"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

lundi 5 juillet 2021

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: FAMBOLENA VARY HO SAHAZA NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA ETO MADAGASIKARA

Ny vary no foto-tsakafon' ny Malagasy efa hatry ny ela ary Madagasikara no firenena manana karazana vary betsaka indrindra erantany.


Ny Mpanjaka Andrianjaka (c.1610-1630) no namboly sy namokatra vary voalohany teo amin' ny Lemaka Betsimitatatra, ary notohizan' ny Mpanjaka Andriamanjakatokana, ny Mpanjaka Andriamasinavalona (c.1675-1710), ary ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (c.1776-1810).


N.A. Félix Rasoamaharo (1914-1978), Ingénieur Agronome Malagasy voalohany (Toulouse, 1943), Haut Conseiller au Développement (1963), no nampiditra ny fitaovana fampandrosoana ny fambolena , indrindra ny fitaovana "Kubota" voalohany mba hampitomboina ny vokatra vary sy voly avotra eto Madagasikara.


Mila haparitaka koa ny Fomba Fambolena vary (repiquage précoce de plants de riz) nataon' ilay Mpikaroka Japoney Katayama (1951).


Mila haparitaka ihany koa ny Fomba Fambolena vary mitandahatra mahitsy (Riziculture en ligne) izay nataon' N.A. Rasohamaro Rajoharison, Agronome Tropicale, Chef de Zone d'expansion rurale (Unité Régionale d'expansion rurale) teto amin' ny Lemaka Betsimitatatra sy manodidina Antananarivo (1967-1978), voalohany teto Madagasikara ary nampiasa Teknisiana Malagasy mihoatra ny dimanjato (Agents techniques, vaccinateurs, vulgarisateurs, ...).


Mila haparitaka ihany koa ny Fomba Fambolana vary nataon' ny Ingénieur Agronome Didier Moreau (1987) ary nataon' ny Mopera Henri de Laulanié de Sainte Croix (1920-1995), Ingénieur Agronome, amin' ny alàlan' ny "Système de riziculture intensive" (SRI), "Ketsa valo andro" sy ny "Voly vary maro anaka" eto Madagasikara (1983), izay nalain' ireo 55 firenena hafa tahaka, ary mety hahazoana 5-7 Tonnes vary/ hektara.


Misy Fomba "Fambolena vary an-tanety" (Système de riziculture en terasse) any amin' ny Faritra Betsileo atao hoe "Kipahy" koa, izay tokony haparitaka any amin' ny Faritra mando tahaka ny any amin' ny Faritra Atsinanana an'i Madagasikara, hahazoana vokatra vary indroa isan-taona ary 5-7 Tonnes vary/ hektara.

Marihina fa efa nisy Malagasy namokatra vary 15 Tonnes) hektara ary azo atao 17-24 Tonnes / hektara izany.


N.A. Razafindrakoto Marius (Sc. Po. Paris, Service public, 1966) no efa nanoratra boky (cf. Madagascar : Bilan exhaustif de l'économie 1995; Les voies du pouvoir à Madagascar, 2008) fa tokony ho mahaleotena ara-tsakafo i Madagasikara ary tokony hamokatra 5.000.000 Tonnes vary isan-taona raha kely indrindra.


Ary mila hajanona ny Fanotofana tanimbary sy lemaka, izay afaka mamokatra vary sy voly isan-karazany.


Marihina ihany koa fa misy ny toerana mamokatra vary betsaka eto Madagasikara fa ny làlana hamoahana ny vokatra no mila hamboarina sy hatsaraina haingana.



Fehiny: Azo atao tsara ny Famokarana vary sy voly isan-karazany ataon' ny Malagasy ho sahaza ny vahoaka malagasy rehetra eto Madagasikara, fa mila Fahavononana politika. Koa mamporisika ny Malagasy rehetra. 



Antananarivo vohitra masina, faha-04 Jolay 2021.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Lehiben'ny Fianakaviamben ny Mpanjaka eto Madagasikara, 



Loharano :

. Tantaran' Andriana eto Madagasikara. 

. Katayama: Les phyllochrones du riz, Japon,  1951.

. Rajoharison, Félix: Vulgarisation de matériels agricoles japonais Kubota, Antananarivo.

. Rajoharison, Rasoamaharo: Ny Andriana Rajoharison Félix, Ingénieur Agronome Malagasy voalohany; Vulgarisation de la riziculture en ligne à Madagascar, Antananarivo, 1968.

. Père Henri de Laulanié de Sainte Croix, s.j. : Le Riz à Madagascar, Système de riziculture intensif (SRI), Antananarivo, 1983.

. Moreau, Didier: L'analyse de l'élaboration du rendement du riz, Gret, Antananarivo, 1987.

. Razafindrakoto, Marius, Sc. Po. Paris, 1966: Bilan exhaustif de l'économie malgache 1995; Les voies du pouvoir à Madagascar, 2008.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.