"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 30 août 2023

FIHAONANA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TAMIN' IREO FILOHA FFKM (2023)

 "... Ary INDRO AHO MANENDRY ANAO izao andro ANIO izao HANAM-PAHEFANA amin'ny FIRENENA sy ny FANJAKANA HANONGOTRA sy HANJERA sy HANDRAVA sy HANDRODANA ary HANORINA sy HAMBOLY..." (Jeremiah 1:10).

--------------------------------

FIHAONANA MANOKANA:

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,

sy

Ny Andriana Dr Fanantenana RAZATOVO,

Terak' Andrianonitomponintany,

Lehiben' ny Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo,


 tamin' ny

Dr. Irako Ammi ANDRIAMAHAZOSOA,

Filohan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM),

Filohan' ny Fiombonamben' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM),


Past. Dr. Denis RAKOTOZAFY,

Filohan' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM),


Mgr Dr. Samoela Jaona RANARIVELO,

Filohan' ny Fiangonana Ekklesia Episkopaly Malagasy (EEM),


Monseigneur Dr. Jean de Dieu RAOELISON,

Arsevekan' Antananarivo (EKAR),


mikasika ny SITRAPON' ANDRIAMANITRA amin' ny FITONDRA-PANJAKANA sy ny HO AVIN' I MADAGASIKARA:

"... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY ANAO DIA ZANAK' ANDRIANA..." (Mpitoriteny 10:17).

"... Ny MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY..." (Isaiah 32:1).


DIA HO AN' ANDRIANANAHARY MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, 30 Aogositra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


  

dimanche 27 août 2023

ANTSO HO AN' NY HERY VELONA REHETRA HO FAMONJENA NY FIRENENA (Aogositra 2023)

 FANAMBARANA:


"... MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO...".

TONGA NY FOTOANA HAMONJEN' ANDRIAMANITRA NY FIRENENA. 

EFA MAMÀRANA IZAO FITONDRANA IZAO.

MIOVA NY TANTARAM-PIRENENA.


MANOLOANA:

. NY TSY FANAJANA NY ZON' OLOMBELONA,

.  NY KRIZY ARA-LALAMPANORENANA, ARA-POLITIKA, ARA-TOEKARENA, ARA-SOSIALY LALINA DIA LALINA, 

. NY KOLIKOLY AVO LENTA HITAMPOKO HITAM-PIRENENA, 

. NY FIFIDIANANA LALAMPANORENANA 2010 SY FIFIDIANANA FILOHAMPIRENENA 2018 FENO HOSOKA SY FENO HALABATO,  

. NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA MANERANA NY NOSY, 

. NY FANITSAKITSAHANA MIVERIMBERINA NY LALAMPANORENANA SY NY LALAMPIFIDIANANA, 

KA MAHATONGA  FIFIDIANANA TSY MANJARY, 

. NY FIJALIAN' NY VAHOAKA MALAGASY, LASA SORONA,

. ARY MBA TSY HISIAN' NY RÀ MANDRIAKA INTSONY, 

DIA MANAO ANTSO AVO AMIN'  RY VÉLONA REHETRA: NY FFKM, NY TAFIKA, NY MPIASAM-PANJAKANA REHETRA, NY SEHATRA TSY MIANKINA REHETRA, NY VONDRONA POLITIKA REHETRA, NY VONDRON' NY MPANDRAHARAHA REHETRA, NY VONDRON' NY TANTSAHA REHETRA, NY FIARAHAMONIM-PIRENENA REHETRA, NY TANORA REHETRA, 


. HIBEBAKA SY HANKATOA AN' ANDRIAMANITRA, 

. HANAJA NY SOA TOAVINA MALAGASY, 

. HIJORO AMIN' NY FAHAMARINANA,A

. HIRAY HINA HO FAMERENANA NY TENA FAHALEOVANTENAM-PIRENENA SY NY TENA FIANDRIANAM-PIRENENA, 


EO AMBANY FITARIHAN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA, RAIMANDRENY ETO AMIN' NY TANY S NY FIRENENA.


IZAY NO VAHA-OLANA TOKANA AVY AMIN' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA NY FIRENENA !


MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo vohitra masina, 

Sabotsy, 26 Aogositra 2023.


Hoy NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIkARA.



lundi 7 août 2023

TSO-DRANO HO AN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA (2023)

TONGA NY FOTOANA ! 

Miseho eto ankehitriny izao anton- javatra izao mba tsy hisian'ny rà mandriaka eto amin' ny tany sy ny firenena dia ny Andriana no hankasitrahan' Andriamanitra hitondra ny tany sy ny fanjakana fa raha tsy izany tsy mivoatra sy mandroso ary tsy ho sambatra ny firenena iray. 


NY ANDRAIKITRIN'NY MPANJAKA DIA MPITONDRA NY TENIN'ANDRIAMANITRA, MANDAMINA NY DISADISA, MIZARA NY VOKATRA, TOMPON'NY ANTSY BE FANAMPAHANA.


 NY ATAO HOE FANJAKANA DIA FITONDRAM-PANJAKANA MISY MPANJAKA, 


NY MPANJAKA DIA TSY FIDIN'OLONA FA FIDIN'ANDRIAMANITRA ARY OLONA VITA FATI-DRA AMIN'AZY ARY TSY MAINTSY MAHAVITA NY IRAKA AMPANAOVINA AZY, ARY NY MPANJAKA DIA NATAO HANOMPO VAHOAKA FA TSY TOMPOIN'NY VAHOAKA.


