"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

dimanche 7 novembre 2010

HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA



FANAMBARANA:

FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKAM-PISORONA
MIORINA AMIN’ NY DIDY FOLO, HITONDRA FITAHIANA.


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajoron’Andriamanitra eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjaka-Mpisorona, manaja an’ Ilay Mpahary, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany. Tapitra tamin’ ny 17 marsa 2009 ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany ary nitondra ozona ho an’ ny firenena.
Miditra isika izao amin' ny Taon-Jobily (Levitika 25:8-10), Taona faha-Dimam-Polo (1960-2010), Taona Fanafahan' Andriamanitra ny Firenena! Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny. Ary efa nohamasin’ i Jesoa Kristy, efa 2000 taona lasa izay i Madagasikara, ho an’Ilay Mpahary! Ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ny faran’ ny tany.


1. NY TENIN’ANDRIAMANITRA NO FOTOTRY NY FANJAKAN’I MADAGASIKARA:
 Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, hajorony eto tsy ho ela intsony ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (I Petera 2: 9-10), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Efa nohamarininy izany Fanjaka-Mpisorona izany tamin’ ny 02 Aogositra 1983 tany Ankaramalaza. Hajorony ny Lalàm-Panorenana Vaovao mifototra amin' ny Baiboly, Tenin'Andriamanitra. Ary Olon'Andriamanitra maro, tena mijoro amin’ ny fahamarinana (Isaiah 33:15), no hapetrany hitondra ny Tany sy ny Fanjakana, isan'ambaratongam-pahefana.
 Ny rafitra repoblikana dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ Ilay Mpahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena sy hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana ary hangalàrana ny harem-pirenena. 


2. TENY FIKASAN’ANDRIAMANITRA NY FANJAKA-MPISORONA:
Ny Teny Fikasan’Andriamanitra dia Tenin’Andriamanitra ao amin’ ny Baiboly, izay fanomezany toky amin’ izay asa hataony sy ny zavatra ho tanterahiny ary ny fanomezana atolony. Izay olona na fianakaviana na foko na firenena manaiky izany dia hahazo Fitahiana (Deotoronomia 28:1-14) ary izay mitsipaka izany Tenin’Andriamanitra izany kosa dia ho sahirana sy ho voaozona (Deotoronomia 28:15-68).
Teny Fikasan’Andriamanitra ny Fanjakam-Pisorona, nolazainy efa hatry ny ela, fa tsy vao izao akory. Hoy Ilay Mpahary: Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho Fanjakam-Pisorona sy ho Firenena Masina ho Ahy hianareo. » (Eksodosy 19:6). Ary inona moa izany Fanekena izany ? Ny Fanambarana nataony tamin’ i Abrahama ho Rain’ ny firenena maro sy hisy Mpanjaka maro hipoitra avy aminy (Genesisy 17:6-7) ary ho Firenena Masina, « mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho » (Genesisy 17:7). 


3. NY DIDY FOLO NO FOTOTRY NY LALAM-PANORENANA:
Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny, ary efa nohamasin’ Ilay Mpahary tamin’ ny namoronany ny Lanitra sy ny Tany. Ary Jesoa Kristy, Zanakandriamanitra avy any an-danitra (Jaona 1:1-34), dia efa tonga teto Madagasikara, rehefa tsy tany Israely, ary nanamasina ity Nosintsika ity, roa arivo taona lasa izay, ho an’Andriamanitra Ray Tsi-Toha!
Ary araka ny Tantara, izay nohamarinina mpanompon’Andriamanitra, dia eto Madagasikara ny Didy Folo, nosoratan’Ilay Mpahary (Deot. 5:6-18), ao anatin’ Ilay Fiaran’ ny Fanekena, tao amin’ ny Toerana Masina Indrindra tao anatin’ ny Tempoly Voalohany tao Jerosalema! Ary ny Didy Folo no fototry ny Lalàm-Panorenana ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona.

4. JESOA KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA:
Araka ny Tenin’Andriamanitra dia Jesoa Kristy no Mpanjakan’ ny Mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, manerana ny Lanitra sy ny Tany (Apokalypsy 19:16). Ny Mpanjaka Ranavalona II dia efa nanamafy izany tamin’ ny 20 Jolay 1869 tamin’ ny fandatsahana ny vato fehizoron’ ny Tempoly Anatirova Antananarivo. Ary tsy tafita hatrany izay mpitondra firenena, manerana ny tany, ka tsy manaiky na tsy manaraka ny Tenin’Andriamanitra.

Ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona, izay ho hajoron’Ilay Mpahary tsy ho ela intsony, dia Fanjakana miori-paka sy manaja ny Baiboly Tenin’Andriamanitra. Hisy ny Mpanjaka araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary (Genesisy 17:6), manaiky sy manaraka ary mifikitra amin’ i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy (Asa 5 :31), ary hisy Filan-Kevitry ny Mpisorona (I Tantara 24 :7-19) eo anilany, izay mivavaka hatrany (I Petera 2 :5) sy manoro làlana ary manitsy ny Mpitondra Fanjakana araka ny Baiboly Tenin’Andriamanitra (Salamo 119 :105).

FEHINY: 
Hajoron'Andriamanitra tsy ho ela intsony eto ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona! Miomana ny Fiangonana. Miomana ny Firenena. Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny fitondrana jadona na ny demokrasia.
Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra !
Antananarivo, faha-07 Novambra 2010.
Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA
Doctor of Theology (USA).



(c) copyright.


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.