JESOSY KRISTY, ZANAK'ANDRIAMANITRA, ILAY MPAMONJY,
dia niteny mivantana tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava (1918-1998), Raiamandreny Tobilehibe Ankaramalaza (FFPM), efa maty im-pito sy efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, nahay Tenim-pirenena fito,
fa amin' ny alàlan' ny FIFOHAZANA no hamonjeny ny firenena.
Ary JESOSY KRISTY TOMPO efa nifidy olona, tahaka an'i Davida Mpanjaka, hanao ny SITRAPON'ANDRIAMANITRA sy hitondra ny Famonjeny ho an' i Madagasikara dia:
Pr. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Mpiandry Zanak' Ankaramalaza (1991).
Koa ANDRIAMANITRA miantso ny Vahoaka Malagasy rehetra hibebaka sy handray ny Famonjena ao amin' i JESOS KRISTY mba handova ny Fanjakan' ny Lanitra ary hanaraka ny TENIN'ANDRIAMANITRA
alohan' ny hanorenan' ANDRIAMANITRA ny Fanjaka-Pisorona sy Firenena Masina hamonjeny ny olony araka ny TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA ho an' i Madagasikara:
"...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZANAVAO..." (Isaiah 60:1).
Dia ho an' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!
Antananarivo, vohitra masina,
Sabotsy, faha-27 Septambra 2025.
Fanamarihana:
JESOSY KRISTY, ZANAK' ANDRIAMANITRA, dia nandefa Raiamandreny ara-panahy sady Zokiolona fotsy volo amin' ny tany miisa fito nanambara ny Teny Fikasàny sy nanome Tsodrano hitondra sy ho Famonjeny ny Firenena tamin' i
Pr. Dr; Ndriana RABARIOELINA,
Mpiandry Zanak' Ankaramalaza (1991):
1) Mpitandrina Daniel RATEFY (1913-1995), niara-nanorina ny FJKM, ny FPMA Frantsa, ny FFKM, ary efa Tonian' ny FFPM, efa nitety Firenena miisa roapolo ambizato (120).
2) Mpitandrina RAZAFINDRAKOTO Gabriel (1919-1986) avy ao Antanamalaza, FJKM, nianatra tany Montpellier ary efa tany Israel, Mpaminany, nahay Tenim-pirenena fito.
3) Mama Volahavana Germaine (1918-1998), Raiamandreny Tobilehibe Ankaramalaza (FFPM), efa maty impito sy efa nampiakarin' Andriamanitra impito tany an-danitra, Mpaminany, nahay Tenim-pirenena roambinifolo.
4) Dada MAMASE (1923-2020), 93 taona, avy amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza, Mpiandry, Mpaminany.
5) Mama RASOAZANAKOLONA Hélène na Mamafara (1924-2017), Raiamandreny Toby Ararata Sambofiara Namahanambasy (FLM), Ivakinankaratra Imerinatsimo, efa maty in-dimy sy efa nampiakarin' Andriamanitra in-dimy tany an-danitra, nahay Tenim-pirenena fito.
6) Kardinaly Armand Gaetan RAZAFINDRATANDRA (1925-2010), EKAR, niaraka nanorina sady efa Filohan' ny FFKM.
7) Mama RAVOLAZAIMANGA Bernadette (teraka tamin' ny taona 1932), 93 taona, Mpiandry (LMS, 1955), Zokiolona indrindra amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza sy ny Tobilehibe Manolotrony (FFPM), Raiamandreny Toby Masina Itaitso (FFPM).
DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire
Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.