"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 11 mars 2020

NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA

FANAMBARANA :

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa ny Fifidianana rehetra nanomboka tamin' ny Taona 1958 ka mandraka ankehitriny 2020 dia feno hosoka sy halabato goavana.

Ary aoka izay ny Fanapotehina ny firenena sy ny fanjakazakan' ny vahiny mpanjanantany izay manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena, mpanota fady, tsy manaja ny Soatoavina malagasy, mpangalatra tany sy nosy, ary mpanototra tanimbary. 

Koa ny Fahatahorana an'Andriamanitra sy ny Fanajàna ny Soatovina malagasy irery ihany, amin' ny Fijoroan' ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, no vaha-olana tokana ho Fampandrosoana indray ny firenena. Koa manainga ny Tia Tanindrazana rehetra hijoro hiaro ny Fahamarinana sy ny Tanindrazana !

"NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA"
(Ohabolana 14:34).

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-07 Marsa 2020.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

ROVA ANTANANARIVO: MILA HAVERINA AMIN' NY ENDRINY TEO ALOHA IHANY

FANAMBARANA:

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sady Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa

ny Rova Antananarivo dia Toerana Masina ary ny Fanarenana ny Rova Antananarivo sy ireo Lapa rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa sy ny Lapa hafa rehetra) dia tokony manaraka ny Soatoavina sy ny Fomba ary ny Kolotsaina Andriana Merina ary tokony haverina amin' ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa. Ny tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin' ny firenena. 

Koa atsipy ny teny ho an' ny olokendry sy ny manampanahy ary ny tsy maty eritreritra.
Tany Masina i Madagasikara !

Ho an' Ilay Mpahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Febroary 2020.

Ny MPANJAKA Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

lundi 16 décembre 2019

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: IREO NOSY MANODIDINA REHETRA DIA AN' I MADAGASIKARA SY NY TOMPONTANY MALAGASY

FANAMBARANA: 

Ny Moanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
 Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia 

...MANOME BAIKO NY MPITONDRA FRANTSAY HAMERINA TSY MISY HATAK'ANDRO ARY TSY MISY FEPETRA IREO NOSY MALAGASY HATRY NY ELA BE (NOSY SAMBATRA NA GLORIEUSES, NOSY KELY NA JUAN DE NOVA, NOSY BEDIMAKY NA BASSAS DE INDIA, NOSY AMPELA NA EUROPA, ...) HO AN' I MADAGASIKARA SY NY TOMPONTANY MALAGASY...

ARY TSY MILA FIARAHA-MITANTANA AMIN' NY ANY IVELANY.


FOIN' I ZANAHARY HATRANY AM-PIANDOHANA, EFA HATRY NY ELA BE, HO AN' NY TOMPONTANY MALAGASY IREO NOSY REHETRA, IZAY MI-ISA 280 MAHERY, MANODIDINA AN' I MADAGASIKARA, toa an'i Glorieuses, Juan de Nova, Bassas de India, Europa, Diego Garcia, La Reunion, Maorisy, Tromelin, Mohely, Anjoany, Maoty, sy ny sisa rehetra .


Ny Fivoriamben' ny Firenena Mikambana (ONU) dia nanamafy tamin' ny Fehinkevitra 34/91 tamin' ny 12 Desambra 1979 sy ny Fehinkevitra N°35/123 tamin' ny 11 Desambra 1980 fa an' i Madagasikara ireo Nosy manodidina efatra voalaza teo ireo.


Ary hoy ny Tenin' i Zanahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany: "...IZAHO NO ANDRASAN' NY NOSY..." (Isaiah 60:9) ary koa hoe "...HO ENTINA HO ANAREO NY HARENAN' NY RANOMASINA..." (Isaiah 60:5).


TANY MASINA I MADAGASIKARA...MANANA NY HASINA MANOKANA IZAY TSY ITOVIZANY AMIN' NY FIRENENA HAFA REHETRA...KOA VOAOZONA IZAY  OLONA NA MPITONDRA FIRENENA NA FIRENENA VAHINY MANAO RATSY AN' I MADAGASIKARA ARY MIANJERA NA MIRODANA AVOKOA!


