaka ny entana vakoka tao anatin' ireo Lapa.

Tale tamin' ny Ministeran' ny Kolotsaina ny tenako tamin' izay, fa tsy niandraikitra ny Rova. Nojereko tsy nahita tompon' andraikitra hafa aho, ary alina koa moa ny fotoana, taorian' ny 06 ora alina, ary avy hatrany dia nandray andraikitra ny fanangonana ny entana navoaka avy tao amin' ireo Lapa ary napetraka teo amin' ny ilany ambany atsinanan' ny Rova Antananarivo.

Mankasitraka sy mankatelina indrindra ireo Malagasy mpiray tanindrazana, tsy ankanavaka, mahery fo sy tia tanindrazana, namoaka ireo entana vakoka tao anatin' ireo Lapa, na dia efa nanomboka nijoalajoala aza ny afo, mety nihoatra ny mari-pana 1000°C, izay niparitaka tamin' ireo Lapa rehetra (Tranovola, Manjakamiadana, Mahitsielafanjaka, Manampisoa, Besakana), ny Fitomiadanalana nisy ny Mpanjaka Andrianjaka ka hatramin' ny Mpanjaka Andriamasinavalona, ny Fasana roa misy ny Mpanjaka Andrianampoinimerina sy ny Mpanjaka Radama 1 ary ny Fasana misy ireo Mpanjaka vavy Ranavalona 1 ka hatramin' ny Mpanjaka Ranavalona 3.  Henoko nisy zavatra nipoaka be indroa tao anatin' ny Lapa Manjakamiadana.

Ny Mpiandraikitra ny Fiara mpamono afo dia tonga ary niezaka nanao izay tratrany fa tsy ampy ny rano hamonoana ny afo izay efa nihoatra ny tafon' ny Lapa Manjakamiadana sy nihanaka tamin' ireo Lapa rehetra.

Nijanona niandraikitra ireo entana vakoka tafavoaka tao Anatirova ny tenako ny alin' ny 06 Novambra 1995 manontolo, mandra-maraina. Raha ny tontaliny dia teo amin' ny 1.700 vakoka tamin' ireo entana 7.000 isa no voavonjy tsy may avy tao amin' ny Rova Antananarivo.

(hitohy)


Antananarivo vohita masina, faha-06 Novambra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

 

  

vendredi 13 octobre 2023

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TAMIN' NY SENDIKAN' NY MPAMPIANATRA MPIKAROKA (SECES NATIONAL) SY NY FIOMBONAN' NY SENDIKAN' NY MPIASA MALAGASY (FSMM)

 FANAMBARANA: 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


sy ireo ANDRIANDAHY ZOKIOLONA sady SOLONTENA avy amin' ny LAFY VALON' NY NOSY,


RAIAMANDRENY ETO AMIN' NY TANY SY NY FIRENENA,

TSY MOMBA NY ATSY NA AROA,

MIJORO AMIN' NY FAHAMARINANA,

MANAJA NY SOA TOAVINA MALAGASY,


dia nihaona tamin' 

Ny SENDIKAN' NY MPAMPIANATRA MPIKAROKA AMIN' IREO ONIVERSITE ETO MADAGASIKARA (SECES NATIONAL)

sy

Ny FIOMBONAN' NY SENDIKAN' NY MPIASA MALAGASY (FSMM)

misy 124 Fikambanana Mpiasam-panjakana na Tsy miankina.


Manoloana ny zavamisy ankehitriny eto amin' ny firenenena,

. Tsy vaha-olana ny Fifidianana sy Rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany, izay efa niainana nandritra ny 60 taona mahery, fa vao maika nampahantra ny 81,6% ny vahoaka malagasy ary nentina nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny.


NY LAHARA-PAHAMEHANA ho FANAVOTA-PIRENENA dia: 

. NY FANOVANA IFOTONY.

. NY FANORENANA RAFI-PIARAHAMONINA VAOVAO sy LALAMPANORENANA VAOVAO ary FANJAKANA MALAGASY, mankatoa an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ary mioripaka amin' ny SOA TOAVINA MALAGASY (1),

miaraka amin' ny HERY VÉLONA REHETRA mankatoa an' ILAY MPAHARY sy mijoro amin' ny FAHAMARINANA ary hamerina indray ny tena FAHALEOVANTENAM-PIRENENA sy ny tena FIANDRIANAM-PIRENENA, eo ambany Fitarihan' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA (2).

MASINA I MADAGASIKARA!

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY! 

Antananarivo Vohitra masina, 11 Oktobra 2023.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


dimanche 8 octobre 2023

TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA SY TSODRANO ARY KABARIN' ANDRIANA (2023)

NY VAHA-OLANA AVY AMIN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY HO FAMONJENA NY FIRENENA?

"... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA TENA ANDRIANA, ANDRIANDRAY ANDRIANDRENY ...".

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

------------------------------- 

NY NTAOLO ANANAN-TOMPO, ARY NY VAHA-OLANA FARANY DIA ILAY MPAHARY. IZY TSY MANOLOBATO MAFANA, FA MAMPISOTRO RANO TSY MBA MAHAKOFONA, ARY MAMAHAM-BARY TSY MBA MAHAKENDA. KOA ANKATOAVY ILAY MPAHARY!

-------------------------------

ZANAHARY AVO FIPETRAKA KA MAHITA NY AMBANY. NY MPANJAKA AVO FIJERY KA MAHITA NY TAKONA. NY AMBANILANITRA OMBAN' ILAY MPAHARY KA HANDEHA AMIN' NY SAINA FA TSY AMIN' NY FO ARY HANARA-DALANA AMIN' IZAY!

-----------------------------

TSODRANO HO AN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA:

TONGA NY FOTOANA! MISEHO ANKEHITRINY IZAO ANTON-JAVATRA IZAO MBA TSY HISIAN' NY MOSARY SY NY RA MANDRIAKA ETO AMIN' NY TANY SY NY FIRENENA INTSONY DIA NY ANDRIANA NO ANKASITRAHAN' ANDRIAMANITRA HITONDRA NY TANY SY NY FANJAKANA, RAHA TSY IZANY TSY MIVOATRA  SY MANDROSO ARY TSY HO SAMBATRA NY FIRENENA!

KOA HO ELA VELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA, 

MAHALEOVA MAHALASANA, HAHAZAKA ADIDY SY ANDRAIKITRA ARY HOMBA ANAO ANIE ILAY MPAHARY ARAKA NY TSODRANO NOMEN' IREO ANDRIANDAHY ZOKIOLONA FOTSIVOLO AMIN' NY TANY NY MERINA ENITOKO SY IREO NDRENOGNY ARY AMPANJAKA AVY ETO MADAGASIKARA! 

--------------------------------

MATOA NATAO NY TSODRANO DIA MBA HAHATONTOSA NY ZAVAKINASA, NY TANJONA SY NY FANIRIANA. ARY NY OLONA VOATSODRANO IZANY DIA VITA FATIDRA AMIN' ILAY MPAHARY ARY TSY MAINTSY MAHAVITA NY IRAKA NAMPANAOVINY AZY.         

HO ELA VELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,                                                    LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA!

--------------------------------

NY ANDRAIKITRY NY MPANJAKA DIA MANATANTERAKA NY TENIN'ANDRIAMANITRA, MANJAKA AMIN' NY FAHAMARINANA, MANDAMINA NY DISADISA, MIZARA NY VOKATRA, TOMPON' NY ANTSY BE FANAPAHANA.

-------------------------------

NY ATAO HOE FANJAKANA DIA FITONDRAM-PANJAKANA MISY MPANJAKA.

NY MPANJAKA DIA TSY FIDIAN' OLONA FA FIDIN' ANDRIAMANITRA, ARY ANDRIANDAHY VITA FATI-DRA AMIN' AZY ARY TSY MAINTSY MAHAVITA NY IRAKA NAMPANAOVINA AZY, ARY NY MPANJAKA DIA NATAO HITARIKA SY HIARO ARY MIKATSAKA NY HIADANAN' NY AMBANILANITRA.

ARY ANDRIAMANITRA NO TOMPOM-PAHEFANA, FA NY MPANJAKA NO MANAM-PAHEFANA, ARY NY MPANJAKA SY NY AMBANILANITRA MIFIKITRA AMIN' NY TENIN' ANDRIAMANITRA, IZAY LEFONA SY AMPINGA ENTINA MIADY MBA HAMPANJAKANA NY FAHAMARINANA.