ARY ANDRIAMANITRA NO TOMPOM-PAHEFANA FA NY MPANJAKA NO MANAM-PAHEFANA, ARY NY MPANJAKA SY NY AMBANILANITRA NO LEFONA SY AMPINGA ENTIN'ANDRIAMANITRA MIADY HAMPANJAKANA NY FAHAMARINANA.


 NY ZOKIOLONA KOSA NO FEHILOHA. TSY MIDIKA AKORY IZANY HOE AVAHAM- PITIA NY HOVA SY NY ZAZA MANGA FA NY ZAVA DREHETRA MANAN-TANDRIFY, ARY NY LOHA NO MITONDRA NY VATANA SY NY TANANA ARY NY TONGOTRA. 


KOA ELA VELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,  


MAHALEOVA MAHALASANA, HAHAZAKA ADIDY SY ANDRAIKITRA ARY HOMBANAO ANIE ILAY MPAHARY ARAKA ITY TSO-DRANO NOMEN' IREO ANDRIANA ZOKIOLONA NY MERINA ENIN-TOKO SY IRETO ANDRIAMBE REHETRA IRETO ARY NY AMPANJAKA ANTEMORO !


Antananarivo vohitra masina, 

Sabotsy, 24 Jona 2023.

dimanche 6 août 2023

ANTSO HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA HO FAMONJENA NY FIRENENA (2023)

 FANAMBARANA : 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara 


dia nanambara fa tonga eo amin' ny kihondalan' ny Tantaram-pirenena isika izao. Efa mamàrana ny fitondrana ankehitriny. Hivadika ny Tantaram-pirenena. 


Manoloana :

. ny kolikoly avolenta hitam-poko hitam-pirenena,

. ny tsy fanajana ny Zon' Olombelona, 

. ny tsy fanajana ny Soatoavina malagasy,

. ny fanosihosena miverimberina ny lalam-panorenana sy ireo Lalam-pifidianana maro,

. ny fitondrana mitanila, 

. ny lisipifidianana tsy lavo rary sy tsy mahafapo ny maro: 

. ireo malagasy eto an-tanindrazana mihoatra ny efatra tapitrisa tsy tafiditra anaty lisipifidianana, 

. ireo 200.000 malagasy mahery any ampitandranomasina tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana, 

. ny tsy fandriampahalemanana manerana ny Nosy,

. ny krizy ara-lalampanorenana, ara-politika, ara-toekarena, ara-sosialy lalina ankehitriny, 

. Ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harempirenena, 

. ny fahantran' ny 81,6% ny vahoaka malagasy, lasa sorona.


Ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara dia mijoro amin' ny maha Raiamandreny eto amin' ny tany sy ny firenena, tsy momba ny atsy na aroa, mandray andraikitra ho Famonjena ny firenena araka ny Teny Fikasan' Andriamanitra sy mba tsy hisian' ny rà mandrika eto amin' ny firenena.


Koa miantso ny FFKM, ny Tafika, ny Mpiasampanjakana na ny Mpiasa amin' ny sehatra tsy miankina rehetra, ny Vondrona Politika rehetra, ny Vondron' ny Mpandraharaha malagasy rehetra, ny Vondron' ny Tanora rehetra, ny Tantsaha maro anisa, ny Fiarahamonim-pirenena rehetra, 


mba hankatoa an' Ilay Mpahary ny lanitra sy ny Tany, hanaja ny Soatoavina malagasy, hijoro amin' ny fahamarinana sy ny tena Fitiava-tanindrazana, ary hamerina indray ny tena fahaleovantenam-pirenena sy ny tena fiandrianam-pirenena,


miaraka sy eo ambany fitarihan' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Tsy maintsy hijoro ny FANJAKANA MALAGASY, FANJAKA-MPISORONA, FANJAKAN' I MADAGASIKARA,


Ary tsy misy olombelona afaka hahasakana izany Teny Fikasan' Andriamanitra izany. Hoy Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany hoe : "... MIASA AHO, KA IZA NO MAHASAKANA IZANY? 

".


Tanteraka izany, izay i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy vao : 


HO LOHANY FA TSY HO RAMBONY INTSONY,

HO AMBONY FA TSY AMBANY INTSONY,

HAMPINDRANA FA TSY HINDRANA INTSONY.


Tany Masina i Madagasikara!


"... MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO..."


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra masina, faha-05 Aogositra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


--------------------------------

Fanamarihana:

1. Fanambarana Manerantany mikasika ny Zon' Olombelona, ONU, New York, 1948.

2. Fanambarana Manerantany mikasika ny Fahasamihafana ara-Kolotsaina, Unesco, 2001.

3. Fehikevitra, Fivoriana mikasika ny Fandriampahalemana, nokarakarain' ny African Union, Novotel Antananarivo, 14-15 Desambra 2022. 

4. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Novotel Antananarivo, 24 Marsa sy 22 Jona 2023.

. 5. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Radisson Blu Antananarivo, 27 Jolay 2023.

6. Fandalinana mikasika ny Zotram-pifidianana, MMM, Antananarivo, 2023, 59 pejy.