"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mardi 6 mai 2025

TAOMBAVAO MALAGASY TENY AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA (30 Marsa 2025)

KABARIN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA

tamin' ny TAOMBAOVAO MALAGASY TENY AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA:


1) Ny voalohany dia ny Fisaorana sy ny Fankasitrahana an' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY amin' izao TAOMBAOVAO MALAGASY 2025 izao.

Ho Azy irery ihany ny DERA, LAZA, ERY, HAJA, VONINAHITRA, FAHEFANA, FANJAKANA.

Ary ho antsika rehetra ny FIADANANA avy Aminy.


2) Ny TEY FAMINANIAN' ANDRIAMANITRA ho an' i MADAGASIKARA MANOKANA:

"...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO.

NY AIZINA MANARONA NY TANY, ARY NY AIZIM-PITO MANARONA NY FIRENENA MARO, FA AMINAO NO IPOSAHAN' ILAY MPAHARY ARY AMINAO NO ISEHOAN' NY VONINAHINY.

NY KELY HO TONGA ARIVO, ARY NY MALEMY HO TONGA FIRENENA MAHERY. IZAHO ANDRIAMANITRA NO HANAFAINGANA IZANY...".


3) TOERANA MASINA eto AMBOHIDRABIBY HASIN' IMERINA. Teto no nanaovana FANOSORANA MPANJAKA SY TSODRANO NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA folo taona lasa izay (2015). 

Ary nisy FAHAZAVANA LEHIBE nidina avy any an-danitra ary naharitra ela tonga teto aminay. Ary FAHAZAVANA AVO ZATO ENY noho ny Fahazavan' ny masoandro maraina izay niposaka avy any Atsinanana tamin' izay fotoana izay. FAHAZAVANA izay marika ny FANATREHAN' ANDRIAMANITRA y ny FANKATOAVANY ary ny FITAHIANY.


4) Dia MITSODRANO anareo rehetra sy ny Firenena Malagasy amin' izao TAOMBAOVAO MALAGASY 2025 izao. Dia samy ho TAHIN' ANDRIAMANITRA hatrany.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Ambohidrabiby Hasin' Imerina, Vohitra masina,

Taona Talata, Alahady 30 Marsa 2025.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviaben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.





Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.