"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 8 novembre 2023

ROVA ANTANANARIVO : 06 NOVAMBRA 1995 - 06 NOVAMBRA 2023.

 Nitondra ny fiaranay teo Ambanidia ny tenako no nahita fa nanomboka may ny ilany atsinanana ao amin' ny Rova Antananarivo. Mbola nazava ny andro tamin' izay, ary teo amin' ny Lapa Tranovola ny afo nirehitra. Tonga dia nitondra ny fiara niakatra namonjy ny Rova Antananarivo.


1) NY ZAVA-NISY:

Nony tonga teo ami' ny Rova Antananarivo dia nahita fa tsy voafehy ny afo tao amin' ny Lapa Tranovola satria afo nijoalajoala be ary nanomboka niampita tao amin' ny Lapa Manjakamiadana. 

Maro ireo lehilahy sy vehivavy, lehibe na tanora, nanao vy very ny ainy, namoaka ny entana vakoka tao anatin' ireo Lapa.

Tale tamin' ny Ministeran' ny Kolotsaina ny tenako tamin' izay, fa tsy niandraikitra ny Rova. Nojereko tsy nahita tompon' andraikitra hafa aho, ary alina koa moa ny fotoana, taorian' ny 06 ora alina, ary avy hatrany dia nandray andraikitra ny fanangonana ny entana navoaka avy tao amin' ireo Lapa ary napetraka teo amin' ny ilany ambany atsinanan' ny Rova Antananarivo.

Mankasitraka sy mankatelina indrindra ireo Malagasy mpiray tanindrazana, tsy ankanavaka, mahery fo sy tia tanindrazana, namoaka ireo entana vakoka tao anatin' ireo Lapa, na dia efa nanomboka nijoalajoala aza ny afo, mety nihoatra ny mari-pana 1000°C, izay niparitaka tamin' ireo Lapa rehetra (Tranovola, Manjakamiadana, Mahitsielafanjaka, Manampisoa, Besakana), ny Fitomiadanalana nisy ny Mpanjaka Andrianjaka ka hatramin' ny Mpanjaka Andriamasinavalona, ny Fasana roa misy ny Mpanjaka Andrianampoinimerina sy ny Mpanjaka Radama 1 ary ny Fasana misy ireo Mpanjaka vavy Ranavalona 1 ka hatramin' ny Mpanjaka Ranavalona 3.  Henoko nisy zavatra nipoaka be indroa tao anatin' ny Lapa Manjakamiadana.

Ny Mpiandraikitra ny Fiara mpamono afo dia tonga ary niezaka nanao izay tratrany fa tsy ampy ny rano hamonoana ny afo izay efa nihoatra ny tafon' ny Lapa Manjakamiadana sy nihanaka tamin' ireo Lapa rehetra.

Nijanona niandraikitra ireo entana vakoka tafavoaka tao Anatirova ny tenako ny alin' ny 06 Novambra 1995 manontolo, mandra-maraina. Raha ny tontaliny dia teo amin' ny 1.700 vakoka tamin' ireo entana 7.000 isa no voavonjy tsy may avy tao amin' ny Rova Antananarivo.

(hitohy)


Antananarivo vohita masina, faha-06 Novambra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

 

  

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.