"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mardi 13 juillet 2021

HAFATRA MIKASIKA NY FANANAN-TANY ETO MADAGASIKARA

Ho an' ny Filoha sy ny Mpikambana rehetra ao amin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC),


Miarahaba anareo manokana.


Voninahitra ho anay, Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, ny mampahafantatra anareo ny Fanitsiana tokony hatao mikasika ny Lalàna Fananantany, indrindra ny "Propriété privée non-titrée" eto Madagasikara (Taona 2021), miainga avy amin' ny Lalàna N°024/2018 tamin' ny 17 Jolay 2018, izay manova ny Lalàna N°2006-031 tamin' ny 24 Novambra 2006

ho Fanajàna ny Soatoavina sy ny Fahendrena Malagasy (cf. Ny Tainomby mivadika aza misy tompony. Tsy misy hariana ireo: ny iray hetra, ny iray tanin-drazana. Ny fitiava-tanin-drazana no lova soa an' ny taranaka. Ny Fahamarinana manandratra ny firenena)

ary ho Fiarovana an' ireo Malagasy Tompon-tany rehetra eo amin' ny Tanin-drazany efa hatry ny ela na eo amin' ny  Taniny vita soratra na tsia (propriété privée titrée ou non-titrée),

kanefa koa mitsinjo ireo Tantsaha mpamokatra sy Malagasy Ray sy Reny mba tia hisitraka tanim-panjakana izay mbola tena tsy nisy tompony ara-tantara na tsy nisy nampiasa na namboly (terrain domanial, domaine privé de l'état)

ary manome izao Fanitsiana izao : 


Article 2 :

"En aucun cas, une Commune ne peut faire valoir une quelconque présomption de propriété sur la propriété foncière privée non titrée.

Les tombeaux, les édifices cultuels, les patrimoines familiaux et les patrimoines culturels traditionnels avec leur tours d'échelle respectifs ne peuvent faire l'objet de certificat foncier suivant les dispositions de la présente loi. Ils sont régis par les textes particuliers en vigueur en la matière."


Tany Masina I Madagasikara!


Koa arovy, Andriamatoa Filoha sy ianareo Mpikambana rehetra, ny haja nomena anareo.


Dia ho an' Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany irery ihany ny Voninahitra mandrakizay!


Antananarivo Vohitra Masina, faha-12 Jolay 2021.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

lundi 5 juillet 2021

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: FAMBOLENA VARY HO SAHAZA NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA ETO MADAGASIKARA

Ny vary no foto-tsakafon' ny Malagasy efa hatry ny ela ary Madagasikara no firenena manana karazana vary betsaka indrindra erantany.


Ny Mpanjaka Andrianjaka (c.1610-1630) no namboly sy namokatra vary voalohany teo amin' ny Lemaka Betsimitatatra, ary notohizan' ny Mpanjaka Andriamanjakatokana, ny Mpanjaka Andriamasinavalona (c.1675-1710), ary ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (c.1776-1810).


N.A. Félix Rasoamaharo (1914-1978), Ingénieur Agronome Malagasy voalohany (Toulouse, 1943), Haut Conseiller au Développement (1963), no nampiditra ny fitaovana fampandrosoana ny fambolena , indrindra ny fitaovana "Kubota" voalohany mba hampitomboina ny vokatra vary sy voly avotra eto Madagasikara.


Mila haparitaka koa ny Fomba Fambolena vary (repiquage précoce de plants de riz) nataon' ilay Mpikaroka Japoney Katayama (1951).


Mila haparitaka ihany koa ny Fomba Fambolena vary mitandahatra mahitsy (Riziculture en ligne) izay nataon' N.A. Rasohamaro Rajoharison, Agronome Tropicale, Chef de Zone d'expansion rurale (Unité Régionale d'expansion rurale) teto amin' ny Lemaka Betsimitatatra sy manodidina Antananarivo (1967-1978), voalohany teto Madagasikara ary nampiasa Teknisiana Malagasy mihoatra ny dimanjato (Agents techniques, vaccinateurs, vulgarisateurs, ...).


Mila haparitaka ihany koa ny Fomba Fambolana vary nataon' ny Ingénieur Agronome Didier Moreau (1987) ary nataon' ny Mopera Henri de Laulanié de Sainte Croix (1920-1995), Ingénieur Agronome, amin' ny alàlan' ny "Système de riziculture intensive" (SRI), "Ketsa valo andro" sy ny "Voly vary maro anaka" eto Madagasikara (1983), izay nalain' ireo 55 firenena hafa tahaka, ary mety hahazoana 5-7 Tonnes vary/ hektara.


