"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

dimanche 4 septembre 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO NDRENOGNY ANTAGNALA AO IKONGO SY IFANADIANA (2015-2022)

  FIHAONANA MPANJAKA 

teo amin' 

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA, 

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

sy

. NY NDRENOGNY na AMPANJAKA BE AMIN' NY FANJAKANA ANTAGNALA AO IKONGO SY IFANADIANA, 

ary 

. Ny Solombavambahoaka RAZAFITSIANDRAOFA JEAN BRUNELLE, 

FILOHA LEFITRY NY ANTENIMIERAM-PIRENENA, 

. NY BEN' NY TANÀNA SY NY BEN' NY TANÀNA LEFITRA AO IFANADIANA,  

NIARAKA TAMIN' IREO SOLONTENA MPIARA-DIA AMINY AVY,

ho

. FAMPAHATSIAVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA) SY NY RAZAMBE IRAISANA.

. FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.

. FITODIHANA NY TALOHA, FANDINIHINA NY ANKEHITRINY ARY FANOMANANA NY HO AVY.

. NANAMAFY KOA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA FA AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA SY MBOLA AZO HAMPIDININA AZA ARY MANANA VAHA-OLANA AMIN' IZANY IZY IREO.

. NISY KOA NY FANOMEZANA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA SY AVY AMIN' NY VONDRONA IRAISANA MIARO NY VAKOKA (VIMVA) AVY ANY AM-PITANDRANOMASINA HO AN' IREO NDRENOGNY ANTAGNALA AO IFANADIANA SY IKONGO. 

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

"... MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO ...".

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Antananarivo Vohitra Masina, 2015, 2021,

ary Ifanadiana, Vohitra Masina, 2022.

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA, 

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.

vendredi 2 septembre 2022

FANAMBARANA MIKASIKA NY FANDRIAMPAHALEMANA

 NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA 

dia

. Manameloka ny Fitifirana ny vahoaka sivily tany Ikongo sy Ankazobe ary Sakay ary nahafatesana malagasy sivily am-polony sy nandratra sivily ampolony maro. 

. Mamerina indray fa ny Mpitandro Filaminana dia natao hiaro ny vahoaka sy ny fanànany ary ny Tanindrazana,

 fa tsy natao hitiftra na handratra na hampijaly na hamono ny vahoaka sivily.

. Manambara fa ny Mpitandro Filaminana dia tsy natao hiaro ireo dahalo na ireo mpanao politika na vahiny mpanao kolikoly sy mpangalatra. 

. Miara-ory amin' Ny Ndrenogny na Ampanjaka be ao amin' ny Fanjakana Antagnala ao Ikongo sy ny vahoaka manontolo.

. Miara-ory amin' ny fianakaviana manjo tany Ankazobe, Sakay, Toamasina, Farafangana, any Atsimo, ary manerana ny Nosy vokatry ny asan-dahalo ka nahafatesana malagasy mpiray tanindrazana maro tsy voatanisa. 

. Mirary Fahasitranana haingana sy feno ho an' ireo vahoaka malagasy voatifitry ny dahalo sy ny mpitandro filaminana. 

. Manambara fa tsy misy Fandriampahalemana eto amin' ny Tany sy ny Firenena. 

. Manambara fa manjakazaka ny kolikoly indrindra eo anivon' ny fitondrana nifandimby sy eo anivon' ny fiaraha-monina.

. Manambara fa tsy mahatoky ny Fitsarana, izay hita matetika fa mitanila amin' ny tsy marina sy tsy rariny, ny vahoaka malagasy maro an'isa. 

. Mahatsapa fa ny vahiny indray no homena vahana eto amin' ny tany sy ny firenena fa tsy ny malagasy. 

. Manambara fa tsy mahatoky ireo mpanao politika nifandimby intsony ny vahoaka maro an' isa izay vao maika tena latsaka ao anaty Fahantrana lalina .

