"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

dimanche 5 octobre 2025

ILAY OLONA NOFIDIN' ANDRIAMANITRA HITONDRA NY FAMONJENY HO AN' I MADAGASIKARA!

 JESOSY KRISTY, ZANAK'ANDRIAMANITRA, ILAY MPAMONJY, 

dia niteny mivantana tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava (1918-1998), Raiamandreny Tobilehibe Ankaramalaza (FFPM), efa maty im-pito sy efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, nahay Tenim-pirenena fito,

fa amin' ny alàlan' ny FIFOHAZANA no hamonjeny ny firenena.


Ary JESOSY KRISTY TOMPO efa nifidy olona, tahaka an'i Davida Mpanjaka, hanao ny SITRAPON'ANDRIAMANITRA sy hitondra ny Famonjeny ho an' i Madagasikara dia:


Pr. Dr. Ndriana RABARIOELINA,

Mpiandry Zanak' Ankaramalaza (1991).


Koa ANDRIAMANITRA miantso ny Vahoaka Malagasy rehetra hibebaka sy handray ny Famonjena ao amin' i JESOS KRISTY mba handova ny Fanjakan' ny Lanitra ary hanaraka ny TENIN'ANDRIAMANITRA

alohan' ny hanorenan' ANDRIAMANITRA ny Fanjaka-Pisorona sy Firenena Masina hamonjeny ny olony araka ny TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA ho an' i Madagasikara:

"...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZANAVAO..." (Isaiah 60:1).


Dia ho an' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo, vohitra masina,

Sabotsy, faha-27 Septambra 2025.


Fanamarihana:

JESOSY KRISTY, ZANAK' ANDRIAMANITRA, dia nandefa Raiamandreny ara-panahy sady Zokiolona fotsy volo amin' ny tany miisa fito nanambara ny Teny Fikasàny sy nanome Tsodrano hitondra sy ho Famonjeny ny Firenena tamin' i 

Pr. Dr; Ndriana RABARIOELINA,

Mpiandry Zanak' Ankaramalaza (1991):


1) Mpitandrina Daniel RATEFY (1913-1995), niara-nanorina ny FJKM, ny FPMA Frantsa, ny FFKM, ary efa Tonian' ny FFPM, efa nitety Firenena miisa roapolo ambizato (120).

2) Mpitandrina RAZAFINDRAKOTO Gabriel (1919-1986) avy ao Antanamalaza, FJKM, nianatra tany Montpellier ary efa tany Israel, Mpaminany, nahay Tenim-pirenena fito.

3) Mama Volahavana Germaine (1918-1998), Raiamandreny Tobilehibe Ankaramalaza (FFPM), efa maty impito sy efa nampiakarin' Andriamanitra impito tany an-danitra, Mpaminany, nahay Tenim-pirenena roambinifolo.

4) Dada MAMASE (1923-2020), 93 taona, avy amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza, Mpiandry, Mpaminany.

5) Mama RASOAZANAKOLONA Hélène na Mamafara (1924-2017), Raiamandreny Toby Ararata Sambofiara Namahanambasy (FLM), Ivakinankaratra Imerinatsimo, efa maty in-dimy sy efa nampiakarin' Andriamanitra in-dimy tany an-danitra, nahay Tenim-pirenena fito.

6)  Kardinaly Armand Gaetan RAZAFINDRATANDRA (1925-2010), EKAR, niaraka nanorina sady efa Filohan' ny FFKM.

7) Mama RAVOLAZAIMANGA Bernadette (teraka tamin' ny taona 1932), 93 taona, Mpiandry (LMS, 1955), Zokiolona indrindra amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza sy ny Tobilehibe Manolotrony (FFPM), Raiamandreny Toby Masina Itaitso (FFPM).  


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!

mardi 6 mai 2025

FIHAONANA MASINA TAO AMIN' NY LAPA MANJAKAMIADANA, ROVA ANTANANARIVO (03 Mey 2025)

FIHAONANA MASINA:

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' Ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


sy ireo Andriana Solontena avy amin' ny Fanjakana Imerina Enitoko


ary ny Fianakaviana andriana havana akaikin' ny Mpanjaka RANAVALONA III

ao Manjakazafy, Fanjakana Imerina Marovatana,


NY FIRAISANKINA NO HERY.