TANY MASINA I MADAGASIKARA... !


Dinika Nosy Malagasy,
CCI Ivato, Antananarivo, 09-11 Desambra 2019.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
LEHIBEN' NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA.

jeudi 27 décembre 2018

FANJAKAN' I MADAGASIKARA MANAJA NY SOATOAVINA MALAGASY

...FANAMBARANA :

“MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' I ZANAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO” (Isaiah 60:1).

Ny FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA, tarihan' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia faly mandray ny Solontena ny Hery Velona Tia Tanindrazana avy amin’ ny foko rehetra manerana an’i Madagasikara sy ny Solontena amin’ ny fikambanana, antoko, vondrona isan-karazany, fiarahamonim-pirenena, solombavambahoaka, senatera, ets, manoloana ny loza efa mihatra eto amin’ ny firenena, ary mitondra ny fitarainana sy ny lahara-pahamehana amin’ny vahoaka malagasy :

1) SOATOAVINA SY KOLOTSAINA MALAGASY : Miverina sy miainga amin’ ny Fanàjana ny Soatoavina Malagasy (Fanajàna an’i Zanahary, Fanajana ny Hasin’ny Olombelona, Fanajàna ny Hasin’ ny tany sy ny tontolo iainana, Fahamarinana, Fifankatiavana sy Firaisankina, Fitiavana ny Tanindrazana, Fiandrianam-pirenena) ny fampandrosoana ny tanindrazana sy ny firenena malagasy.

2) FANABEAZANA: Miorina amin’ ny Tenin’Andriamanitra, ary miainga amin’ny Teny Malagasy, ny Tantaran’i Madagasikara hatrizay sy ny Soatoavina Malagasy ary ny Fahafantarana ny harena misy eto Madagasikara ny Fototry ny Fampandrosoana ny firenena.

3) TOEKARENA: Hampidinina haingana ny vidin’ ny solika sy ny vidim-bary ary ny vidin’ ny sakafo rehetra. Hatsangana ireo Orinasam-panjakana malagasy hitrandraka harena an-kibon’ ny tany sy hamokatra angovo ary solika mora vidy ho tombontsoan’ ny vahoaka malagasy rehetra. Ny Volamena dia halefa ao amin’ ny Banky Foiben’i Madagasikara mba hampiakatra ny sandan’ ny vola gasy. Hatsangana ny Banky Nasionaly Malagasy mikasika ny Fampandrosoana mba ho Fampindramana vola ho an’ ny Malagasy. Harovana sy homena vahana ny Orinasa tsy miankina izay an’ ny Tompontany Malagasy hatrizay manoloana ny fanatontoloana.

4) FANDRIAMPAHALEMANA: Tokony tsy hisy intsony ny tsy Fandriam-pahalemana ao anaty fotoana fohy. Izay tompon’andraikitra tsy mahavita dia hesorina.

5) SOSIALY: Hatsangana haingana ny Kitapombolam-Panjakana ho Fiahiana ny ara-sosialy (Ady amin’ ny Fahantrana, Fitsaboana, Fanafody, Vatsim-pianarana, Vatsy isan-karazany, Fisotroan-dronono, …sns) ho Fanatsaràna ny Faripiainan’ ny vahoaka Malagasy rehetra.

6) LALAM-PANORENANA SY LALANA: Satria efa Foin’i Zanahary ho an’ny Malagasy Tompontany hatrany am-piandohana i Madagasikara, dia hajoro indray ny Lalampanorenana manaja ny Soatoavina Malagasy ho fiarovana ny tanindrazana sy ny tombontsoan’ ny vahoaka Malagasy rehetra. Tsy azo hamidy na hahofa na hatao antoka amin’ ny vahiny ny Tanindrazana. Hajaina ny zon’ olombelona, ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahafahana mivory ary ny fahafahana manangana fikambanana. Madagasikara sy ireo Nosy manodidina azy rehetra dia an’ny Malagasy Tompontany efa hatrizay.

