"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

dimanche 6 août 2023

ANTSO HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA HO FAMONJENA NY FIRENENA (2023)

 FANAMBARANA : 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara 


dia nanambara fa tonga eo amin' ny kihondalan' ny Tantaram-pirenena isika izao. Efa mamàrana ny fitondrana ankehitriny. Hivadika ny Tantaram-pirenena. 


Manoloana :

. ny kolikoly avolenta hitam-poko hitam-pirenena,

. ny tsy fanajana ny Zon' Olombelona, 

. ny tsy fanajana ny Soatoavina malagasy,

. ny fanosihosena miverimberina ny lalam-panorenana sy ireo Lalam-pifidianana maro,

. ny fitondrana mitanila, 

. ny lisipifidianana tsy lavo rary sy tsy mahafapo ny maro: 

. ireo malagasy eto an-tanindrazana mihoatra ny efatra tapitrisa tsy tafiditra anaty lisipifidianana, 

. ireo 200.000 malagasy mahery any ampitandranomasina tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana, 

. ny tsy fandriampahalemanana manerana ny Nosy,

. ny krizy ara-lalampanorenana, ara-politika, ara-toekarena, ara-sosialy lalina ankehitriny, 

. Ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harempirenena, 

. ny fahantran' ny 81,6% ny vahoaka malagasy, lasa sorona.


Ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara dia mijoro amin' ny maha Raiamandreny eto amin' ny tany sy ny firenena, tsy momba ny atsy na aroa, mandray andraikitra ho Famonjena ny firenena araka ny Teny Fikasan' Andriamanitra sy mba tsy hisian' ny rà mandrika eto amin' ny firenena.


Koa miantso ny FFKM, ny Tafika, ny Mpiasampanjakana na ny Mpiasa amin' ny sehatra tsy miankina rehetra, ny Vondrona Politika rehetra, ny Vondron' ny Mpandraharaha malagasy rehetra, ny Vondron' ny Tanora rehetra, ny Tantsaha maro anisa, ny Fiarahamonim-pirenena rehetra, 


mba hankatoa an' Ilay Mpahary ny lanitra sy ny Tany, hanaja ny Soatoavina malagasy, hijoro amin' ny fahamarinana sy ny tena Fitiava-tanindrazana, ary hamerina indray ny tena fahaleovantenam-pirenena sy ny tena fiandrianam-pirenena,


miaraka sy eo ambany fitarihan' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Tsy maintsy hijoro ny FANJAKANA MALAGASY, FANJAKA-MPISORONA, FANJAKAN' I MADAGASIKARA,


Ary tsy misy olombelona afaka hahasakana izany Teny Fikasan' Andriamanitra izany. Hoy Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany hoe : "... MIASA AHO, KA IZA NO MAHASAKANA IZANY? 

".


Tanteraka izany, izay i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy vao : 


HO LOHANY FA TSY HO RAMBONY INTSONY,

HO AMBONY FA TSY AMBANY INTSONY,

HAMPINDRANA FA TSY HINDRANA INTSONY.


Tany Masina i Madagasikara!


"... MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO..."


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra masina, faha-05 Aogositra 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


--------------------------------

Fanamarihana:

1. Fanambarana Manerantany mikasika ny Zon' Olombelona, ONU, New York, 1948.

2. Fanambarana Manerantany mikasika ny Fahasamihafana ara-Kolotsaina, Unesco, 2001.

3. Fehikevitra, Fivoriana mikasika ny Fandriampahalemana, nokarakarain' ny African Union, Novotel Antananarivo, 14-15 Desambra 2022. 

4. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Novotel Antananarivo, 24 Marsa sy 22 Jona 2023.

. 5. Fivoriana nokarakarain' ny Ceni sy ny Pnud Madagasikara, Radisson Blu Antananarivo, 27 Jolay 2023.

6. Fandalinana mikasika ny Zotram-pifidianana, MMM, Antananarivo, 2023, 59 pejy.



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.