"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 4 août 2010

FANJAKAN' I MADAGASIKARA : HITONDRA SIVILIZASIONA VAOVAO

FANJAKAN' I MADAGASIKARA : HITONDRA SIVILIZASIONA VAOVAO :




Araka ny Teny Fikasan’ Andriamanitra, nolazainy sy nampitondrainy tamin’ ny olon’Andriamanitra vitsy, efa am-polo taona lasa izay, dia hajoron’ Andriamanitra eto ny Fanjakan’ i Madagasikara, fanjakam-pisorona, ary tsy misy olombelona na vondron’olona na firenena vahiny afaka ahasàkana izany.



Hirodana ny sivilizasiona tandrefana mandà sy manohitra an’ i Zanahary. Hajoron’Andriamanitra handimby azy ny Sivilizasiona Vaovao eto Madagasikara sy ny Fanjakan’ i Madagasikara, ary haposak’ Andriamanitra eto Madagasikara ny Fahazavàny ka hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany.



Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, dia Tany Masina i Madagasikara, Ilay Tany Fototra, ary nametrahan’ i Zanahary taranaka voafidy, fanjakam-pisorona sy firenena masina (Eksodosy 19:6), nantsoin’Ilay Nahary amin’ ny anarany ho olon’Andriamanitra mba hanehoany ny Voninahiny ary mba hanehoan’ izy ireo ny Voninahitr’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany.



Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, raha mitandrina ny Didin’Andriamanitra isika dia ataon’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany ho firenena voalohany fa tsy ho farany, ho lohany fa tsy ho rambony, ho ambony fa tsy ho ambany, hampindrana fa tsy hindrana, hampisambotra fa tsy hisambotra, handresy fa tsy ho resy, ho feno fitahiana fa tsy ho feno fahantrana intsony (Deotoronomia 28: 1-13).



Hanafaka ny firenena Andriamanitra, amin’izao Taon-Jobily izao (Levitika 25:10), Taona faha-Dimam-Polo (26 jona 1960 – 26 jona 2010). Hanafaka amin’ ny asan’ ny maizina, ary hanaposaka ny Fahazavan’Andriamanitra eto amin’ ny firenena. Satria Andriamanitra dia Fahazavàna. Ary tsy misy vondron’olona na firenena vahiny ahasàkana izany !




Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Mpitarika ny FIHAONAMBE NY AMPANJAKA SY NY ZANAKANDRIANA ETO MADAGASIKARA.




(c) Copyright.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.