Noho izany:

. Mila Fanovana tanteraka ny rafitra politika eto Madagasikara ary mila Olombaovao maro, matahotra an' Ilay Mpahary, tsy mpanao kolikoly, tena tia tanindrazana, manaja ny Soatoavina malagasy, tena mahay, tena mahavita azy, miaraka amin' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, ho Famonjena ny firenena. 

NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA !

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !

Antananarivo Vohitra masina, 

Taona Sabotsy, 01 Septambra 2022.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,

Avy amin'ny Lahimatoan' i Madagasikara, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

lundi 22 août 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA RABARIOELINA SY IREO MASĪNA NA AMPANJAKA BETSILEO (2022)

FIHAONANA MPANJAKA 

TEO AMIN'   

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' I MADAGASIKARA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY

. NY MASĪNA RAKOTOBE JEAN DAMASE,

FANJAKANA BETSILEO LALANGINA,

. NY MASĪNA RATOVONONY ANGELO,

FANJAKANA BETSILEO ISANDRA,

. NY MASÌNA RATSANGA III,

FANJAKANA BETSILEO MANANDRIANA, 

. NY MASÌNA ANDRIAMASINANDRO

FANJAKANA BETSILEO LALANGINA SY VOHIBATO,

NIARAKA TAMIN' IREO SOLONTENA MPIARA-DIA AMINY AVY,

HO

. FAMPAHATSIAVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA) SY NY RAZAMBE IRAISANA.

. FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.

. FITODIHANA NY TALOHA, FANDINIHINA NY ANKEHITRINY ARY FANOMANANA NY HO AVY.

. NANAMAFY KOA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA FA AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA SY MBOLA AZO HAMPIDININA AZA ARY MANANA VAHA-OLANA AMIN' IZANY IZY IREO.

. NISY KOA NY FANOMEZANA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA SY AVY AMIN' NY VONDRONA IRAISANA MIARO NY VAKOKA (VIMVA) AVY ANY AM-PITANDRANOMASINA HO AN' IREO MASĪNA AMIN' NY FANJAKANA BETSILEO. 

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

"... MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO ...".

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Lapa Vohimasina, Fanjakana Betsileo,

Taona Sabotsy, volana Elul, 03 Aogositra 2022.

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' I MADAGASIKARA, 

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.

vendredi 12 août 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA (2022)

 FIHAONANA MPANJAKA

TEO AMIN'

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY

IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA

AO AMIN' NY TRANOBE MANANJARY,

NIARAKA TAMIN' IREO SOLONTENA MPIARA-DIA AMINY AVY,

HO

. FAMPAHATSIAVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA).

. FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.

. FITODIHANA NY TALOHA, FANDINIHINA NY ANKEHITRINY ARY FANOMANANA NY HO AVY.

. NANAMAFY KOA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA FA AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA SY MBOLA AZO HAMPIDININA AZY ARY MANANA VAHA-OLANA AMIN' IZANY IZY IREO.

. NISY KOA NY FANOMEZANA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA SY NY VONDRONA IRAISANA MIARO NY VAKOKA (VIMVA) AVY ANY AM-PITANDRANOMASINA HO AN' NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO MARC BRILLANT.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO ...".

. "... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY... " .

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Tranobe Andramagna Andrefana, 

Mananjary Vohitra Masina, 

Taona Sabotsy, Aogositra 2022.

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.

lundi 8 août 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO TANY IVATO-VOHIPENO (2022)

 FIHAONANA MPANJAKA

TEO AMIN'

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY

NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO MARC BRILLANT,

AMPANJAKA BE ANTEMORO,

NIARAKA TAMIN' IREO SOLONTENA MPIARA-DIA AMINY AVY,

HO

. FAMPAHATSIAVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA).

. FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.

. FITODIHANA NY TALOHA, FANDINIHINA NY ANKEHITRINY ARY FANOMANANA NY HO AVY.

. NANAMAFY KOA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA FA AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA SY MBOLA AZO HAMPIDININA AZY ARY MANANA VAHA-OLANA AMIN' IZANY IZY IREO.

