"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 11 mars 2020

ROVA ANTANANARIVO: MILA HAVERINA AMIN' NY ENDRINY TEO ALOHA IHANY

FANAMBARANA:

Ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sady Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa

ny Rova Antananarivo dia Toerana Masina ary ny Fanarenana ny Rova Antananarivo sy ireo Lapa rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa sy ny Lapa hafa rehetra) dia tokony manaraka ny Soatoavina sy ny Fomba ary ny Kolotsaina Andriana Merina ary tokony haverina amin' ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa. Ny tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin' ny firenena. 

Koa atsipy ny teny ho an' ny olokendry sy ny manampanahy ary ny tsy maty eritreritra.
Tany Masina i Madagasikara !

Ho an' Ilay Mpahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Febroary 2020.

Ny MPANJAKA Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

2 commentaires:

  1. EFA MIHOATRA 12.700 NY OLONA MANAO SONIA ARY MIHOA TRA 14.000 NY OLONA MANAMAFY NY HANESORANA ILAY COLISEUM ROMAIN AO ANATIROVA ANTANANARIVO IO...

    TAORIAN'IREO FANAMBARANA MARO SY ANTSO NANOMBOKA NY 03 OKTOBRA 2019, NATAON'NY PRINCE DR NDRIANA RABARIOELINA, LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA MERINA, AVY AMIN'NY LAHIMATOAN'IMERINA, SY TARANAKY NY MASINA MPANJAKA ANDRIANJAKA NAMORONA NY ROVA ANTANANARIVO TOERANA MASINA...

    KOA NAMALY NY ANTSO SY NANAMAFY IZANY TATY AORIANA IREO FIKAMBANANA TARANAKA MPANJAKA MERINA NIFANDIMBY TAO AMIN'NY ROVA ANTANANARIVO :
    TERAK' ANDRIANJAKANAVALOMANDIMBY,
    TERAK' ANDRIAMASINAVALONA,
    TERAK' ANDRIANAMPOINIMERINA,
    TERAKA RADAMA RAINY,
    NY FIANAKAVIANA RANAVALONA III.
    NY MPANDOVA FANJAKANA IMERINATSIMO,
    NY MPANDOVA FANJAKANA SAKALAVA, ....
    NY MPANDOVA FANJAKANA BEZANOZANO,
    NY MPANDOVA FANJAKANA ANTANOSY,
    NY MPANDOVA FANJAKANA ANTANALA IKONGO,
    NY MPANDOVA FANJAKANA BETSILEO,
    NY FIOMBONAMBE TARANAKA AMPANJAKA BETSIMISARAKA, ...

    IREO MPIKAMBANA MARO AO AMIN'NY AKADEMIA MALAGASY,
    IREO SENATERA SY SOLOMBAVAMBAHOAKA,
    NY ZAIKABEN' IMERINA,
    NY FIKAMBANANA MAMELOMASO,
    NY FIKAMBANANA ARO HAREMBAKOM-PIRENENA MALAGASY,
    IREO TENA MPAHAY TANTARA SY VAKOKA,
    IREO MANAMPAHAIZANA SIANTIFIKA MARO,
    IREO VAHOAKA MARO,
    IREO MALAGASY MARO MANERANTANY (AMERIKA, EUROPE, ASIA, AFRIKA, OCEANIA),
    IREO FIKAMBANANA MARO MIARO NY SOATOAVINA, NY VAKOKA IZAY RAKITRY NY ELA, NY FOMBA, NY FADY ARY INDRINDRA NY HASINA,

    MANKASITRAKA ANTSIKA TIA TANINDRAZANA REHETRA !

    RépondreSupprimer
  2. : STATISTIKA:

    Avy amin'ny FANAMBARANA FIAROVANA VAKOKA nataon'
    NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
    Fanjakan'i Madagasikara.

    1) OLONA MANAIKY NY FANAJANA NY HASINA SY FIAROVANA NY VAKOKA RAKITRY NY ELA ARY TSY MAINTSY HESORINA IO "COLISÉE ROMAIN" AO ANATIROVA = 496/531= 93%.

    2) OLONA MANAIKY NY FANOTANA FADY AMIN'NY FAMETRAHANA "COLISÉE" AO ANATIROVA = 36/531 = 07%

    Zoma 30 Oktobra 2020 tamin'ny 07ora50mn.

    Loharano : Imerina, Merina, Ambaniandro, Antananarivo, Tendrombohitra 12 Masina.

    Toavina R.

    #Fanjakana #Madagasikara #Hasina #Vakoka #Rova #Anatirova #Antananarivo #Mpanjaka #Rabarioelina

    RépondreSupprimer

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.