"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

mercredi 4 août 2010

FANJAKAN' I MADAGASIKARA: HO FIRENENA VOALOHANY FA TSY HO FARANY:



Ara-tantara dia firenena anisan’ny natanjaka indrindra eran-tany ny Fanjakan’ i Madagasikara, tamin’ ny Taonjato faha-19, izay neken’ ny firenena vahiny, toa an’i Etazonia, Frantsa, Alemana, Angletera, ary mbola teo alohan’ i Japana.

Taorian’ ny Konferansa tany Berlin (1884-1885) anefa, izay nivorian’ ireo firenena tandrefana mpanjanatany (Alemana, Angletera, Aotrisia-Hongria, Belzika, Danemark, Espana, Etazonia, Hollanda, Italia, Lafrantsa, Portiogal, Rosia, Soeda, Torkia),

dia tonga teto ny mpanjanantany frantsay ary nopotehiny ny firenena, nampijaliany sy notifiriny ary novonoiny ny tompontany an-tapitrisa, ary nangalariny ny tany sy ny harem-pirenena teto Madagasikara, nandritra ny efatra amby enim-polo taona (1896-1960), harena izay mahatratra 100 Milliards Dollar US mahery, izay tsy maintsy haverin’ ilay firenena mpanjanantany.

Napetraky ny mpanjanantany frantsay ny Rafitra Repoblikana, laika, demokratika (1960-2009), izay kolotsaina vahiny tandrefana, miaraka amin’ ny resaka Antoko Politika sy Demokrasia ary ny fandàvana an’ i Zanahary, Andriamanitra Andriananahary, YHWH, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, rafitra repoblikana nentin’izy ireo nampiadiana ny tompontany sy nampahantrana ny firenena iray manontolo, sy nanohizan’ izy ireo ny fangalàrana sy ny fandrobàna ny harem-pirenena ary ny fanapotehana ny firenena. 10 Milliards Dollar USD no vola very raha kely indrindra, nandritra ny dimam-polo taona farany, vokatry ny famoahana antsokosoko ny harena teto.


Ny filohan’ ny repoblika efatra nifandimby, teto amin’ ny firenena, dia voaongana hatrany satria: na saribakoly nolalaovin’ ny vahiny, na nandroba ny harem-pirenena, na nivarotra tanindrazana, na nampijaly sy nitifitra ary namono vahoaka, na niasa fa tsy nahavita, ka tonga amin’izao faha-dimam-polo taonan’ ny fahantran’ ny vahoaka izao. Ary izay mbola mieritreritra Repoblika dia mbola tratran' ny velapandriky ny mpanjanatany, voaozona ary tsy maintsy hirodana hatrany.


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, nolazainy tamin’ ny mpanompon’Andriamanitra vitsy, dia hirodana ny sivilizasiona tandrefana satria mandà sy manohitra an’ i Zanahary, YHWH, Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, indrindra ny namoaka lalàna mankasitraka zavatra mamoafady. Ary ho haverin’ i Zanahary amin’ i Madagasikara ny Nosy rehetra izay azy fahiny (Bassas da India, Europa, Juan de Nova, Iles Glorieuses, Tromelin, Comores, Mayotte, Diego Garcia, La Reunion…).

Ary hiverina amin’ i Madagasikara ny harena rehetra izay navoaka teto, tamin’ ny tsy fahamarinana, fa ozona kosa ho an’izay olona na firenena mitazona izany harena izany, na iza na iza, ary na aiza na aiza misy azy, ka tsy mamerina azy eto Madagasikara.

Ary ho hajoron’ Andriamanitra YHWH eto Madagasikara tsy ho ela intsony ny SIVILIZASIONA VAOVAO, ny RAFI-PIARAHAMONINA VAOVAO, ny OLOM-BAOVAO, manaja an’ i Zanahary YHWH sy ny Soatoavina ary ny Kolotsainam-pirenena: 
FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKA-MPISORONA sy FIRENENA MASINA (Eksodosy 19:6), fanjakana miorina amin’ny Baiboly Tenin'Andriamanitra, manaja ny Fianakaviana sy ny Soatoavina Fito (Fanajàna an'Andriamanitra, Hasina, Fahamarinana, Fihavànana, Firaisankina, Tanindrazana, Fiandrianam-pirenena), mankatoa an' i JESOSY MASINA, MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO, ary ho lasa firenena mandroso, anisan’ ny ho voalohany indrindra eran-tany i Madagasikara !!!


Hoy Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany: "...dia hahatonga anao HO FIRENENA LEHIBE AHO sady HITAHY ANAO sy HAHALEHIBE NY ANARANAO; ary HO FITAHINA TOKOA IANAO; ary HITAHY IZAY MANISY SOA ANAO AHO, fa hanozona izay manozona anao; ary AMINAO NO HITAHINA NY FIRENENA REHETRA AMBONIN'NY TANY" (Genesisy 12:2-3).