. NISY KOA NY FANOMEZANA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA SY NY VONDRONA IRAISANA MIARO NY VAKOKA (VIMVA) AVY ANY AM-PITANDRANOMASINA HO AN' NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO MARC BRILLANT.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO ...".

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Lapa Fenovola, Ivato Vohipeno,

Taona Sabotsy, 01 Aogositra 2022.

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.

mercredi 13 juillet 2022

FANAMBARANA: AZO ATAO NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA ETO MADAGASIKARA

RY MPIRAY TANINDRAZANA, 

AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA ETO MADAGASIKARA. MISY NY VAHA-OLANA. MANANA NY VAHA-OLANA IZAHAY.

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !

Antananarivo, faha-11 Jolay 2022.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

samedi 2 avril 2022

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY 6022!

  "...ITY VOLANA ITY NO VOALOHAM-BOLANA HO ANAREO, DIA HO VOALOHAM-BOLANA AMIN' NY TAONA HO ANAREO ...". SAMBASAMBA ZANAHARY! ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO 6022!

NY ANDON' NY LANITRA SY NY TSIRON' NY TANY HO AMINAREO REHETRA ! SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY !                                                                      DIA SAMY HO TAHIN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY HATRANY!

Vita soa amantsara ny Fankalazana an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ny andro voalohany amin'ny volana voalohany amin' ny TAOMBAOVAO 6022 izay natao tao AnerinerinaToerana Masina,

izay nisy ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN' IMERINA (c.1275-1300 AD), Mpanjaka Merina voalohany teto Avaradrano Zokin' Imerina ary razamben' ny Mpanjaka sy andriana Merina rehetra sy ireo Mpanjakan' i Madagasikara.

Notanterahina ny Fotoam-pivavahana izay nisy Fizarana ny Tenin' ILAY MPAHARY, nataon' ny Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 72 Taona, izay manamafy fa FANJAKA-PISORONA sy FIRENENA MASINA ary TARANAKA VOAFIDY manokana ny andriana eto amin' ny Tany sy ny Firenena, eo anatrehan' ILAY MPAHARY ary manana Adidy Masina sy Andraikitra goavana amin' ny Famonjena ny Firenena.

Nohamafisina ihany koa ny TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY HO AN' I MADAGASIKARA manokana manao hoe

"...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..."

Nisy koa ny Fanazavana ny Tantara miafin' i Madagasikara, Tany Fototra, izay Tantara mihoatra ny 6000 Taona mahery, hatrany amboalohany, nanomboka tamin' ny Olombelona voalohany ka mandraka ankehitriny.

Nisy koa ny Vavaka manokana ho Famonjena ny firenena ary ny Fitondrana am-bavaka sy Tsodrano manokana nataon' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 75 Taona ho an'

Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,

eo amin' ny Adidy Masina izay nasain' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ataony, teo anatrehan' ireo Andriana Solontena avy amin' Imerina Enitoko.

Avy eo dia nisy ny Tsidibohitra ny Toerana Masina Anerinerina, misy Ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA loharanon' ireo Mpanjaka Merina rehetra eto Imerina Eni-Toko, sy ny Fanazavana fa MPANJAKA mi-isa Folo, izay MPANJAKA MERINA sy MPANJAKAN' I MADAGASIKARA, no nipoitra teto amin' ireo Vohitra masina manodidina teto.

Nisy koa ny fitazànana ny Dobo Masina ao Andranonandriana izay nitondrana ny rano masina ho an' Anatirova Antananarivo misy an' i Manjakamiadana.

Ary natao koa ny TATAO, izay Fihinanana ny VARY TONDRAHAN-DRONONO sy TANTELY ary ny TSO-DRANO, fomba nenti-paharazana efa nandritra ny arivo taona maro nataon' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, izay notanterahina tao Antananarivo Vohitra masina.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

« …NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY… ».

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY ny Voninahitra mandrakizay !

Anerinerina, Ambohimalaza, Avararano Zokin’Imerina, 01 Aprily 2022.

Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.