"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

vendredi 17 juin 2011

JESOSY KRISTY : MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO :


-


- Hoy Ilay Mpahary YHWH tamin' i Abrahama: "...dia hahatonga anao ho FIRENENA LEHIBE Aho sady HITAHY ANAO sy HAHALEHIBE NY ANARANAO, ary ho FITAHIANA TOKOA IANAO; ary HITAHY izay MANISY SOA ANAO Aho, fa HANOZONA IZAY MANOZONA ANAO; ary AMINAO NO HITAHIANA NY FIRENENA REHETRA AMBONIN' NY TANY" (Genesisy 12:2-3).


- Hoy Ilay Mpahary YHWH tamin' i Abrahama:  "...satria efa nataoko ho RAIN' NY FIRENENA MARO HIANAO. Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho FIRENENA MARO HIANAO; ary hisy MPANJAKA MARO hiseho avy aminao." (Genesisy 17:5-6).


" Ary haoriko ny FANEKEKO HO AMIKO SY HO AMINAO MBAMIN' NY TARANAKAO MANDIMBY ANAO hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho FANEKENA MANDRAKIZAY, mba ho ANDRIAMANITRAO SY NY TARANAKAO MANDIMBY ANAO AHO." (Genesisy 17:7).


" Mandrenesa hianareo, ry MPANJAKA, Mihainoa hianareo, ry ZANAKANDRIANA ! Izaho indrindra no hihira ho an'i YHWH; Hankalaza an'i YHWH, Andriamanitry ny Israely, aho". (Mpitsara 5:3).



" Indro, ny MPANJAKA hanjaka amin' ny fahamarinana, ary ny ZANAKANDRIANA hanapaka amin'ny rariny" (Isaiah 32:1).



" Ny MPANJAKA hahita ka hitsangana, ary ny ZANAKANDRIANA koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i YHWH, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao." (Isaiah 49:7).



" Sambatra ianao ry Firenena, raha ny MPANJAKANAO dia TENA ANDRIANA" (Mpitoriteny 10:17).


" Fa toy izao no nitiavan' YHWH izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana (Jesosy Kristy) mba tsy ho very IZAY REHETRA MINO AZY fa HANANA FIAINANA MANDRAKIZAY " (Jaona 3:16).


" Izaho mananatra anao eo anatrehan'IHWH, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i KRISTY JESOSY, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i JESOSY KRISTY TOMPONTSIKA izany didy izany; ny Andriana finaritra sady tokana, MPANJAKAN' NY MPANJAKA sy TOMPON' NY TOMPO, no haneho izany amin'ny fotoany; Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina Izay tsy hitan'ny olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena ! " (I Timoty 6:13-16).


" Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry (Jesosy Kristy), ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria TOMPON' NY TOMPO sy MPANJAKAN' NY MPANJAKA Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky." (Apokalypsy 17:14).


" Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy (Jesosy Kristy) manao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO." (Apokalypsy 19:16).


" Ary ny FIRENENA MARO no handeha amin'ny Fahazavàny; ary ny MPANJAKAN' NY TANY dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny" (Apokalypsy 21:24).


-




(c) copyright.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.