Misy Fomba "Fambolena vary an-tanety" (Système de riziculture en terasse) any amin' ny Faritra Betsileo atao hoe "Kipahy" koa, izay tokony haparitaka any amin' ny Faritra mando tahaka ny any amin' ny Faritra Atsinanana an'i Madagasikara, hahazoana vokatra vary indroa isan-taona ary 5-7 Tonnes vary/ hektara.

Marihina fa efa nisy Malagasy namokatra vary 15 Tonnes) hektara ary azo atao 17-24 Tonnes / hektara izany.


N.A. Razafindrakoto Marius (Sc. Po. Paris, Service public, 1966) no efa nanoratra boky (cf. Madagascar : Bilan exhaustif de l'économie 1995; Les voies du pouvoir à Madagascar, 2008) fa tokony ho mahaleotena ara-tsakafo i Madagasikara ary tokony hamokatra 5.000.000 Tonnes vary isan-taona raha kely indrindra.


Ary mila hajanona ny Fanotofana tanimbary sy lemaka, izay afaka mamokatra vary sy voly isan-karazany.


Marihina ihany koa fa misy ny toerana mamokatra vary betsaka eto Madagasikara fa ny làlana hamoahana ny vokatra no mila hamboarina sy hatsaraina haingana.



Fehiny: Azo atao tsara ny Famokarana vary sy voly isan-karazany ataon' ny Malagasy ho sahaza ny vahoaka malagasy rehetra eto Madagasikara, fa mila Fahavononana politika. Koa mamporisika ny Malagasy rehetra. 



Antananarivo vohitra masina, faha-04 Jolay 2021.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Lehiben'ny Fianakaviamben ny Mpanjaka eto Madagasikara, 



Loharano :

. Tantaran' Andriana eto Madagasikara. 

. Katayama: Les phyllochrones du riz, Japon,  1951.

. Rajoharison, Félix: Vulgarisation de matériels agricoles japonais Kubota, Antananarivo.

. Rajoharison, Rasoamaharo: Ny Andriana Rajoharison Félix, Ingénieur Agronome Malagasy voalohany; Vulgarisation de la riziculture en ligne à Madagascar, Antananarivo, 1968.

. Père Henri de Laulanié de Sainte Croix, s.j. : Le Riz à Madagascar, Système de riziculture intensif (SRI), Antananarivo, 1983.

. Moreau, Didier: L'analyse de l'élaboration du rendement du riz, Gret, Antananarivo, 1987.

. Razafindrakoto, Marius, Sc. Po. Paris, 1966: Bilan exhaustif de l'économie malgache 1995; Les voies du pouvoir à Madagascar, 2008.

mercredi 2 septembre 2020

FANOSORONA MPANJAKA SY TSODRANO NY MPANJAKA Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara (Taona 2015)

 "... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA TENA ANDRIANA...".


NY SAOTRA, NY DERA, NY FAHENDRENA, NY HERY, NY LAZA, NY TANJAKA ary NY VONINAHITRA, HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY 

satria vita soamantsara NY FANOSORONA MPANJAKA nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Taona 2015, 

araka ireo TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY izay MI-ISA FITO, tao anaty DINGANA FITO nandritra ny TAONA MARO nanomboka tamin'ny Taona 1981, ho an' 


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Zanakandriana, Andriandahy, Andriandray Andriandreny,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


ARAKA NY HAFATRA NAPETRAK' IREO RAZAMBE MPANJAKA LAHY dia Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1100 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (c.1260-1300 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD), ary Ny Masina Mpanjaka RALAMBO (c.1575-1600 AD), ary tsy maintsy ANDRIANDAHY (fa tsy vehivavy) avy amin' izy ireo ary tsy maintsy ao AVARADRANO ZOKIN' IMERINA (fa tsy avy ao amin' ny Toko hafa eto Imerina),


sy tsy maintsy avy amin' Ny Masina Mpanjaka Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan'Imerina (c.1600-1610 AD) mivantana, Tompon' ny Tranomanara sy Tranofohiloha ary Tranomasina, ao amin' ny Rova Ambohimalazabe, ary avy amin' Ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD) izay nanorina ny Rova Antananarivo, ary samy avy ao Avaradrano Zokin' Imerina,


izay nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY teo anatrehan' ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana sady Vavolombelona tao amin'ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA, ao Avaradrano Zokin' Imerina,