NY ZOKIOLONA KOSA NO FEHILOHA. TSY MIDIKA AKORY IZANY HOE AVAHAM-PITIA NY AMBANILANITRA SY NY AMBANIMASOANDRO, FA NY ZAVA-DREHETRA MANAN-TANDRIFY, ARY NY LOHA NO MITONDRA NY VATANA SY NY TONGOTRA.

--------------------------------

KOA MANKATOAVA AN' ILAY MPAHARY, HAJAO NY MPANJAKA, MANAJA NY FAHAMARINANA, ARY MANAJA NY SOA TOAVINA NENTI-PAHARAZANA!

-------------------------------

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!



mercredi 30 août 2023

FIHAONANA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TAMIN' IREO FILOHA FFKM (2023)

 "... Ary INDRO AHO MANENDRY ANAO izao andro ANIO izao HANAM-PAHEFANA amin'ny FIRENENA sy ny FANJAKANA HANONGOTRA sy HANJERA sy HANDRAVA sy HANDRODANA ary HANORINA sy HAMBOLY..." (Jeremiah 1:10).

--------------------------------

FIHAONANA MANOKANA:

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,

sy

Ny Andriana Dr Fanantenana RAZATOVO,

Terak' Andrianonitomponintany,

Lehiben' ny Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo,


 tamin' ny

Dr. Irako Ammi ANDRIAMAHAZOSOA,

Filohan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM),

Filohan' ny Fiombonamben' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM),


Past. Dr. Denis RAKOTOZAFY,

Filohan' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM),


Mgr Dr. Samoela Jaona RANARIVELO,

Filohan' ny Fiangonana Ekklesia Episkopaly Malagasy (EEM),


Monseigneur Dr. Jean de Dieu RAOELISON,

Arsevekan' Antananarivo (EKAR),


mikasika ny SITRAPON' ANDRIAMANITRA amin' ny FITONDRA-PANJAKANA sy ny HO AVIN' I MADAGASIKARA:

"... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY ANAO DIA ZANAK' ANDRIANA..." (Mpitoriteny 10:17).

"... Ny MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY..." (Isaiah 32:1).


DIA HO AN' ANDRIANANAHARY MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, 30 Aogositra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


  

dimanche 27 août 2023

ANTSO HO AN' NY HERY VELONA REHETRA HO FAMONJENA NY FIRENENA (Aogositra 2023)

 FANAMBARANA:


"... MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO...".

TONGA NY FOTOANA HAMONJEN' ANDRIAMANITRA NY FIRENENA. 

EFA MAMÀRANA IZAO FITONDRANA IZAO.

MIOVA NY TANTARAM-PIRENENA.


MANOLOANA:

. NY TSY FANAJANA NY ZON' OLOMBELONA,

.  NY KRIZY ARA-LALAMPANORENANA, ARA-POLITIKA, ARA-TOEKARENA, ARA-SOSIALY LALINA DIA LALINA, 

. NY KOLIKOLY AVO LENTA HITAMPOKO HITAM-PIRENENA, 

. NY FIFIDIANANA LALAMPANORENANA 2010 SY FIFIDIANANA FILOHAMPIRENENA 2018 FENO HOSOKA SY FENO HALABATO,  

. NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA MANERANA NY NOSY, 

. NY FANITSAKITSAHANA MIVERIMBERINA NY LALAMPANORENANA SY NY LALAMPIFIDIANANA, 

KA MAHATONGA  FIFIDIANANA TSY MANJARY, 

. NY FIJALIAN' NY VAHOAKA MALAGASY, LASA SORONA,

. ARY MBA TSY HISIAN' NY RÀ MANDRIAKA INTSONY, 

DIA MANAO ANTSO AVO AMIN'  RY VÉLONA REHETRA: NY FFKM, NY TAFIKA, NY MPIASAM-PANJAKANA REHETRA, NY SEHATRA TSY MIANKINA REHETRA, NY VONDRONA POLITIKA REHETRA, NY VONDRON' NY MPANDRAHARAHA REHETRA, NY VONDRON' NY TANTSAHA REHETRA, NY FIARAHAMONIM-PIRENENA REHETRA, NY TANORA REHETRA, 


. HIBEBAKA SY HANKATOA AN' ANDRIAMANITRA, 

. HANAJA NY SOA TOAVINA MALAGASY, 

. HIJORO AMIN' NY FAHAMARINANA,A

. HIRAY HINA HO FAMERENANA NY TENA FAHALEOVANTENAM-PIRENENA SY NY TENA FIANDRIANAM-PIRENENA, 


EO AMBANY FITARIHAN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA, RAIMANDRENY ETO AMIN' NY TANY S NY FIRENENA.