7) HAFATRA: Entanina ny vahoaka Malagasy rehetra, eo ambany Fihahiana sy Fitarihan’ny ampanjaka isam-poko manerana ny Nosy, na ny sojabe na ny mpanazary, mba hijoro sy hanamafy hatrany ny Fanajàna ny Soatoavina Malagasy, ny Fahamarinana, ny Firaisankina, ny Fiaroavana ny vakoka, ny Fiarovana ny tanindrazana ary ny Fiandrianam-pirenena. Masina i Madagasikara!


Dia ho an’i Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, Ilay Avo indrindra, Andriamanitra Andriananahary, Ray, Zanaka, Fanahy Masina, irery ihany ny Voninahitra!

Antananarivo, vohitra masina, faha-17 Desambra 2018.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka eto Madagasikara.

jeudi 28 juin 2018

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: SOLIKA MORA VIDY HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY:


Ny Fijoroan' ny FANJAKANA' I MADAGASIKARA, tarihan' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, dia afaka hametraka haingana SOLIKA MORA VIDY HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY MANONTOLO. Ireto avy ny Dingana tsy maintsy harahina:


1) Fametrahana GOVERNEMANTA FANAVOTAM-PIRENENA misy Praiministra iray sy MINISTRA ROAMBINIFOLO (12) izay MATAHOTRA AN' ANDRIAMANITRA, TSY MANAO KOLIKOLY, TEKNISIANA AVO LENTA SY TENA MAHAY ny ministera misy azy, MANANA TRAIKEFA IRAISAM-PIRENENA, ary TIA TANINDRAZANA.

2) Fampiharana ny TETI-PANORONA sy ny PAIKADY HO FANAVOTAM-PIRENENA, efa nomanina mialoha an-taona maro, ary tsy hain' ireo mpitondra politika rehetra nifandimby (1958-2018).

Ny VOKATRA HO AZO HAINGANA dia ny SOLIKA MORA VIDY HO AN' NY VAHOAKA MALAGASY, HAMPIHENA NY SARAN-DALANA AMIN' NY FITATERANA REHETRA, ary HAMPIAKATRA HAINGANA NY FARI-PIAINAN' NY VAHOAKA MALAGASY MANONTOLO.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !


Antananarivo, Vohitra Masina,  faha-28 Jona 2018.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

jeudi 7 mars 2013

NY PLANIN'ANDRIAMANITRA HITONDRA FITAHINA HO AN' I MADAGASIKARA:



Ny Planin'Andriamanitra hitondra Fitahina ho an' i Madagasikara, izay efa nambarany tamin' ireo raimandreny ara-panahy tany aloha, dia izao:


1) Andriamanitra dia miantso ny Malagasy rehetra mba HIBEBAKA sy HANDRAY NY FAMONJENA AO AMIN' I JESOA KRISTY TOMPO (Jaona 3:16) mba handovàna ny Fanjakan' ny Lanitra sy hisian' ny Fitahin'Andriamanitra, fa tsy ho very sy hijaly mandrakizay any amin' ny Afobe, satria efa nantsoiny ho "Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina" isika (Eksodosy 19:6).


2) HISY FIFOHAZAM-PANAHY LEHIBE ETO MADAGASIKARA (Isaiah 60), ary Madagasikara ho lasa Foibe Fitoriana ny Filazantsara eran-tany, ary ho avy eto ny olona avy amin' ny Firenena maro hitady an'Andriamanitra sy ny Famonjeny.


Efa natombok'Andriamanitra 194 taona mahery izany Fifohazam-Panahy izany (Soatanana, Manolotrony, Ankaramalaza, Farihimena), ary mbola hitombo ho lehibe hanerana ny tany ary tsy ho takatry ny saina ! Ny Gasy Olom-baovao ao amin' i Jesoa Kristy (I Korintiana 5:17) eto an-tanindrazana sy aty am-pitandranomasina dia Solontenan'Andriamanitra hanambara ny Famonjen' i Jesoa Kristy Tompo amin' ny firenena rehetra (Matio 28:18-20) !