NY TENA ANDRIANA DIA MANKATOA AN' ANDRIAMANITRA,

MANAJA Y SOATOAVINA NAVELAN' IREO RAZAMBE NIANDOHANA,

TIA TANINDRAZANA,

TSY MPANAO KOLIKOLY,

TSY MISOLELAKA.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY  IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Lapa Manjakamiadiana, Rova Antananarivo,

Sabotsy 03 Mey 2025.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.




TAOMBAVAO MALAGASY TENY AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA (30 Marsa 2025)

KABARIN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA

tamin' ny TAOMBAOVAO MALAGASY TENY AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA:


1) Ny voalohany dia ny Fisaorana sy ny Fankasitrahana an' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY amin' izao TAOMBAOVAO MALAGASY 2025 izao.

Ho Azy irery ihany ny DERA, LAZA, ERY, HAJA, VONINAHITRA, FAHEFANA, FANJAKANA.

Ary ho antsika rehetra ny FIADANANA avy Aminy.


2) Ny TEY FAMINANIAN' ANDRIAMANITRA ho an' i MADAGASIKARA MANOKANA:

"...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO.

NY AIZINA MANARONA NY TANY, ARY NY AIZIM-PITO MANARONA NY FIRENENA MARO, FA AMINAO NO IPOSAHAN' ILAY MPAHARY ARY AMINAO NO ISEHOAN' NY VONINAHINY.

NY KELY HO TONGA ARIVO, ARY NY MALEMY HO TONGA FIRENENA MAHERY. IZAHO ANDRIAMANITRA NO HANAFAINGANA IZANY...".


3) TOERANA MASINA eto AMBOHIDRABIBY HASIN' IMERINA. Teto no nanaovana FANOSORANA MPANJAKA SY TSODRANO NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA folo taona lasa izay (2015). 

Ary nisy FAHAZAVANA LEHIBE nidina avy any an-danitra ary naharitra ela tonga teto aminay. Ary FAHAZAVANA AVO ZATO ENY noho ny Fahazavan' ny masoandro maraina izay niposaka avy any Atsinanana tamin' izay fotoana izay. FAHAZAVANA izay marika ny FANATREHAN' ANDRIAMANITRA y ny FANKATOAVANY ary ny FITAHIANY.


4) Dia MITSODRANO anareo rehetra sy ny Firenena Malagasy amin' izao TAOMBAOVAO MALAGASY 2025 izao. Dia samy ho TAHIN' ANDRIAMANITRA hatrany.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Ambohidrabiby Hasin' Imerina, Vohitra masina,

Taona Talata, Alahady 30 Marsa 2025.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviaben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.





vendredi 18 avril 2025

FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 6025

 SAMBASAMBA ZANAHARY!

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY!

SAMY HAHAZO IZAY IRIANY NY TSIRAIRAY!

HO HEMPOKY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA!

TRARANTITRA AZA MAROFY!

HO TAHIN'ANDRIAMANITRA HATRANY!

ARY SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA  ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Vita soa aman-tsara ny Fankalazana an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Tsinam-bolana nyvolana Abib na Nissan (Marsa-Aprily) teNy ANERINERINA Vohitra Masina, misy ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan' Imerina (1260-1300 AD).


Anerinerina Vohitra Masina, Fanjakana Merina,

Taona Talata, Sabotsy 29 Mars 6025.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



lundi 4 novembre 2024

FANANDRATANA NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper (01 Nov 2024)

 Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


dia nasaina manokana tamin' ny Fanandratana 


Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper,

Ampanjaka be ny Fanjakana Antemoro,

any Atsimo Atsinanana an'i Madagasikara.


Izy moa dia nandimby ny zokiny Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Marc Brillant izay niamboho. 


Ny Fanjakana Antemoro dia nanomboka tamin' ny taona 1336 AD ary mitohy tsy tapaka mandraka ankehitriny.

