"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 13 juillet 2022

FANAMBARANA: AZO ATAO NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA ETO MADAGASIKARA

RY MPIRAY TANINDRAZANA, 


AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA ETO MADAGASIKARA. MISY NY VAHA-OLANA. MANANA NY VAHA-OLANA IZAHAY.


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo, faha-11 Jolay 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



samedi 2 avril 2022

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY 6022!

  "...ITY VOLANA ITY NO VOALOHAM-BOLANA HO ANAREO, DIA HO VOALOHAM-BOLANA AMIN' NY TAONA HO ANAREO ...". SAMBASAMBA ZANAHARY! ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO 6022!

NY ANDON' NY LANITRA SY NY TSIRON' NY TANY HO AMINAREO REHETRA ! SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY !                                                                      DIA SAMY HO TAHIN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY HATRANY!

 

Vita soa amantsara ny Fankalazana an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ny andro voalohany amin'ny volana voalohany amin' ny TAOMBAOVAO 6022 izay natao tao AnerinerinaToerana Masina,

izay nisy ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN' IMERINA (c.1275-1300 AD), Mpanjaka Merina voalohany teto Avaradrano Zokin' Imerina ary razamben' ny Mpanjaka sy andriana Merina rehetra sy ireo Mpanjakan' i Madagasikara.

Notanterahina ny Fotoam-pivavahana izay nisy Fizarana ny Tenin' ILAY MPAHARY, nataon' ny Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 72 Taona, izay manamafy fa FANJAKA-PISORONA sy FIRENENA MASINA ary TARANAKA VOAFIDY manokana ny andriana eto amin' ny Tany sy ny Firenena, eo anatrehan' ILAY MPAHARY ary manana Adidy Masina sy Andraikitra goavana amin' ny Famonjena ny Firenena.

Nohamafisina ihany koa ny TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY HO AN' I MADAGASIKARA manokana manao hoe

"...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..."

Nisy koa ny Fanazavana ny Tantara miafin' i Madagasikara, Tany Fototra, izay Tantara mihoatra ny 6000 Taona mahery, hatrany amboalohany, nanomboka tamin' ny Olombelona voalohany ka mandraka ankehitriny.

Nisy koa ny Vavaka manokana ho Famonjena ny firenena ary ny Fitondrana am-bavaka sy Tsodrano manokana nataon' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 75 Taona ho an'

Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


eo amin' ny Adidy Masina izay nasain' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ataony, teo anatrehan' ireo Andriana Solontena avy amin' Imerina Enitoko.

Avy eo dia nisy ny Tsidibohitra ny Toerana Masina Anerinerina, misy Ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA loharanon' ireo Mpanjaka Merina rehetra eto Imerina Eni-Toko, sy ny Fanazavana fa MPANJAKA mi-isa Folo, izay MPANJAKA MERINA sy MPANJAKAN' I MADAGASIKARA, no nipoitra teto amin' ireo Vohitra masina manodidina teto.

Nisy koa ny fitazànana ny Dobo Masina ao Andranonandriana izay nitondrana ny rano masina ho an' Anatirova Antananarivo misy an' i Manjakamiadana.

Ary natao koa ny TATAO, izay Fihinanana ny VARY TONDRAHAN-DRONONO sy TANTELY ary ny TSO-DRANO, fomba nenti-paharazana efa nandritra ny arivo taona maro nataon' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, izay notanterahina tao Antananarivo Vohitra masina.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

« …NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY… ».

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY ny Voninahitra mandrakizay !

Anerinerina, Ambohimalaza, Avararano Zokin’Imerina, 01 Aprily 2022.

Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

 

jeudi 27 janvier 2022

FANAMBARANA: NY TOERANA AVO HANORENANA TRANO. NY TOERANA IVA HAMBOLENA VARY.