Ary Andriamanitra dia miantso ny Gasy rehetra mba hanome, raha kely indrindra, ny am-pahafolon' ny harenany ho an'Andriamanitra (Malakia 3:10) ary hitory ny Filazantsara eto Madagasikara sy manerana ny tany, ary hizaràna Baiboly ho an' izay mila izany (Matio 28:18-20).


3) HAJORON'ANDRIAMANITRA, TSY HO ELA INTSONY, NY FANJAKAN' I MADAGASIKARA (Isaiah 32:1), FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA (Eksodosy 19:6), Fanjakana Kristiana (I Petera 2:9-10), manaiky an'i Jesoa Kristy ho Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo (I Timoty 6:15).


Ho rava tanteraka ny rafitra repoblikana, laika , demokratika, satanika, izay nitondra ozona ho an' ny firenena, nentina nandrobana ny harem-pirenena, nentina nanapotehina ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena ary nentina nampahantrana ny 92% ny malagasy.


Ary ho lasa Firenena anisan' ny Lehibe eran-tany i Madagasikara (Deotoronomia 28:1-14) ary ny harena ankibonin' ny tany eto Madagasikara dia entina hitoriana ny Filazantsara eran-tany sy entina hampandrosoana tokoa ny firenena manontolo, mandra-pihavin' i Jesoa Kristy Tompo fanindroany (I Tesalonisiana 4:13)!


Tsy misy mpanao politika na vondrona politika na firenena vahiny afaka ahasàkana ny fampijoroan'Andriamanitra ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina (Eks.19:6) !


Ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra,
ao amin' i Jesoa Kristy, Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo !

Antananarivo, Vohitra Masina, 07 Marsa 2013.


Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka eto Madagasikara.


(c) Copyright.

mardi 10 avril 2012

FANJAKANA MANKATOA AN’ I JESOSY KRISTY TOMPO NO SITRAPON’ANDRIAMANITRA HO AN’ I MADAGASIKARA :

HAFATR'ILAY MPAHARY, IIHWH, HO AN' NY FIRENENA:


FANAMBARANA:

FANJAKANA MANKATOA AN’ I JESOSY KRISTY TOMPO NO SITRAPON’ANDRIAMANITRA HO AN’ I MADAGASIKARA :


Araka ny Teny Fikasan’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajorony eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina (Eksodosy 19:6 sy I Petera 2:9-10), manaja an’ Ilay Mpahary, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany.

Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny. Ary efa nohamasin’ i Iahosoa Masina (Jesoa Ilay Mesia), ho an’Ilay Mpahary, efa 2000 taona lasa izay i Madagasikara. Ary araka ny Teny Fikasan' Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, dia hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ny faran’ ny tany (Isaiah 60).



1. JESOSY KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA:

Araka ny Tenin’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, dia Jesosy Kristy no Mpanjakan’ ny Mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, manerana ny Lanitra sy ny Tany (Apokalypsy 19:16). Ary Fiangonana sy Firenena ary Fanjakana mankatoa an’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, sy mankatoa an’ I Jesosy Kristy, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, no Sitrapon’Ilay Mpahary, IHWH, ho an’ ny firenena rehetra, ary indrindra ho an’ ity Nosy Masina ity. “AHY I MADAGASIKARA”, hoy Jesosy Kristy Tompo.


Vokatr’izany, ny Mpanjaka Ranavalona II dia efa nanamafy, tamin’ ny 20 Jolay 1869, fa JESOSY KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA sy TOMPON’ NY TOMPO ETO MADAGASIKARA. Ary tsy tafita hatrany izay mpanjaka sy vahoaka tsy mankatoa izany.