Maro ireo Ampanjaka avy amin' ny Foko hafa eto Madagasikara no nipoitra avy amin' ny Fanjakana Antemoro, tahaka ireo Ampanjaka Antagnala, Betsileo, Sakalava ary Antakarana.


Nisy vahiny nasaina mi-isa ARIVO mahery (+1000) no tonga manotrona izao Fanandratana Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper izao, ary singanina manokana amin' izany :


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


ary ireo Ampanjaka maro amin' ny Fanjakana Antemoro.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nanao Fanomezana manokana sy nanolotra Boky Masina milaza Tantara 6000 Taona mahery mikasika ny Razamben' ny Foko Merina sy ny Foko Antemoro ho an' Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper.


"... MITSANGATSANGANA, MIHAZAVA FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..." (Isaiah 60 :1).


DIA HO AN' I ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Ivato Vohipeno, Vohitra Masina,

Taona Alatsinainy, Zoma 01 Novambra 2024.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara.




dimanche 21 avril 2024

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO MARC BRILLANT AMPANJAKA BE ANTEMORO ANTEONY (2023)

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara 


niaraka tamin' ireo Solontena Fianakaviamben'ny Andriana Merina:

. Ny Andriana RABENJAMINA Josefa, Zanadralambo amin' Andrianjaka avy ao Lazaina Imerina Avaradrano, Taranaky ny Governora RABENJAMINA tao Vohipeno izay nanavotra ny Antemoro Anteony,

. Ny Andriana ANDRIANTAVY Jean, 

Avy amin' Ny Andriandranando, ao Ambohibe Imerina Avaradrano,

. Ny Andriana RANDRIANOMANANA Roger, 

Avy amin' ny Tsaravoninahitra Andriamaheritsialaintany, Tranobe Mananjara Ambohimiadana, Imerina Vakisisaony, 

. Ny Andriana Dr Fanantenana Andrianaivotiana RAZATOVO,

Mpandova Fanjakana amin' Andrianonitomponintany, Betafo, 

Lehiben' Imerinatsimo, 


sy 


NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO MARC BRILLANT,

Ampanjaka be Antemoro Anteony 

niaraka tamin' ireo Andriambe dimy ambinifolo amin' ny Andriana Antemoro Anteony 


HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIRAISANKINA EFA NISY TEO AMIN'NY RAZAMBE NANDRITRA NY 3000 TAONA MAHERY.


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Lapa Fenovola Ivato Vohipeno,

Taona Alahady, Alatsinainy 18 Desambra 2023.



Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara.

jeudi 9 novembre 2023

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA TAMIN' IREO MPITARIKA KRISTIANA (2023)

 Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,


sy ireo ANDRIANDAHY SOLONTENA ny Fianakaviamben' ny Andriana eto Madagasikara


dia nanambara ny SITRAPON' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA AN I MADAGASIKARA

sy ny Tantara miafin' i Madagasikara hatrany am-piandohana

ho an' IREO MPITARIKA KRISTIANA SY NY FIRENENA MALAGASY:

Ny Rafitra repoblika, laika, demokratika, avy amin' ny sivilizasiona romana-grika, nampidirin' ny mpanjanantany nandritra ny 60 taona mahery, dia nentina nampahantrana sy nampijaliana sy nampiadiana ny vahoaka malagasy ary nentina nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny. 


NY SITRAPON' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA AN' I MADAGASIKARA SY NY FIRENENA MALAGASY dia ny FANJAKA-PISORONA, FIRENENA MASINA, FANJAKANA MALAGASY, FANJAKAN' I MADAGASIKARA, mankatoa ny TENIN' ANDRIAMANITRA,

misy NY MPANJAKA sy IREO MPISORONA ary MPAMINANY,

tsy mpanao kolikoly  ary tsy mampahantra na mampijaly vahoaka,

fa mijoro amin' ny FAHAMARINANA ary mitondra FIADANANA ho an' ny AMBANILANITRA.


"...DIA HO FANJAKA-PISORONA SY FIRENENA MASINA HO AHY IANAREO...".

"...NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA...".

"...NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA...".


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, faha-04 Novambra 2023.


Ny Manjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.