"Dia hataon'i YHWH ho LOHANY IANAO, fa tsy ho rambony; ary HO AMBONY TOKOA IANAO, fa tsy ho ambany, RAHA MIHAINO NY DIDIN' YHWH ANDRIAMANITRAO, izay andidiako anao anio, KA MITANDRINA SY MANARAKA AZY" (Deotoronomia 28:13).


Antananarivo, 21 Jona 2010.

Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara.
(c) Copyright.
 

14 commentaires:

  1. FANJAKAN' I MADAGASIKARA: "...:Efa mihoatra ny arivo (1000) ny manam-pahaizana malagasy eto Madagasikara sy any am-pitandranomasina, na manana diploma na tsia. Hohataontsika ny tena fiaraha-miasa akaiky amin'izy ireo dia handroso haingana tokoa i Madagasikara."

    RépondreSupprimer
  2. FANJAKAN' I MADAGASIKARA: "...Ho hapetrantsika ao amin' ny Banky Foiben' i Madagasikara ny volamena an'i Madagasikara ary io no antoka ny vola malagasy sy làlana iray amin' ny fampandrosoana haingana ny firenena..."

    RépondreSupprimer
  3. : FANAMBARANA (1) : "...TSY FANDRIAM-PAHALEMANA: MISAONA NY FIRENENA ARY TOKONY HAJANONA NY LANONAM-PIFALIANA 26 JONA 2016: ...”:

    Ry Vahoaka Malagasy,

    Ny Tia Tanindrazana sy ny Vahoaka Malagasy dia tena tohina tanteraka sy malahelo mafy tokoa amin’ ny fitifirana feno habibiana misesisesy, noho ny fanafihana andian-jiolahy sy dahalo manerana ny Nosy, indrindra izao nahafatesana Malagasy mpiray tanindrazana mi-isa iray amby telopolo (31) tsy manan-tsiny izao, tany Beroroha ny 21 jona 2016. Koa miondrika eo anatrehanareo rehetra nodimandry vokatr’izany izahay, ary ny fanahinareo anie handry am-piadanana sy handova ny Fanjakan’ ny Lanitra.

    Manaraka izany, mamangy amin’ ny fahoriana ho anareo fianakaviana manontolo izahay sy aza misosoka alehelo tompoko. Ny varavarana nivoahana no anareo fa ny fahoriana dia iaraha-mizaka. Koa Andriamanitra Andriananahary anie hampahery anareo mianakavy. Ary ho anareo naratra vokatr’izany dia mirary fahasitranana feno sy haingana ho anareo izahay.

    Farany, noho ny voina mahazo ny firenena ankehitriny, izay nahafatesana Malagasy mi-isa iray amby telopolo (31) dia misaona ankehitriny ny firenena. Koa tsy mendrika hanaovana lanonam-pifaliana handaniana vola aman-karena ny 26 jona 2016. Koa miangavy am-panajana anao, Tompon’andraikitra voalohany eo amin’ ny Vahoaka Malagasy, mba hanajànona izany lanonam-pifaliana izany ary ny vola saika hanaovana izany dia tokony halefa sy hozaraina haingana ho an’ ny mahantra sy ny tsy manan-kohanina manerana ny Nosy.

    Tany Masina i Madagasikara !

    Antananarivo, Vohitra Masina, faha-21 Jiona 2016.

    Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina,
    Filohan’ ny Fiombonamben’ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.

    RépondreSupprimer
  4. : FANAMBARANA (2) : « …TOKONY MAMETRA-PIALANA IREO TOMPON’ ANDRAIKITRA NY FIAROVAM-PIRENENA… » :

    Miarahaba anao Tompon’ andraikitra voalohany ny FIarovam-pirenena,

    Ny Vahoaka Malagasy sy ny Tia Tanindrazana Malagasy dia tena tohina tanteraka sy malahelo mafy tokoa amin’ ny fitifirana feno habibiana misesisesy, noho ny fanafihana andian-jiolahy sy dahalo ary malaso manerana ny Nosy, indrindra izao nahafaty Malagasy mpiray tanindrazana mi-isa iray amby telo polo (31) tsy manan-tsiny, tany Beroroha ny 21 jona 2016.
    Manoloana izany tsy fandriam-pahalemana mibaribary sy mihanaka hatrany izany, ny manam-pahefana malagasy dia manana tamberin’andraikitra mazava eo anoloan’ny firenena malagasy.

    Koa miangavy am-panajàna, tokony mametra-pialàna ny tompon’andraikitra (ministra ny fiarovana, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, sekreteram-panjakana miadidy ny polisim-pirenena) , ary tsy tokony hisy hatak’andro, noho ny tsy fahombiazana amin’ ny fampandriana ny tany sy ny firenena, izay iaraha-mahita sy iainana, andro aman’alina, manerana ny Nosy.