Tao anatin' ireo DINGANA FITO nandritra ny Taona maro ireo :

1 - Ny TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY dia IZY NO MIFIDY SY MANENDRY NY MPANJAKA, tahaka amin' ny Zanak' Israel Roambinifolo (Deotoronomia 17:15), ka nanome  HAFATRA FITO mifandray amin' izay ary nolazainy mivantana tamin' ireto Raiamandreny ara-panahy, Zokiolona, Manam-pahendrena, Manam-pahalalàna, Masinteny, Anti-panahy, ary tsy nifampiteny ireto:


. Voalohany, tamin' Ny Andriana Mpitandrina Daniel RATEFY (1913-1995), Raiamandreny am-panahy lehibe eto amin' ny tany sy ny firenena, niaraka nanorina ny FPMA France (1946), ny FJKM (1968) ary ny FFKM (1950-1980), Zokiolona, avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina, efa nitety firenena roambinifolo ambizato (120), ary nambarany ho an' Ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina ny Taona 1981.


. Faharoa, tamin' Ny Mpitandrina RAZAFINDRAKOTO Gabriel (1919-1986) Raimandreny ara-panahy, Zokiolona, Taranaka Mpisorona avy ao Antanamalaza, Fanjakana Merina, nandalina Theology tany Montpellier sy efa tany Suisse sy Israël, nahay Tenim-pirenena fito, ary nambarany ho an' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Aogositra 1986, 


. Fahatelo, tamin' i Mama VOLAHAVANA Germaine na Mama NENILAVA (1918-1998), Mpiandry Zokiolona, Raiamandreny ara-panahy Tobilehibe Ankaramalaza, Taranaka Mpisorona, avy amin' ny Fanjakana Antemoro, izay efa maty im-pito ary efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, nampianariny Tenim-pirenena Roambinifolo, efa tany United-States of America, France, ary Norvège, nihaona tamin' ny Mpanjaka Olav V tany amin' ny Lapan' ny Mpanjaka tany Oslo, Fanjakan'i Norvezy, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Desambra 1996, 


- Fahaefatra, tamin' Ny Andriana Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA (1925-2010), Raiamandreny ara-panahy Zokiolona (EKAR), niaraka nanorina ny FFKM (1950-1980) avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina ao Ambohimalaza sy avy amin' Ny Andriamasinavalona, Fanjakana Merina, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Jolay 2007.


. Fahadimy, tamin' Ny Andriambavy RAVOLAZAIMANGA Bernadette (teraka 1932), 94 taona mahery, Raiamandreny ara-panahy, avy amin' ny Fanjakana Betsileo, Mpiandry Zokiolona indrindra amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza sy ny Tobilehibe Manolotrony (FFPM), ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2009-2010.


. Fahaenina, tamin' ny Andriambavy RASOAZANAKOLONA Hélène na Mamafara (1924-2017), Mpiandry, Raiamandreny am-panahy Zokiolona ao amin' ny Toby Ararata Sambofiara Namahanambasy-Ambohitompoina (FLM), Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo, izay efa maty in-dimy ary efa nampiakarin' Andriamanitra in-dimy tany an-danitra, nampianariny Tenim-pirenena Fito, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2012-2015.



. Faha-fito, tamin' i Dada MANASÉ (1923-2020), niaina 87 Taona, Raiamandreny ara-panahy, Mpiandry Zokiolona, Taranaka Mpisorona, avy amin' ny Fanjakana Antemoro, ao amin' ny Toby Ankaramalaza, izay nanome Tenin' Ilay MPAHARY mi-isa dimy amibinifolo ary nambarany mivantana tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny 02 Mey 2018.


2 - Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia NANDRAY ANJARA GOAVANA tamin' ny FAMERENENA NY FANDRIAMPAHALEMANA tamin' ny Fanoroana hevitra ara-tafika ny Ministra ny Fiarovam-pirenena sy ireo Manamboninahitra Jeneraly (Division Generals sy Brigadier Generals) mi-isa folo, mba tsy hisian' ny FAMONOANA OLONA FAOBE, tamin' ny FAMAHANA ny KRIZY POLITIKA sy ny ADY NIARAKA TAMIN' NY BASY AMAN-TAFONDRO, izay nisy Malagasy an-tapitrisa nijaly sy natao fahirano ary Malagasy an-jatony no naratra sy  natao takalon'aina na maty novonoina, tamin' ny Taona 2002. Ary tanteraka soa aman-tsara izany.


