"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

lundi 2 août 2010

FANJAKAN' I MADAGASIKARA, MANAJA AN' ANDRIAMANITRA SY NY SOATOAVINA MALAGASY:

Lalàm-panorenana manaja an'i Zanahary sy ny Soatoavina ary ny Fahendrena nenti-paharazana eto Madagasikara:
3. NY FOTOTRA FITO IORENAN’ NY SOATOAVINA SY NY KOLOTSAINAM-PIRENENA:

Ny fototra fito iorenan’ ny soatoavina sy ny kolotsaina ary ny satam-pirenena nandritra ny arivo taona maro nifanesy, eto amin’ ny tany sy ny firenena, dia ireto avy:

1) NY FANAJANA: Ny fanajàna an’ i Zanahary no voaloham-pahendrena. Manaraka izany, ny fanajàna ny Mpanjaka izay Filoham-panjakana, ny Ampanjaka, ny zokiolona, ny raiamandreny, ny olon-dehibe, ny tanora, ny ankizy, ny mpiara-belona, ny fanànan’ ny tompontany, ny vakoka isan-karazany, ny harem-pirenena ary ny tontolo iainana.

2) NY HASINA: Izay hery tsy hita maso avy amin’ i Zanahary, ary omeny ny olom-pirenena tsirairay avy, ary mbola avo sy sarobidy noho ny zon’olombelona, ka tokony hajaina hatrany. Ny Hasin’ ny Tanindrazana satria Masina ny Tanindrazana, ka tokony hajain’ ny rehetra, ary tsy azo alain’ ny vahiny na omena na hatakalo na hamidy amin’ izy ireo. Ny Hasin’ ny Tenindrazana, izay tenim-pirenena tranainy indrindra eran-tany, avo lenta, ka tokony andrianina hatrany eto amin’ ny firenena. Ary indrindra ny Hasin’ ny Zava-boary noforonin’i Zanahary eto Madagasikara. Zava-boary izay anisan’ ny tranainy indrindra eran-tany, koa mila arovana haingana sy tanteraka mba tsy ho lany tamingana. Aoka izay tena ilaina ho an’ ny olompirenana ihany no ampiasaina amin’ ny fomba tsy manimba ny tontolo iainana. Ary adidy masina ny fandraisan’ anjara ny olom-pirenena rehetra amin’ ny famerenana an’ i Madagasikara, Ilay Tany Fototra, ho feno ala maitso.


3) NY FAHAMARINANA, eo amin’ ny fisainana, ny fiteny, ny fihetsika, ny atao, ary indrindra amin’ ny fitsarana: tsy mitanila, tsy miangatra, tsy mandainga, ary manaraka ny rariny sy ny hitsiny. Mba ho olompirenena mijoro amin’ ny fahamarinana hatrany. Satria Andriamanitra dia Fahamarinana. Ary aza adino ny fanajàna ny Fitsarana nenti-paharazana, izay iainana mandraka ankehitriny, ary miainga amin’ ny dina sy ny soatoavina isan-karazany eo amin’ ny fiaraha-monina.

4) NY FIHAVANANA, amin’Andriamanitra voalohany indrindra, ary manaraka izany ny fihavànana eo amin’ ny mpiara-belona, indrindra eo amin’ ny samy tompontany, mahay mifankatia, mba hisian’ ny fiaraha-monina mirindra (fa tsy fihavanan' ny mpangalatra).

5) NY FIRAISANKINA, eo amin’ ny samy tompontany. Samy mandray anjara ny olom-pirenena rehetra, araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta nomen’ i Zanahary, ho amin’ ny zavatra tsara hatrany, tsy mifanitsaka na mifampitsabaka, fa mifameno, ho famonjena sy ho fampivoarana ny olom-pirenena tsirairay, ary ho fampandrosoana ny firenena sy ny tanindrazana.

6) NY FIAROVANA NY TANINDRAZANA, izay nomen’ i Zanahary ho antsika tompontany. Firenena anisan’ izay manankarena indrindra eto ambonin’ ny tany i Madagasikara. Anjarantsika tompontany ihany no mitrandraka ny harenan’ ny firenena, ny manodina ny akora ho voakaly, izay vao mivarotra azy eto an-toerana, na any ivelany raha ilaina izany. Homen’ i Zanahary antsika ny zavatra rehetra ilaina ny amin’ izany. Ary haverina amin' ny malagasy ny tany sy trano ary harena nangalarin' ny vahiny rehetra (karana, sinoa, vazaha, afrikana, ...).

7) NY FIAROVANA NY FIANDRIANAM-PIRENENA, izay adidy sy andraikitry ny tompontany rehetra, manomboka eo amin’ ny Fokontany ka hatrany amin’ ny Fanjakana Foibe. Fa hoy Jesoa Tompo: Ho fongorana izay rehetra manohitra an’ Andriamanitra eto Madagasikara ! Tsy misy olona mahay mifandahitra amin’ ny hevitr’Andriamanitra !

Tany Masina i Madagasikara !

Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.
(c) Copyright.
 
 

Aucun commentaire: