"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 4 août 2010

FANJAKAN' I MADAGASIKARA : NY RAFI-PIARAHA-MONINA


FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKAM-PISORONA : 
Lalàm-panorenana manaja an' i Zanahary sy ny Soatoavina ary ny Kolotsaina eto Madagasikara (3):


4. NY FOTOTRA FITO IORENAN’ NY RAFI-PIARAHA-MONINA:

Ary ireto avy ireo ambaratonga iorenan’ ny rafi-piaraha-monina araka ny tantara nandritra ny arivo taona maro mifanesy, araka ny soatoavina sy ny kolotsaina ary ny satam-pirenena eto Madagasikara:

1) Ny OLOM-PIRENENA.
2) Ny FIANAKAVIANA, izay fototry iorenan’ ny rafi-piaraha-monina eto amin’ ny firenena.
3) Ny FIANAKAVIAMBE, izay fitambaran’ ny fianakaviana maro avy amin’ ny razambe iray.
4) Ny ZANA-POKO, izay fitambaran’ ny fianakaviambe maro.
5) Ny FOKO, izay fitambaran’ ny zana-poko maro.
6) Ny FOKOM-PIRENENA, izay fitambaran’ ny foko maro ao anatin’ ny fanjakana nentim-paharazana.
7) Ny FIRENENA, izay fitambaran' ny fokom-pirenena maro.
Miainga avy amin’ ireo fototra fito ireo no hamonjena ny firenena.

Ary avy amin‘ ireo fototra fito ireo no ipoiran’ ny ambaratonga fito amin’ ny vondrona itsinjaram-pahefana eo amin’ ny firenena, iorenan’ ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA dia :
1) Ny FOKONTANY.
2) Ny FIVONDRONAM-POKONTANY.
3) Ny FIRAISANA na Kominina
4) Ny FIVONDRONANA.
5) Ny FARITRA.
6) Ny FANJAKANA ISAM-PARITRA, izay fanjakana nenti-paharazana ara-tantara manerana ny Nosy.
7) Ny FANJAKANA FOIBE, izay mandrindra ny asam-panjakana rehetra.
Avy amin’ ireo rafitra ireo no hampandrosoana ny firenena.


FEHINY: Ny anto-pisian ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, Fanjakam-pisorona, dia ny hanehoan’ i Zanahary, Andriamanitra Andriananahary ny Voninahiny, ary mba hisian’ ny tena fampandrosoana marina, azo antoka, mirindra, mifandanja, isam-paritra, mafy, ary maharitra, eto amin’ ny firenena, tsy ho an’ olombitsy intsony, fa ho tombontsoan’ ny firenena iray manontolo.

Teny Fikasan’ Andriamanitra ny fijoroan’ ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA, Fanjakam-pisorona, ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavàn’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany !

“Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakam-pisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ ny tenany, mba hilazànareo ny hatsaran’ Ilay niantso anareo hiala tamin’ ny maizina ho amin’ ny Fahazavàny mahagaga, ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra, izay tsy namindràna fo, fa ankehitriny efa namindràna fo “.

HO AN' I ZANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !

 
Antananarivo, faha-07 Jona 2010.


Ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
LEHIBEN' NY FIOMBONAMBEN’ NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA.
 
(c) Copyright.