NY COLISEE DIA MILA HESORINA HAINGANA. NY TELEPHERIQUE MAMPIDIDOZA DIA TSY ILAINA HAPETRAKA ENY AMIN' NY FARITRA MANODIDINA NY ROVA SY ANDOHALOMASINA: 


TENA TSY FANAJANA NY VAKOKA ENY AMIN' NY TOERANA MASINA, ARY TENA FANOTANA FADY TANTERAKA, ARY MAMPIDIDOZA HO AN' NY FIRENENA.    

                                                                                                   FA NY FANKATOAVANA AN' ILAY MPAHARY, NY FANAJANA NY HASINA, NY SOATOAVINA, ARY NY VAKOKA MANAN-TANTARA NO TOKONY ATAO!  


FA TSY NY VAHOAKA EFA NIPETRAKA ENY AMIN' NY TOERANA AVO EFA HATRAMIN' NY RAZAMBENY AN-JATO TAONA SANATRIA NO TADIAVINA HIALA ENY ...!    


NY TOERANA AVO NATAO IPETRAHANA. NY TOERANA IVA NATAO HAMBOLENA VARY SY ZAVA-MANIRY. ARY AOKA IZAY NY FANOTOFANA TANY SY NY FANORENANA TRANO ENY AMIN' NY TANIMBARY SY NY TANY LEMAKA.

                                                                                                                TANY MASINA I MADAGASIKARA !  


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo vohitra masina, faha-25 Janoary 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



mardi 18 janvier 2022

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: HO FIRENENA VOALOHANY FA TSY HO FARANY :

Ara-tantara dia firenena anisan’ny natanjaka indrindra eran-tany ny Fanjakan’ i Madagasikara, tamin’ ny Taonjato faha-19, izay neken’ ny firenena vahiny, toa an’i Etazonia, Frantsa, Alemana, Angletera, ary mbola teo alohan’ i Japana (1867).

Taorian’ ny Konferansa tany Berlin (1884-1885) anefa, izay nivorian’ ireo firenena tandrefana mpanjanatany (Alemana, Angletera, Aotrisia-Hongria, Belzika, Danemark, Espana, Etazonia, Hollanda, Italia, Lafrantsa, Portiogal, Soeda, Torkia),

dia tonga teto ny mpanjanantany frantsay ary nopotehiny ny firenena, nampijaliany sy notifiriny ary novonoiny ny tompontany an-tapitrisa, ary nangalariny ny tany sy ny harem-pirenena teto Madagasikara, nandritra ny efatra amby enim-polo taona (1896-1960), harena izay mahatratra 100 Milliards Dollar USD mahery, izay tsy maintsy haverin’ ilay firenena mpanjanantany.

Napetraky ny mpanjanantany frantsay ny Rafitra Repoblikana, laika, demokratika (1958-2021), izay kolotsaina vahiny tandrefana, miaraka amin’ ny resaka Antoko Politika sy Demokrasia ary ny fandàvana an’ i Zanahary, Andriamanitra Andriananahary, Ilay Mpahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, rafitra repoblikana nentin’izy ireo nampiadiana ny tompontany sy nampahantrana ny firenena iray manontolo, sy nanohizan’ izy ireo ny fangalàrana sy ny fandrobàna ny harem-pirenena ary ny fanapotehana ny firenena. 60 Milliards Dollar USD no vola very raha kely indrindra, nandritra ny enim-polo taona farany, vokatry ny famoahana antsokosoko ny harena teto.

Ny filohan’ ny repoblika nifandimby, teto amin’ ny firenena, dia voaongana hatrany satria: na saribakoly nolalaovin’ ny vahiny, na nandroba ny harem-pirenena, na nivarotra tanindrazana, na nampijaly sy nitifitra ary namono vahoaka, na niasa fa tsy nahavita, ka tonga amin’izao faha-enim-polo taonan’ ny fahantran’ ny vahoaka izao. Ary izay mbola mieritreritra Repoblika dia mbola tratran' ny velapandriky ny mpanjanatany, voaozona ary tsy maintsy hirodana hatrany.

Araka ny Teny Fikasan’ Ilay Mpahary (Isaiah 60), nolazainy tamin’ ny mpanompon’Andriamanitra vitsy, dia hofongorany eto ireo olona sy firenena mampijaly an' i Madagasikara satria mandà sy manohitra an’ i Zanahary, Ilay Mpahary, Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, indrindra ny namoaka lalàna mankasitraka zavatra mamoafady. Ary ho haverin’ i Zanahary amin’ i Madagasikara ny Nosy rehetra izay azy fahiny (Bassas da India, Europa, Juan de Nova, Iles Glorieuses, Tromelin, Comores, Mayotte, Diego Garcia, La Reunion…).

Ary hiverina amin’ i Madagasikara ny harena rehetra izay navoaka teto, tamin’ ny tsy fahamarinana, fa ozona kosa ho an’izay olona na firenena mitazona izany harena izany, na iza na iza, ary na aiza na aiza misy azy, ka tsy mamerina azy eto Madagasikara.

Ary ho hajoron’ ILAY MPAHARY eto Madagasikara ny SIVILIZASIONA VAOVAO, ny RAFI-PIARAHAMONINA VAOVAO, ny OLOM-BAOVAO, mankatoa an’ i Zanahary sy ny manaja ny Soatoavina ary ny Kolotsainam-pirenena: FANJAKA-MPISORONA sy FIRENENA MASINA (Eksodoy 19:6), fanjakana miorina amin’ny Boky Masina Tenin' Ilay Mpahary, manaja ny Fianakaviana sy ny Soatoavina Fito (Fanajàna an' Ilay Mpahary, Hasina, Fahamarinana, Fihavànana, Firaisankina, Tanindrazana, Fiandrianam-pirenena), mankatoa an' i IAHOSOA MASINA, ZANAK' ILAY MPAHARY, MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO, ary ho lasa firenena mandroso, anisan’ ny ho voalohany indrindra eran-tany i Madagasikara !!!

Hoy Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany: "...dia hahatonga anao HO FIRENENA LEHIBE AHO sady HITAHY ANAO sy HAHALEHIBE NY ANARANAO; ary HO FITAHINA TOKOA IANAO; ary HITAHY IZAY MANISY SOA ANAO AHO, fa hanozona izay manozona anao; ary AMINAO NO HITAHINA NY FIRENENA REHETRA AMBONIN'NY TANY".

"Dia hataon' ILAY MPAHARY ho LOHANY IANAO, fa tsy ho rambony; ary HO AMBONY TOKOA IANAO, fa tsy ho ambany, RAHA MIHAINO NY DIDIN' ILAY MPAHARY ANDRIAMANITRAO, izay andidiako anao anio, KA MITANDRINA SY MANARAKA AZY".

NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Antananarivo Vohitra Masina, 01 Janoary 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


(c) Copyright.

Fampahatsiahivana: Fanambararana 21 Jona 2010.

jeudi 16 décembre 2021

NY FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA TSY MANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE EO MANJAKAMIADANA - ANDOHALOMASINA ANTANANARIVO

  NY FIANAKAVIAMBEN NY ANDRIANA 

 DIA MANAINGA NY OLOMPIRENENA SY NY FIKAMBANANA REHETRA, NY FIANGONANA, NY FIARAHAMONIMPIRENENA, NY VAHOAKA MALAGASY

MBA TSY HANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE EO MANJAKAMIADANA SY ANDOHALOMASINA AO ANTANANARIVO VOHITRA MASINA.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antnananarivo Vohitra Masina, faha-12 Desambra 2021.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


jeudi 7 octobre 2021

TANTARAN' ANDRIANA ETO MADAGASIKARA: NY FANDOVANA FANJAKANA



Ny Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRA (c.1200-1225 AD) nanjaka sy nanitatra fanjakana tao Ambohitsitakatra no anisan' ny razamben' ny Mpanjaka Merina sy ny Mpanjakan' i Madagasikara.

Ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1225-1250 AD), izay Fianakavian' ny Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRA, no Mpanjaka Merina voalohany teto Imerina ary nanjaka tao Kilonjy ary nafenina ao Anerinerina, Kominina Ambohimalaza, ao Avaradrano Zokin'Imerina. 

Ny Fanjakan' Imerina dia efa nisy tamin' ny andron' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA (c. 1225-1250 AD).

Ny Mpanjaka ANDRIANDRAVINDRAVINA (1250-1275 AD) nanjaka tao Angavo sy ny Mpanjaka ANDRIANORANORANA (1275-1300 AD) izay lasa nifindra monina ary nanjaka any Maroantsetra sy Nosy Mangabe, dia samy
Taranaky ny Mpanjaka ANDRIANDRAMBONDANITRA.

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIAMANJAVONA dia nanjaka tao Angavo ary ny Mpanjaka ANDRIANANJAVONANA (c.1300-1325 AD) dia nanjaka tao Anandribe. Izy ireo dia Taranaky ny Mpanjaka ANDRIANDRAVINDRAVINA.

Ny Tarànany Mpanjaka ANDRIANAMPONGANDANITRA (c.1325-1350 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Ifanongoavana. 

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIANAMBONIRAVINA (c.1350-1375 AD) dia nanjaka tao Beravina.

Ny Mpanjaka-Mpisorona ANDRIAMORAONY (c.1375-1380 AD) ary ny Mpanjaka ANDRIANDRANOLAVA (c.1380-1400 AD) dia nifandimby nanjaka tao Ambatondrakorika.

Ireo Tarànany Mpanjaka RAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRANDAVA, Mpanjaka RAMASINDOHAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRAMPOHY, RAFANDRAMANENITRA sy ny Mpanjaka RAFARAMAHERIOMBY dia nifindra monina ary nifandimby nanjaka tao Ampandrana (c.1400-14750 AD). Ary nandimby azy ny Mpanjaka ANDRIANTSARADOLO (c. 1475-1500 AD). 

Ny tarànany Mpanjaka RANGITAMANJAKATRIMOVAVY (c.1500-1525 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Imerimanjaka.

Ny tarànany Mpanjaka RAFOHY (c.1525-1550 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Alasora ary nodimbiasin' ny zanany Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD).

Ny tarànany Mpanjaka RALAMBO (c.1675-1600 AD) dia nifindra monina tao Ambohidray-Ambohimalaza sy nanjaka tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina ary namorona ny Fanjakana Imerina Roa Toko. 

Ny Mpanjaka RALAMBO no nametraka ny Fizokiana toy izao amin'ireo Fianakavian' ny Mpanjaka, izay tsy azo hovaina :

1 - ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA, 
2 - ZANADRALAMBO,
3 -  ANDRIANAMBONINOLONA, 
4 - ANDRIANDRANANDO.



Araka ny Soatoavina Andriana Merina navelan' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA ary nohamafisin' ny Mpanjaka RALAMBO dia

ANDRIANDAHY, ANDRIANDRAY ANDRIANDRENY, ary Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1600-1610 AD) Tompon' ny Tranofohiloha, Tranomanara, Tranomasina, sady Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD) ao Avaradrano Zokin'Imerina, irery ihany no mahazo manjaka eto Imerina sy eto Madagasikara ary tsy azo hovana. Fa izay manova dia voaozona.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

Dia ho an'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-29 Febroary 2020.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

mardi 5 octobre 2021

FIHAONAN NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY TERAKY NY MPANJAKA BETSILEO

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,
LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY IREO SOLONTENA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA

TAMIN' NY FILOHA ROLAND RANDRIAMANANTENA SY IREO SOLONTENA FIKAMBANANA TERAKY NY PRINCE RAMAHARO SY PRINCESSE RAKAJY,
TARANAKA MPANJAKA RAINDRATSARA, FANJAKANA BETSILEO LALANGINA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA,

SY FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA).

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

LAPA VOHIMASINA, FANJAKANA BETSILEO,
SABOTSY, FAHA-18 SEPTAMBRA 2021.