"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

jeudi 27 janvier 2022

FANAMBARANA: NY TOERANA AVO HANORENANA TRANO. NY TOERANA IVA HAMBOLENA VARY.

NY COLISEE DIA MILA HESORINA HAINGANA. NY TELEPHERIQUE MAMPIDIDOZA DIA TSY ILAINA HAPETRAKA ENY AMIN' NY FARITRA MANODIDINA NY ROVA SY ANDOHALOMASINA: 


TENA TSY FANAJANA NY VAKOKA ENY AMIN' NY TOERANA MASINA, ARY TENA FANOTANA FADY TANTERAKA, ARY MAMPIDIDOZA HO AN' NY FIRENENA.    

                                                                                                   FA NY FANKATOAVANA AN' ILAY MPAHARY, NY FANAJANA NY HASINA, NY SOATOAVINA, ARY NY VAKOKA MANAN-TANTARA NO TOKONY ATAO!  


FA TSY NY VAHOAKA EFA NIPETRAKA ENY AMIN' NY TOERANA AVO EFA HATRAMIN' NY RAZAMBENY AN-JATO TAONA SANATRIA NO TADIAVINA HIALA ENY ...!    


NY TOERANA AVO NATAO IPETRAHANA. NY TOERANA IVA NATAO HAMBOLENA VARY SY ZAVA-MANIRY. ARY AOKA IZAY NY FANOTOFANA TANY SY NY FANORENANA TRANO ENY AMIN' NY TANIMBARY SY NY TANY LEMAKA.

                                                                                                                TANY MASINA I MADAGASIKARA !  


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo vohitra masina, faha-25 Janoary 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



mardi 18 janvier 2022

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: HO FIRENENA VOALOHANY FA TSY HO FARANY :

Ara-tantara dia firenena anisan’ny natanjaka indrindra eran-tany ny Fanjakan’ i Madagasikara, tamin’ ny Taonjato faha-19, izay neken’ ny firenena vahiny, toa an’i Etazonia, Frantsa, Alemana, Angletera, ary mbola teo alohan’ i Japana (1867).

Taorian’ ny Konferansa tany Berlin (1884-1885) anefa, izay nivorian’ ireo firenena tandrefana mpanjanatany (Alemana, Angletera, Aotrisia-Hongria, Belzika, Danemark, Espana, Etazonia, Hollanda, Italia, Lafrantsa, Portiogal, Soeda, Torkia),

dia tonga teto ny mpanjanantany frantsay ary nopotehiny ny firenena, nampijaliany sy notifiriny ary novonoiny ny tompontany an-tapitrisa, ary nangalariny ny tany sy ny harem-pirenena teto Madagasikara, nandritra ny efatra amby enim-polo taona (1896-1960), harena izay mahatratra 100 Milliards Dollar USD mahery, izay tsy maintsy haverin’ ilay firenena mpanjanantany.

Napetraky ny mpanjanantany frantsay ny Rafitra Repoblikana, laika, demokratika (1958-2021), izay kolotsaina vahiny tandrefana, miaraka amin’ ny resaka Antoko Politika sy Demokrasia ary ny fandàvana an’ i Zanahary, Andriamanitra Andriananahary, Ilay Mpahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, rafitra repoblikana nentin’izy ireo nampiadiana ny tompontany sy nampahantrana ny firenena iray manontolo, sy nanohizan’ izy ireo ny fangalàrana sy ny fandrobàna ny harem-pirenena ary ny fanapotehana ny firenena. 60 Milliards Dollar USD no vola very raha kely indrindra, nandritra ny enim-polo taona farany, vokatry ny famoahana antsokosoko ny harena teto.

Ny filohan’ ny repoblika nifandimby, teto amin’ ny firenena, dia voaongana hatrany satria: na saribakoly nolalaovin’ ny vahiny, na nandroba ny harem-pirenena, na nivarotra tanindrazana, na nampijaly sy nitifitra ary namono vahoaka, na niasa fa tsy nahavita, ka tonga amin’izao faha-enim-polo taonan’ ny fahantran’ ny vahoaka izao. Ary izay mbola mieritreritra Repoblika dia mbola tratran' ny velapandriky ny mpanjanatany, voaozona ary tsy maintsy hirodana hatrany.

Araka ny Teny Fikasan’ Ilay Mpahary (Isaiah 60), nolazainy tamin’ ny mpanompon’Andriamanitra vitsy, dia hofongorany eto ireo olona sy firenena mampijaly an' i Madagasikara satria mandà sy manohitra an’ i Zanahary, Ilay Mpahary, Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, indrindra ny namoaka lalàna mankasitraka zavatra mamoafady. Ary ho haverin’ i Zanahary amin’ i Madagasikara ny Nosy rehetra izay azy fahiny (Bassas da India, Europa, Juan de Nova, Iles Glorieuses, Tromelin, Comores, Mayotte, Diego Garcia, La Reunion…).

Ary hiverina amin’ i Madagasikara ny harena rehetra izay navoaka teto, tamin’ ny tsy fahamarinana, fa ozona kosa ho an’izay olona na firenena mitazona izany harena izany, na iza na iza, ary na aiza na aiza misy azy, ka tsy mamerina azy eto Madagasikara.

Ary ho hajoron’ ILAY MPAHARY eto Madagasikara ny SIVILIZASIONA VAOVAO, ny RAFI-PIARAHAMONINA VAOVAO, ny OLOM-BAOVAO, mankatoa an’ i Zanahary sy ny manaja ny Soatoavina ary ny Kolotsainam-pirenena: FANJAKA-MPISORONA sy FIRENENA MASINA (Eksodoy 19:6), fanjakana miorina amin’ny Boky Masina Tenin' Ilay Mpahary, manaja ny Fianakaviana sy ny Soatoavina Fito (Fanajàna an' Ilay Mpahary, Hasina, Fahamarinana, Fihavànana, Firaisankina, Tanindrazana, Fiandrianam-pirenena), mankatoa an' i IAHOSOA MASINA, ZANAK' ILAY MPAHARY, MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO, ary ho lasa firenena mandroso, anisan’ ny ho voalohany indrindra eran-tany i Madagasikara !!!

Hoy Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany: "...dia hahatonga anao HO FIRENENA LEHIBE AHO sady HITAHY ANAO sy HAHALEHIBE NY ANARANAO; ary HO FITAHINA TOKOA IANAO; ary HITAHY IZAY MANISY SOA ANAO AHO, fa hanozona izay manozona anao; ary AMINAO NO HITAHINA NY FIRENENA REHETRA AMBONIN'NY TANY".

"Dia hataon' ILAY MPAHARY ho LOHANY IANAO, fa tsy ho rambony; ary HO AMBONY TOKOA IANAO, fa tsy ho ambany, RAHA MIHAINO NY DIDIN' ILAY MPAHARY ANDRIAMANITRAO, izay andidiako anao anio, KA MITANDRINA SY MANARAKA AZY".

NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Antananarivo Vohitra Masina, 01 Janoary 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


(c) Copyright.

Fampahatsiahivana: Fanambararana 21 Jona 2010.