3 - Ny TSO-DRANO nataon' Ny Andriana Mpitandrina Daniel RATEFY (1913-1995), Raiamandreny ara-panahy Zokiolona (FPMA, FJKM, FFKM), avy ao Ambohimalaza, Avaradrano Zokin' Imerina, Fanjakana Merina, izay efa nitety firenena mi-isa roapolo amby zato mahery (+120) maneran-tany, ary notanterahany ny Taona 1987,


ary Ny TSODRANO sy ny FAMETRAHA-TÀNANA MANOKANA nataon' Ny Andriana Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA (1925-2010), Raiamandreny ara-panahy Zokiolona (EKAR, FFKM), avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, avy ao Ambohimalaza ary koa Andriamasinavalona, avy amin' ny Fanjakana Merina, izay Raiamandreny am-panahy an' ny Fianakaviamben' ny Andriana eto Imerina sy eto Madagasikara, tamin' ny volana Jolay 2007.


4 - FANOSORANA MPANJAKA: 

Ny Fanosorana Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia natao tao amin' ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN' IMERINA ny volana Septambra 2015

ary marika ny FANATREHANA, ny FANKATOAVANA sy ny FANKASITRAHANA ary ny TSODRANO nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY

dia nisy FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY nidina avy any an-danitra tamin' izany FANOSORANA MPANJAKA azy izany ary tonga teo aminy ary naharitra ela, 

teo anatrehan' ireo Zanakandriana vavolombelona nanatrika izany. FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY izay AVO FOLO HENY NOHO NY FAHAZAVAN' NY MASOANDRO niposaka maraina avy any Atsinanana, tamin' io fotoana io.


Tsy olombelona mpanota no miantso sy mifidy sy manendry ary mampanao ny Fanosorana Mpanjaka, 

fa ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, tahaka ny nifidianany sy ny Fanendreny ary ny Fanosorana Mpanjaka nataony tamin' ny Mpanjaka Davida tany Israel, ary nametrahany Marika sy Famantarana hita maso izay tsy hain' ny olombelona halain-tahaka!


5 - Ny FAMINDRANA ZAKA SY FANDOVANA FANJAKANA ARY NY FANOMEZANA NY TEHIM-PANJAKANA nataon' Ny Andriana RALITERA Etienne (1938-2017), avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sy Lehiben' ny Fiombonambe Tanaka Andriana Miray eto Madagasikara (2002-2015), Grand Chancelor of the National Order of Madagascar (2002-2017) izay efa nihaona tamin' H.E. Mr. Koffi ANNAN sy H.E. Mr. Ban KHI MOON izay Sekretera Jeneraly nifandimby tao amin' ny Firenena Mikambana (UN), 

ary notanterahiny tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, erinandro mahery taorian' ny Fanosorana azy ho Mpanjaka, ary natao tao Antananarivo vohitra masina ny volana Septambra 2015,

teo anatrehan' IREO ANDRIANDEHIBE ZOKIOLONA FOTSY VOLO AMIN' NY TANY sy IREO FILOHAN' NY FIKAMBANANA ANDRIANA MERINA (Andriantompokoindrindra, Zanadralambo amin' Andrianjaka), Andrianamboninolona, Andriamasinavalona, Andriandranando...) ary Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Martin izay Ampanjaka Be ANTEMORO sy ireo AMPANJAKA Solontena avy any amin' ny Faritra sy ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana tao ANTANANARIVO.


6- Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia efa nahazo Fiofanana Politika Avo Lenta manokana, nanomboka ny Taona 1994, anisan' izany tamin' Ny Andriana Blaise RABETAFIKA (1932-2000) izay efa Ambasadaoron'i Madagasikara sy Zokiolona indrindra amin' ireo Ambasadaoro rehetra tao amin' ny Firenena Mikambana (UN) tany New-York (1969-1992) sy efa Filohan' ny Filankevitra ny Fandriampahalemana indroa nisesy teo anivon ny Firenena Mikambana (UN) tamin' ny Marsa 1985 sy Jona 1986 ary nahazo ny Prix Mercure d'Or International natokana ho an' ny Filoham-pirenena vitsy erantany. 