2. NY TENIN’IHWH NO FOTOTRY NY FANJAKAN’I MADAGASIKARA:

LALAM-PANORENANA MIFOTOTRA amin' ny BAIBOLY, TENIN'IHWH no SITRAPONY ho an’ ny firenena rehetra, ary indrindra koa ho an’ I MADAGASIKARA. Ary araka ny Tantara, izay nohamarinina mpanompon’Andriamanitra, dia ETO MADAGASIKARA NY DIDY FOLO, nosoratan’Ilay Mpahary (Deot. 5:6-18), ao anatin’ Ilay FIARAN’ NY FANEKENA, tao amin’ ny Toerana Masina Indrindra tao anatin’ ny Tempoly Voalohany tao Jerosalema!


Fa ny rafitra repoblikana, laika, demokratika, masonika, dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ Ilay Mpahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara, ary nentina nanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, nanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena, nampiadiana ny samy mpiray tanindrazana, nangalàrana ny harem-pirenena ho an' ny tombontsoan' ny vahiny ary nampahantrana ny 90% ny malagasy.



3. TENY FIKASAN’YHWH NY FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA:

Teny Fikasan’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, ny Fanjakam-Pisorona sy ny Firenena Masina (Eksodosy 19:6), izay ho hajoron’Ilay Mpahary ho hitan' ny firenena rehetra tsy ho ela intsony, ary Fanjakana miori-paka sy manaja ny Baiboly Tenin’IHWH. Hisy ny MPANJAKA HITONDRA FITAHINA araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary (Genesisy 12:2-3 sy 17:6), manaiky sy manaraka ary mifikitra amin’ i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy (Asa 5 :31), ary hisy FILAN-KEVITRY NY MPISORONA (I Tantara 24 :7-19) eo anilany, izay mivavaka hatrany (I Petera 2 :5) sy manoro làlana ary manitsy ny Mpitondra Fanjakana araka ny Baiboly Tenin’IHWH (Salamo 119 :105).


Araka ny Teny Fikasan’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra: hajorony eto tsy ho ela intsony ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina (I Petera 2: 9-10), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Efa nohamarininy izany Fanjaka-Mpisorona izany tamin’ ny 02 Aogositra 1983 tany Ankaramalaza.




4. FIRENENA HO VOALOHANY FA TSY HO FARANY:

Ary hajoron’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, eto Madagasikara ny Sivilizasiona Vaovao, ny Rafi-piaraha-monina Vaovao, ny Olom-Baovao, manaja an' i Zanahary sy mankatoa an' i Jesosy Kristy Tompo, ary ho lasa FIRENENA VOALOHANY ERAN-TANY I MADAGASIKARA !


Ary farany, hoy Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra: "Dia hataon'i YHWH ho LOHANY IANAO, fa tsy ho rambony; ary HO AMBONY TOKOA IANAO, fa tsy ho ambany, RAHA MIHAINO NY DIDIN' YHWH ANDRIAMANITRAO, izay andidiako anao anio, KA MITANDRINA SY MANARAKA AZY" (Detoronomia 28:13)!



FEHINY:

Hajoron' Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, tsy ho ela intsony eto ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina! Miomana ny Fiangonana! Miomana ny Firenena! Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary, ao amin’ i Jesosy Kristy Tompo, ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Tsy ny fitondrana jadona na ny demokrasia, fa Fanjaka-Mpisorona mankatoa an'i Jesosy Kristy, Mpanjakan' ny Mpanjaka sy Tompon' ny tompo.



Ho an’ Ilay Mpahary, IHWH, Iray Masin' Israely, Ilay Avo Indrindra, irery ihany ny Voninahitra !


Antananarivo, faha-09 Febroary 2012.


Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
PhD in Theology (United-States of America),
Lehiben' ny Fiombonamben ny Ampanjaka eto Madagasikara.


(c) copyright.

Sitewebs: www.fanjakana-madagasikara.blogspot.com/
www.facebook.com/FANJAKAN' I MADAGASIKARA