IZAY NO VAHA-OLANA TOKANA AVY AMIN' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA NY FIRENENA !


MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo vohitra masina, 

Sabotsy, 26 Aogositra 2023.


Hoy NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIkARA.



lundi 7 août 2023

TSO-DRANO HO AN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA (2023)

TONGA NY FOTOANA ! 

Miseho eto ankehitriny izao anton- javatra izao mba tsy hisian'ny rà mandriaka eto amin' ny tany sy ny firenena dia ny Andriana no hankasitrahan' Andriamanitra hitondra ny tany sy ny fanjakana fa raha tsy izany tsy mivoatra sy mandroso ary tsy ho sambatra ny firenena iray. 


NY ANDRAIKITRIN'NY MPANJAKA DIA MPITONDRA NY TENIN'ANDRIAMANITRA, MANDAMINA NY DISADISA, MIZARA NY VOKATRA, TOMPON'NY ANTSY BE FANAMPAHANA.


 NY ATAO HOE FANJAKANA DIA FITONDRAM-PANJAKANA MISY MPANJAKA, 


NY MPANJAKA DIA TSY FIDIN'OLONA FA FIDIN'ANDRIAMANITRA ARY OLONA VITA FATI-DRA AMIN'AZY ARY TSY MAINTSY MAHAVITA NY IRAKA AMPANAOVINA AZY, ARY NY MPANJAKA DIA NATAO HANOMPO VAHOAKA FA TSY TOMPOIN'NY VAHOAKA.


ARY ANDRIAMANITRA NO TOMPOM-PAHEFANA FA NY MPANJAKA NO MANAM-PAHEFANA, ARY NY MPANJAKA SY NY AMBANILANITRA NO LEFONA SY AMPINGA ENTIN'ANDRIAMANITRA MIADY HAMPANJAKANA NY FAHAMARINANA.


 NY ZOKIOLONA KOSA NO FEHILOHA. TSY MIDIKA AKORY IZANY HOE AVAHAM- PITIA NY HOVA SY NY ZAZA MANGA FA NY ZAVA DREHETRA MANAN-TANDRIFY, ARY NY LOHA NO MITONDRA NY VATANA SY NY TANANA ARY NY TONGOTRA. 


KOA ELA VELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,  


MAHALEOVA MAHALASANA, HAHAZAKA ADIDY SY ANDRAIKITRA ARY HOMBANAO ANIE ILAY MPAHARY ARAKA ITY TSO-DRANO NOMEN' IREO ANDRIANA ZOKIOLONA NY MERINA ENIN-TOKO SY IRETO ANDRIAMBE REHETRA IRETO ARY NY AMPANJAKA ANTEMORO !


Antananarivo vohitra masina, 

Sabotsy, 24 Jona 2023.

dimanche 6 août 2023

ANTSO HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA HO FAMONJENA NY FIRENENA (2023)

 FANAMBARANA : 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara 


dia nanambara fa tonga eo amin' ny kihondalan' ny Tantaram-pirenena isika izao. Efa mamàrana ny fitondrana ankehitriny. Hivadika ny Tantaram-pirenena. 


Manoloana :

. ny kolikoly avolenta hitam-poko hitam-pirenena,

. ny tsy fanajana ny Zon' Olombelona, 

. ny tsy fanajana ny Soatoavina malagasy,

. ny fanosihosena miverimberina ny lalam-panorenana sy ireo Lalam-pifidianana maro,

. ny fitondrana mitanila, 

. ny lisipifidianana tsy lavo rary sy tsy mahafapo ny maro: 

. ireo malagasy eto an-tanindrazana mihoatra ny efatra tapitrisa tsy tafiditra anaty lisipifidianana, 

. ireo 200.000 malagasy mahery any ampitandranomasina tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana, 

. ny tsy fandriampahalemanana manerana ny Nosy,

. ny krizy ara-lalampanorenana, ara-politika, ara-toekarena, ara-sosialy lalina ankehitriny, 

. Ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harempirenena, 

. ny fahantran' ny 81,6% ny vahoaka malagasy, lasa sorona.


Ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara dia mijoro amin' ny maha Raiamandreny eto amin' ny tany sy ny firenena, tsy momba ny atsy na aroa, mandray andraikitra ho Famonjena ny firenena araka ny Teny Fikasan' Andriamanitra sy mba tsy hisian' ny rà mandrika eto amin' ny firenena.


Koa miantso ny FFKM, ny Tafika, ny Mpiasampanjakana na ny Mpiasa amin' ny sehatra tsy miankina rehetra, ny Vondrona Politika rehetra, ny Vondron' ny Mpandraharaha malagasy rehetra, ny Vondron' ny Tanora rehetra, ny Tantsaha maro anisa, ny Fiarahamonim-pirenena rehetra, 


mba hankatoa an' Ilay Mpahary ny lanitra sy ny Tany, hanaja ny Soatoavina malagasy, hijoro amin' ny fahamarinana sy ny tena Fitiava-tanindrazana, ary hamerina indray ny tena fahaleovantenam-pirenena sy ny tena fiandrianam-pirenena,


miaraka sy eo ambany fitarihan' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Tsy maintsy hijoro ny FANJAKANA MALAGASY, FANJAKA-MPISORONA, FANJAKAN' I MADAGASIKARA,


Ary tsy misy olombelona afaka hahasakana izany Teny Fikasan' Andriamanitra izany. Hoy Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany hoe : "... MIASA AHO, KA IZA NO MAHASAKANA IZANY? 

".


Tanteraka izany, izay i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy vao : 


HO LOHANY FA TSY HO RAMBONY INTSONY,

HO AMBONY FA TSY AMBANY INTSONY,

HAMPINDRANA FA TSY HINDRANA INTSONY.


Tany Masina i Madagasikara!


"... MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO..."


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra masina, faha-05 Aogositra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


--------------------------------

Fanamarihana:

1. Fanambarana Manerantany mikasika ny Zon' Olombelona, ONU, New York, 1948.

2. Fanambarana Manerantany mikasika ny Fahasamihafana ara-Kolotsaina, Unesco, 2001.

3. Fehikevitra, Fivoriana mikasika ny Fandriampahalemana, nokarakarain' ny African Union, Novotel Antananarivo, 14-15 Desambra 2022. 

4. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Novotel Antananarivo, 24 Marsa sy 22 Jona 2023.

. 5. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Radisson Blu Antananarivo, 27 Jolay 2023.

6. Fandalinana mikasika ny Zotram-pifidianana, MMM, Antananarivo, 2023, 59 pejy.



dimanche 25 juin 2023

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: LALAM-PANORENANA VAOVAO HO FAMONJENA AN' I MADAGASIKARA (2023)

 FANAMBARANA:


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


nanambara fa, ho Fanajana ny Soataovina Malagasy, ho Fanajana ny Zon' Olombelona sy mba tsy hisian' ny rà mandrika, aloha, na ao anatiny, na aorian' ny fifidianana eto Madagasikara (1):


. Ny Fametrahana Governemanta Vaovao, tsy momba ny atsy na aroa, mahaleotena, manana fahefana feno, eo ambany fiahian' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara (2).


. Manaraka, ny Fanovana ny Lalam-Panorenana no Laharapahamehana, mba hankatoa an' Andriamanitra Andriananahary sy mba tena hanaja ny fiziana sy ny Soatoavina malagasy, indrindra ny Fametrahana ireo Ampanjaka amin' ny tena toerany, satria ny vahoaka maroan'isa tsy mankasitraka ny rafitra repoblikana (3),


. Ny Fanaovana Fitsapan-kevitra amin' ny vanimpotoana maintany, fa tsy amin' ny vanimpotoana fahavaratra (4),


no vaha-olana tokana avy amin' Andriamanitra ho Famonjena an' i Madagasikara.


. Nanambara ihany koa Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA fa tokony hisy hatrany ny Dinika miaraka amin' ireo Hery velona rehetra, mba hahatsara ny Fiainam-pirenena.


Izany no nolazainy ampahibemaso sy ireo solontena niaraka taminy ary ny resaka nataon' izy ireo tamin' i Rtoa Natasha VAN RJIN, Solontenan' ny Programme des Nations-Unies pour le Développement (PNUD) eto Madagasikara, nandritra ny Dinika Faharoa ho amin' ny zotram-pifidianana mangarahara sy andraisan' ny rehetra anjara nokarakarain' ny CENI Madagascar sy ny PNUD. 


HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo, vohitra masina, Alakamisy 22 Jona 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Fanamarihana:


(1) Fanambarana Manerantany momba ny Zon' Olombelona, ONU, 1948.

(2) Fehinkevitra, Fivoriana mikasika ny Fandriampahalemana, nokarakarain' ny Union Africaine, Antananarivo, 14-15 Desambra 2022.

(3) Fanambarana Manerantany momba ny Fahasamihafana ara-Kolotsaina, UNESCO, 2001.

(4) Lalàna Organika N.2012-05 mikasika ny Fanaovana Fifidianana, And. 36. Ny Fitsapa-kevitra dia tokony hatao amin' ny vanimpotoana maintany, eo anelanelan' ny 30 april sy 30 novambra.

------------------------------------


STATEMENT:


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Elder Branch of the Royal House, 

Head of the Royal House of Madagascar 


has announced that, in order to respect the Malagasy Cultural Values, then the Human Rights, and to avoid bloodshed, before, during, or after the elections in Madagascar (1):


. The Establishment of a New Government that is neutral, independent, with full power, under the auspices of the Royal House of Madagascar (2).


. Moreover, the Changing of the Constitution is the priority in order to obey God and to really respect the Malagasy Cultural Identity, especially the Placement of the Traditional Kings in their proper place, because the great majority of the population disapprove the successive republican constitutions (3),


. The Polls must be held during the dry season of the year, but not on rainy season (4),


is the only solution for the Lord Creator of the Universe to save Madagascar.


. HRM King Ndriana RABARIOELINA also has announced that there should be a Dialogue with all the Living Powers, in order to improve the National Life.


This is what he and his followers have said publicly and the conversation they had with Mrs. Natasha VAN RJIN, Resident Representative of the United Nations for the Development Program (UNDP) in Madagascar, during the Second Discussion for a transparent and participatory electoral process organised by CENI Madagascar and UNDP.


GLORY TO THE LORD CREATOR OF THE UNIVERSE FOREVER AND EVER!


Antananarivo, the royal city, 22 June, 2023.


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Head of the Royal House of Madagascar. 


Nota bene:

(1) Universal Declaration on Human Rights, United Nations (UN), 1948.

(2) Resolution of the Meeting for the Consolidation of the Peace, organised by the African Union, Antananarivo, 14-15-December 2022.

(3) Universal Declaration on the Cultural Diversity. UNESCO, 2001.

(4) Organic Law N.2012-05 bearing Electoral Code. The polls must be held during the dry season of the year, especially between 30 april and 30 november.





samedi 27 mai 2023

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO NDRENOGNY ANTAGNALA IKONGO (2023)

 FIHAONANA: 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny

Mpanjaka eto Madagasikara,


niaraka tamin' 


Ny Andriana Moreno RANDRIA RAKOTOMANGA,

Lehiben' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina,

Avaradrano Zokin' Imerina,

Fanjakana Merina, 


Ny Andriana Dr Fanantenana Andrianaivotiana RAZATOVO,

Terak' Andrianonitomponintany, 

Lehiben' ny Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo,


Solontena ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, 


sy


FIHAONANA: 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny

Mpanjaka eto Madagasikara,


niaraka tamin' 


Ny Andriana Moreno RANDRIA RAKOTOMANGA,

Lehiben' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina, 

Avaradrano Zokin' Imerina,

Fanjakana Merina, 


Ny Andriana Dr Fanantenana Andrianaivotiana RAZATOVO,

Lehiben' ny Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo,


 Solontena ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, 


sy


Ny Ndrenogny VELONARIVO Honoré, 

Iaban' ny Tany, Ampanjaka bé Fanjakana Antagnala iray manontolo, Maromandia Ikongo,


Ny Ndrenogny RAKOTOARIVELO Pascal,

Ampanjaka bé, ao Ambatofotsy Ikongo,


Ny Ndrenogny RAKOTOSOA André,

Ampanjaka bé, ao Sahasinaka,


sy Ny Ampanjaka RALAIZANA any Ambatofotsy Ikongo sy Ny Ampanjaka RADAMA Germain ao Ambatofotsy ary Atoa RAZAFINDRAINIBE Martin Salohin' ny Ampanjaka ao Sahasinaka,


ho Fanamafisana ny Fihavanana sy ny Firaisankina efa nisy hatry ny ela.


NY FIRAISANKINA NO HERY.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA! 


Antananarivo vohitra masina, volana Mey 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


-------------------------------------


HRM King Ndriana RABARIOELINA,

Elder Branch of the Royal House of Madagascar, 

Head of the Royal House of Madagascar, 


with 


HRH Prince Moreno RANDRIA RAKOTOMANGA,

Head of Ny Andriantompokoindrindra Royal House,


HRH Prince Dr Fanantenana Andrianaivotiana RAZATOVO,

Head of the Kingdom of Ivakinankaratra Imerinatsimo, 


 Representatives of the Royal House of Imerina, 


And 


Ny Ndrenogny VELONARIVO Honoré, 

Traditional King of the Antagnala Kingdom, in Maromandia Ikongo,


Ny Ndrenogny RAKOTOARIVELO Pascal,

Traditional King, in Ikongo Ambatofotsy,


Ny Ndrenogny RAKOTOSOA André,

Traditional King, in Sahasinaka,


with Ny Ampanjaka RALAIZANA and Ny Ampanjaka RADAMA Germain of Ambatofotsy, and Atoa RAZAFINDRAINIBE Martin Salohin' ny Ampanjaka, Sahasinaka, 


to reinforce the Fihavanana and the solidarity for many centuries,


GLORY TO THE LORD YHWH THE CREATOR OF THE UNIVERSE FOREVER AND EVER!


Antananarivo the sacred and royal city, 

The Month of May 2023.


HRM King Ndriana RABARIOELINA,  

Elder Branch of the Royal House, 

Head of the Royal House of Madagascar. 


mardi 28 mars 2023

FANOVANA IFOTONY NY LALAM-PANORENANA : MANAJA AN' ANDRIAMANITRA SY NY SOATOAVINA MALAGASY

VAHA-OLANA AVY AMIN' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA NY FIRENENA:


FANAMBARANA:


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, 

dia  nanatrika ny Dinika mikasika ny Tontolo Politika sy ny Fifidianana nokarakarain' ny Komity ny Fifidianana Nasionaly Mahaleotena (CENI) teto Antananarivo ny 24 Marsa 2023,


Ary niara-napetraka teo amin' ny laharana voalohany niaraka tamin' ireo Raiamandreny ara-Panahy sy Olobe teto amin' ny firenena:

. Ny Past. Dr. Irako Ammi Andriamahazosoa, Filohan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sady Filohan' ny Fiombonamben' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM),

. Ny Past. Dr. Denis Rakotozafy, Filohan' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM),

. Ny Monseigneur Archevêque Dr. Samoela Jaona Ranarivelo, Arsevekan' ny Ekklesia Episkopaly Malagasy (EEM),

. Ny Monseigneur Archevêque Odon Razanakolona, Arsevekan' Antananarivo (EKAR)..

. Atoa Issa Sanogo, Solontenan' ny Firenena Mikambana (United-Nations) eto Madagasikara.


Manoloana ny Krizy lalina amin' ny lafiny ara-lalampanorenana, ara-politika, ara-ekonomika, ara-sosialy, indrindra ny Fahantrana sy ny Fijalian' ny 90% ny Vahoaka Malagasy,

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Raiamandreny eto amin' ny Tany sy ny Firenena, dia manome ny Vaha-Olana ho Famonjena ny Firenena:


1) Fanovana ifotony ny Lalampanorenana, mankatoa an' ANDRIAMANITRA ary manaja ny Fotopisainana sy ny Soatoavina Malagasy,


2) Fametrahana ny Mpanjaka sy ireo Ampanjaka amin' ny toerana tokony hisy azy avy ary ny Fiaraha-miasan' ny Hery Velona rehetra ho Famonjena ny Firenena.


3) Fanangànana ny Fahefana Avo mandrindra ny Fiainam-pirenena, tarihan' Ny Mpanjaka ary misy ny FFKM, ny Olobe manampahendrena ary tena mahay, ny Solontena ny Fiarahamonim-pirenena,


4) Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA sy  ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara dia hiara-hiasa amin' ny FFKM ary ny Hery Velona rehetra eto amin' ny Firenena ho Famonjena ny firenena, eo ambany Fitarihan' Andriamanitra.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, 24 Marsa 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.