    Raha mihaino ny feon’ ny fieriteretana ianao tompon’andraikitra voalohany sady tompo-pahefana nanendry azy ireo dia tokony hisy ny fametraham-pialàna ao anaty ora vitsy.

    Masina i Madagasikara !

    Antananarivo, Vohitra Masina, faha-21 Jiona 2016.

    Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina,
    Filohan’ ny Fiombonamben’ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.

    RépondreSupprimer
  5. FANAMBARANA (3) : « …MANAMELOKA IREO NAHAVANON-DOZA ARY MITAKY NY FAMETRAHAM-PIALAN' IREO TOMPON' ANDRIAKITRY NY FANDRIAM-PAHALEMANA… » :

    Manoloana ny habibiana izay nahafatesana iray amby telo polo (31) tany Beroroha ny 21 jona 2016 dia efa nampilaza ny Lehibe Fara-Tampony ny Fiarovam-pirenena izahay fa:

    1) Tokony najanona ny Lanonam-pifaliana izay nokasaina nataony 26 jona 2016 ary
    avy hatrany dia natao ny Fisaonam-pirenena ho fanajàna ireo maty.
    2) Ny vola tokony natokana ho an’ny Lanonam-pifaliana rehetra dia tokony nozaraina ho an’ ny mahantra sy ny tsy mananko-hanina manerana an’i Madagasikara.

    Izao indray dia malagasy mpiray tanindrazana roa (2) no maty ary malagasy mahery ny fitopolo naratra (70) noho ny habibiana ataon’ ny sasany, tao amin’ ny Kianjaben’ Imahamasina, ny 26 jona 2016.

    Izahay Malagasy Tia Tanindrazana rehetra sy ny Vahoaka Malagasy dia manameloka tanteraka ireo nahavanon-doza ireo.

    Manaraka izany dia miangavy ny Lehibe Fara-Tampony ny Fiarovam-pirenena mba hitaky ny fametraham-pialan’ireo Tompon’andraikitra ambony mikasika ny fandriam-pahalemana (ministra ny fiarovana, sekreteram-panjakana misahana ny zandarimaria, minisitra ny fandriampahalemana), tsy nahatanteraka ny andraikiny, ao anaty ora vitsy.

    Masina i Madagasikara.

    Antananarivo, Vohitra Masina, 26 jona 2016.

    Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina,
    Filohan’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.

    RépondreSupprimer
  6. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer
  7. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer
  8. : FIOMBONAMBEN ' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA:

    "...IREO FILOHAN' NY REPOBLIKA, PRAIMINISITRA, MINISITRA, MPIASAM-PANJAKANA AMBONY, KA NANGALATRA, NANAO KOLIKOLY, TSY NANAJA ZON'OLOMBELONA, NANDIKA LALAM-PANORENANA, NIVAROTRA TANINDRAZANA,NANONDRANA ANTSOKOSOKO NA NANAO VARO-BOBA NY HAREM-PIRENENA HO AN' NY VAHINY, NAMPAHANTRA VAHOAKA, NANOTA FADY, TSY NANAJA NY SOATOAVINA MALAGASY, NANDORO ROVA NA NANDORO FASANA MPANJAKA, DIA TOKONY TSARAINA SY SAZIANA ARY TSY MAHAZO MANAO RAHARAHAM-PITONDRANA INTSONY. KOA MANKASITRAKA NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA ATAON' NY BIANCO SY NY SENDIKAN' NY MPITSARA ETO MADAGASIKARA HO FAMERENANA NY FAHAMARINANA SY NY TANY TAN-DALANA....".

    Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, PhD, ThD,
    Filohan' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

    RépondreSupprimer
  9. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer
  10. "FANJAKANA MANKATOA NY TENIN'ANDRIAMANITRA SY MANAJA NY FAHENDRENA SY NY SOATOAVINA NENTI-PAHARAZANA ARY MANAJA NY VAHOAKA NO SITRAPON'ANDRIAMANITRA HITONDRA FITAHINA HO AN' I MADAGASIKARA".

    Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, PhD, ThD,
    Filohan' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

    RépondreSupprimer
  11. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer
  12. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer
  13. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer
  14. FANJAKAN' I MADAGASIKARA: ...Efa fantatry ny razambe mpanjaka ny zavatra hitranga eto Madagasikara:
    1) Manjaka aloha ny mpanjaka lahy.
    2) Manjaka ny mpanjaka vavy.
    3) Mitondra ny vazaha menasofina.
    4) Mitondra ny mpanompon' ny mpanjanantany (padesm).
    4) Fitondrana sadasada (repoblika, demokratika, laika, masonika).
    5) Hijoro avy eo ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakana misy Andriandahy Manjaka avy amin' ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan'Imerina sy ny Mpanjaka Andrianjaka, ao Avaradrano Zokin'Imerina (ary Fanjaka-Mpisorona sy Firenena masina) izay vao handroso indray i Madagasikara !

    RépondreSupprimer

Remarque : Seul un membre de ce blog est autorisé à enregistrer un commentaire.