"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

vendredi 13 octobre 2023

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TAMIN' NY SENDIKAN' NY MPAMPIANATRA MPIKAROKA (SECES NATIONAL) SY NY FIOMBONAN' NY SENDIKAN' NY MPIASA MALAGASY (FSMM)

 FANAMBARANA: 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


sy ireo ANDRIANDAHY ZOKIOLONA sady SOLONTENA avy amin' ny LAFY VALON' NY NOSY,


RAIAMANDRENY ETO AMIN' NY TANY SY NY FIRENENA,

TSY MOMBA NY ATSY NA AROA,

MIJORO AMIN' NY FAHAMARINANA,

MANAJA NY SOA TOAVINA MALAGASY,


dia nihaona tamin' 

Ny SENDIKAN' NY MPAMPIANATRA MPIKAROKA AMIN' IREO ONIVERSITE ETO MADAGASIKARA (SECES NATIONAL)

sy

Ny FIOMBONAN' NY SENDIKAN' NY MPIASA MALAGASY (FSMM)

misy 124 Fikambanana Mpiasam-panjakana na Tsy miankina.


Manoloana ny zavamisy ankehitriny eto amin' ny firenenena,

. Tsy vaha-olana ny Fifidianana sy Rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany, izay efa niainana nandritra ny 60 taona mahery, fa vao maika nampahantra ny 81,6% ny vahoaka malagasy ary nentina nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny.


NY LAHARA-PAHAMEHANA ho FANAVOTA-PIRENENA dia: 

. NY FANOVANA IFOTONY.

. NY FANORENANA RAFI-PIARAHAMONINA VAOVAO sy LALAMPANORENANA VAOVAO ary FANJAKANA MALAGASY, mankatoa an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ary mioripaka amin' ny SOA TOAVINA MALAGASY (1),

miaraka amin' ny HERY VÉLONA REHETRA mankatoa an' ILAY MPAHARY sy mijoro amin' ny FAHAMARINANA ary hamerina indray ny tena FAHALEOVANTENAM-PIRENENA sy ny tena FIANDRIANAM-PIRENENA, eo ambany Fitarihan' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA (2).

MASINA I MADAGASIKARA!

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY! 

Antananarivo Vohitra masina, 11 Oktobra 2023.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.