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nahavita Doctorats roa (PhD, DTheol.) tany Etazonia (USA), izay mihoatra ny arivo pejy mahery (+1.000 pejy)  araka ny TENY FIKASAN'ANDRIAMANITRA izay nomena azy ny volana Desambra 1996, ary mikasika ny Tantara miafin' i Madagasikara hatrany am-piandohana izay mihoatra ny enina arivo taona mahery (+6.000 taona), misy Tenim-pirenena mihoatra ny Roambinifolo (Malagasy, Sumerian, Tamil Tranainy, Hebreo, Grika, Anglisy, Frantsay, Alemana, Afrikana, Japoney, Amerindian, Malay, Polynesian...) sy fampitahana Taranja siantifika maro mikasika an' i Madagasikara eo anivon' izao tontolo izao (Theology, Geography, Geology, Gemology, Zoology, Botany, Archeology, History, Religions, Human Genetics, Linguistics, Ethnomusicology, Management, Military Strategy, Political Sciences).


7- Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA koa dia efa nitety FIRENENA EFATRA AMBINIFOLO (14) erantany ary nihaona tamin'ny MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY avy amin'ny FIRENENA MARO, TANY IVELAN' I MADAGASIKARA, 

ary EFA NANTSOINA HITARIKA IREO MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY tamin' ny Fihaonambe Iraisampirenena ho an' ny Mpanjaka, Ampanjaka, Zanakandriana ary Raiamandreny, tany am-pitandranomasina, raha nihaona tamin'ireo Filoham-pirenena avy any Amerika, Afrika, Europa ary Afovoany-Atsinanana.


TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... MITSANGANA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO...".

"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

"... HOTAHIANA IZAY MANISY SOA ANAO, FA VOAOZONA IZAY MANAO RATSY ANAO...".


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA, MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Ambohidrabiby Hasin'Imerina, Vohitra masina,

Avaradrano Zokin' Imerina, 

Taona Sabotsy, Volana Septambra 2015. 



Fanamarihana: 

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, 


dia avy amin' :

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1160-1200 AD),

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRA (c.1220-1260 AD),

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIANERIENRINA Lahimatoan' Imerina (c.1260-1300 AD),

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD), 

. Ny Masina Mpanjaka RALAMBO (c.1575-1600 AD), 

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan' Imerina (c.1600-1610 AD),

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD), 

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRANDRIANA (c.1630-1650 AD),

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTSIMITOVIAMINANDRIANDEHIBE (c.1650-1670 AD),

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIAMASINAVALONA (c.1675-1710 AD),

. Ny Masina Mpanjaka ANDRIANAMPOINIMERINA (1776-1810 AD).


(C) Copyright 


lundi 1 juin 2020

FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA : TSY METY ARY OTA FADY NY COLISEUM AO ANATIROVA ANTANANARIVO

FANAMBARANA:

Ny ROVA ANTANANARIVO misy ireo LAPAN'ANDRIANA (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Mahitsilelafanjaka, Lapa Manampisoa, Lapa Tsarahafatra, Lapa Masoandrotsiroa, Lapa Manjakatsiroa, Lapa Manjakahavana, Lapa Mananjara, Lapa Rarihasina, Lapa Rarisambo, Lapa Tsiazompaniry sy ny Lapan' Andriana hafa), ireo TRANON' ANDRIANA, ny TEMPOLIN' NY MPANJAKA, ny TOKOTANIN'ANDRIANA, ary ireo FASAN' ANDRIAMANJAKA (fasan' ireo Mpanjaka lahy sy ireo Mpanjaka vavy ary ny Fitomiadalana) dia TOERANA MASINA.

ary ny FANARENANA azy ireo dia tokony MANAJA ny SOATOAVINA sy ny FOMBA ary ny KOLOTSAINA ANDRIANA MERINA. TSY AZO HANALANA NA HANAMPIANA ZAVATRA HAFA. Tsy mila Coliseum na Ascenceur.

Ny  tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zavadoza eo amin' ny firenena. Koa atsipy ny teny ho an'ny olo-kendry sy ny manam-panahy ary ny tsy maty eritreritra.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !


Ho an' Ilay Mpahary ny Lanitrasy ny Tany irery ihany ny Voninahitra!


Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Feborary 2020.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.



mercredi 11 mars 2020

NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA

FANAMBARANA :

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa ny Fifidianana rehetra nanomboka tamin' ny Taona 1958 ka mandraka ankehitriny 2020 dia feno hosoka sy halabato goavana.

Ary aoka izay ny Fanapotehina ny firenena sy ny fanjakazakan' ny vahiny mpanjanantany izay manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena, mpanota fady, tsy manaja ny Soatoavina malagasy, mpangalatra tany sy nosy, ary mpanototra tanimbary. 

Koa ny Fahatahorana an'Andriamanitra sy ny Fanajàna ny Soatovina malagasy irery ihany, amin' ny Fijoroan' ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, no vaha-olana tokana ho Fampandrosoana indray ny firenena. Koa manainga ny Tia Tanindrazana rehetra hijoro hiaro ny Fahamarinana sy ny Tanindrazana !

"NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA"
(Ohabolana 14:34).

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-07 Marsa 2020.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

ROVA ANTANANARIVO: MILA HAVERINA AMIN' NY ENDRINY TEO ALOHA IHANY

FANAMBARANA:

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sady Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa

ny Rova Antananarivo dia Toerana Masina ary ny Fanarenana ny Rova Antananarivo sy ireo Lapa rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa sy ny Lapa hafa rehetra) dia tokony manaraka ny Soatoavina sy ny Fomba ary ny Kolotsaina Andriana Merina ary tokony haverina amin' ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa. Ny tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin' ny firenena. 

Koa atsipy ny teny ho an' ny olokendry sy ny manampanahy ary ny tsy maty eritreritra.
Tany Masina i Madagasikara !

Ho an' Ilay Mpahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Febroary 2020.

Ny MPANJAKA Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

lundi 16 décembre 2019

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: IREO NOSY MANODIDINA REHETRA DIA AN' I MADAGASIKARA SY NY TOMPONTANY MALAGASY

FANAMBARANA: 

Ny Moanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
 Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia 

...MANOME BAIKO NY MPITONDRA FRANTSAY HAMERINA TSY MISY HATAK'ANDRO ARY TSY MISY FEPETRA IREO NOSY MALAGASY HATRY NY ELA BE (NOSY SAMBATRA NA GLORIEUSES, NOSY KELY NA JUAN DE NOVA, NOSY BEDIMAKY NA BASSAS DE INDIA, NOSY AMPELA NA EUROPA, ...) HO AN' I MADAGASIKARA SY NY TOMPONTANY MALAGASY...

ARY TSY MILA FIARAHA-MITANTANA AMIN' NY ANY IVELANY.


FOIN' I ZANAHARY HATRANY AM-PIANDOHANA, EFA HATRY NY ELA BE, HO AN' NY TOMPONTANY MALAGASY IREO NOSY REHETRA, IZAY MI-ISA 280 MAHERY, MANODIDINA AN' I MADAGASIKARA, toa an'i Glorieuses, Juan de Nova, Bassas de India, Europa, Diego Garcia, La Reunion, Maorisy, Tromelin, Mohely, Anjoany, Maoty, sy ny sisa rehetra .


Ny Fivoriamben' ny Firenena Mikambana (ONU) dia nanamafy tamin' ny Fehinkevitra 34/91 tamin' ny 12 Desambra 1979 sy ny Fehinkevitra N°35/123 tamin' ny 11 Desambra 1980 fa an' i Madagasikara ireo Nosy manodidina efatra voalaza teo ireo.


Ary hoy ny Tenin' i Zanahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany: "...IZAHO NO ANDRASAN' NY NOSY..." (Isaiah 60:9) ary koa hoe "...HO ENTINA HO ANAREO NY HARENAN' NY RANOMASINA..." (Isaiah 60:5).


TANY MASINA I MADAGASIKARA...MANANA NY HASINA MANOKANA IZAY TSY ITOVIZANY AMIN' NY FIRENENA HAFA REHETRA...KOA VOAOZONA IZAY  OLONA NA MPITONDRA FIRENENA NA FIRENENA VAHINY MANAO RATSY AN' I MADAGASIKARA ARY MIANJERA NA MIRODANA AVOKOA!


TANY MASINA I MADAGASIKARA... !


Dinika Nosy Malagasy,
CCI Ivato, Antananarivo, 09-11 Desambra 2019.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
LEHIBEN' NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA.