"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

jeudi 7 mars 2013

NY PLANIN'ANDRIAMANITRA HITONDRA FITAHINA HO AN' I MADAGASIKARA:



Ny Planin'Andriamanitra hitondra Fitahina ho an' i Madagasikara, izay efa nambarany tamin' ireo raimandreny ara-panahy tany aloha, dia izao:


1) Andriamanitra dia miantso ny Malagasy rehetra mba HIBEBAKA sy HANDRAY NY FAMONJENA AO AMIN' I JESOA KRISTY TOMPO (Jaona 3:16) mba handovàna ny Fanjakan' ny Lanitra sy hisian' ny Fitahin'Andriamanitra, fa tsy ho very sy hijaly mandrakizay any amin' ny Afobe, satria efa nantsoiny ho "Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina" isika (Eksodosy 19:6).


2) HISY FIFOHAZAM-PANAHY LEHIBE ETO MADAGASIKARA (Isaiah 60), ary Madagasikara ho lasa Foibe Fitoriana ny Filazantsara eran-tany, ary ho avy eto ny olona avy amin' ny Firenena maro hitady an'Andriamanitra sy ny Famonjeny.


Efa natombok'Andriamanitra 194 taona mahery izany Fifohazam-Panahy izany (Soatanana, Manolotrony, Ankaramalaza, Farihimena), ary mbola hitombo ho lehibe hanerana ny tany ary tsy ho takatry ny saina ! Ny Gasy Olom-baovao ao amin' i Jesoa Kristy (I Korintiana 5:17) eto an-tanindrazana sy aty am-pitandranomasina dia Solontenan'Andriamanitra hanambara ny Famonjen' i Jesoa Kristy Tompo amin' ny firenena rehetra (Matio 28:18-20) !


Ary Andriamanitra dia miantso ny Gasy rehetra mba hanome, raha kely indrindra, ny am-pahafolon' ny harenany ho an'Andriamanitra (Malakia 3:10) ary hitory ny Filazantsara eto Madagasikara sy manerana ny tany, ary hizaràna Baiboly ho an' izay mila izany (Matio 28:18-20).


3) HAJORON'ANDRIAMANITRA, TSY HO ELA INTSONY, NY FANJAKAN' I MADAGASIKARA (Isaiah 32:1), FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA (Eksodosy 19:6), Fanjakana Kristiana (I Petera 2:9-10), manaiky an'i Jesoa Kristy ho Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo (I Timoty 6:15).


Ho rava tanteraka ny rafitra repoblikana, laika , demokratika, satanika, izay nitondra ozona ho an' ny firenena, nentina nandrobana ny harem-pirenena, nentina nanapotehina ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena ary nentina nampahantrana ny 92% ny malagasy.


Ary ho lasa Firenena anisan' ny Lehibe eran-tany i Madagasikara (Deotoronomia 28:1-14) ary ny harena ankibonin' ny tany eto Madagasikara dia entina hitoriana ny Filazantsara eran-tany sy entina hampandrosoana tokoa ny firenena manontolo, mandra-pihavin' i Jesoa Kristy Tompo fanindroany (I Tesalonisiana 4:13)!


Tsy misy mpanao politika na vondrona politika na firenena vahiny afaka ahasàkana ny fampijoroan'Andriamanitra ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina (Eks.19:6) !


Ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra,
ao amin' i Jesoa Kristy, Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo !

Antananarivo, Vohitra Masina, 07 Marsa 2013.


Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka eto Madagasikara.


(c) Copyright.

5 commentaires:

  1. FANAMBARANA MIKASIKA IREO NOSY MANODIDINA AN' I MADAGASIKARA:

    NY FIOMBONAMBEN' NY ZANAKANDRIANA SY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA dia manao Fanambarana ary manamafy hatrany fa

    AN' I MADAGASIKARA SY NY TOMPONTANY MALAGASY EFA HATRAMIN' NY FAHAGOLA IREO NOSY MANODIDINA AN' I MADAGASIKARA(Juan de Nova, Europa, Bassa de India, Tromelin, Glorieuses, Diego Garcia, ets...).

    Ary ny Didy N°34/91 nataon' ny Firenena Mikambana (United-Nations) tamin' ny Fivoriambe tamin'ny 12 Desambra 1979 dia manamafy fa an'i Madagasikara ireo Nosy rehetra manodidina an'i Madagasikara.

    Koa mila mamerina an'ireo Nosy, amin' i Madagasikara sy ny Malagasy, ireo rehetra ratsy fanahy mpangalatra Nosy, fa voazona kosa izay rehetra tsy mety mamerina izany.

    "...FA NY RATSY FANAHY HOFONGORANA, FA IZAY MIANDRY AN' YHWH NO HANDOVA NY TANY." (Salamo 37:9).

    Tany Masina i Madagasikara!


    Antananarivo, Vohitra Masina, 12 Novambra 2015.

    Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
    Filohan' ny Fiombonamben'ny Zanakandriana sy Ampanjaka
    eto Madagasikara.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. FANJAKAN' I MADAGASIKARA: "...HAVERINA AMIN' NY MALAGASY NY TANY SY NY TRANO ARY NY HARENA IZAY NALAIN' NY VAHINY..."

      Antananarivo, faha-01 Desambra 2017.

      Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
      Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

      Supprimer
  2. :"TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA: NY FANJAKAN' I MADAGASIKARA":

    PRINCE DR. NDRIANA RABARIOELINA,
    FILOHAN' NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA.

    TELEVIZIONA NASIONALY TVM:

    Ny SABOTSY 09 SEPTAMBRA 2017 amin' ny 10 ORA 30 maraina.
    Ny TALATA 12 SEPTAMBRA 2017 amin' ny 04 ORA 30 tolakandro.

    RépondreSupprimer
  3. "TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA: NY FANJAKAN' I MADAGASIKARA":

    PRINCE DR. NDRIANA RABARIOELINA,
    FILOHAN' NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA:

    https://www.youtube.com/watch?v=qwh5UnGcb0E&feature=share
    (large diffusion).

    RépondreSupprimer
  4. : FANAMBARANA:

    FIOMBONAMBEN’ NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA:

    "...Ry Malagasy mpiray tanindrazana.

    Noho ny fanoherana an’Andriamanitra Andriananahary, YHWH, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, sy Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo, eto amin’ ny firenena, dia navelan’ Andriamanitra nitranga ireto zavatra ireto, dia ny Loza Folo izay nahazo ny Egyptiana fahiny (Eksodosy 7-11) :
    :
    1) Renirano lasa ranom-potaka mena sy maimbo.
    2) Andiana sahona misy poizina.
    3) Andiana moka.
    4) Andiana lalimanga.
    5) Fahafatesana omby marobe.
    6) Areti-mandringana.
    7) Havandra.
    8) Andiam-balala.
    9) Fahamaizinana.
    10) Fahafatesana ankizy maro.

    Noho izany, ndao hiala amin’ ny ziogan’ ny farao egyptiana ry Malagasy mpiray Tanindrazana izay nantsoin' Andriamanitra ho Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina (Eksodosy 19:6).

    Dia ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra !

    Antananarivo, faha-10 Septambra 2017.

    Prince Dr. NDRIANA RABARIOELINA,
    FILOHAN' NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA.

    RépondreSupprimer

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.